Articles tagués ‘TenyMalagasy’

décembre 14, 2008

En attendant Noël: le 14 Décembre

[mg] Kilalao

Ahoana ny fomba fiteny hoe: “Arahaba tratry ny Noely” any amin’ny firenena hafa?

[fr] Jeu

Amuse toi à dire “Joyeux Noël” dans des langues étrangères

Merry Christmas, en anglais

Feliz Navidad, en espagnol

God jul, en norvégien

Buon Natale, en italien

Fröhliche Weihnachten ! en allemand

novembre 7, 2008

Torohevitra: Alamino ny efitranon’ny zaza!

Mba ahafahan’ny zaza mampirina ny efitranony arak’izay itadiavanao ray aman-dreny azy, dia alamino ara-dalàna sy asio fitoerany raikitra avy ireo fitaova-madinika sy kilalao rehetrany. “Chaque chose à sa place “hoy Nenibe izay!

Ny tena tsara dia tokony efitrano malalaka ahafahany milalao sy miaina ara-dalàna fa tsy manempotra na maizimaizina no handaminanao azy. Tadidio fa dieny zaza ka hatramin’ny adolantseto dia ny efitranony no marika voalohan ho fandraisany andraikitra amin’ny fiainana an-davanandro. Raha milamina ny efitra hatoriany, hilalaovany, hianarany, hitondrany ny namany dia midika fa milamina ihany koa ny sainy sy ny fitondrany ny fiainany.

Fandriana hatoriana:

Misy karazany maro ny fandriana amizao fotoana izao. Misy ny atao hoe lit simple, lit double, lit 3/4, lit superposé. Ao koa ireo fandriana mihantona ar birao ny ao ambany, ao koa anefa ireo fandriana feno kitranotrano handaminan’entana. Anjaranao no misafidy araka ny haben’ny efitranon’ny zanakao sy ny isany. Azo atao koa anefa no mividy na mampanao fandriana tsotra ary asiana “bac” ao ambaniny. Azo ampirimana ireo lambam-pandriana ohatra na ny akanjo fentina matory.

Fitoeran’akanjo:

Ataovy amin’ny ahavon’ny zaza ny fitoeran’ny akanjony, mba tsy haka tabouret izy hanakatra haka ny fitafiny! Noho izany dia tokony hifandanja amin’ny taonany ny fividianana sy ny fisavidianana na ho commmode na ho penderie na armoire. Na izany na tsy izany dia ataovy betsaka hatrany ny rangement mba hisy safidy maro izy ary mba ho tonga dia hitany izay tadiaviny.

Fampirimam-boky:

Raha ny tsara indrindra dia aleo manamboatra na mividy étagère toy ireny any amin’ny trano fampirimam- boky ireny mihitsy. Ny antony dia tsotra, mora kokoa amin’ny ankizy ny mitady ny lohatenin’ny boky tiany hovakiana, mora hitany ireo sokajim-boky rehetra  hananany amin’izay, ary tsara jerena koa ny efitranony raha misy filaminany tsara ny zava-drehetra .

Dabilio sy seza ary tabilao:

Ataovy izay isian’ny birao hianarana ao amin’ny efitrin’ny ankizy, tokony hanana tsirairay na iray an-droa farafaharatsiny avy ny zaza ao an-tokantrano. Atao sahaza ny taonany ny latabatra sy ny seza. Zarina izy ampiasa ireo rehefa manoratra sy manao devoara.  Eto dia marihina fa tsy tsara ny hananan’ny ankizy fahitalavitra ao amin’ny efitrano fatoriany, na firy taona izy na firy taona!

Fampirimana kilalao:

Toy ny boky, atao tazan’ny maso avokoa ireo kilalao rehetra raha no tokony ho izy. Tsy dia tsara loatra ny fampirimana azy ireny ao anaty vata fa sady mikorontana, no mitàna vovoka no tsy mora hita ka adinon’ilay zaza rehefa ela ny ela. Noho izany dia irony karazana étagère tsy mikantona irony no tsara atao fitoerany.

novembre 4, 2008

Torolàlana: Raha tiana hiteny Malagasy ny zaza!

Ireto torolàlana vitsivitsy manaraka atolotr’i kilonga.com anareo ireto dia anisan’ireo fampianarana nomen’i Joelle De Gravelaine ao amin’ilay boky nosoratany: L’enfant bilingue. Ny billinguisme hoy izy dia fomba iray ahafahan’ny zaza mahalala culture roa samihafa.

- Ampianaro karazana fiteny (langage) ny zaza : ohatra teny Malagasy, raha io no fitenin-drazany (langue maternelle), dia avy eo ampianaro teny hafa izy (izay azo hianarana amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainana), antsoina hoe fitenim-bahiny na ny deuxième langue

- Ampianaro ny zaza mialohan’ny fahavalo taonany ilay fiteny faharoa (2ème langue)

- Marihina fa ny zaza , dieny vao teraka dia efa mahazo fomba fiteny (roa) samihafa: fiteny iray hatramin’ny fahadimy taonany ary ilay fiteny faharoa dia mitovy amin’io ihany no ahazahoany azy (de façon similaire et identique).

- Ny fangalaha-tahaka no ahaizan’ny zaza zavatra (par imitation) avy amin’ireo fiteny, fomba henony manodidina azy.

- Tokony tsy hitsahatra ampianatra ny zaza ny tombotsoa azony amin’ny fahaizany fiteny roa ny ray aman-dreny.

- Fitenin-dReny na ny fitenin-drazana (langue maternelle) dia izay fitenin’ireo ray aman-dreniny ao an-tranony, ny fiteny faharoa (deuxième langue) dia izay fiteny any ivelany, any am-pianarana, izay fitenin’ireo namany.

- Aza haratsiana ny iray amin’ireo fiteny ireo, fa omeo lanjany hatrany. Atao izay ahafehezany azy roa mazava tsara.

- Teneno fiteny iray ny zaza mandrapahatongan’ny fahatelo taonany. Ho very lanja mantsy io fiteny io rehefa hiditra any am-pianarana izy, fotoana hitenenany ny fitenin’ireo namany any am-pianarana (eo amin’ny 5 taonany eo ho eo)

- Zaro haheno an’io fitenin-drazany io ny zaza ny herintaona voalohany nahaterahany, ary miezaha hatrany (aza lefy mihitsy) manohy miresaka aminy mandritran’ny fahazazany sy ny fotoanan’ny adolantsento.

- Raha toa ka miteny na mamaly amin’ny fitenim-bahiny izy dia aza gaga, aza terena fa valio amin’ny fitenin-drazany ihany.

- Rehefa eny imasom-bahoaka dia resaho amin’ny fitenin’ny rehetra izy (fitenim-bahiny izany, na ny teny hihainana na azonao antsoina hoe Langue vivante mba hialàna amin’io 1er sy 2ème ), mahamenatra azy mantsy ny fantatry ny olona hoe mahay fiteny roa samihafa izy. Omeo lanjany foana anefa ny mahasamihafa azy amin’ny be sy ny maro sy ny fahaizany teny roa samihafa.

- Mety ho very kely noho izany ny fitenenany teny Malagasy fa miverina ho azy eny foana iny, raha hainao ray aman-dreny ny manome lanja azy, ny manosika ny fianakaviana rehetra ao an-trano hiteny Malagasy rehefa tsy misy an-kitery, rehefa mifampiresaka amin’ny teny Malagasy ianareo, rehefa hitan’ny zaza fa tombontsoa ho azy ny mahay fiteny maro.

Jereo koa ny lahatsoratra: Je parle 123 langues efa novolavolaina  teto amin’ny kilonga.com

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.