Articles tagués ‘sakafo’

mai 10, 2010

Boulette sinoa-gasy

Samy manana ny fomba fanaovann’y boulette ny tsirairay. Angamba kosa mandainga izay milaza fa tsy matsiro ny azy!Fomba iray indray ity atolotr’i kilonga.com anao ity. Mahazo tehaka mafy mihitsy Mama raha mahazo an’io ny ankizy!

Zavatra ilaina:

Araka ny mahazatra antsika dia araka ny isan’olona ny fangarony vidina ka tsy fanahy iniako tsy asiana isany. Ho marika fotsiny 100g isan’olona eo ny hena

-  Totok’hena omby

- Champignons noirs

- Tongolo be

- Tongolo maitso

- Sakamalao

- Kotomila

- Sira sy dipoavatra

Azo soloina ve-tsin , azo asiana sauce d’huîtres sy sauce soja. ireo no tena mampatsiro azy

Alona ao anaty rano ny champignons noirs mba hivelatra. Azo atao koa anefa no tonga dia mandrotsaka azy avy hatrany anaty rano mangotraka eo ambony fatana, miandry kely 5 mn eo dia sady masaka izy no mivelatra. Teteho majinika avy eo.

Tetehina kely ny tongolo be , ny kotomila, ny tongolo ravina. Totoy halemy ny sakamalao.

Atambaro amin’ny totokena ireo rehetra ireo, volavolao tsara hitambatra. Alefaso ny saosy rehetra manamanitra sy manisy sira

Manaova baolina amin’ireo fangaro ireo, dia atsofoy anatin’itony hazo kely fanaovan amasikita itony

Endaso avy hatrany. Arosoy mafana. Omeo an’i Dada ny tsing-tao!

boulette sinoa-gasy

Tags : ,
avril 29, 2010

Crépinette sy korizety

Ny lakozia malagasy toy ny fanaon’ny mamanay azy dia tsy maintsy misy saosy. Iny ranondranony matsiro iny no handemana ny vary amin’izay tsy mihika.

Eo am-pisakafoanana ihany koa dia ranovola na ranon’ampango no rano fisotro. Mmmm… matsiro

crépinette sy korizety

Zavatra ilaina, arakarakin’ny isan’olona:

- crépinette

- korizety

- voatabia

- tongolo

- sira na jumbo

- sauce d’huître

Endasina ho mendimendy tsara ny crépinette. Rehefa mendy dia tetehina ny korizety ary arotsaka, miaraka amin’ny voatabia sy tongolo . Andrasana ho mendy dia Tapohina rano , alefaso tsikelikely ary atao afo malemy. Rehefa masaka ny hena dia raraho saosy d’huîtres 2 sotro eo. Azo aroso rehefa vonona ny rehetra. Mazotoa homana e!

Tags : ,
avril 23, 2010

Gratin de fleurs rouge et vert

Gratin aux fleurs rouge et vert

Faire aimer les légumes aux enfants ce n’est pas simple, astuces? le gratin bien évidemment. Une recette? et bien la voici

Pour un bon Gratin de fleurs rouge et vert façon lakozia malagasy

- 150g de Brocolis

- 150 g de Choux fleurs

- 150g de Pâte Macaroni

- 150g de jambon ou  lardon fumé

- 150g de fromage râpé

- 1 briquette de 30cl de crème entière

- Poivre, noix de muscade

Généralement le sel du jambon et du lardon fumé suffit

Cuire les pâtes al dente,

Si vous utilisez du lardon fumé, les poêler auparavant

Vous pouvez blanchir les brocolis et les choux fleurs, en ajoutant un peu de sel

Mettre tous vos ingrédients dans un plat à four familial

Rajoutez le poivre, le noix de muscade

Verser la crème par dessus et parsemez de fromage râpé

Tout ça au four pendant 15- 20mn, le temps que le fromage soit doré

Servez chaud, attention aux petits gourmets qu’il ne se brûle pas la langue

Bon appétit!

Tags : , ,
avril 14, 2010

Mila omena rano ve ny zaza latsakin’ny efa-bolana sa tsia?

Fanontaniana manitikitika antsika ray aman-dreny aty amin’ny tany mafana izy ity. Tokony omena rano sa tsia ny zaza raha mafana ny andro, tsara omena rano ve izy atao fanampin’ny nono, ilain’ny zaza ve ny rano tsotra?

Nanontany rasazy mpampiteraka iray izahay, dia tsy iza fa i Rasazy Vero izay miasa ao amin’ny hopitaly Andravoahangy Andrianavalona. Araka ny voalazany dia feno ny otrik’aina rehetra ilain’ny zaza ny nonon-dreny ny efa-bolana voalahony, eny hatramin’ny faha-enimbolany mihitsy aza.

Matetika anefa hoy izy dia mananatra ihany ny dokotera hanome rano ny zaza izay teraka aty amin’ny tany mafana , na dia atahorana aza ny fisian’ny loto amin’izany rano izany ka mety hitarika haretina hafa indray. Nambarany ihany koa fa fomban’ireo ray aman-dreny taloha ny manome rano mangatsiaka efa nampangotrahina ny zanany, ary nasiana siramamy kely.

Araka ny fandihadiana natao dia tsy mampisy fiantraikany firy amin’ny lanja, na ny fahasalaman’ny zaza mihitsy ny fanomezana rano azy ankoatran’ny rononon-dreny.

Ny anton’izany dia ny fisian’ny otrik’aina rehetra ao anatin’io nonon-dreny io. IO ronono voajanahary io dia miovaova ao anatin’ny iray andro, eny ao anatin’ny sakafo indray mandeha aza. Arak’izay tadiavin’ny zaza sy ilain’ny zaza ny fiovan’izany, mandranoka izy amin’ny voalohany ary miha-marihitra izy any amin’ny farany.

Tsy ilaina noho izany ny manome fanampin-drano hafa , indrindra ao anatin’ny efa-bolana voalohany raha mampinono fotsiny ny reniny. Azo omena rano madio kosa anefa izy raha manomboka mihinana ventin-tsakafo (diversification: purée légumes, fruits). Izany hoe efa mihena tsikelikely ny nono.

Tsy mila asiana siramamy ny rano omena ny zaza fa tsy mitondra inon’inona ho azy iny afa-tsy fahazaran-dratsy fotsiny. Tandremo ihany koa fa rano madio hatrany no omena ny zaza fa mora azon’aretina izy , ary raha marary kibo anefa izy dia rano ihany koa no fanafodiny. Noho izany mila mitandrina tsara isika mpikarakara ny zaza.

Raha fintinina izany dia hoe ny zaza minono amin’dreniny dia tsy mila omena rano, raha tsy hoe angaha mihena ny fanomezana ny nono, na koa hoe marary kibo ny zaza ka mila ampisotroina rano matetika na misotro SRO.

Ho an’ireo reny manome biberons kosa indray dia azo omena rano madio ny zaza fa atao kelikely ihany ary tsy asiana siramamy. Io moa matetika dia nohon’ny fitohanan’ny zaza misotro ronono artifisialy.

Tags : , ,
février 9, 2010

Momba ny zaza 0-12 volana

Ny Torimaso

Zava-dehibe ho an’ny zaza mihitsy ny torimaso, ny volana voalohany dia matory foana ny zaza rehefa tsy misakafo. Avy eo dia mivadi-bolàna izy hoy ny fiteny malagasy;  na dia mbola matory foana aza no ataony tontolo andro, dia efa manomboka misokatra kely ihany ny masony, fa mbola mora vizana izy.

Marihina fa tsy hakamoana akory ny antony hatorian’ny zaza fa mamarana sy manamafy ireo taovany rehetra izy. Ilaina amin’ny fitomboana noho izany ny torimaso.

Ito misy tabilao mamintina ny fotoana ilain’ ny zaza vao teraka ka hatramin’ny 3 taona momba ny torimasony.

Taona          Torimaso          Sieste                  Totaly

tera-bao     10 ora               10 ora                   20 ora

3 volana     10 ora                5 ora                     15 ora

6 volana     11 ora              3 ora sasany        14 ora 30

9 volana     11 ora              3 ora                        14 ora

12 volana  11 ora              2 ora 45                13 ora 45

18 volana   11 ora             2 ora 30               13 ora 30

2 taona        11 ora            2 ora                      13 ora

3 taona        11 ora           1 ora                       12 ora

Lanja sy Halavana

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.