Articles tagués ‘Grossesse’

mai 10, 2012

Bevohoka: Volana Fahatelo

Volana Fahatelo : herinandro nahabevohoka 9-10-11-12-13
herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana 11-12-13-14-15

3e mois de grossesse : semaine de grossesse 9-10-11-12-13

Eto amin’ny fahatelovolan’ny kibo eto no fanaovana ny “échographie” voalohany, anelanelan’ny fahasivy  (9) sy faha-iraika ambin’ny folo (11) ny herinandro nahabevohoka, fotoana feno fahasambarana sy tebiteby, hanehoana ny fitepon’ny fon’ny zazavoalohany.Ny vohoka
Tokony hitsahatra ilay maloiloy sy mando teo anoloana teo. Ny harerahana koa dia hisava tsikelikely ary manomboka mahazo aina sy afaka ny tebiteby rehetra.
Mitohy miadana ny fiovan’ny vatana, ny kibo hitombohatrany, afaka mividy akanjo bevohoka manomboka eto izay ilaina mandritran’ny enim-bolana manaraka.Mety ahatsikaritra ianao fa hiova loko ny nono (mihamainty), mety hisy tsipika mainty ihany koa taratra manomboka eo amin’ny lohan’ny fivaviana (pubis) ka hatrany amin’ny foitra.Ny sasantsasany mety ho mora tohina, mora mitomany ihany eto amin’ity volana ity.Fitombon’ny zaza ao an-kibo

Niforina tanteraka ny zaza eto, tsy antsoina ho atody intsony izy (embryon) fa efa lasa zaza rano (foetus). Ny taova rehetra dia efa mipetraka amin’ny toerany avokoa, manaraka dia ny nofo no hiforina izay hiatomboka amin’ny hatoka (nuque).
Efa voafaritra koa ny taovam-pananahanyfa na izany aza dia mbola afaka fotoana kely vao ho fantatrao na lahy na vavy ny zaza andrasanareoTorohevitra:-         Farany fanantonana ny dokotera raha mbola tsy nampilaza ofisialy-        Misafidy ny hopitaly hiterahana sy ny dokotera mpanara-maso

-         Ato lavorary ny sakafo, sasao tsara ny legioma sy ny voankazo alohann’y hihinana azy

-        Raha mifoka sigara ianao dia tsara raha ahato kely izany, satria antony voalohany mahatonga ny zaza tsy ho tonga volant, mampisy kilema sy manemotra ny fitomboany izany

-        Atsahatra ihany koa ny fisotroana zava-pisotro mahadomelina

-        Tandremo tsara mba tsy hihinana fanafody izay tsy natoron’ny dokotera

-        Tohizana ny fanaovana fanatanjahan-tena maivana toy ny milomano, mandeha tongotra

-        Tohizana ny firaisana ara-nofo, izay tsy mitarika ny fahafaha-jaza mihitsy tsy akory.

Mety mahaliana anao koa:
Tags : , ,
mai 2, 2012

Bevohoka: volana faharoa

Volana Faharoa : herinandro nitondrana vohoka 5-6-7-8
herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana 7-8-9-10

2ème mois de grossesse : semaines de grossesse 5-6-7-8

Manomboka misy fiovana kely ny vatana. Ny ao anatiny ao dia efa hafa mihitsy na dia tsy tena hita taratra aty ivelany aza izany.

Momba ny vohoka

Miova ny vatana manomboka eto, mikisaka daholo ny taova mba hipetrahan’ny tranon-jaza, izay efa manomboka maka toerana. Manomboka mivelatra ny maoja, ho an’ny vehivavy sasany dia efa manomboka tery ny akanjo.

Mbola mitohy ny fahasarotana rehetra teo aloha raha nisy: mando, te hivalan-drano matetika (satria tsindrian’ny tranon-jaza ny tatavia), fanimpanina, loha-nono marary, aretina an-doha, mafana tampoka. Tsara ambara amin’ny mpitsabo daholo izany fa tsy azo atao ny mihinana fanafody irery.

Mety ho misefosefo matetika na somary sahirana rehefa miaina, io moa dia avy amin’ny fidinanan’ny tosi-drà. Mety hanahirana izy ity andavan’andro fa tsy tokony ho hanano-sarotra kosa.

Indraindray koa dia mety hisy fiovan’ny toetra tampoka, somary kizitina be dia avy eo anefa dia ho mirana indray. Io moa dia avy amin’ny fiovan’ny hormona.

Ny fitombon’ny zaza am-bohoka

Mitohy ny fitombon’ny tànana sy ny tongotra ary ny ratsan-tànana dia manomboka mizara dieny dimy any amin’ny herinandro fahavalo.

Ny fony, ny tsinainy ny vavoniny ary ny taovam-pananahany ihany koa dia hitombo.

Ny lohany koa dia tsy hitsahatra ny hivelatra ary somary ngeza kokoa nohon’ny vatany, eto dia ny antsasakan’ny vatany iray manontolo no ho refin’ny lohany fotsiny.Manomboka mihetsika sy mitsambikina izy fa tsy ho re-nao raha tsy any amin’ny volana fahadimy any.

Torohevitra

Ny zavatra tokony eritreretina eto amin’ny volana faharoa:
- misafidy ny dokotera na ny mpampivelona hampiteraka
- misafidy ny maternité hiterahana ihany koa
- manao ny tily “échographie” hanamporofoina ny fitondrana vohoka raha tsy efa natao- Misakafo ara-dalàna, tsy ho an’olon-droa akory fa mihinana ny rehetra araka izay tokony ho izy. Ny fitombon’ny lanja dia tokony handeha miadana, ary tsy tokony hisy lanja be raha tsy any amin’ny enim-bolana farany. Tokony ampiana ny vitamine B9 fa ahatsara ny fitondrana vohoka io.

- Manaova fanatajahan-tena maivana toy ny fandehana tongotra vao maraina, milomano na ny yoga. Avela ihany koa ny talon avo loatra fa manembatsembana ny fikorianan’ny rà.

avril 30, 2012

Bevohoka: ny volana voalohany

Volana voalohany : herinandro nitondrana vohoka 1-2-3-4
herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana:  3-4-5-6

1er mois de grossesse : semaines de grossesse 1-2-3-4

Eto dia avy nampiasa irony test de grossesse irony ianao na mahare fambara fa bevohoka. Hafaliana tsy omby tratra no mameno ny fo satria dia mitondra ny menakin’ny aina ianao, ary afaka 9 volana dia ho RENY
Momba ny vohoka:
Mitranga daholo ny fambara rehetra fa mitoe-jaza ianao: maloiloy, be rora, reraka lava, te hatory foana, ny nono somary miangeza, sarotiny amin’ny fofona,  te hivalan-drano matetika. Mety ho noana foana koa na mety tsy ahahinan-kanina mihitsy.
Araka ny lahatsarotra efa nivoaka teto amin’ny kilonga.comdia tsy voatery hitranga daholo akory ireo tranga ireo na “symptômes”.Ny fitomboan’ny zaza am-bohoka

Kely dia kely tokoa ny vatany eto satria dia vao miforina izy, ary maka toerana moramora. Mirefy 4milimetatra monja
Manomboka mitempo anefa ny fony, ary miforona ihany koa ny placenta izay manohy ny fiainana aminareo mianaka, io ihany koa no mandefa ny sakafony.Hiforona ny ranon-dohany na ny “liquide amniotique” izay hitoerany mandritran’ny 9 volana.

Ny zavatra atao:

- Manantona toeram-pitsaboana na dokotera raha vao fantatra fa mitoe-jaza. Ilaina io mba hanaovana ny fitiliana rehetra momba anao sy ny zaza am-bohoka. Tsara fantarina mantsy sao mitondra ny tsimok’aretina toy ny rubéole, na toxoplasmose, na ny virus du sida, na ny hépatite na siphilis ianao.

- Ahafahan’ny dokotera manome ny fepetra rehetra tsara raisina mba ahatanteraka ny vohoka, sy hanome ny fotoana rehetra manaraka hanaovana ny fanara-maso.

Tags : , , ,
avril 26, 2012

Ny vohoka: aiza ho aiza ianao izao?

 Ito misy tabilao tsotsotra hanampiana antsika reny amin’ny fomba fikajy ny vohoka. Matetika moa isika dia fanina ihany rehefa ataon’ny dokotera hoe: 12 SA na hoe 12 semaine d’aménorrhée izany na koa amin’ny teny malagasy dia ny fitsaharan’ny fadim-bolana. Io farany io no hikajiana ny fotoana nitondrana ny vohoka, ary ny vohoka dia matetika latsaka ROA herinandron’io fotoana io, satria eritreretina fa eo amin’ny fotoanan’ny ovulation na ny 14 ème jour izany.

Volana Voalohany  -1-

Herinandro nitondrana vohoka                     1 2 3 4

Herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana    3 4 5 6

Volana Faharoa -2-

Herinandro nitondrana vohoka                      5 6 7 8

Herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana    7 8 9 10

Volana Fahatelo -3-

Herinandro nitondrana vohoka                      9 10 11 12 13

Herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana     11 12 13 14 15

Volana Fahaefatra -4-

Herinandro nitondrana vohoka                       14 15 16 17

Herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana      16 17 18 19

Volana Fahadimy -5-

Herinandro nitondrana vohoka                        18 19 20 21 22

Herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana       20 21 22 23 24

Volana Fahaenina -6-

Herinandro nitondrana vohoka                        23 24 25 26

Herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana       25 26 27 28

Volana Fahafito -7-

Herinandro nitondrana vohoka                         27 28 29 30

Herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana        29 30 31 32

Volana Fahavalo -8-

Herinandro nitondrana vohoka                         31 32 33 34

Herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana        33 34 35 36

Volana Fahasivy -9-

Herinandro nitondrana vohoka                          35 36 37 38 39

Herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana         37 38 39 40 41

décembre 19, 2011

Tera-bao: te hiverina amin’ilay bika taloha

Nahatsikaritra daholo angamba isika vehivavy bevohoka fa nisy fiovana maro tao aorian’ny fiterahana. Faharerahana, fitomboan-danja, fahavesaran’ny tongotra… Mikarakara  tera-bao andro aman’ alina, tsy moramora tsy akory. Na dia sarotra aza io fotoana io dia aza adino fa tokony hisy fikarakarana ihany koa ny vatantsika vehivavy. Torohevitra kely mety ahasoa indray no omen’ny kilonga.com antsika anio.

Hiverina amin’ilay taille 36- 38 taloha ve?

Marina fa tena nisy fiovam-bika be isika vehivavy rehefa avy teraka, na dia zava-tsoa aza ny naterakan’ny fitondrana vohoka. Mety ho kivy isika rehefa mijery fitaratra: tsatsakoatra, be fe  be , be kibo, saingy tsy tokony ho maika loatra amin’ny finiavana hanen-danja aloha. Indrindra ny 3 volana voalohany, manjary tsy ny tavy no lasa fa miroraka ny hozatra ka mety hanimba vatana indray. Kely sisa e!

Azo atomboka ny régime rehefa mihatsaratsara ny morale.

Fantatrareo moa fa mandalo amin’ilay fotoana hoe baby blues isika vehivavy rehefa avy miteraka?  Somary kivikivy na malahelohelo lalandava izay, rehefa afaka io fotoana io dia afaka atomboka ny fanenan-danja. Alefa moramora izany  ary atao izay mahafaly koa sy mahasoa satria aza adino fa mila tanjaka isika hikarakarana ny zazakely. Aza atao ambanin-javatra ny fihinana ny otrik’aina ilaina rehetra (ronono, hena, legioma, voankazo)

Aza adino fa tsara ny mihinana sakafo mitondra otrik’aina mahavitrika.

Raha misy sokajin-tsakafo tsara ahena ny fihinanana azy, dia misy kosa ireo tokony hampitomboana kely. Ny lafarinina, ny alkola sy ny menaka avy amin’ny  hendihendin-kanina ohatra tsy dia tsara loatra. Ny tena tsara dia ireo mitondra calcium toy ny ronono, fromazy, legioma sy voankazo be otrik’aina. Aza dia atao betsaka ny fihinana tavy azo avy amin’ny biby fa tsy tsara, ny henan-kisoa sy henan’ondry ohatra. Ataovy betsaka am-bilia ny trondro sy ny henan’ akoho. Ary raha mampinono ianao dia tokony ho voalanjalanja tsara daholo ny fihinana ny karazan-tsakafo rehetra satria izay hohanintsika ihany no mankany amin’ny zazakely.

Mahazo manao gourmande ihany kosa indraindray e!

Ranom-boankazo mampavitrika: voasary, frezy, akondro, sakamalao (olona 4). Voaso ary kikiso ny sakamalo mbolongana kely toy ny fanondro. Sasao ary karakarao ny frezy , avy eo dia teteho majinika, dia toy izay koa ny akondro. Voaso ny voasary ary teteho koa. Alefaso anaty mixeur ireo rehetra ireo, miaraka amin’ny ronono 30cl eo ary ilay sakamalao teo. Ampangatsiaho anaty frizidera ora vitsy dia sotroy amizay. Tsara ery e!

Aza atao tsinotsinona ny sakafo maraina.

Zava-dehibe mihitsy ny sakafo maraina. Vary sosoa sy kitoza, na omelety na legioma koa mety (haricot vert, anana saosy) dia tena mitondra hery ho an’ny vatana mihitsy. Indrindra raha reraka nifoha mandrakalina (nampinono, mampatory zaza). Raha tsy mahavita mihinam-bary dia azo atao koa ny misotro dité mafana, na kafe au lait sy mofo; ampiarahana amin’ny dobera , na tantely. Mazotoa homana e

Aza mitazona karazan-tsakafo mampatavy ao an-trano

Tsy dia tsara loatra ny manana an’ireny chips, biscuit, voanjo sns ireny anaty garde à manger fa mitondra fakam-panahy. Raha misy mpanatitra sakafo any am-piasana ohatra dia aleo maka yaourt toy izay katlesy , na sambos, na mofomamy. Ao an-trano koa dia tokony hisy corbeille à fruit feno foana, ka zarina ny rehetra hihinana an’ireo raha noana . Ilay mihinana am-povoan-tsakafo (grignotage) no tena ratsy satria tsy voafetra ny lanja. Fa raha tena noana dia safidiana ny sokajin-tsakafo hohanina.

Inona ary ny goûter an’i Neny e?

Andramo anie fa indraindray misotro rano fotsiny dia afaka ny hanohanana e! Na dite io, na kafe. Raha tena noana be ohatra amin’ny  5 na amin’ny 6 iny dia aleo asiana paoma kely, na yaourt nature toa izay mofomamy be lafarinina na mitsako kkpigeon lava eo. Kony e!

Mizatra mahandro legioma isan’andro!

Misy ireo zatra misakafo matsiro isan’andro, ao ny vady mila kojakojaina, ny fahafinaretana mahandro. Saingy aza atao be menaka loatra fa aleo aza atao matsiro amin’ny fofompofona isan-karazany toy ny tongolo lay, thym, persil sns. Aza adino ny mampiaraka ireny amin’ny legioma (manta na masaka) Ataovy be loko. Isika eto Madagasikara dia tena sambatra mihitsy amin’ny safidy ka aza atao ambanin-javatra ny manovanova azy. Tsy voatery ho ron’anàna foana. Isika aty ivelany koa dia tokony hizatra izany. Ampiaraho amin’ny trondro, na henan’akoho dia asio vary kely fa ho voky tsara ianao, aza adino ny tsindrin-tsakafo natioraly.

Tsy midina ambanin’ny 1300 calories!

Raha vonona hanen-danja amizay dia atomboka moramora, ary tohizana tsara ny fihinana sakafo ara-dalàna, ahena ny fihinana siramamy sy sira be loatra. Tadidio koa fa rehefa avy teraka dia misy lanja tsy maintsy very (eo amin’ny sivy kilao eo) . Ampiana koa ny fanaovana fanatajahan-tena malefaka (fandehanana tongotra dia efa ampy, 30 mn isan’andro eo)

*Araho eto amin’ny kilonga.com ny mombamomba ny zaza 12 ka hatramin’ny 24 volana
Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.