Articles tagués ‘Kilalao’

février 13, 2012

Kilalao sahaza ny zaza 18-24 volana

Ireo kilalao rehetra efa novidiana teo aloha dia mbola azony lalaovina tsara. Raha mahatsikaritra tsara anefa isika dia mety nahita fa niova kosa ny fomba nilalaovany azy. Atao fanampiana an’ireo kilalao teo aloha, na koa ho antsika tsy mbola manana dia ireto indray misy hevitra vitsivitsy.

1 Tomobilina kely

Inona no manintona azy ? Manara-kefa toa an’i dada, manosika , mitaingina tomobilina kely, mampirina ny kilalao ao anaty coffre, mandeha mizaha ny manodidina rehetra.

Tokony vidiana ve? Izay tsotra indrindra dia efa mety, rehefa mety tsara amin’ny haavon’ny zaza, misy coffre kely, volant, ary fitondrana azy. Plastika no mety satria mora sasana sady azo avela any an-tokontany.

2 Boky intéractif 

Inona no manintona azy? Izy mihirahira sy manintona ny maso. Manampy azy amin’ny fitiavana ny boky ihany koa.

Tokony vidiana ve? Tsy safidiana araka ny lokony izy ity fa kosa araka izay hira, tantara ao anatiny. Misy mampiseho ny toetr’andro, misy ny manao tantara kely, ao ny mandefa hirahira efa mahazatra ny ankizy.

3- Orkestra na zava-maneno

Inona no manintona azy? Manataitaitra ny sofiny, manintona ny fitiavany mozika (sahady ve? ie), mahafaly azy koa ny mikapokapoka sy manakorintsana maracas ohatra, mikapokapoka ny xylophone sns

Tokony vidiana ve? Tsy mila zavatra lafo fa kosa mila zavatra tsara. Izany hoe tsy mankarary sofina ary note de musique marina. Xylophone, tambour, piano kely, maracas ireo no tena mety aminy.

4 Baolina

Inona no manintona azy? Mandaka baolina dia tena tian’ny zaza manomboka eo amin’ny 18 volana eo, sady manampy azy hizatra amin’ny fanatajahan-tena sahady ihany koa. Ny tena mahafaly azy koa dia ny mandeha mitady an’ilay baolina rehefa lasa lavitra any, na mihery any ambadikin’ny hazo any.

Tokony vidiana ve? Tsara ny hananan’ny zaza baolina kely, na lahy na vavy dia samy mankafy azy avokoa. Rehefa mividy azy kosa dia safidiana irony maivana irony sy tsy mandratra ny zaza rehefa atsipy na dakana, baolina plastika ohatra, ary mikodia tsara. Ezahina mba hifanaraka amin’ny haben’ny zaza sy loko manintona ary mora tazana.

Ary koa:

- Azo ampitomboina ny isan’ny cubes kely satria dia efa mahavita milalao amin’ny cubes maromaro izy. Ataon’ny kitranotrano kely, atao tamboho, hevitra maro isan-karazany no mipoitra eto. Ezahina kosa mba ireny kilalao maharitra ireny no vidiana satria dia ankafiziny maharitra itony cubes itony.

- Raha manana lahy kely día azo atao ny mividy garage kely, na aéroport kely misy fiaramanidina na fiarakodia. Tsy dia mifankaiza amin’ilay tranokely taloha iny ihany ny zavatra ataony amin’io.

- Dia aza adino koa ny manisy mozika ao an-trano fa tena mandihy be mihitsy ny zaza eto amin’ity sokajin-taona ity.

Mazotoa indray o!

Tags : , ,
avril 19, 2010

Fa maninona no tia mi- se déguiser ny ankizy?

Ny fanaovana akanjo mitovy amin’ny ianona na ianona dia kilalao iray izay anisan’ny mamaritra ny maha-olona ny ankizy kely. Ny fangalatahany an’ireny karazana olo-mahery na héros ireny dia  kilalao mitarika azy haminavina ny tontolo iainany. Hitany eo fa na dia miova aza ny akanjo hanaovany dia mijanona ho izy ihany izy . Midika zavatra samy hafa araka ny taona izy ity

Arakarakin’ny taona sy ny fitomboan’ny teo-tsaina dia samy hafa ny handraisan’ny zaza azy

  • Ho an’ny ankizy kely 2 taona ka hatramin’ny 4 na 5 taona, dia mbola zarizary ny fangalana tahaka. Manao vololmbava ohatra dia lasa toy ny saka izy, na toa an’i dada. Ny ankizy vavy kely indray dia tia manandrana ny kiraron-dreniny, na mampiasa ny lokomenany, mody manao toa an’i Mama mandeha miasa… Any amin’ny crèche indray dia betsaka ny zaza no mifanjevo manandrana satroka, poketra, akanjona printsy sns… Amin’io taona io mantsy no mahay mangala tahaka ireo olona efa hitany tany aloha tany izy. Izany hoe na dia tsy manoloana azy aza izay zavatra tadiaviny dia vitany ny mieritreritra any an’iny ary mamerina azy, représentation mentale hoy ny teny vahiny.

- Ny déguisement dia mety hoe sarin-tava, clown, baguette magique, satroka, couronne… Indraindray koa anefa zavatra tsotra no ampiasain’ny ankizy, lamba firakofana no goahina dia lasa matoatoa, zavatra ampiasaina ao an-dakozia toy ny vilany lasa ampongan’ny mpanao mozika. Io fahafahany mamerina izay zavatra hitany io dia ahafahany mamoka ny am-pony amin’izay fiantraikany taminy. Mahafaly antsika ray aman-dreny ihany koa ny mijery ny zanatsika milalao manoloana ny fitaratra, ohatra hoe manao satroka dia avy eo alàna dia averimberina eo foana izay fihetsehany izany. tsy hoe adala akory izy fa maka toky ny tenany fa na dia manao satrok’i dada na i zoky aza dia tsy miova ho i dada na i zoky izy fa mijanona ho ny tenany foana.

  • Rehefa miditra any an-tsekoly indray, dia avy ny jeux de rôles, na ny kivatovato. Eto dia miditra an-tsehatra ny manodidina rehetra. Manomboka eo amin’ny 5 taona eo izy ity.

- Any an-trano , na eny an-tokotany rehefa miaraka amin’ny namana dia mahafaly azy ireo ny manao dokotera dokotera, mpampianatra mpampianatra, polisy volera… Ny déguisement dia lasa fanampiny fotsiny fa tsy voatery ho hisy. Ny famantarany ny maha-lahy na maha-vavy azy koa dia fametrahan’izy ireo ny tenany amin’ny sokajy tokony hisy azy ao amin’ny kilalao. Ny ankizy vavy ohatra dia finaritra ery manao lokomena, manjamaso, izay rehetra ahafahany manova ny endriny ivelany rehetra, ary ampitovizina amin’ny modely asehon’ny tontolo manodidina.

- Eto amin’ity taona ity ihany koa dia tena zava-dehibe ary misongadina ny ‘carnaval’.  Araka ny héros malaza dia miovaova ny modely tian’ny zazalahy alaina tahaka: spiderman, batmana, superman, pirates, peter pan… Ny ankizy vavy kely kosa dia tsy miala amin’ny princesse malaza rehetra, miampy ny couronne farak’izay mamiratra, ny peratra sy ny kiraro avo. Ireo menamenatra kosa dia maka ny masque, izay ahafahany miafina sy heveriny fa manome toky azy. Takona noho izany ny henatra ka somary sahisahy kokoa izy.

Mahafaly ny ankizy eto ny manamboatra ny akanjony any an-tsekoly, ny mampiseho ny zava-bitany amin’ny namany sy ny havany ary indrindra moa ny lasa ‘héros’ indray andro.

  • Eo amin’ny 6 taona no miakatra eo indray dia lasa zavatra hafa mihitsy no fandraisana ny déguisement. Any an-tsekoly dia manomboka ny filalaovana lalao an-dampihazo, fianarana “rôle” sy fianarana tsianjery ny lahatsoratrin’ny lalao. Ny déguisement eto sy ny décor dia fanampiny ahafahana mamantatra ny personnage lalaoviny.

Tsy kilalao fotsiny ihany noho izany ny mitaha amin’ny hafa fa fifaliana lehibe ho an’ny ankizy sy ny lehibe satria iny fotoana iny dia miova ho olon-kafa izy ireo. Lasa matanjaka noho i dada rehefa spiderman. Lasa tsara terhy noho i neny rehefa manao akanjona princesse. Tsy ambaniana noho izany ny fitiavany manao akanjo akanjo fa kosa hatsaraina izy .

février 9, 2010

Momba ny zaza 0-12 volana

Ny Torimaso

Zava-dehibe ho an’ny zaza mihitsy ny torimaso, ny volana voalohany dia matory foana ny zaza rehefa tsy misakafo. Avy eo dia mivadi-bolàna izy hoy ny fiteny malagasy;  na dia mbola matory foana aza no ataony tontolo andro, dia efa manomboka misokatra kely ihany ny masony, fa mbola mora vizana izy.

Marihina fa tsy hakamoana akory ny antony hatorian’ny zaza fa mamarana sy manamafy ireo taovany rehetra izy. Ilaina amin’ny fitomboana noho izany ny torimaso.

Ito misy tabilao mamintina ny fotoana ilain’ ny zaza vao teraka ka hatramin’ny 3 taona momba ny torimasony.

Taona          Torimaso          Sieste                  Totaly

tera-bao     10 ora               10 ora                   20 ora

3 volana     10 ora                5 ora                     15 ora

6 volana     11 ora              3 ora sasany        14 ora 30

9 volana     11 ora              3 ora                        14 ora

12 volana  11 ora              2 ora 45                13 ora 45

18 volana   11 ora             2 ora 30               13 ora 30

2 taona        11 ora            2 ora                      13 ora

3 taona        11 ora           1 ora                       12 ora

Lanja sy Halavana

avril 7, 2009

Jouer sans Jouets!

(c) kilonga.com

(c) kilonga.com

Si Charlemagne a inventé l’école, les mamans -elles ont inventées les jeux. 100 idées de jeux découvertes par Mia.

Et vous, comment faites vous les jours de pluie et d’ennui?

1- arroser les plantes avec une toute petite bouteille, ça fait un joli bruit

2- faire une course de 4 pattes

3- s’asseoir devant la fenêtre et regarder la pluie tomber et faire des flaques

4- avec un foulard jouer à “coucou”

5- faire une cabane dans le salon avec une nappe et des chaises

6- faire des gateaux : les petits peuvent casser les oeufs et verser les ingrédients

7- en promenade ramasser des petits cailloux et les mettre dans des boites

8- fabriquer des maracas avec les petits cailloux et des bouteilles en plastique

9- mettre de la musique et danser

10- cacher un objet dans la maison et jouer à “c’est chaud”

11- dessiner des personnages sur ses doigts et faire un petit thêatre derrière un fauteuil

12- en promenade faire des tas de feuilles mortes et mettre des grands coups de pied dedans

13- lire et relire des livres en faisant des voix différentes selon les personnages

14- faire des sujets en pate à sel ( dès 2 ans les petits y parviennent)

15- en promenade s’installer sous les arbres et regarder le vent agiter les feuilles

16- mettre bébé dans une couverture et le faire glisser par terre dans la maison

17- allumer des bougies et souffler sur les flammes pour les eteindre

18- apprendre et chanter des chansons et des comptines 19- faire des coloriages

20- sentir les flacons à épices de la cuisine et essayer de les reconnaitre

21- faire faire “de la cuisine” aux petits avec des haricots secs et des vraies casseroles et cuillères

22- faire un tas avec des coussins et des oreillers et s’amuser à se jeter dedans

23- faire des bagarres sur le lit comme des sumos

24- jouer à cache cache dans la maison

25- faire du bateau avec la bassine à linge

26- faire des bulles dans le bain

27- jouer à faire le ménage avec une petite bassine et un fond d’eau, une éponge coupée en 4 ou un bout de chiffon : on frotte les taches par terre, on essuie la porte du frigo ou des placards de cuisine, etc

28- monter et descendre des escaliers : en avant, en arrière, assis, à genou, à plat ventre (on peut utiliser une planche pour limiter le nombre de marches si on craint vraiment les chutes)

29- jouer à “quelle main ?” en cachant un petit objet à tour de rôle dans la paume

30- déchirer des pubs ou des vieux catalogues , faire des boulettes de papier et jouer avec (faire rouler, shooter, lancer)

31- se cacher dans des cartons

32- sauter sur les lits (ça fait un trampoline génial)

33- souffler sur les pissenlits

34-empiler des coussins et les faire tomber, avec les pieds, les mains etc

35-mettre un gosse dans un sac de couchage et le trimballer dans la maison en le trainant par terre et quand cesse le manège, le guetter dans son sac avec une lampe de poche et lui faire deviner dans quelle pièce de la maison il se trouve.

36- faire de la colle avec de la farine, du sucre et de l’eau, couper des vieux journeaux et faire du papier maché avec tout ça.

37- faire un chamboulle tout avec des vieilles boites de conserves décorées par le gosse

38- peindre des oeufs vidés.

39- faire le concours de celui qui pisse le plus loin

40- jeter des cailloux dans l’eau

41- apprendre à faire des ricochets

42- faire la course avec le baton que l’on vient de jeter dans le ruisseau

43- aider maman à faire le ménage

44- découper des magazines pour faire des collages

45- amasser les “chôses” de dehors (feuilles, baton…) pour faire des collages

46- sauter dans les flaques d’eau

47- faire la course avec le chien..

48- faire des bio-sphères

49- faire ses empreinte de pieds ou de mains avec de la peinture

50- faire germer des graines (types lentilles)sur du coton

51- faire des masques en carton pour carnaval

52- faire un calendrier de l’avent avec des boites à oeuf

53- melanger de l’eau et de l’huille dans une bouteille, secouer et regarder l’huille se constituer

54- avoir des poules et des lapins

55- traire les vaches

56- ramasser les fruits de saisons

57- ramasser des champignons

58- faire du sport

59- monter à cheval

60- traire les vaches et marcher dans les bouses pour faire passer le caca entre les orteils(c’est du vécu; c’est dégueu je sais mais c’est marrant!!!!)

61- attrapper des grenouilles et les disséquer

62- aller à la pêche

63- faire du vélo

64- peindre son frère en bleu (ça aussi c’est du vécu!!!!) Heuh , je ne sais pas si c’est à recommander ? Alisabel.

65- se cacher sous les draps

66- avoir un bac à sable

67- faire le train avec le panier à linge (il faut être deux d’accord)

68- jouer de l’harmonica (dès 15-16 mois voire avant !)

69- jouer avec le panier à salade, trop drôle !

70- écosser les petits pois (bon ce n’est pas de saison mais ça plaît drôlement!)

71- jouer à la coiffeuse avec la tête de… qui veut bien se prêter au jeu (moi j’adooooooore !)

72- faire des maracas avec du riz et des pots de yaourts

73-1 cuillère en bois, et une vieille casserole et en avant la musique!!

74- chanter à tue tête

75- jouer à l’animal mystère (on pense à un animal et l’autre pose des questions pour trouver ce que c’est)

76- à la place du bac à sable, faire un bac à semoule

77- un tableau avec des coquilles d’oeufs

78- prendre un bain moussant et se faire des barbes de père noël

79- RANGER SA CHAMBREEEE (alors là Clairette je doute ;-) )) Alisabel.

80- sortir faire un parcours sportif, (pdt que maman encourage assise sur un banc)

81- découper des personnages en papier et faire dessiner yeux bouche… les vêtements et pour le plus grands l’intérieur (c’est rigolo de les voir imaginer comment c’est dedans ;) )

82- danser le disco ou faire des rondes

83- faire le concours de celui qui essuie le plus de poussière sur son chiffon

Rajouté par Sandra

85- reconstituer les paires de chaussettes après la lessive..(et on enchaîne avec le bateau dans la bassine…. d’ailleurs on a un joli jeu de pêche en bois… impec de la bassine !!!) 86- Etaler une pâte brisée et faire des formes à l’emporte -pièce…Dorer au jaune d’oeuf.

Rajouté par Kao

87- Faire l’avion sur les tibias du parent volontaire (couché sur le dos) 88- Eclater les bulles du papier à bulles

Rajouté par Rachel

89- utiliser le grand lit comme terrain de gym pour des rouler-boulers bien serrés 90- des bagarres en règle le dimanche matin 91- des massages et jeux de bras 92- prendre un bain avec papa (ou maman!) 93- faire du jardinage. enlever les caillous des zones à fleurs (activité inépuisable). 94- jouer à se passer des objets sans les casser (par exemple en vidant le lave-vaisselle). 95- assis par terre face à face les jambes écartées et les pieds qui se touchent: jouer à se lancer ou faire rouler un ballon, un caillou, une bille, un doudou, une boule de lavage 96- jouer avec les mains de maman (ou papa!) 97- faire un câlin très serré presque à s’étouffer. 98- jouer à “faire la naissance” comme dit notre deuxième: passer entre les jambes serrées de maman ou entre ses bras ou dans un tissus qui frotte sur tout le corps de l’enfant. 99- inventer une histoire à plusieurs 100- inventer une chanson à plusieurs sur un thème donné ou pas. 101- jouer à inverser les rôles: l’enfant devient parent et les parents deviennent enfant: très instructif en plus d’amusant!

Rajouté par Lababla

102- faire des grimaces, des bruits bizarres (même pas gênée), 103- pour les objets: des bouteilles plastiques, tous les récipients après le repas (petit suisse et autre), paquet de mouchoirs, ruban métrique, feuilleter,froisser et déchirer les prospectus, des ficelles, lacets, tuyaux et câbles à machouiller 105- jouer avec la souris de l’ordi, 106- jouer du piano sur la table 107- faire un barrage sur un ruisseau, 108- faire la course de brindilles qui flottent dans le ruisseau, 109- jouer à celui qui voit en premier un objet défini, 110- inventer des mots et donner leur signification 111- inventer des chansonnettes 112- jouer à se chatouiller le visage…

Rajouté par kilonga.com

113- en voiture, jouer à “afakafak’aho mahita…” 114- jouer à rêver ou à ne rien faire (manao revin-gadra) 115- jouer à se laver (zaza manasa tànana, zaza manasa tongotra, zaza manasa… citer tous le corps, à faire pendant le bain ou juste pour jouer) 116- jouer au cirque (inventer des positions de cirque) 117- jouer au “tanisa”, “tso-bato” 117- jouer au “tantara vato” (ramasser des beaux cailloux pour faire le papa, la maman, les enfants et d’autres personnages et donner leur vie!!)

Allez, à vous ….envoyez-les à contact@kilonga.com

mars 30, 2009

Kilalao ZazaKely: 0-3 volana

Inona moa ny atao hoe milalao? Moa va tsy mandeha mikaroka izay manodidina ny tontolo iainana: mandray, mihaino, mizara, mitanisa, manandrakandrana…

Ireto aza misy sombin-kilalao ho an’i zazakely heverinay eto amin’ny kilonga.com fa hanampy antsika ray aman-dreny amin’ny fifidianana kilalao ho an’izy ireo. Mandeha araka ambaratonga izy ireo. Mamakia finaritra o!

1) Saribakoly lamba, nounours na peluche

Mahafinaritra aminy:

Rehefa zavatra malefadefaka sy kelikely ka misy orona, vava, maso anankiroa ary sofina azo rohidritina . Mahafinaritra azy ny mikitikitika ireo karazan-damba sy “texture” rehetra.

Fomba hisafidianana azy:

Zavatra kelikely, tsy “rigolote” akory. Tena kilalao maneho sarim-biby no alaina (bitro, alika kely, saka…) na saribakoly. Tandremo fa ny peluche sy ny nounours dia mitàna vovoka be.

2) Ny korintsana, na hochet

Mahafinaritra azy:

Vitany ny mandrazona azy mafy, ny mandraindray azy. Efa mampianatra azy zavatra maro na dia izay fotsiny aza. Vao maika moa avy eo fa misy feo mivoaka avy ao anatin’iny ( grlots, na hira malefaka)

naturabebe.com

Fomba hisafidianana azy:

Maivana, misy loko maro, boribory tsara ny manodidina azy. Tandremana tsara mba tsy ho zavatra mora mihendaka ny ao anatiny sao lasa any am-bavany.

3) Ny mobile

Mahafinaritra aminy: Ahafahany manavaka ny loko sy ny bika isan- karazany ary mihaino hirahira malefaka. Io irery ny kilalao tsy miala eo amin’ny champ visuel. Rehefa tsofin’ny rivotra na rehefa miodina ilay “figurine” kely dia manaitaitra azy.

Fomba hisafidianana azy:

Marevaka tsara. Afaka vonoina rehefa tsy ilaina ny feon-kira. Tandremana sao tsy miraikitra tsara ny fitoerany (amin’ny berceau ohatra, na amin’ny landau) ka mivaha dia mianjera eo aminy. Toy izay ihany koa ny mombamomba an’ireo “joujoux” miantona eo sao rohitiny.

4) Kilalao kely mitsingevana

Mahafinaritra aminy:

Manampy azy amin’ny fahatahorany rehefa ao anaty rano izy. Ahafahantsika ray aman-dreny manazava koa fa tsy milentika any anaty rano izy.

sophie la girafe

Fomba fisafidianana azy:

Amin’ny caoutchouc malefaka (azo aholakolana) ary tsy misy bolongalongana (aspérités) . Rehefa mitsengevana, mi-couine, ary afaka atao arrosoir dia efa mety. Betsaka ny zavatra azo foronina avy amin’ireo hevitra telo ireo avy eo. Ireny kana kely ireny na i Sophie La girafe no tena tsara.

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.