- Reraka sa te hatory?
Ho an’ny zaza dia mikotaba daholo ny manodidina azy. Adinontsika matetika fa mila fahanginana ny zazakely. Tsy hoe tsy akory ahato daholo ny atao rehetra, fa kosa atao amin’ny feo malefaka tsy dia mankarary ny sofiny izany.
Ny fahitalavitra, ny feo rehefa miresaka, ny feo rehefa manakisaka fanaka, sns ireny dia mety hampi-stress ny zaza daholo ka antony iray mampitomany azy. 
Tandremo ihany koa ohatra fa rehefa hariva avy miasa iny ianao, indrindra raha tara fodiana dia mety efa reraka ny zaza ka aoka tsy dia kotabaisina loatra intsony izy . Oroka mamy dia mety ho ampy aloha raha mbola kely taona ny zanakao.
Raha mikosoka maso, manoaka sy mikoretadretaka dia efa ora fandehanana matory izay.
- Misy manelingelina angamba?
Ny zavatra voalohany manelingelina ny zaza dia ny ‘couche‘ maloto. Raha toa ka mi-absorber pipi tsara ny couche ankehitriny, dia hita hoe mavesatra ihany. Aza miandry ela fa avy dia soloy avy hatrany.
Matetika koa eo amin’ny fampatoriana zaza dia misy ireo tsy mety matory mitsilany. Amin’izao moa manahirana ihany ny mampatory zaza mihohoka noho ny “mort subite du nourrisson” ka noho izany dia miezaka isika mba ampitony ny zaza amin’ny fomba rehetra: trotroina sy tambatambazana ohatra.
- Mety hoe noana kosa angaha?
Ny zaza misakafo amin’ny biberon dia fantampatatra ihany hoe firy ny laniny ary amin’ny firy eo indray izy no noana. Rehefa minono kosa dia tsy dia voafaritra firy io. Io no antony mahatonga ny fanomezana nono ho isak’izay mitady, na dia vao avy ni-nono aza izy adin’iray mialoha, dia omena ihany! Indrindra moa raha mikifikifika ny lohany manantona ny tratra, na te hinono tànana izy. Raha ampiana tomany moa ireo dia tena noana tokoa izy izay. Ka dia omano ny biberon na ny nono ry neny!
- Ary raha marary kibo kosa?
Raha mena be ny takolaka, miketrona mafy ary mitambotsitra , miampy rivotra, dia mety marary ny kibony. “Colique” hoy ny fiteny vahiny. Matetika alohan’ny hatory , na rehefa avy misakafo no miseho izy ity. Mitomany amin’ny tsy misy dikany hoy isika , anefa tena mety misy rivotra ny kibon’ny zaza ka marary azy. Mitomany mafy sy mahery tampoka eo izy , ary tsy mety hampanginina mihitsy. Ny tsara dia trotroina mihohoka ny zaza, amin’izay mantsy mba manotra ny kibony ny tànana. Raha tsy mety tony dia manatona dokotera, indrindra raha misy tranga hafa miseho!
Dia ahoana no atao mba hampangiana azy?
- Rotsirotsy, tambitamby
Raiso izy dia rotsirotsio. Indraindray mety reraka mitsilany na mipetraka izy, indraindray koa mety te ho raisina fotsiny izy fa mahita ny ray sy reniny. Rehefa maheno ny fofonao sy mahazo hafanana avy aminao iny izy dia efa mahatsiaro sambatra ka mety ampy azy izay.
- safosafo, teny mamy
Azo atao ihany kao ny manafosafo ny zaza raha matory izy na mipetraka, somary orona kely ny kibony, ny tratrany; safosafoina ny tongony, ny lohany, ny tànana keliny. Midika zavatra betsaka izany amin’ny zaza.
- hirahira, kalokalo
Azo atao koa ny mihirahira malefaka, hiran’ny zaza, hiran’ny soratra masina . Manao tantara valamaty aminy eo, resahana ny zaza na dia zavatra kely heverina fa tsy misy dikany aza. Ohatra: jereo ny tomobilina e, tsara ny andro e! sns…
Ny olona taloha manao hoe: avelao hitomany fa manatsara tratra izany e! hatramin’izao aloha dia tsy mbola misy porofo ny maha-marina izany fa ny azo antoka dia valiana sy tadiavina ny antony mampitomany ny zaza.
Rehefa tsapan’ny zaza mantsy fa mamaly ny hataka tadiaviny ny ray aman-dreniny dia manome toky azy izany, ary io toky io indrindra no ahafahany mandeha irery avy eo.
- sa kilalao no omena azy?
Mety hampitony tokoa ny korintsana na irony mobile irony, saingy vetivety ihany izany . Azo atao vahaolana io ohatra raha eo ampanomanana ny sakafony ianao .
Indraindray koa mety te hivoaka kely ilay zaza, ka raha mitsangatsangana ianareo dia mangina izy. Matetika io mandaitra rehefa te hatory ilay kely!
>>Fantatrao ve fa adin’ny telo isan’andro eo ho eo ny zazakely (0-12 volana) no mitomany ao anatin’ny iray andro? Io no mba hany fomba hitany ahafahany miresaka aminao, ka henoy izy!




