Articles tagués ‘zaza’

mai 6, 2010

Mandena am-pandriana: sao dia misy olana?

Tsy zava-poana ny mandena am-pandriana, indrindra raha efa mihoatra alavitra ny taona fahadiovany ny zaza. Toy ny tomany dia fanambarana zavatra mampitaitaina ny fandemana am-pandriana.

Inona no mety mahatonga izany?

Ankoatran’ireo zaza manofy am-pandriana, na kamo mitsangana na mangatsiaka amin’ny alina dia mety fahasahiranan’ny saina no mahatonga azy io. Ohatra hoe tahotra tsy voafehy: nahita zava-dratsy na tamin’ny fahitalavitra, na teny an-dàlana, na zavatra notantaraina azy. Mety koa hoe voakapoka foana izy isak’izay manao zavatra: tsy mahazo mikiakiaka, mihazakazaka, tsy avela manao zavatra irery mihitsy fa heverina ho toy ny zaza foana. Indraindray koa ny fihavian’ny zandry na ny fibedesana azy tsy hilalao ny zandriny dia mitarika azy io . Izany hoe alahelo, fahatezerana tsy voavoka izany no mety hitondra ny fandemana am-pandriana. Indrindra moa izy io raha miverimberina matetika dia tena tokony hanaitra antsika ray aman-dreny mihitsy.

Mety ho fintaomana ny ray aman-dreny hijery azy fotsiny ve io?

Raha misy zazakely vao tonga ao an-trano , izany hoe mahazo zandriny izy izany dia fitranga ihany ny fiverenan-tsain’ireo zokiny. Indrindra fa izay farany teo, io moa dia tsy fihantana fotsiny ihany fa filazany ny alahelony  ihany koa. Matetika mety handena am-pandriana izy ny volana voalohany, mety hiverina te ho fahanana rehefa misakafo, manao izay fomban-jaza rehetra. Fanehoan-kevitra izy eto ary tokony tohanana tsara ny zaza amizany fa tsy ambaniana. Aseho azy izany fa zanakareo foana izy na dia misy zazakely vaovao aza, ary tianareo daholo izy ireo.

Tokony fohazina ve ary ny zaza sa tsia amin’ny alina?

Eto indray dia samy manana ny heviny ny tsirairay. Misy mpitsabo milaza fa tsy mila fohazina ny zaza fa tokony ho izy ihany no ahalala hifoha irery. Ny antony moa dia hanazarana ny zaza hitsangan-drery, ny tsy hanapahana ny torimasony ary koa hanalàna ny fahavizanan’ny ray aman-dreny sy ny mba tsy hikitakitan’ireo zanany noho izany. Ao indray ireo milaza fa tokony fohazina ihany izy ireo mba ahamora ny fahazarany mifoha rehefa any aoriana any, ny zaza mantsy dia vetivetika ihany dia mahita torimaso indray.

Raha ny marina angamba dia tsy ho fantatra satria samy manana ny fombany ihany koa ny tsirairay, araka izay notazaina azy teo aloha. Ny torohevitra azo aroso  voalohany dia ny fanesorana ny tatin-jaza mialoha indrindra. Raha toa mantsy io hajanona ela loatra dia manaza-dratsy ny zaza izany, sady koa mitarika hakamoana  satria vahaolana vetivety ihany io, moa etsy andaniny dia mandany vola sy fotoana (raha mila sàsana) . Faharoa, azo atao tsara ny manisy lafika ny fandriana, ny tsy manome rano ny zaza alohan’ny hatory ary ny fanazarana azy andeha ho any an-kabone mialohan’ny hatory. Fahatelo, azo tairina moramora ny zaza rehefa lehibebe taona (3 na 4 taona ohatra) , alefa mi-pipi. Avy eo izy ihany dia mahay mifoha irery ka rehefa feno 5 taona any izy dia na mifoha irery na mahatana ka maharitra maraina. Raha matahotra izy dia azo atao ny manisy pot eo akaikiny na mandrehitra jiro ao amin’ny gabone mandritry ny alina (raha mpiasan’ny jirama) , indraindray koa misy an’ireny jiro kely ireny atsatoka amin’ny prise .

Bedesina ve ny zaza mandena am-pandriana?

Tsia, tsy bedesina izy. Tsy fanahy iniana mantsy izy io . Vao maika hanatery azy raha bedesina indray izy fa aleo aza tsy omena lanjany firy ny fandriana lena, ary omena lanjany be dia be ny zaza. Izany hoe hiarahana mamaha ny olàna: miaraka manamboatra fandriana, manaha kidoro. Miresaka momba ny zavatra mety manaporitra azy.

Fadiana dia fadiana ny mandatsa, indrindra fa avy amin’ireo mpiray tampo. Tena mety hananosarotra mantsy ny mamaha ny olàna avy eo ary tsy mety rahateo koa izany. Ny azo atao aza dia ny manambony azy , mampitovy azy amin’ireo zokiny. Mamela azy hanao zavatra irery ary heverina fa vitany

Tags : , ,
avril 16, 2010

Ny zaza 12 volana ka hatramin’ny 2 taona

12 volana – 18 volana
  • Mahay mamindra:
Efa mahavita mitsangan-drery saingy mianjera matetika , tsy mahavita mandeha fa mamindra. Manao fandehan’ny “foza” , mibilabila. Na izany aza tsy  dia manaitra azy ny mianjera raha tohanana amin’ny “Bravo” sy tehafana ny zotony. Eto ilay fotoana fanaovana “tata…tata…tata”, izany hoe tantanana ny zaza dia miara mamindra aminy. Rehefa feno 15 volana any izy dia efa manomboka vonona ny hamindra irery.
  • Manipy baolina
Raha milalao baolina miaraka amin’ny zaza 12 volana eo isika dia voatsikaritra fa mbola tsy mahay mitifitra tsara izy. Io dia nohon’ny tsy fahampian’ny heriny sy ny tsy fahaizany mamantatra ny halaviran’ny zavatra manodidina azy. Tsara noho izany raha mifanakaiky aminy rehefa milalao baolina ary mifanalavitra tsikelikely.
Marihina anefa fa mahavita manatsofoka “perle” lehibe na “boule” ao anaty vava tavoahangy izy eto. Mahafinaritra azy koa ny milalao “fermeture éclair“, afaka mijanona eo izy mandritran’ny ora be dia be. Mahay mitana cube anankiroa amin’ny tànana iray izy  ary manomboka mahavita manataingina ireny, roa na telo eo.

  • Miaka-midina ny tohatra
Tia miakatra tohatra ny zaza manomboka eto amin’ity taona ity. Saingy tsy mahay miakatra tohatra mitsangana izy fa mandady, rehefa midina kosa dia migorisa amin’ny fitombenany, na amin’ny kibo. Tandremo fa mbola tsy tonga saina mihitsy izy eto, ka tsy mahalala izay ahafaty azy! Isika ray aman-dreny dia tokony hanara-maso azy foana.
  • Mamaky Boky sy manoratra
Mankafy mamaky boky be, mamadika ny pejy ara-droa na ara-telo ary averimberina im-betsaka; mananaraotra tsara izany isika eto. Manomboka mampiditra ny “imagier” ihany koa . Rehefa feno 18 volana eo mantsy dia mahay mamantatra ireo zavatra manodidina azy ny zaza. Azo atsofoka ihany koa ny pensily sy ny fandokona. Io dia tsara amin’ny fanazarana ny tànana hitazona pensily ary ahafantarany ny zavatra vitan’ny vatany. Mba tsy hanoratany erakin’ny rindrina dia aleo manangona taratasy be dia be, taratasy rehetra ariana any am-piasana any ohatra dia afaka entina mody.
  • Misaoty, misabaka, miondrika
Mandohalika, mipetraka, mitsangana. Efa tena matotra tsara ny articulations rehetra ka mahavita miondrika irery, mitsipona ny kilalao latsaka amin’ny tany. Mahay mitohana amin’ny fanaka raha manakatra zavatra latsaka ao ambany ao.
  • Miteny sa mibadabada
Mahavita mamoaka teny roa na telo eo. Ary mahalala tsara ny zavatra tadiaviny, satria dia tondroiny tsara izany. Matetika eto amin’ity fotoana ity dia ny ray aman-dreny ihany no “mahafantatra” izay lazainy .
  • Ny sakafo
Tia mitsatsaingoka amin’ny tànana, aza ràrana be loatra satria famantarany ny zavatra hohaniny ihany koa io. Eo amin’ny 15 volana eo izy no manomboka mandray sotrokely, ary manandrana misakafo irery; mihena noho izany ny zotony misakafo satria variana amin’io fahaizana vaovao io izy. Mahatana kopin-jaza amin’ny tànany roa ary misotro rano irery.
———————————
18 volana – 2 taona
  • Mihazakazaka
Mihazakazaka ny fahazaiana vaovao hainy sy tiany eto ka dia atao foana, rehefa tsy reraka mazava ho azy ka mitady trotroina. Rehefa mihazakazaka dia velarina ny tànana ary somary mihinjitra kely. Mety mianjera fa tandremo. Efa mahalala ny fahalavirany amin’ny zavatra manodidina azy.
  • Fanatanjahantena
Mahery amin’ny resaka ” lingilingy”. Mihanikanika no zavatra tiany eto, indrindra fa ny fandrianany. Izay rehetra ahafahany mampiasa an’io dia tiany avokoa: seza avo, tohatra… Efa mahay milalao baolina tsara, mahay manipy sy mandaka.
  • Ny sakafo
Maika mafy ny andeha hilalao ka mihinana malaky ny zaza eto amin’ity sokajin-taona ity. Manahirana noho izany ny famahanana azy, mila fikafikaina kely izy, atao zary lalao ny misakafo. Matetika dia efa madio ny ankapobeny ary mahavita misakafo irery. Ny tsara dia samy mitàna sotrokely ianareo.
  • Ny boky
Mandinika ny zavatra rehetra hitan’ny masony izy eto, tsy vitan’ny hoe mihaino tantara fotsiny fa  liana amin’ny zavatra farak’izay kely indrindra tsy ampoizina hitany. Afaka atomboka ny famakiana tantara fohy  momba ny fiainana an-davanandro eto.
  • Ny fiteny
Manomboka miha-feno ny anaran-javatra hainy, eo amin’ny valo na folo eo. Mametraka fanontaniana ” han? han?” Mahay manondro ary mahafantatra ny maso, sofina, orona, na zavatra hafa eo amin’ny vatany.
  • Ny tohatra
Mahay miakatra sy midina ny tohatra toy ny rehetra, izany hoe mitsangana saingy mbola matahotra. Rehefa midina ny tohatra izy dia mamikitra amin’ny tohana ary midina tsikelikely. Maka aina matetika fa mbola reraka.
  • Ny toetra
Somary maherihery ity taona ity. Eo amin’ny roa taona eo mantsy dia tonga ilay fotoana ‘fanoharana”, io dia milaza fa tonga saina tanteraka amin’ny zava-bitany ny zaza ka mieritreritra fa mahavita tena irery. Avy ny “tsia” na avy amin’ny dada sy neny na avy aminy. Somary mangirifiry azy ny toherina eto kanefa tena ilainy eo amin’ny fitomboany izany.

  • Mangala tahaka
Tsy misy zavatra tiany toy ny ” manao ohatran’ny… ” toa an’i Neny, na toa an’ i Zoky . Izany hoe mamafa trano , miborosy trano, manaha lamba, sns. Milalao saribakoly, mody mipasoka, manasa vilia sy vilany . Midika zavatra lehibe izy ity na dia heverintsika fa dia kilalao fotsiny aza. Ampirisiho ny zaza, ohatra hoe omena anjara asa kely izay heverina fa vitany izy ka tsy mandratra azy. Tsy maharitra io fotoana io ka aza mibitaka mialoha loatra!
  • Miakanjo
Raha omena fahafaham-po izy dia mahavita manala ny kirarony sy ny akanjony irery. Moramora kokoa aminy io. Rehefa ampiakanjoana kosa izy dia aza asarotina amin’ny tady kiraro, bokotra sy fermeture . Ny tanjona dia ny ahafahany miakanjo irery.
  • Ny fahadiovana
Arakarakin’ny zaza sy ny ray aman-dreny izy ity. Misy madio aloha ny roa taona, misy mbola miandry kely. Tsy misy mahamaika fa avy miandalàna eny ihany io. Indraindray mbola mandena ny atoandro, ary am-pandriana amin’ny alina. Io farany io dia somary elaela kokoa.
février 19, 2010

Les parents les plus stricts du monde: à Madagascar

Les Parents les plus stricts du monde , revient le 10 mars prochain sur M6 pour deux nouveaux épisodes dès 20h40. Deux adolescents expérimenteront l’éducation dans une famille à Madagascar, tandis que deux autres seront accueillis par une famille de RDC.

Suite aux très bonnes audiences enregistrées par les deux premiers épisodes de sa nouvelle émission Les parents les plus stricts du mondeM6 a décidé d’expatrier 4 nouveaux adolescents dans des familles francophones à l’étranger.

L’émission, qui avait enregistré plus de 3 000 000 de téléspectateurs, envoie desenfants en rupture, ingérables et qui refusent toute autorité, dans des familles strictes aux cultures complètement différentes du monde entier. Privés de leurs repères, confrontés à des règles d’éducations auxquels ils ne sont pas habitués, ils sont forcés à l’examen de conscience. C’est un peu comme envoyer des ados en difficultés visiter les cousins étrangers de Pascal le grand frère .

Pour son premier épisode, l’émission du 10 mars se déroulera à Antananarivo àMadagascar, dans l’un des pays les plus pauvres au monde. Marie et Mickaël seront hébergés par Mamy et Niarintsoa, parents malgaches de 4 enfants aux règles strictes. Attention, ils ne transigent pas sur la politesse, le respect. A la maison, tout le monde participe aux taches ménagères.

Marie est une petite lycéenne rebelle de 15 ans et demi qui a sale caractère. Depuis le divorce de ses parents il y a deux ans, la demoiselle ne s’entend plus du tout avec sa maman. Les dérapages verbaux se succèdent et sa vie de famille est un enfer, surtout pour son demi-frère, Michel, qui n’a que 7 ans.

Mickaël, 17 ans, est lui en échec scolaire. Ses relations avec son père, déjà conflictuelles, se sont dégradées depuis qu’il s’est fait licencié par son patron.

Chez eux, ils ne respectaient rien. Là-bas, ils vont devoir se montrer responsables. Marie aura en charge l’entretien d’un Orphelinat, Mickaël aidera une association qui approvisionne en eau la population. Sauront-ils cohabiter pendant une semaine ? Seront-ils à la hauteur des attentes ? Et surtout, ce voyage leur sera-t-il bénéfique de retour en France ?
Dans le deuxième épisode, le choc de civilisation qui attend les deux rebelles s’annonce encore plus rude.

Solène, 15 ans, qui reproche tout à sa mère mais ne fait rien chez elle, et Adrien, 16 ans, petit égocentrique qui ne pense qu’au football et dénigre sa mère, vont se retrouver à Kinshasa, capitale de la RDC.

Espérance et Robert, parents de 5 enfants de 17 à 8 ans vont avoir la lourde tache de les accueillir dans une ville de tous les dangers. Mais avec Solène et Adrien, ils n’ont encore rien vu. Le choc des cultures risque d’être rude. Les deux adolescents, à qui l’on concède tout et qui ne pensent qu’à eux, sauront-ils changer de comportement ?Les parents les plus stricts du monde , c’est le 10 mars, sur M6, dès 20h40.

News: Photos de la famille malgache (Mamy et Niriantsoa) qui a accueillie les deux adolescents français : Marie et Mickael

février 9, 2010

Momba ny zaza 0-12 volana

Ny Torimaso

Zava-dehibe ho an’ny zaza mihitsy ny torimaso, ny volana voalohany dia matory foana ny zaza rehefa tsy misakafo. Avy eo dia mivadi-bolàna izy hoy ny fiteny malagasy;  na dia mbola matory foana aza no ataony tontolo andro, dia efa manomboka misokatra kely ihany ny masony, fa mbola mora vizana izy.

Marihina fa tsy hakamoana akory ny antony hatorian’ny zaza fa mamarana sy manamafy ireo taovany rehetra izy. Ilaina amin’ny fitomboana noho izany ny torimaso.

Ito misy tabilao mamintina ny fotoana ilain’ ny zaza vao teraka ka hatramin’ny 3 taona momba ny torimasony.

Taona          Torimaso          Sieste                  Totaly

tera-bao     10 ora               10 ora                   20 ora

3 volana     10 ora                5 ora                     15 ora

6 volana     11 ora              3 ora sasany        14 ora 30

9 volana     11 ora              3 ora                        14 ora

12 volana  11 ora              2 ora 45                13 ora 45

18 volana   11 ora             2 ora 30               13 ora 30

2 taona        11 ora            2 ora                      13 ora

3 taona        11 ora           1 ora                       12 ora

Lanja sy Halavana

septembre 10, 2009

Fanasana ny fitombenan’ny zaza

1) Fepetra mahasoa:

Hamainina tsara ny vodiny. Indrindra ireo elakelany rehetra.

Mampiasa lamba fanamainana madio, malamalama ary maina tsara.

Rehefa manamaina ny zaza dia somary “tamponner-na” fotsiny ny hodiny fa tsy kosehina akory ( frotter), indrindra moa raha masaka (irritée) ny fitombenany.

Ahataka mihitsy ny feny, ny ambany helika sy ny ambadikin’ny sofiny ary hamainina tsara rehefa avy mandro izy. Any mantsy somary mihidihidy ka mora hijanonan’ny rano dia manjary masaka avy eo.

2)Fametrahana ny lafika (couche)

Apetraho mahitsy ny zaza, ampahitsio ho tody hatreny amin’ny fotrany ny lamba. Raha avo loatra na iva loatra mantsy dia mety hiborotsaka na hankarary azy.

Raha manalasala anao dia andramo ampidirina anelakelakin’ny lamba eo amin’ny feny ny ratsan-tananao; sahabo 2cm eo ny elanelany mety indrindra.

Tandremo ihany koa raha mampiasa lafika avy dia ariana irony mba tsy hisisika any anaty feny any ilay morony misy elastika iny fa marary ny zaza.

Dia toy izay ihany koa raha tafiditra anelakelakin’ny kibony sy ny lafika ny ratsan-tananao dia ao tsara izy izay. Tsy atahorana hitobaka.

3)Fadio ireto manaraka ireto.

Fanoloana ny lafika amin’ny ora raikitra. Indrindra moa ny mamoha zaza raha matory izy.

Raha fohazinao mantsy izy fa nikàkà ohatra dia mety hanelingelina ny torimasony izany, ka avy izy dia ho kizitina be.

Ny tena tsara dia ny manolo azy aloha na arian’ny sakafo, na alohan’ny hatoriany. Maka aina kely izy amizay.

Tandremana rehefa manjaitra na mividy ny lafika mba ho arakarakan’ny habeny tsara no vidiana.

Raha kely loatra mantsy dia ho tanteraka foana, raha malalaka be indray dia hiboritsaka foana. Ny zaza rahateo tsy ahazo aina.

Mba tsy ho voan’izay, dia rarao ny manangona lafika be dia be (mahita fihenam-bidy ohatra) . vetivety ny fitombon’ny zaza.

4)Savony sy rano sa …. lingette?

Tsy misy tsara toy ny rano madio mangarahara amin’ny fanasana ny fitombenan’ny zaza. Taloha na amin’izao fotoana aza dia mampagotraka rano ary atao anaty thermos iny. Dia iny no avoaka tsikelikely ary hanasana ny zaza amin’ny vovo madio. Aza mampiasa “gant de toilette” fa mandrovitra ny hoditrin’ny zazakely mbola manify.

Azo atao mihitsy ny tsy mampiasa savony raha pipi fotsiny, raha mikàkà moa izy dia ireny savony tsotra tsy mamofona manitra sy be fangarony ireny no ampiasaina. Indraindray aza dia mila tondrahana any @ trano fisasana mihitsy ny zaza raha hita fa ilaina zaza.

Vao mahay mitsangana moa izy dia efa atao fahazarana io. Aza adino ny manamaina tsara azy alohan’ny mampiakanjo azy indray fa manjary masaka ny vodiny.

Raha mivoaka: Mitondra rano sy vovo kely e! Ny lingettes dia tena tokony ho mahalana mihitsy.

5) Ary raha masaka ny vodiny?

Tokony ahavatra manolo azy matetika mihitsy, sy manasa azy tsara ary manamaina ny fitombenany ara-dalàna isika ray aman-dreny dia tsy miverimberina io. Raha sendra anefa ka tratra ihany izy dia avela kely elaela ahazo rivotra eo ny vodiny vao asiana lafika indray. Asio crème ihany koa (liniment oléo-calcaire ohatra, @ menaka oliva)

Fitandremana manokana:

ho an’ny vavikely dia mila tandremana tsara ny fanasana azy satria raha avy any ambany miakatra ambony dia manjary miverina idiran’ny loto indray ny fivaviany. Io manko no anisan’ny mahavoa ny “infection urinaire”

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.