Arakan’ny fangatahananareo reny maromaro, dia indro atolotr’i Rasazy Vero (ao amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona) ny sarintsarin-tsakafo azo omena ny zaza valo ka hatramin’ny 10 volana. Marihina hoy izy fa tsy tokony asiana saosy matsiro sy sira be loatra ny sakafo omena ny zaza, ary na dia efa mitovy amin’ny sakafon’ny olon-dehibe aza dia ny fetrany no isan’ny mahasamihafa azy.
Maraina:
Kobam- bary sy ronono
Vary sosoa sy totom-boanjo
Azo atao koa: 250 ml de lait de suite (lait 2 ème âge)+ 2 sotro lehibe céréales infantiles
10 ora:
Ronono sy biscuit (petit beurre ohatra) na gâteaux tsy misy crème,
Azo atao ranom-boankazo fotsiny koa.
Atoandro:
Vary sosoa sy laoka (efa mahazo mihinana ny anàna rehetra afatsy ny anamamy)
Epinard, ati-kena, ati-dohan-kena (cervelle)
Dessert:
Voankazo rehetra, fromage malemy (kiri ohatra)
Azo atao koa:
180 g legioma (nopotsehina malemy) + 20 g hena (trondro, tamenak’atody, hena), yaourt sy voankazo natioraly masaka sy malemy na compote (100 ml).






