Ireto torolàlana vitsivitsy manaraka atolotr’i kilonga.com anareo ireto dia anisan’ireo fampianarana nomen’i Joelle De Gravelaine ao amin’ilay boky nosoratany: L’enfant bilingue. Ny billinguisme hoy izy dia fomba iray ahafahan’ny zaza mahalala culture roa samihafa.
- Ampianaro karazana fiteny (langage) ny zaza : ohatra teny Malagasy, raha io no fitenin-drazany (langue maternelle), dia avy eo ampianaro teny hafa izy (izay azo hianarana amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainana), antsoina hoe fitenim-bahiny na ny deuxième langue
- Ampianaro ny zaza mialohan’ny fahavalo taonany ilay fiteny faharoa (2ème langue)
- Marihina fa ny zaza , dieny vao teraka dia efa mahazo fomba fiteny (roa) samihafa: fiteny iray hatramin’ny fahadimy taonany ary ilay fiteny faharoa dia mitovy amin’io ihany no ahazahoany azy (de façon similaire et identique).
- Ny fangalaha-tahaka no ahaizan’ny zaza zavatra (par imitation) avy amin’ireo fiteny, fomba henony manodidina azy.
- Tokony tsy hitsahatra ampianatra ny zaza ny tombotsoa azony amin’ny fahaizany fiteny roa ny ray aman-dreny.
- Fitenin-dReny na ny fitenin-drazana (langue maternelle) dia izay fitenin’ireo ray aman-dreniny ao an-tranony, ny fiteny faharoa (deuxième langue) dia izay fiteny any ivelany, any am-pianarana, izay fitenin’ireo namany.
- Aza haratsiana ny iray amin’ireo fiteny ireo, fa omeo lanjany hatrany. Atao izay ahafehezany azy roa mazava tsara.
- Teneno fiteny iray ny zaza mandrapahatongan’ny fahatelo taonany. Ho very lanja mantsy io fiteny io rehefa hiditra any am-pianarana izy, fotoana hitenenany ny fitenin’ireo namany any am-pianarana (eo amin’ny 5 taonany eo ho eo)
- Zaro haheno an’io fitenin-drazany io ny zaza ny herintaona voalohany nahaterahany, ary miezaha hatrany (aza lefy mihitsy) manohy miresaka aminy mandritran’ny fahazazany sy ny fotoanan’ny adolantsento.
- Raha toa ka miteny na mamaly amin’ny fitenim-bahiny izy dia aza gaga, aza terena fa valio amin’ny fitenin-drazany ihany.
- Rehefa eny imasom-bahoaka dia resaho amin’ny fitenin’ny rehetra izy (fitenim-bahiny izany, na ny teny hihainana na azonao antsoina hoe Langue vivante mba hialàna amin’io 1er sy 2ème ), mahamenatra azy mantsy ny fantatry ny olona hoe mahay fiteny roa samihafa izy. Omeo lanjany foana anefa ny mahasamihafa azy amin’ny be sy ny maro sy ny fahaizany teny roa samihafa.
- Mety ho very kely noho izany ny fitenenany teny Malagasy fa miverina ho azy eny foana iny, raha hainao ray aman-dreny ny manome lanja azy, ny manosika ny fianakaviana rehetra ao an-trano hiteny Malagasy rehefa tsy misy an-kitery, rehefa mifampiresaka amin’ny teny Malagasy ianareo, rehefa hitan’ny zaza fa tombontsoa ho azy ny mahay fiteny maro.
Jereo koa ny lahatsoratra: Je parle 123 langues efa novolavolaina teto amin’ny kilonga.com