12 volana – 18 volana
Efa mahavita mitsangan-drery saingy mianjera matetika , tsy mahavita mandeha fa mamindra. Manao fandehan’ny “foza” , mibilabila. Na izany aza tsy dia manaitra azy ny mianjera raha tohanana amin’ny “Bravo” sy tehafana ny zotony. Eto ilay fotoana fanaovana “tata…tata…tata”, izany hoe tantanana ny zaza dia miara mamindra aminy. Rehefa feno 15 volana any izy dia efa manomboka vonona ny hamindra irery.

Raha milalao baolina miaraka amin’ny zaza 12 volana eo isika dia voatsikaritra fa mbola tsy mahay mitifitra tsara izy. Io dia nohon’ny tsy fahampian’ny heriny sy ny tsy fahaizany mamantatra ny halaviran’ny zavatra manodidina azy. Tsara noho izany raha mifanakaiky aminy rehefa milalao baolina ary mifanalavitra tsikelikely.
Marihina anefa fa mahavita manatsofoka “perle” lehibe na “boule” ao anaty vava tavoahangy izy eto. Mahafinaritra azy koa ny milalao “fermeture éclair“, afaka mijanona eo izy mandritran’ny ora be dia be. Mahay mitana cube anankiroa amin’ny tànana iray izy ary manomboka mahavita manataingina ireny, roa na telo eo.
Tia miakatra tohatra ny zaza manomboka eto amin’ity taona ity. Saingy tsy mahay miakatra tohatra mitsangana izy fa mandady, rehefa midina kosa dia migorisa amin’ny fitombenany, na amin’ny kibo. Tandremo fa mbola tsy tonga saina mihitsy izy eto, ka tsy mahalala izay ahafaty azy! Isika ray aman-dreny dia tokony hanara-maso azy foana.
Mankafy mamaky boky be, mamadika ny pejy ara-droa na ara-telo ary averimberina im-betsaka; mananaraotra tsara izany isika eto. Manomboka mampiditra ny
“imagier” ihany koa . Rehefa feno 18 volana eo mantsy dia mahay mamantatra ireo zavatra manodidina azy ny zaza. Azo atsofoka ihany koa ny pensily sy ny fandokona. Io dia tsara amin’ny fanazarana ny tànana hitazona pensily ary ahafantarany ny zavatra vitan’ny vatany. Mba tsy hanoratany erakin’ny rindrina dia aleo manangona taratasy be dia be, taratasy rehetra ariana any am-piasana any ohatra dia afaka entina mody.
- Misaoty, misabaka, miondrika

Mandohalika, mipetraka, mitsangana. Efa tena matotra tsara ny
articulations rehetra ka mahavita miondrika irery, mitsipona ny kilalao latsaka amin’ny tany. Mahay mitohana amin’ny fanaka raha manakatra zavatra latsaka ao ambany ao.
Mahavita mamoaka teny roa na telo eo. Ary mahalala tsara ny zavatra tadiaviny, satria dia tondroiny tsara izany. Matetika eto amin’ity fotoana ity dia ny ray aman-dreny ihany no “mahafantatra” izay lazainy .
Tia mitsatsaingoka amin’ny tànana, aza ràrana be loatra satria famantarany ny zavatra hohaniny ihany koa io. Eo amin’ny 15 volana eo izy no manomboka mandray sotrokely, ary manandrana misakafo irery; mihena noho izany ny zotony misakafo satria variana amin’io fahaizana vaovao io izy. Mahatana kopin-jaza amin’ny tànany roa ary misotro rano irery.
———————————
18 volana – 2 taona
Mihazakazaka ny fahazaiana vaovao hainy sy tiany eto ka dia atao foana, rehefa tsy reraka mazava ho azy ka mitady trotroina. Rehefa mihazakazaka dia velarina ny tànana ary somary mihinjitra kely. Mety mianjera fa tandremo. Efa mahalala ny fahalavirany amin’ny zavatra manodidina azy.
Mahery amin’ny resaka ” lingilingy”. Mihanikanika no zavatra tiany eto, indrindra fa ny fandrianany. Izay rehetra ahafahany mampiasa an’io dia tiany avokoa: seza avo, tohatra… Efa mahay milalao baolina tsara, mahay manipy sy mandaka.

Maika mafy ny andeha hilalao ka mihinana malaky ny zaza eto amin’ity sokajin-taona ity. Manahirana noho izany ny famahanana azy, mila fikafikaina kely izy, atao zary lalao ny misakafo. Matetika dia efa madio ny ankapobeny ary mahavita misakafo irery. Ny tsara dia samy mitàna sotrokely ianareo.
Mandinika ny zavatra rehetra hitan’ny masony izy eto, tsy vitan’ny hoe mihaino tantara fotsiny fa liana amin’ny zavatra farak’izay kely indrindra tsy ampoizina hitany. Afaka atomboka ny famakiana tantara fohy momba ny fiainana an-davanandro eto.
Manomboka miha-feno ny anaran-javatra hainy, eo amin’ny valo na folo eo. Mametraka fanontaniana ” han? han?” Mahay manondro ary mahafantatra ny maso, sofina, orona, na zavatra hafa eo amin’ny vatany.
Mahay miakatra sy midina ny tohatra toy ny rehetra, izany hoe mitsangana saingy mbola matahotra. Rehefa midina ny tohatra izy dia mamikitra amin’ny tohana ary midina tsikelikely. Maka aina matetika fa mbola reraka.
Somary maherihery ity taona ity. Eo amin’ny roa taona eo mantsy dia tonga ilay fotoana ‘fanoharana”, io dia milaza fa tonga saina tanteraka amin’ny zava-bitany ny zaza ka mieritreritra fa mahavita tena irery. Avy ny “tsia” na avy amin’ny dada sy neny na avy aminy. Somary mangirifiry azy ny toherina eto kanefa tena ilainy eo amin’ny fitomboany izany.
Tsy misy zavatra tiany toy ny ” manao ohatran’ny… ” toa an’i Neny, na toa an’ i Zoky . Izany hoe mamafa trano , miborosy trano, manaha lamba, sns. Milalao saribakoly, mody mipasoka, manasa vilia sy vilany . Midika zavatra lehibe izy ity na dia heverintsika fa dia kilalao fotsiny aza. Ampirisiho ny zaza, ohatra hoe omena anjara asa kely izay heverina fa vitany izy ka tsy mandratra azy. Tsy maharitra io fotoana io ka aza mibitaka mialoha loatra!

Raha omena fahafaham-po izy dia mahavita manala ny kirarony sy ny akanjony irery. Moramora kokoa aminy io. Rehefa ampiakanjoana kosa izy dia aza asarotina amin’ny tady kiraro, bokotra sy fermeture . Ny tanjona dia ny ahafahany miakanjo irery.
Arakarakin’ny zaza sy ny ray aman-dreny izy ity. Misy madio aloha ny roa taona, misy mbola miandry kely. Tsy misy mahamaika fa avy miandalàna eny ihany io. Indraindray mbola mandena ny atoandro, ary am-pandriana amin’ny alina. Io farany io dia somary elaela kokoa.