Vao haingana tamin’iny volana febroary lasa iny no tovolahy kely 12 taona no teraka, itanareo amin’ny lahatsoratro mitondra ny lohateny hoe : “Lehilahy 12 taona nefa dia …” etsy aloha. Inty indray dia any Brésil no miseho ny tantara : Andriamanitra ô, zazavavy kely 9 taona indray no bevohoka ! Bevohoka kambana ! Voalaza fa ny raikeliny 23 ans no nanolana ity zaza fony izy h@ 6 taona. Ankehitriny dia mitaraina ilay zaza fa marary vavony. Nony nentina tany amin’ny dokotera dia hita fa mitoe-jaza kambana efa efa-bolana !!! Fa dia mankaiza ity tany ity no zazakely no vetavetaina toy izany ? Inona no fahafinaretana azo amin’ny zazakely, fa dia tena marary saina matoa mahavita izany. Tena lehilahy tsy valahara, ny biby no mitovy lenta aminy ! Ny mampalahelo anefa dia tian’ny renin’ity zaza 9 taona esorina ireto zaza izay efa lehibe tokoa (4 mois) ao an-kibony no sady etsy andaniny dia tsy fantatra na hahazaka hitoe-jaza h@ farany ity zazakely noho ny hakeliny loatra, loza mitatao ho an’ny fahasalamany. Mipetraka amiko ny fanontaniana hoe : – efa olona hary tanteraka anefa ireto zazakely efa-bolana ao an-kibo dia ho vonoina ve ? – mampalahelo anefa koa ity zazavavy kely 9 taona dia hiteraka, tsy mahalala inon’inona, nefa moa tsy maintsy hiteraka ihany izy na ahoana no fomba hivoahan’ireo zazakely ireo na ahoana Aina 3 izany no misy ho ratsy fiafara raha atao ny kaonty. Ontsa tokoa ny fo amin’ny mahareny ahy : “zazakely voatavo tsy mifandraka” ve no vetavetaina toy izao, ary koa efa tena olona tanteraka ireto ao anaty kibony. Lesona tsoahiko amin’ity tantara ity dia hoe : aleo henoina ihany ny zaza rehefa miteny, mino aho fa mba efa noresahiny tamin-dreniny na tamin’olon-kafa tany ho any fa tsy noraisina ho tena izy ny tenin-jaza, na mety ho lasalasa eny ary ny vavany rehefa milalao. Maniry koa aho raha maniry ny hahatanteraka io sazy 15 taona an-tranomaizina (na mihoatra ary vao maika tsara !!!) ilay lehilahy tsy olom-banona no iantsoako azy fa ny mifanohitra @ izany. Marihiko fa ahihiana efa nanao ity fomba ratsiny ity tamin’ilay zokin’io zaza io koa ity lehilahy ity, handicapée moa io zokiny io. Jereo eto (Fr)
Le concours photo prend fin
[mg] Anio no mifarana ny fotoana ahafahana mandefa ny sary handraisana anjara amin’ny fifaninana KilongaGasy2009. Misaotra an’ireo rehetra nandray anjara tamin’izany. Araka ny fepetra dia amin’ny volana Marsa ny valin’ny fifaninana ka ireo zaza telo lany voalohany dia ahazo loka avy amin’ny kilonga.com.
Toy izao ny fandehan’ny fizaran-doka. Izay lany voalohany dia misafidy na kojakoja ilaina amin’ny fitaizana anaka, na kilalao, na boky ; sahaza amin’ny taonan’ny zaza ny loka azony. Ny roa manaraka kosa dia ahazo boky kely . Miampy amin’ireo dia ahazo ny diplaoma KilongaGasy2009 avy izay lany.
Ireo rehetra nandray anjara dia hiseho eto amin’ny kilonga.com ny sariny. Afaka miomana amin’ny fandraisana anjara amin’ny “MamanKilongaGasy2009″ indray ianareo
Misaotra anareo niara nilalao !
[fr] La date limite des envois de photos pour concourir à notre jeu KilongaGasy2009 prend fin aujourd’hui, nous tenons à vous remercier d’avoir été si nombreux à participer. Beaucoup d’entre vous ne sont pas des natifs malgaches, heureusement ! Cela prouve que kilonga.com est ouvert et accessible à tous. C’est pourquoi nous avons décidés de valider toutes les photos reçues quelque soit votre origine.
Le résultat du concours sera affiché au début du mois de Mars, vous recevrez un email de confirmation si votre photo est gagnante. Seuls les trois premiers bébés élus auront un petit cadeau. Vous aurez le choix selon l’âge de votre enfant entre: un matériel de puériculture, un jouet ou un livre. Les deux dauphins auront un petit livre . En plus de ces petits cadeaux, un petit diplôme KilongaGasy2009 vous saura envoyé.
Après cela, nous publierons toutes les photos participantes.
D’ores et déjà vous pouvez vous préparez pour la meilleure photo “MamanKilongaGasy 2009″
Merci à tous
Sakafon’ny zaza: 10 – 12 volana
Maraina:
- Sosoa+ kitoza na vovo-patsa na totom-boanjo
10 ora:
- Ranom-boankazo na biscuit na biscotte + Ronono
Atoandro
12 ora: Sosoa + laoka (voamaina rehetra, esorina ny hodiny) na (hena rehetra, na anana rehetra)
na (nofon-trondro rehetra) na (tamenak’atody akoho iray)
Tsindrin-tsakafo:
- Flan (siramamy iray sotro lehibe+ tamenak’atody iray+ lafarinina 1 sotro kely + ronono velona iray litatra)
- na crème (siramamy 1 sotrokely + tamenak’atody iray + ronono velona 1/2 litatra)
- na voankazo rehetra
4 ora: Goûter
Hariva
7 ora alina: Sosoa na vary amin’anana na lasopy na vetin’ampango (vary gasy) + laoka
Tsindrin-tsakafo: Ronono velona
Tohizana ny sakafo teo aloha “Menu an’ny zaza 8 -10 volana”
Que faire de tous ces jouets?
Les enfants d’aujourd’hui ont decidement trooop de jouets. Qui d’entre vous se rappellent avoir eu autant de jouets? La grande majorite des enfants malgaches, surtout ceux de la campagne et les petits quat’mis (enfants de la rue), ne connaissent pas ce qu’est un jouet achete dans un magasin. Ils fabriquent leurs jouets eux-memes, de vrais petit(e)s bricoleur/ses.
Nos enfants qui ont la chance d’avoir eu la visite de Dadabe Noely (le Pere Noel) sont plus ou moins gates. De nouveaux jouets viennent s’ajouter a ceux de l’annee derniere. Le resultat peut etre desastreux: des jouets partout partout dans la maison. Des jouets avec lesquels ils ne jouent necessairement plus. Les plus jeunes peuvent ‘heriter’ de leur grand frere ou grande soeur. Mais quand les enfants de la maison ne jouent plus avec ces jouets, les parents doivent trouver le moyen de “s’en debarrasser”. Vous ne savez pas comment s’en debarrasser? Voici quelques idees que nous pouvons vous suggerer:
- pourquoi ne pas les offrir a des amis, des voisins qui pourront en faire bon usage?
- s’il n’y a personne qui pourrait les utiliser dans votre entourage, vous pouvez en faire des dons a des creches, des orphelinats, des organisations du quartier/de la ville
- vous pouvez aussi apporter le bonheur a certains enfants ‘de la rue’ en leur donnant ces jouets

Quoi qu’il en soit, n’oubliez jamais de bien nettoyer les jouets avant de les offrir a quelqu’un d’autre. Il ne s’agit pas de “se debarrasser” de ces jouets pour seulement s’en debarrasser. Il s’agit aussi et surtout de donner et de partager. Que l’esprit de Noel reste avec vous tout au long de l’annee! Bonne annee!
Lettres au Père Noël/ Taratasy ho an’i Dadabe Noely
Bonjour les enfants,
Nous voici prêts, mes lutins et moi pour recevoir vos plus belles lettres de vœux et de souhaits, ainsi que les demandes de cadeaux.
J’espère que vous étiez tous très sage et que vous avez déjà préparé votre liste. Je sais déjà à qui j’offrirai des belles surprises*.
Étant donné que j’ai accès aux net ici, j’attends impatiemment vos lettres pour que je puisse préparer vos cadeaux** avec les lutins. Ils s’occuperont en plus de planifier mon voyage vers vous les petits enfants malgaches, éparpillés un petit peu partout dans le monde. Je ne vous oublie pas.
Voici donc l’adresse tant attendu: dadabenoely@kilonga.com
Et n’oubliez pas de prendre une photo de votre sapin de noël et des cadeaux, envoyez-les moi ensuite pour que nous puissions partager ensemble cette joie.
Hendre tsara ary! A bientôt
Ry Kilonga kely o,
Alefaso amin’ny adiresy mailaka: dadabenoely@kilonga.com ny lisitr’ireo kilalao, faniriana tianao ho azo amin’ity noely ity. Miandry anareo dadabe noely. Mahazo valiny daholo izay manoratra rehetra**
Dia hendry tsara an!
*[Note aux parents: Dadabe Noely enverra à chacun d'entre vous une lettre spéciale dédicacée aux prénoms de l'enfant que vous mettrez au pied du sapin le 24 décembre]
** [dont j'ai été de mèche avec vos parents]



