
(c) bebe Tieri kilonga.com
Araka ny efa voalaza teto amin’ny kilonga.com matetika dia voamarika fa tena tsara tokoa ny fampinonoan-dreny. Mahazo tombotsoa aminy daholo mantsy na ny reny na ny zaza, satria dia miaro amin’ny aretina maro mety ahazo ny zaza ireo otrikaina vokariny.
Indro ary torohevitra vitsivitsy atolotra anareo vehivavy bevohoka ka te hampinono ny zanakareo.
Ny rononon-dreny:
Dieny ianao bevohoka dia efa miomana ny vatanao amin’ny fandraisana ny zazakely. Ohatra mihalehibe ny maoja ary mihamitombo habe ny nono.
Tsy misy ahiana ny momba izany, ary tsy misy hatahorana ihany koa na dia kely aza ny nono-nao satria tsy miankina amin’ny habe-ny nono ny fisian’ny ronono rehefa teraka ianao.
Vao latsaka ny zaza dia miara miasa daholo ny taova rehetra , ary efa vonona ny nono ho sakafon’ny zazakely. Amin’ny ora sy andro voalohany anefa dia mbola ny colostrum * aloha no mivoaka. Izy io dia miloko mavomavo ary tena tsara mihitsy satria misy izay ilain’ny zaza menavava rehetra ao anatiny. Rehefa avy eo dia avy miandalana ny ronono ary miovaova araka ny tadiavin’ny zanakao ny zavatra entiny. Miova araka ny sakafo hohaninao reny koa ny tsirony.
Ahoana no ahalalana fa noana ny zaza?
Mitomany ve izy? mety efa tara loatra izany, mety efa noana izy izay. Ny fotoana tena tsara hampinonoana ny zaza dia rehefa tony iny izy. Jereo raha misokatra ny masony, mitaditady nono ny vavany, na mampiditra tànana any am-bava izy. Eo ilay fotoana mendrika indrindra.
Ny paozy rehefa mampinono
Maka aina tsara, mipetraha amin’ny seza na matoria misopirana, izay ahazahoanao aina atao. Azo ampiakarina koa ny tongotra raha mety aminao kokoa. Trotroy ny zanakao, ankino amin’ny sandrinao moramora ny lohany, ary ny kibony mitohana amin’ny kibonao. Jereo tsara sao mivilana ny lohany, na diso ambany loatra na ambony loatra , na mila mitraka. Ny lohany, ny sofiny, ny sorokany ary ny maojany dia tokony hifanandrify tsara (alignées).
Izy ihany dia mahita ny nono-nao, raha tsy mety izany dia somary domy moramora amin’ny lohanononao ny vavany. Hitanao eo fa hisokatra io ary hanomboka hisakafo izy. Tokony ho tafiditra any anaty vavany any daholo ny lohanononao rehetra, ary hiantefa amin’ilay auréole manodidina ny nononao iny ny molony.
Dia marary ve?
Tsy tokony harary ny fampinonoana. Marina fa ny fotoana voalohany na ny 3 andro voalohany iny dia mety hiofaka kely ny nono-nao na mety harary anao ny fampinonoana. Anefa tsy tokony aharesy lahatra anao izany satria ny fitsetsefan’ilay zaza azy iny no ahafaka ny marary aminao.
Raha toa ka vakivaky ny nono ka marary dia mividiana menaka misy lanoline ireny, na ny ronono-nao ihany no ahosory eo. Aza dia fafana sy sasana loatra koa ny nono isak’izay avy mampinono fa io no anisan’ny iray mahavakivaky azy sady mitarika zavatra hafa indray. Fadio ihany koa raha azo atao ny manisy protection maharitra amin’ny nono raha mitete izy loatra satria mampisy mycose indray izy mando lava io.
Nono havia sa havanana?
Samy manana ny atorony ny mpampivelona sy ny hopitaly rehetra. Azonao atao tsara ny mampiasa azy roa ny volana voalohany ohatra, rehefa hitanao fa milamina tsara sy maharaka tsara dia afaka ny iray ihany no ampiasaina. Raha toa ka engorgé ny nono dia hory na potsero hivoaka ny ronono, marary manko izy rehefa manao an’io.
Voky ve ny zaza?
Mahafinaritra ny mihaino zaza minono. Sady safosafoinao ny lohany , ny tanany, ny vatany no misafosafo ny lamosinao koa ny tànana keliny. Misy feo hafaklyl izay ataony rehefa minono izy sy manatelina ny sakafony. Rehefa manomboka mampinono ianao dia mety misy contractions kely na somary misy manaikitra kely izay amin’ny voalohany, tsy misy atahorana izany fa manaporofo aza fa mandeha ara-dàlana ny fampinonoana. Ary iny ihany koa no hanampy ny tranonjaza-nao hiverina amin’ny laony.
Miala irery ny zaza rehefa voky. Aza fohazina ny zaza matory hisakafo, mifoha izy rehefa noana. Raha ny tsara dia zaza madio no omena nono, ary rehefa avy minono dia miandrasa kely fa mety hi-kàkà izy dia mila soloina indray, alohan’ny hatoriany.
———–
* Lien en Anglais