[mg] Anio no mifarana ny fotoana ahafahana mandefa ny sary handraisana anjara amin’ny fifaninana KilongaGasy2009. Misaotra an’ireo rehetra nandray anjara tamin’izany. Araka ny fepetra dia amin’ny volana Marsa ny valin’ny fifaninana ka ireo zaza telo lany voalohany dia ahazo loka avy amin’ny kilonga.com.
Toy izao ny fandehan’ny fizaran-doka. Izay lany voalohany dia misafidy na kojakoja ilaina amin’ny fitaizana anaka, na kilalao, na boky ; sahaza amin’ny taonan’ny zaza ny loka azony. Ny roa manaraka kosa dia ahazo boky kely . Miampy amin’ireo dia ahazo ny diplaoma KilongaGasy2009 avy izay lany.
Ireo rehetra nandray anjara dia hiseho eto amin’ny kilonga.com ny sariny. Afaka miomana amin’ny fandraisana anjara amin’ny “MamanKilongaGasy2009″ indray ianareo
Misaotra anareo niara nilalao !
[fr] La date limite des envois de photos pour concourir à notre jeu KilongaGasy2009 prend fin aujourd’hui, nous tenons à vous remercier d’avoir été si nombreux à participer. Beaucoup d’entre vous ne sont pas des natifs malgaches, heureusement ! Cela prouve que kilonga.com est ouvert et accessible à tous. C’est pourquoi nous avons décidés de valider toutes les photos reçues quelque soit votre origine.
Le résultat du concours sera affiché au début du mois de Mars, vous recevrez un email de confirmation si votre photo est gagnante. Seuls les trois premiers bébés élus auront un petit cadeau. Vous aurez le choix selon l’âge de votre enfant entre: un matériel de puériculture, un jouet ou un livre. Les deux dauphins auront un petit livre . En plus de ces petits cadeaux, un petit diplôme KilongaGasy2009 vous saura envoyé.
Après cela, nous publierons toutes les photos participantes.
D’ores et déjà vous pouvez vous préparez pour la meilleure photo “MamanKilongaGasy 2009″
Merci à tous




