Articles tagués ‘sakafo’

septembre 8, 2009

Ireo karazana sakafo azo omena ny zazakely

Mananosarotra ho antsika ray aman-dreny mihitsy ny mamantatra ny karazan-tsakafo azo omena ny zanantsika. Manomboka eo amin’ny faha-enimbolany mantsy dia efa ahena ny ronono, manomboka eo dia azo omena venti-kanina ny zaza. Indreto aza torohevitra vitsivitsy zaraina aminareo reny momba ireo karazan-tsakafo azo omena ny zanakareo.

légumes

légumes

Ny legioma

Inona?

Haricots verts, korzety (esorina ny voniny ary voasana), poireaux (ilay fotsy ihany), épinards, karoty, ovy, céléri, navets, voatavo, sosety.

Firy?

2 na 3 sotro aloha amin’ny voalohany. Ampiana tsikelikely ahatratra 130g/andro.

Ampitomboina tsikelikely araka ny taonan’ny zaza ihany koa ny karazana legioma omena azy.

Ahoana?

Masahana amin’ny rano na atao vapeur, tsy asiana sira. Totoina atao lasopy na purée.

>Resety:

Crème de courgette (6-8volana)

Voasy ary sasao ny korzety (1). Zarao roa dia esory ny voaniny. Teteho dia andrahoy 10mn eo ho eo. Rehefa masaka dia asio céréales kely (na maïzena 1sotrokely) . Afangaroy ireo ary totoy halemy.

Ny Hena

Inona?

Akoho, Vorontsiloza (esorina ilay mampaditra), bitro, zanak’ondry, hen’omby, jambon cuit tsy misy taviny

Firy?

2 sotrokely (10g) zaza >6-8 volana

4 sotrokely (20g) zaza >9-12 volana

Indray isan’andro, ary ampifamadihana amin’ny trondro sy atody

Ahoana?

Atao tsara masaka sy malemy. Mixée na hachée

>Resety:

Emincé de gigot (9-12volana)

Andrahoy 10mn eo ho eo ny tranche fine- na agneau iny; ampiaraho amin’ny zava-manitra sy karoty kely ary tapak’oignon. Rehefa masaka dia esory ireo fangarony ary totoy .

Ny voankazo:

Inona?

Azo ohanina daholo ny voankazo rehetra rehefa masaka tsara sy azo antoka fa madio. Tandremana ihany anefa ny mananasy, groseille .

Firy?

Isak’izay mitady ny zaza, compote na natiora. Atao tsindrin-tsakafo na atao goûter.

Ahoana?

Voasana, natiora, na masahana. Mixés, na écrasés na compote. Diovy tsara!

>Resety

Smoothie d’ananas (9-12 volana)

Mixer-o tapaka mananasy (silany iray) efa voatetika majinika. Ampio yaourt natiora sy siramamy kely.

Ny trondro

Inona?

Tilapia, colin, limande, cabillaud sy ny trondro tsy dia matavy rehetra. Tandremo ny taolana.

Firy?

Toy ny hena ihany 2 sotrokely aloha dia miha ampiana araka ny taonan’ny zaza. Ampifandimbiasina amin’ny hena sy ny atody.

(c) heriniaina

(c) heriniana

Ahoana?

Papilotte, court-bouillon, vapeur. Mixer

>Resety

Nofon-trondro sy ovy potsehina (Iza no tsy nihinana izany fony zaza e?)

Lieu sauce béchamel (9-12mois)

Andrahoy ny trondro . Ao anaty casserole, raraho 1 sotrokely -na maïzena (farine de manioc io) miaraka amin’ny rano mafana. Arotsay ao erakin’ny sotrokely- na crème fraîche sy 1pincée-na fromage râpé. Miam!


Ny atody

Atody akoho ihany.

1/4 -na oeuf dur zaza> 6-8mois

1/2 oeuf dur zaza> 9-12mois

Solona hena na trondro. Tsy mihoatra ny indroa isak’herinandro

Ny ronono

Inona?>

Ronono 2ème âge, yaourt, petits- suisses, fromages frais , crème fraîche.

Firy?

500ml farafahakeliny/andro ny ronono, 1 yaourt, 15g de fromage. Tsy mihoatra ny 700ml izy rehetra mitambatra.

Ahoana?

Mety daholo.

Maroroa taiza ary o!

janvier 12, 2009

Sakafon’ny zaza: 10 – 12 volana

Maraina:

- Sosoa+ kitoza na vovo-patsa na totom-boanjo

10 ora:

- Ranom-boankazo na biscuit na biscotte + Ronono

Atoandro

12 ora: Sosoa + laoka (voamaina rehetra, esorina ny hodiny) na (hena rehetra, na anana rehetra)

na (nofon-trondro rehetra) na (tamenak’atody akoho iray)

Tsindrin-tsakafo:

- Flan (siramamy iray sotro lehibe+ tamenak’atody iray+ lafarinina 1 sotro kely + ronono velona iray litatra)

- na crème (siramamy 1 sotrokely + tamenak’atody iray + ronono velona 1/2 litatra)

- na voankazo rehetra

4 ora: Goûter

Hariva

7 ora alina: Sosoa na vary amin’anana na lasopy na vetin’ampango (vary gasy) + laoka

Tsindrin-tsakafo: Ronono velona

Tohizana ny sakafo teo aloha “Menu an’ny zaza 8 -10 volana”

décembre 20, 2008

En attendant Noël: le 20 Décembre

As- tu déjà fait tes courses de Noël? Connais-tu ce que tu vas manger en attendant le Père Noël et pour les chrétiens: la naissance du petit Jésus?

Voici donc quelques menu/recettes malgache pour un bon buffet de fête. Et toi que vas-tu manger? Partages avec  les autres mamans et les enfants malgaches du monde!

Menu spécial fety gasy

Fanokafambavony/choix en Entrée:

-foie gras et crème de pruneau ou de coing

-huître

-crevettes  et crabes de Madagascar

-bouchée à la reine

-coquille saint- Jacques

choix de Plats:

- Vorontsiloza (dinde) , na Gisa sesika @ henan-kisoa (Oie et travers de porc/ou échine) farcie à la malagasy

- Varanga

- Lasary voatabia / Achard tomates

- Vary/ Riz

Tsindrin-tsakafo/Choix en Desserts

- Salade de fruits

- Bûche glacé ou en gâteaux

- Champomy, champagne

Les recettes:

[mg] Sesika/ Farce

- Toto-kena kisoa

-Atin’akoho na Haranany

-Nofon’akoho

-Girolles na champignons noirs

-Tongolo gasy

-Tongolo oignon

- Tongolo ravina

-Mofo maina sy ronono kely (1 kaopy)

- Sira, dipoavatra

Arakarakin’ny habetsakin’ny olona no hanaovana ny sesika, atambaro daholo ny hena ary totoy miaraka (haché). Teteho majinika koa ny tongolo sy ny champignons ary totoy ihany koa avy eo (somary endasina kely aloha). Atambaro daholo izy rehetra ary volavolaso amin’ny tànana madio mandrapahaleminy. Rehefa avy nalona tanatin’ilay ronono ny mofo kely ( 2 tranches ohatra) dia alefaso ao koa ary atambaro. Arotsahy anaty sac de congélation ary idiho tsara tsy ho tafiditrin’ny rano, avy eo dia atokony anaty kaserolina misy rano, mandritran’ny 30 minitra eo ho eo. Rehefa masaka ny vorona dia alefa ao ny sesika ahazo tsirony, aza arorona be fa potika

octobre 7, 2008

“Menu” an’ny zaza 8- 10 volana

Arakan’ny fangatahananareo reny maromaro, dia indro atolotr’i Rasazy Vero (ao amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona) ny sarintsarin-tsakafo azo omena ny zaza valo ka hatramin’ny 10 volana. Marihina hoy izy fa tsy tokony asiana saosy matsiro sy sira be loatra ny sakafo omena ny zaza, ary na dia efa mitovy amin’ny sakafon’ny olon-dehibe aza dia ny fetrany no isan’ny mahasamihafa azy.

Maraina:

Kobam- bary sy ronono

Vary sosoa sy totom-boanjo

Azo atao koa: 250 ml de lait de suite (lait 2 ème âge)+ 2 sotro lehibe céréales infantiles

10 ora:

Ronono sy biscuit (petit beurre ohatra) na gâteaux tsy misy crème,

Azo atao ranom-boankazo fotsiny koa.

Atoandro:

Vary sosoa sy laoka (efa mahazo mihinana ny anàna rehetra afatsy ny anamamy)

Epinard, ati-kena, ati-dohan-kena (cervelle)

Dessert:

Voankazo rehetra, fromage malemy (kiri ohatra)

Azo atao koa:

180 g legioma (nopotsehina malemy) + 20 g hena (trondro, tamenak’atody, hena), yaourt sy voankazo natioraly masaka sy malemy na compote (100 ml).

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.