Articles tagués ‘zazakely’

avril 14, 2010

Mila omena rano ve ny zaza latsakin’ny efa-bolana sa tsia?

Fanontaniana manitikitika antsika ray aman-dreny aty amin’ny tany mafana izy ity. Tokony omena rano sa tsia ny zaza raha mafana ny andro, tsara omena rano ve izy atao fanampin’ny nono, ilain’ny zaza ve ny rano tsotra?

Nanontany rasazy mpampiteraka iray izahay, dia tsy iza fa i Rasazy Vero izay miasa ao amin’ny hopitaly Andravoahangy Andrianavalona. Araka ny voalazany dia feno ny otrik’aina rehetra ilain’ny zaza ny nonon-dreny ny efa-bolana voalahony, eny hatramin’ny faha-enimbolany mihitsy aza.

Matetika anefa hoy izy dia mananatra ihany ny dokotera hanome rano ny zaza izay teraka aty amin’ny tany mafana , na dia atahorana aza ny fisian’ny loto amin’izany rano izany ka mety hitarika haretina hafa indray. Nambarany ihany koa fa fomban’ireo ray aman-dreny taloha ny manome rano mangatsiaka efa nampangotrahina ny zanany, ary nasiana siramamy kely.

Araka ny fandihadiana natao dia tsy mampisy fiantraikany firy amin’ny lanja, na ny fahasalaman’ny zaza mihitsy ny fanomezana rano azy ankoatran’ny rononon-dreny.

Ny anton’izany dia ny fisian’ny otrik’aina rehetra ao anatin’io nonon-dreny io. IO ronono voajanahary io dia miovaova ao anatin’ny iray andro, eny ao anatin’ny sakafo indray mandeha aza. Arak’izay tadiavin’ny zaza sy ilain’ny zaza ny fiovan’izany, mandranoka izy amin’ny voalohany ary miha-marihitra izy any amin’ny farany.

Tsy ilaina noho izany ny manome fanampin-drano hafa , indrindra ao anatin’ny efa-bolana voalohany raha mampinono fotsiny ny reniny. Azo omena rano madio kosa anefa izy raha manomboka mihinana ventin-tsakafo (diversification: purée légumes, fruits). Izany hoe efa mihena tsikelikely ny nono.

Tsy mila asiana siramamy ny rano omena ny zaza fa tsy mitondra inon’inona ho azy iny afa-tsy fahazaran-dratsy fotsiny. Tandremo ihany koa fa rano madio hatrany no omena ny zaza fa mora azon’aretina izy , ary raha marary kibo anefa izy dia rano ihany koa no fanafodiny. Noho izany mila mitandrina tsara isika mpikarakara ny zaza.

Raha fintinina izany dia hoe ny zaza minono amin’dreniny dia tsy mila omena rano, raha tsy hoe angaha mihena ny fanomezana ny nono, na koa hoe marary kibo ny zaza ka mila ampisotroina rano matetika na misotro SRO.

Ho an’ireo reny manome biberons kosa indray dia azo omena rano madio ny zaza fa atao kelikely ihany ary tsy asiana siramamy. Io moa matetika dia nohon’ny fitohanan’ny zaza misotro ronono artifisialy.

Tags : , ,
avril 15, 2009

Bebe du Printemps

Comme promis, kilonga.com publie toutes les photos de bébés qui ont participés au concours KilongaGasy2009

Voici donc les bébés du Printemps:

> bebe wesley a 20 mois et croque la vie à pleines dents et bebe Waymel a bien choisi son prénom, quelle originalité

bebewesley20m

bebewaymel

mars 30, 2009

Kilalao ZazaKely: 0-3 volana

Inona moa ny atao hoe milalao? Moa va tsy mandeha mikaroka izay manodidina ny tontolo iainana: mandray, mihaino, mizara, mitanisa, manandrakandrana…

Ireto aza misy sombin-kilalao ho an’i zazakely heverinay eto amin’ny kilonga.com fa hanampy antsika ray aman-dreny amin’ny fifidianana kilalao ho an’izy ireo. Mandeha araka ambaratonga izy ireo. Mamakia finaritra o!

1) Saribakoly lamba, nounours na peluche

Mahafinaritra aminy:

Rehefa zavatra malefadefaka sy kelikely ka misy orona, vava, maso anankiroa ary sofina azo rohidritina . Mahafinaritra azy ny mikitikitika ireo karazan-damba sy “texture” rehetra.

Fomba hisafidianana azy:

Zavatra kelikely, tsy “rigolote” akory. Tena kilalao maneho sarim-biby no alaina (bitro, alika kely, saka…) na saribakoly. Tandremo fa ny peluche sy ny nounours dia mitàna vovoka be.

2) Ny korintsana, na hochet

Mahafinaritra azy:

Vitany ny mandrazona azy mafy, ny mandraindray azy. Efa mampianatra azy zavatra maro na dia izay fotsiny aza. Vao maika moa avy eo fa misy feo mivoaka avy ao anatin’iny ( grlots, na hira malefaka)

naturabebe.com

Fomba hisafidianana azy:

Maivana, misy loko maro, boribory tsara ny manodidina azy. Tandremana tsara mba tsy ho zavatra mora mihendaka ny ao anatiny sao lasa any am-bavany.

3) Ny mobile

Mahafinaritra aminy: Ahafahany manavaka ny loko sy ny bika isan- karazany ary mihaino hirahira malefaka. Io irery ny kilalao tsy miala eo amin’ny champ visuel. Rehefa tsofin’ny rivotra na rehefa miodina ilay “figurine” kely dia manaitaitra azy.

Fomba hisafidianana azy:

Marevaka tsara. Afaka vonoina rehefa tsy ilaina ny feon-kira. Tandremana sao tsy miraikitra tsara ny fitoerany (amin’ny berceau ohatra, na amin’ny landau) ka mivaha dia mianjera eo aminy. Toy izay ihany koa ny mombamomba an’ireo “joujoux” miantona eo sao rohitiny.

4) Kilalao kely mitsingevana

Mahafinaritra aminy:

Manampy azy amin’ny fahatahorany rehefa ao anaty rano izy. Ahafahantsika ray aman-dreny manazava koa fa tsy milentika any anaty rano izy.

sophie la girafe

Fomba fisafidianana azy:

Amin’ny caoutchouc malefaka (azo aholakolana) ary tsy misy bolongalongana (aspérités) . Rehefa mitsengevana, mi-couine, ary afaka atao arrosoir dia efa mety. Betsaka ny zavatra azo foronina avy amin’ireo hevitra telo ireo avy eo. Ireny kana kely ireny na i Sophie La girafe no tena tsara.

mars 26, 2009

Mombamomba ny zazakely 0- 6 volana

1- Iray volana: mbola toy ny ao an-kibon’i Neny

bebesandratra0mois1Mitambokona kely izy, en position foetale hoy ny teny frantsay. Raha misy zavatra mandalo manoloana ny tànany, dia feheziny mafy izany: antsoina hoe grasping (par reflexe). Raha misy zavatra tiany jerena dia dinihany mafy eo iny ary afaka arahiny maso koa raha misy zavatra mihetsika, ka tafiditra ao anatin’ny champ visuel-ny.

2- Roa volana: mitana ny lohany

maitia2mois-2161Efa tsy hita intsony eto ilay grasping. Manomboka eto dia sokafany sy hidiany ny tànany raha mandray zavatra izy, izany hoe efa manomboka mibaiko ny ataony ny atidohany. Arahiny maso izay zavatra rehetra mihetsika manodidina azy, fantany fa manana tànana izy ary alefany any am-bavany io. Rehefa mitsiky aminy iano dia valiany amin’ny tsiky koa izany.

3- Telo volana: manomboka matanjaka kely

s6300318Rehefa matory mihohaka izy dia vitany ny manatrakà ny lohany. Raha apetraka minitra vitsy izy dia efa mitana koa ny hatony. Tiany ho takarina daholo ny manodidina azy rehetra saingy mbola involontaire izany. Io fotoana io no antsoina hoe : préhension de contact. Anjarantsika lehibe no manome azy ny kilalao-ny: hochet ohatra.

Milalao amin’ny ny tànany koa izy eto ary manomboka manao “areuh”. Mikiakiaka kely izy rehefa faly ary “mamaly” rehefa resahina.

4- Efa-bolana: manomboka matanjaka sy mivadibadika.

Raha mitsilany izy dia efa mahavita mitraka 90°. Vitany ihany koa ny manao paozy milomano raha matory amin’ny kibo izy. Raha toa ka hatsangana izy dia mi-pédale. Tazominy matetika ny tànany, ary ampiasainy daholo izy roa.

Mahavita milalao maharitra ny hochet-ny izy, ampidiriny any am-bava ahalalany ny mombamomba ny manodidina azy. Indraindray latsaka dia very ka ezahany tadiavina mafy. Arahiny daholo izay zavatra mihetsika manodidina azy. Ary vitany ny manodina ny lohany havia na havanana, indrindra raha misy feo henony. Manana reflexe ihany koa izy manala ny lamba manarona ny tarehany (tandremo fa tsy mbola vitany matetika io! )

Fohy hehy izy eto, mi-gazouille (mibadabada). Ny zaza rehetra na gasy na vazaha na sinoa dia mampiasa phonème mitovy daholo amin’io fotoana io.

5- Dimy volana: Manao bisikileta?

Manao bisikileta matetika izy , eo am-patoriana. Manomboka milalao amin’ny tongony ihany koa ary miezaka ny mipetraka na dia mbola tsy vitany aza. Raha matory mihohoka izy dia manao raoplinanina (miainga ny tongotra ary ny tànana misokatra toy ny elatra) ary mivadika avy eo.

Manomboka misafidy izy na haka na tsia ny kilalao atolotra azy, ampiasainy ny tànany hanakarany izay tadiaviny, toy ny rateau. Avy eo dia feheziny anatin’ny ratsan-tànany sy ny fela-tànany ary alefany any am-bavany . Manomboka mi-vocalise koa izy ary mitsiky rehefa mahita ny sariny amin’ny fitaratra.

6- Enim-bolana: Pelipelika!

Raha mandry mitsilany izy dia hanomboka hanainga ny lohany sy ny sorony ary ny tongony. Iny izy no hivadika, ary hiezaka ny hitraka. Mahay mipetraka mahitsy tsara izy fa mila tohanana. Mahavita mitazona zavatra roa izy, mijery ny fahatelo, manary ilay faharoa mba hangalana io fahatelo io.

Fotoanan’ny lallations eto, mi-babiller-izy saingy manaraka ny phonème-ny teny reny matetika. Raha toa ka manary ny kilalao-ny izy dia miezaka misambotra iny indray. Tsy mandà izy raha tiana ho raisina ary atolony mihitsy aza ny tanany.

février 6, 2009

Ireo teny mamy avy amin’i Neny!

kezako.eu

kezako.eu

Fantatrao ve ireo teny mamy miaro baiko ataon’ny reny malagasy amin’ny zanany? Na eto Madagasikara, na any Frantsa, na any Amerika, na any Soisa, na any Alemana dia mijanona foana ireto teny malagasy manaraka ireto.

Haingana ianao e!

Avia aty ny zanako

Zanak’i Mama, neny, Maman moa ianao

Pisokely, sakakely, Bitrokely

Mamy anie izany e,

Alamino ny trano, Amboary ny fandriana

Andeha manasa tànana,

Mahazo kapoka an,

Ho hano ny vary, sotroy ny rano, jereo aty,

Aiza dadanao?

Aoka izay, mangina ary

Be koretaka, mangina amin’izay

Aza mitomany, mahatsiravina an!

Tara lava, haingana e!

Ankilan’izany,vitsy amintsika ny mahavita manao hoe “Tiako ianao”  avy hatrany , fa na atao teny vahiny “je t’aime’ , na soloina , na atao lavalava hoe “tiako anie ‘ty zanako ‘ty e!” , “iza no zanak’i neny sy dada moa?” izany rehetra izany dia porofom-pitiavana sy fanamarihana ary fanamafisana hatrany ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny zanany.

Raha voadinikareo tsara, ny fibedesana na /sy ny teny iraka , ny teny mamy sy ny anaram-bositra dia sarotsarotra kokoa ho an’ireo reny voataiza tamin’ny teny malaagsy no mamadika azy amin’ny teny vahiny. Henoy anie e!

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.