Tsy zava-poana ny mandena am-pandriana, indrindra raha efa mihoatra alavitra ny taona fahadiovany ny zaza. Toy ny tomany dia fanambarana zavatra mampitaitaina ny fandemana am-pandriana.
Inona no mety mahatonga izany?
Ankoatran’ireo zaza manofy am-pandriana, na kamo mitsangana na mangatsiaka amin’ny alina dia mety fahasahiranan’ny saina no mahatonga azy io. Ohatra hoe tahotra tsy voafehy: nahita zava-dratsy na tamin’ny fahitalavitra, na teny an-dàlana, na zavatra notantaraina azy. Mety koa hoe voakapoka foana izy isak’izay manao zavatra: tsy mahazo mikiakiaka, mihazakazaka, tsy avela manao zavatra irery mihitsy fa heverina ho toy ny zaza foana. Indraindray koa ny fihavian’ny zandry na ny fibedesana azy tsy hilalao ny zandriny dia mitarika azy io . Izany hoe alahelo, fahatezerana tsy voavoka izany no mety hitondra ny fandemana am-pandriana. Indrindra moa izy io raha miverimberina matetika dia tena tokony hanaitra antsika ray aman-dreny mihitsy.
Mety ho fintaomana ny ray aman-dreny hijery azy fotsiny ve io?
Raha misy zazakely vao tonga ao an-trano , izany hoe mahazo zandriny izy izany dia fitranga ihany ny fiverenan-tsain’ireo zokiny. Indrindra fa izay farany teo, io moa dia tsy fihantana fotsiny ihany fa filazany ny alahelony ihany koa. Matetika mety handena am-pandriana izy ny volana voalohany, mety hiverina te ho fahanana rehefa misakafo, manao izay fomban-jaza rehetra. Fanehoan-kevitra izy eto ary tokony tohanana tsara ny zaza amizany fa tsy ambaniana. Aseho azy izany fa zanakareo foana izy na dia misy zazakely vaovao aza, ary tianareo daholo izy ireo.
Tokony fohazina ve ary ny zaza sa tsia amin’ny alina?
Eto indray dia samy manana ny heviny ny tsirairay. Misy mpitsabo milaza fa tsy mila fohazina ny zaza fa tokony ho izy ihany no ahalala hifoha irery. Ny antony moa dia hanazarana ny zaza hitsangan-drery, ny tsy hanapahana ny torimasony ary koa hanalàna ny fahavizanan’ny ray aman-dreny sy ny mba tsy hikitakitan’ireo zanany noho izany. Ao indray ireo milaza fa tokony fohazina ihany izy ireo mba ahamora ny fahazarany mifoha rehefa any aoriana any, ny zaza mantsy dia vetivetika ihany dia mahita torimaso indray.
Raha ny marina angamba dia tsy ho fantatra satria samy manana ny fombany ihany koa ny tsirairay, araka izay notazaina azy teo aloha. Ny torohevitra azo aroso voalohany dia ny fanesorana ny tatin-jaza mialoha indrindra. Raha toa mantsy io hajanona ela loatra dia manaza-dratsy ny zaza izany, sady koa mitarika hakamoana satria vahaolana vetivety ihany io, moa etsy andaniny dia mandany vola sy fotoana (raha mila sàsana) . Faharoa, azo atao tsara ny manisy lafika ny fandriana, ny tsy manome rano ny zaza alohan’ny hatory ary ny fanazarana azy andeha ho any an-kabone mialohan’ny hatory. Fahatelo, azo tairina moramora ny zaza rehefa lehibebe taona (3 na 4 taona ohatra) , alefa mi-pipi. Avy eo izy ihany dia mahay mifoha irery ka rehefa feno 5 taona any izy dia na mifoha irery na mahatana ka maharitra maraina. Raha matahotra izy dia azo atao ny manisy pot eo akaikiny na mandrehitra jiro ao amin’ny gabone mandritry ny alina (raha mpiasan’ny jirama) , indraindray koa misy an’ireny jiro kely ireny atsatoka amin’ny prise .
Bedesina ve ny zaza mandena am-pandriana?
Tsia, tsy bedesina izy. Tsy fanahy iniana mantsy izy io . Vao maika hanatery azy raha bedesina indray izy fa aleo aza tsy omena lanjany firy ny fandriana lena, ary omena lanjany be dia be ny zaza. Izany hoe hiarahana mamaha ny olàna: miaraka manamboatra fandriana, manaha kidoro. Miresaka momba ny zavatra mety manaporitra azy.
Fadiana dia fadiana ny mandatsa, indrindra fa avy amin’ireo mpiray tampo. Tena mety hananosarotra mantsy ny mamaha ny olàna avy eo ary tsy mety rahateo koa izany. Ny azo atao aza dia ny manambony azy , mampitovy azy amin’ireo zokiny. Mamela azy hanao zavatra irery ary heverina fa vitany




Mandohalika, mipetraka, mitsangana. Efa tena matotra tsara ny articulations rehetra ka mahavita miondrika irery, mitsipona ny kilalao latsaka amin’ny tany. Mahay mitohana amin’ny fanaka raha manakatra zavatra latsaka ao ambany ao.
Maika mafy ny andeha hilalao ka mihinana malaky ny zaza eto amin’ity sokajin-taona ity. Manahirana noho izany ny famahanana azy, mila fikafikaina kely izy, atao zary lalao ny misakafo. Matetika dia efa madio ny ankapobeny ary mahavita misakafo irery. Ny tsara dia samy mitàna sotrokely ianareo.







