Articles tagués ‘Grossesse’

décembre 19, 2011

Tera-bao: te hiverina amin’ilay bika taloha

Nahatsikaritra daholo angamba isika vehivavy bevohoka fa nisy fiovana maro tao aorian’ny fiterahana. Faharerahana, fitomboan-danja, fahavesaran’ny tongotra… Mikarakara  tera-bao andro aman’ alina, tsy moramora tsy akory. Na dia sarotra aza io fotoana io dia aza adino fa tokony hisy fikarakarana ihany koa ny vatantsika vehivavy. Torohevitra kely mety ahasoa indray no omen’ny kilonga.com antsika anio.

Hiverina amin’ilay taille 36- 38 taloha ve?

Marina fa tena nisy fiovam-bika be isika vehivavy rehefa avy teraka, na dia zava-tsoa aza ny naterakan’ny fitondrana vohoka. Mety ho kivy isika rehefa mijery fitaratra: tsatsakoatra, be fe  be , be kibo, saingy tsy tokony ho maika loatra amin’ny finiavana hanen-danja aloha. Indrindra ny 3 volana voalohany, manjary tsy ny tavy no lasa fa miroraka ny hozatra ka mety hanimba vatana indray. Kely sisa e!

Azo atomboka ny régime rehefa mihatsaratsara ny morale.

Fantatrareo moa fa mandalo amin’ilay fotoana hoe baby blues isika vehivavy rehefa avy miteraka?  Somary kivikivy na malahelohelo lalandava izay, rehefa afaka io fotoana io dia afaka atomboka ny fanenan-danja. Alefa moramora izany  ary atao izay mahafaly koa sy mahasoa satria aza adino fa mila tanjaka isika hikarakarana ny zazakely. Aza atao ambanin-javatra ny fihinana ny otrik’aina ilaina rehetra (ronono, hena, legioma, voankazo)

Aza adino fa tsara ny mihinana sakafo mitondra otrik’aina mahavitrika.

Raha misy sokajin-tsakafo tsara ahena ny fihinanana azy, dia misy kosa ireo tokony hampitomboana kely. Ny lafarinina, ny alkola sy ny menaka avy amin’ny  hendihendin-kanina ohatra tsy dia tsara loatra. Ny tena tsara dia ireo mitondra calcium toy ny ronono, fromazy, legioma sy voankazo be otrik’aina. Aza dia atao betsaka ny fihinana tavy azo avy amin’ny biby fa tsy tsara, ny henan-kisoa sy henan’ondry ohatra. Ataovy betsaka am-bilia ny trondro sy ny henan’ akoho. Ary raha mampinono ianao dia tokony ho voalanjalanja tsara daholo ny fihinana ny karazan-tsakafo rehetra satria izay hohanintsika ihany no mankany amin’ny zazakely.

Mahazo manao gourmande ihany kosa indraindray e!

Ranom-boankazo mampavitrika: voasary, frezy, akondro, sakamalao (olona 4). Voaso ary kikiso ny sakamalo mbolongana kely toy ny fanondro. Sasao ary karakarao ny frezy , avy eo dia teteho majinika, dia toy izay koa ny akondro. Voaso ny voasary ary teteho koa. Alefaso anaty mixeur ireo rehetra ireo, miaraka amin’ny ronono 30cl eo ary ilay sakamalao teo. Ampangatsiaho anaty frizidera ora vitsy dia sotroy amizay. Tsara ery e!

Aza atao tsinotsinona ny sakafo maraina.

Zava-dehibe mihitsy ny sakafo maraina. Vary sosoa sy kitoza, na omelety na legioma koa mety (haricot vert, anana saosy) dia tena mitondra hery ho an’ny vatana mihitsy. Indrindra raha reraka nifoha mandrakalina (nampinono, mampatory zaza). Raha tsy mahavita mihinam-bary dia azo atao koa ny misotro dité mafana, na kafe au lait sy mofo; ampiarahana amin’ny dobera , na tantely. Mazotoa homana e

Aza mitazona karazan-tsakafo mampatavy ao an-trano

Tsy dia tsara loatra ny manana an’ireny chips, biscuit, voanjo sns ireny anaty garde à manger fa mitondra fakam-panahy. Raha misy mpanatitra sakafo any am-piasana ohatra dia aleo maka yaourt toy izay katlesy , na sambos, na mofomamy. Ao an-trano koa dia tokony hisy corbeille à fruit feno foana, ka zarina ny rehetra hihinana an’ireo raha noana . Ilay mihinana am-povoan-tsakafo (grignotage) no tena ratsy satria tsy voafetra ny lanja. Fa raha tena noana dia safidiana ny sokajin-tsakafo hohanina.

Inona ary ny goûter an’i Neny e?

Andramo anie fa indraindray misotro rano fotsiny dia afaka ny hanohanana e! Na dite io, na kafe. Raha tena noana be ohatra amin’ny  5 na amin’ny 6 iny dia aleo asiana paoma kely, na yaourt nature toa izay mofomamy be lafarinina na mitsako kkpigeon lava eo. Kony e!

Mizatra mahandro legioma isan’andro!

Misy ireo zatra misakafo matsiro isan’andro, ao ny vady mila kojakojaina, ny fahafinaretana mahandro. Saingy aza atao be menaka loatra fa aleo aza atao matsiro amin’ny fofompofona isan-karazany toy ny tongolo lay, thym, persil sns. Aza adino ny mampiaraka ireny amin’ny legioma (manta na masaka) Ataovy be loko. Isika eto Madagasikara dia tena sambatra mihitsy amin’ny safidy ka aza atao ambanin-javatra ny manovanova azy. Tsy voatery ho ron’anàna foana. Isika aty ivelany koa dia tokony hizatra izany. Ampiaraho amin’ny trondro, na henan’akoho dia asio vary kely fa ho voky tsara ianao, aza adino ny tsindrin-tsakafo natioraly.

Tsy midina ambanin’ny 1300 calories!

Raha vonona hanen-danja amizay dia atomboka moramora, ary tohizana tsara ny fihinana sakafo ara-dalàna, ahena ny fihinana siramamy sy sira be loatra. Tadidio koa fa rehefa avy teraka dia misy lanja tsy maintsy very (eo amin’ny sivy kilao eo) . Ampiana koa ny fanaovana fanatajahan-tena malefaka (fandehanana tongotra dia efa ampy, 30 mn isan’andro eo)

*Araho eto amin’ny kilonga.com ny mombamomba ny zaza 12 ka hatramin’ny 24 volana
mars 19, 2009

Ny fampinonoan-dreny

(c) bebe Tieri kilonga.com

(c) bebe Tieri kilonga.com

Araka ny efa voalaza teto amin’ny kilonga.com matetika dia voamarika fa tena tsara tokoa ny fampinonoan-dreny. Mahazo tombotsoa aminy daholo mantsy na ny reny na ny zaza, satria dia miaro amin’ny aretina maro mety ahazo ny zaza ireo otrikaina vokariny.

Indro ary torohevitra vitsivitsy atolotra anareo vehivavy bevohoka ka te hampinono ny zanakareo.

Ny rononon-dreny:

Dieny ianao bevohoka dia efa miomana ny vatanao amin’ny fandraisana ny zazakely. Ohatra mihalehibe ny maoja ary mihamitombo habe ny nono.

Tsy misy ahiana ny momba izany, ary tsy misy hatahorana ihany koa na dia kely aza ny nono-nao satria tsy miankina amin’ny habe-ny nono ny fisian’ny ronono rehefa teraka ianao.

Vao latsaka ny zaza dia miara miasa daholo ny taova rehetra , ary efa vonona ny nono ho sakafon’ny zazakely. Amin’ny ora sy andro voalohany anefa dia mbola ny colostrum * aloha no mivoaka. Izy io dia miloko mavomavo ary tena tsara mihitsy satria misy izay ilain’ny zaza menavava rehetra ao anatiny. Rehefa avy eo dia avy miandalana ny ronono ary miovaova araka ny tadiavin’ny zanakao ny zavatra entiny. Miova araka ny sakafo hohaninao reny koa ny tsirony.

Ahoana no ahalalana fa noana ny zaza?

Mitomany ve izy? mety efa tara loatra izany, mety efa noana izy izay. Ny fotoana tena tsara hampinonoana ny zaza dia rehefa tony iny izy. Jereo raha misokatra ny masony, mitaditady nono ny vavany, na mampiditra tànana any am-bava izy. Eo ilay fotoana mendrika indrindra.

Ny paozy rehefa mampinono

Maka aina tsara, mipetraha amin’ny seza na matoria misopirana, izay ahazahoanao aina atao. Azo ampiakarina koa ny tongotra raha mety aminao kokoa. Trotroy ny zanakao, ankino amin’ny sandrinao moramora ny lohany, ary ny kibony mitohana amin’ny kibonao. Jereo tsara sao mivilana ny lohany, na diso ambany loatra na ambony loatra , na mila mitraka. Ny lohany, ny sofiny, ny sorokany ary ny maojany dia tokony hifanandrify tsara (alignées).

Izy ihany dia mahita ny nono-nao, raha tsy mety izany dia somary domy moramora amin’ny lohanononao ny vavany. Hitanao eo fa hisokatra io ary hanomboka hisakafo izy. Tokony ho tafiditra any anaty vavany any daholo ny lohanononao rehetra, ary hiantefa amin’ilay auréole manodidina ny nononao iny ny molony.

Dia marary ve?

Tsy tokony harary ny fampinonoana. Marina fa ny fotoana voalohany na ny 3 andro voalohany iny dia mety hiofaka kely ny nono-nao na mety harary anao ny fampinonoana. Anefa tsy tokony aharesy lahatra anao izany satria ny fitsetsefan’ilay zaza azy iny no ahafaka ny marary aminao.

Raha toa ka vakivaky ny nono ka marary dia mividiana menaka misy lanoline ireny, na ny ronono-nao ihany no ahosory eo. Aza dia fafana sy sasana loatra koa ny nono isak’izay avy mampinono fa io no anisan’ny iray mahavakivaky azy sady mitarika zavatra hafa indray. Fadio ihany koa raha azo atao ny manisy protection maharitra amin’ny nono raha mitete izy loatra satria mampisy mycose indray izy mando lava io.

Nono havia sa havanana?

Samy manana ny atorony ny mpampivelona sy ny hopitaly rehetra. Azonao atao tsara ny mampiasa azy roa ny volana voalohany ohatra, rehefa hitanao fa milamina tsara sy maharaka tsara dia afaka ny iray ihany no ampiasaina. Raha toa ka engorgé ny nono dia hory na potsero hivoaka ny ronono, marary manko izy rehefa manao an’io.

Voky ve ny zaza?

Mahafinaritra ny mihaino zaza minono. Sady safosafoinao ny lohany , ny tanany, ny vatany no misafosafo ny lamosinao koa ny tànana keliny. Misy feo hafaklyl izay ataony rehefa minono izy  sy manatelina ny sakafony. Rehefa manomboka mampinono ianao dia mety misy contractions kely na somary misy manaikitra kely izay amin’ny voalohany, tsy misy atahorana izany fa manaporofo aza fa mandeha ara-dàlana ny fampinonoana. Ary iny ihany koa no hanampy ny tranonjaza-nao hiverina amin’ny laony.

Miala irery ny zaza rehefa voky. Aza fohazina ny zaza matory hisakafo, mifoha izy rehefa noana. Raha ny tsara dia zaza madio no omena nono, ary rehefa avy minono dia miandrasa kely fa mety hi-kàkà izy dia mila soloina indray, alohan’ny hatoriany.

———–

* Lien en Anglais

mars 11, 2009

9 taona dia bevohoka!

Vao haingana tamin’iny volana febroary lasa iny no tovolahy kely 12 taona no teraka, itanareo amin’ny lahatsoratro mitondra ny lohateny hoe : “Lehilahy 12 taona nefa dia …” etsy aloha. Inty indray dia any Brésil no miseho ny tantara : Andriamanitra ô, zazavavy kely 9 taona indray no bevohoka ! Bevohoka kambana ! Voalaza fa ny raikeliny 23 ans no nanolana ity zaza fony izy h@ 6 taona. Ankehitriny dia mitaraina ilay zaza fa marary vavony. Nony nentina tany amin’ny dokotera dia hita fa mitoe-jaza kambana efa efa-bolana !!! Fa dia mankaiza ity tany ity no zazakely no vetavetaina toy izany ? Inona no fahafinaretana azo amin’ny zazakely, fa dia tena marary saina matoa mahavita izany. Tena lehilahy tsy valahara, ny biby no mitovy lenta aminy ! Ny mampalahelo anefa dia tian’ny renin’ity zaza 9 taona esorina ireto zaza izay efa lehibe tokoa (4 mois) ao an-kibony no sady etsy andaniny dia tsy fantatra na hahazaka hitoe-jaza h@ farany ity zazakely noho ny hakeliny loatra, loza mitatao ho an’ny fahasalamany. Mipetraka amiko ny fanontaniana hoe : – efa olona hary tanteraka anefa ireto zazakely efa-bolana ao an-kibo dia ho vonoina ve ? – mampalahelo anefa koa ity zazavavy kely 9 taona dia hiteraka, tsy mahalala inon’inona, nefa moa tsy maintsy hiteraka ihany izy na ahoana no fomba hivoahan’ireo zazakely ireo na ahoana Aina 3 izany no misy ho ratsy fiafara raha atao ny kaonty. Ontsa tokoa ny fo amin’ny mahareny ahy : “zazakely voatavo tsy mifandraka” ve no vetavetaina toy izao, ary koa efa tena olona tanteraka ireto ao anaty kibony. Lesona tsoahiko amin’ity tantara ity dia hoe : aleo henoina ihany ny zaza rehefa miteny, mino aho fa mba efa noresahiny tamin-dreniny na tamin’olon-kafa tany ho any fa tsy noraisina ho tena izy ny tenin-jaza, na mety ho lasalasa eny ary ny vavany rehefa milalao. Maniry koa aho raha maniry ny hahatanteraka io sazy 15 taona an-tranomaizina (na mihoatra ary vao maika tsara !!!) ilay lehilahy tsy olom-banona no iantsoako azy fa ny mifanohitra @ izany. Marihiko fa ahihiana efa nanao ity fomba ratsiny ity tamin’ilay zokin’io zaza io koa ity lehilahy ity, handicapée moa io zokiny io. Jereo eto (Fr)

blaogin’i kdaombaramita

octobre 28, 2008

Ny zava-pady amin’ny vehivavy bevohoka (1)

[mg] Araka ny fomban’ny Ntaolo dia misy karazan-javatra maromaro tsy azon’ny vehivavy bevohoka atao. Androany dia ho zarain’ny kilonga.com aminareo izany. Andiany voalohany.

[fr] Selon la croyance malgache, il existe certains interdits que la femme enceinte doit suivre au cours de la grossesse. Aujourd’hui, kilonga.com vous partage ces quelques marche à suivre en exclusivité. Première partie.

Articles écrits dans les deux langues, mélangés selon les explications ou la traduction.

Ny vohoka/ La maternité:

Raha ny safidin’ireo ray aman-dreny malagasy dia zazalahy no ateraka, hoy mantsy ny Ntaolo: “une fille c’est bon pour aller greffer une bonne espèce sur un autre arbre, mais c’est le fils qui fait bon gouverner le tronc familial” > Mamelo- maso ny lahy!

Mba tsy ho afa-jaza/ Pour ne pas perdre l’enfant:

- Mihinana hena avy amin’ny mpamora, lahy ny zaza > Pour avoir un garçon: assister à une circoncision et demander à manger un morceau de viande à celui qui a fait l’opération.

- Homan-dranombary mbola tsy masaka, tsy tonga volana ny zaza > Boire de l’eau de riz pas bien cuite

- Mitomany ny tsy ary, lany zara > Ne pas pleurer

- Mihomehy tsy tonga volana, tsy tonga volana ny zanany > Rire celui qui a accouché prématurement

- Mandry raha voky, mahavotsotra > Rester debout quelques temps après avoir mangé pour faciliter la digestion

- Manatsoaka hazandrano, mahafa-jaza > Faire fuir les poissons lors de la pêche

- Mihinana hasina, mamotsitra > Manger des citrons verts, oeufs pourris

- Mianika tohatra mahafa-jaza > Monter à l’échelle

- Homan-kanina am-patan’olona, mahafa-jaza > Ne pas rester assise près d’un foyer en allant manger chez quelqu’un d’autres

- Miditra an- davam-bary, mahafa-jaza > Ne pas entrer dans un silo de riz

- Miditra anaty trano misy fahoriana > frapper trois fois en criant “je suis enceinte ô mort” avant d’entrer dans la maison d’un défunt

- Raha miady amin’ny olona ratsy endrika ny bevohoka, manahaka an’iny ny zaza > Si vous vous disputez au cours de votre grossesse, l’enfant devient laid

Maha-momba/ Ce qui rend stérile:

- Mihinam-boankazo Alakaosy, tsy miteraka > Manger des fruits dans le mois d’Alakaosy rend stérile

- Manao zavatra asabotsy, tsy miteraka > Travailler le samedi rend stérile

- Vokapokin’ny vady amin’ny sotrobe na bararata, tsy miteraka > Battu par le mari par la cuillère à pot ou un roseau rend stérile

- Manafo-trano tsy miteraka > Ne pas aider son mari à raccomoder le toit de la maison

- Manainga vato mahafa-jaza > Ne pas soulever des pierres pour réparer le tombeau

- Tsy manetsa-parihy tsy miteraka > Ne pas laisser pousser l’herbe sur le bord de votre rizière

- Milaza vintana ny andro naterahana amin’olona, andrao amosaviny > Dire aux autres ce qui concerne votre destin propre, c’est s’exposer aux sortilèges.

juin 2, 2008

9 mois en beauté

Ronde et sexy, pas facile!
Qui n’ a pas rêvé ou ne rêve d’un corps de déesse pendant sa grossesse, ce n’est pas toujours facile! A moins de ne manger que de la salade et des pommes pendant 9 mois. Mais vous le savez très bien c’est déconseillé car le bonheur doit être pour votre bébé et non pour votre miroir et vos jeans taille basse. Mangez équilibré et vous aurez la chance de retrouver votre corps de jeune fille après l’accouchement (l’attente est tout de même de quelques mois)

5 fruits et légumes par jours et…
En plus de ce qui est recommandé par le PNNS (Programme National Nutrition Santé) , en tant que “mpitondra rano” ( porteuse de vie) vous devez privilégier les produits laitiers c’est à dire au lieu de 3 fois passez à 4 fois par jours. Continuez à manger du riz si vous aimez cela (en sosoa ou maina), boire beacoup d’eau… minérale s’il vous plaît! les tisanes à base de plante sont à éviter, préferez plutôt le ranovola ou ranon’ampango qui a meilleur goût et apporte longue vie paraît-il. Pour obtenir le ranovola, il faut que le vary soit doré – voire même un peu brulé au fond de la casserole ( manitra ny vary), et là il faut mettre de l’eau selon la quantité que vous souhaitez, quand la couleur de l’eau est doré d’où le nom ranovola -eau doré- c’est que vous avez réussi. Servir toujours bouillant mais à boire tiède.

Des légumes comme les anana
Durant votre grossesse, mangez de tout mais en petite quantité et en variant le plus possible et la règle d’or. Ce n’est donc pas une raison d’abandonner les anana (brède) en tous genres sous pretexte que vous êtes enceintes.
Vous pouvez manger des ravin-tsosety, des anamamy, des ramborembaka, des anatsinahy, des anamadinika, des anatsonga, des anandrano, les ravitoto et pour faire un peu vazaha n’oubliez pas les salades (toutes les sortes), les mâches, les épinards.

Les fruits de mer, les arachides, les fruits tropicaux…
Une astuce pour minimiser les risques d’allergies à votre bébé, mangez les fruits de mer (crabes, crevettes, langoustes, huîtres -2 ou 3 seulement) en quantité raisonnable. Les arachides (en plus cela fait monter le lait), les fruits tropicaux tel que les ma,gues, les letchis, mais aussi les fraises, les cerises, les oeufs, les abats. Comme cela votre pitchoun aura déjà l’occasion de goûter à tous ces aliments et quand viendra le jour où il les découvrira ce ne sera plus une surprise pour ces papilles.

Tags : , ,
Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.