février 29, 2012

Ahoana no ahafantarana fa bevohoka

Ireto misy fambara vitsivitsy ahafantarantsika vehivavy na mitoe-jaza na tsia.

Maro ireo vehivavy efa ela naniry anaka ka efa mahalala ny toe-batany. Fahataran’ny fadimbolana na ny fivontosan’ny nono ohatra dia anisan’ny fambara voalohany. Azo atokisana kosa ary ve ireo, sao dia hivadika nofy fotsiny?

Ny fitondrana vohoka dia manova ny hormone-ntsika vehivavy ary io farany io dia mandefa fampilazana amin’ny vatantsika dieny aty am-boalohany. Io no antsoina amin’ny teny vahiny hoe signes “sympathiques” de grossesse.

Ny tsy fisian’ny fadimbolana, azo atokisana tokoa ve?

Alohan’ny fitomboan’ny kibo dia anisan’ny marika ahalalana fa bevohoka ny vehivavy raha tsy misy ny fadimbolàna. Misy anefa ireo vehivavy izay tsy mandeha rà ara-potoana fa mivadibadika, misy koa ireo tsy tonga fotoana tsotra izao ‘aménorrhée‘ izay mahatonga an’io fambara io sarotra itokisana ihany. Ao koa ireo izay mandeha rà na dia bevohoka aza, na dia tsy mitovy aza ny fikorianany.

Fivontosana sy fihenjananan’ny nono?

Misy fambara maro ihany koa izay mety hitranga eny amin’ny fiandohan’ny vohoka. Toy ny fibontsonan’ny nono sy ny fivontosan’ny lohanono, izay mety hiova loko ka lasa somary maintimainty kokoa. Ho an’ny vehivavy sasany dia mety hamasipasika kely ny manodidina ny lohanono.  Io no antsoina amin’ny teny vahiny hoe “tubércules de Montgomery“. Matetika dia any amin’ny fiandohan’ny vohoka any mihitsy no mitranga ireo.

Mety hanaizana sahady ve ?

Ho an’ny vehivavy sasantsasany noho ny fiovan’ny hormone dia mety efa hisy fiovana kely sahady. Matetika  ohatra dia lasa tsy tia tsiron-tsakafo efa mahazatra tampoka teo ilay vehivavy, ohatra hoe tsy tia tsaramaso anefa tena mpankafy taloha. Indraindray moa dia misy olona tena tsy mahatanty mihitsy: fofon-tsigara, vinaigitra, trondro. Izay maherihery fofona rehetra izany. Ao indray ireo tsy maha-hinan-kanina firy, misalebolebo, te hihinana sakafo maivamaivana. Izany rehetra iznay dia mety fambara ihany koa.

Fambara hafa mety hanaitra

Maro koa ny milaza fa te handoa rehefa bevohoka, indrindra moa rehefa maraina iny. Fa tsy mitranga kosa io raha tsy any amin’ny faramparan’ny volana voalohany any. Maro tokoa ny vehivavy tratran’ity farany ity, maloiloy hoy ny maro. Matetika dia miaraka amin’ny fofona tsy zaka no mahatonga azy ireo mandoa toy izao. Tsy mahatanty fofona gasoil, vorivorin-kena, sigara, sns

Ankoatr’ireo moa dia misy koa ireo vehivavy bevohoka no mitohana na somary be rivotra.

Reraka lava !

Mety mahagaga ihany koa sady mitranga mihitsy ny fitiavana torimaso, izay maro amin’ny vehivavy bevohoka no tratra’izy ity. Tampotampoka eo dia te hatory foana ny tontolo andro, tena mitranga moa ity farany ity ny volana voalohany hitondrana vohoka. Ny mahatonga izany dia ny fiantraikan’ progestérone. Ary ankilany kosa dia mety hanakotaba ny torimaso mandritra ny alina koa izany.

Raha fintinina dia azo atao fa misy fambara vitsivitsy natioraly mety ahafantarana dieny aty am-boalohany fa mety hitondra vohoka ny vehivavy iray. Tsy ny rehetra anefa no tratran’io, ary tsy ireo fambara rehetra ireo koa no mety indray miseho amin’ny vehivavy iray. Samy manana ny toe-batany ny olombelona tsirairay ka tsy afaka ny hanome fanazavana sy valim-panontaniana iray  isika. Ny tena tsara dia ny manantona tobi-pahasalamana ary mangataka fizahana amin’ny dokotera.

février 13, 2012

Kilalao sahaza ny zaza 18-24 volana

Ireo kilalao rehetra efa novidiana teo aloha dia mbola azony lalaovina tsara. Raha mahatsikaritra tsara anefa isika dia mety nahita fa niova kosa ny fomba nilalaovany azy. Atao fanampiana an’ireo kilalao teo aloha, na koa ho antsika tsy mbola manana dia ireto indray misy hevitra vitsivitsy.

1 Tomobilina kely

Inona no manintona azy ? Manara-kefa toa an’i dada, manosika , mitaingina tomobilina kely, mampirina ny kilalao ao anaty coffre, mandeha mizaha ny manodidina rehetra.

Tokony vidiana ve? Izay tsotra indrindra dia efa mety, rehefa mety tsara amin’ny haavon’ny zaza, misy coffre kely, volant, ary fitondrana azy. Plastika no mety satria mora sasana sady azo avela any an-tokontany.

2 Boky intéractif 

Inona no manintona azy? Izy mihirahira sy manintona ny maso. Manampy azy amin’ny fitiavana ny boky ihany koa.

Tokony vidiana ve? Tsy safidiana araka ny lokony izy ity fa kosa araka izay hira, tantara ao anatiny. Misy mampiseho ny toetr’andro, misy ny manao tantara kely, ao ny mandefa hirahira efa mahazatra ny ankizy.

3- Orkestra na zava-maneno

Inona no manintona azy? Manataitaitra ny sofiny, manintona ny fitiavany mozika (sahady ve? ie), mahafaly azy koa ny mikapokapoka sy manakorintsana maracas ohatra, mikapokapoka ny xylophone sns

Tokony vidiana ve? Tsy mila zavatra lafo fa kosa mila zavatra tsara. Izany hoe tsy mankarary sofina ary note de musique marina. Xylophone, tambour, piano kely, maracas ireo no tena mety aminy.

4 Baolina

Inona no manintona azy? Mandaka baolina dia tena tian’ny zaza manomboka eo amin’ny 18 volana eo, sady manampy azy hizatra amin’ny fanatajahan-tena sahady ihany koa. Ny tena mahafaly azy koa dia ny mandeha mitady an’ilay baolina rehefa lasa lavitra any, na mihery any ambadikin’ny hazo any.

Tokony vidiana ve? Tsara ny hananan’ny zaza baolina kely, na lahy na vavy dia samy mankafy azy avokoa. Rehefa mividy azy kosa dia safidiana irony maivana irony sy tsy mandratra ny zaza rehefa atsipy na dakana, baolina plastika ohatra, ary mikodia tsara. Ezahina mba hifanaraka amin’ny haben’ny zaza sy loko manintona ary mora tazana.

Ary koa:

- Azo ampitomboina ny isan’ny cubes kely satria dia efa mahavita milalao amin’ny cubes maromaro izy. Ataon’ny kitranotrano kely, atao tamboho, hevitra maro isan-karazany no mipoitra eto. Ezahina kosa mba ireny kilalao maharitra ireny no vidiana satria dia ankafiziny maharitra itony cubes itony.

- Raha manana lahy kely día azo atao ny mividy garage kely, na aéroport kely misy fiaramanidina na fiarakodia. Tsy dia mifankaiza amin’ilay tranokely taloha iny ihany ny zavatra ataony amin’io.

- Dia aza adino koa ny manisy mozika ao an-trano fa tena mandihy be mihitsy ny zaza eto amin’ity sokajin-taona ity.

Mazotoa indray o!

Tags : , ,
février 8, 2012

Rencontre avec la Garderie Bouba

   Annicka Hoby  Ramahalimby, le Responsable Relation Publique de la Garderie Bouba nous parle aujourd’hui de cette garderie qui oeuvre pour l’épanouissement des jeunes enfants à Tananarive, Madagascar. Interview

“Chaque enfant qu’on enseigne est un homme qu’on gagne” Victor Hugo

Kilonga.com: Bonjour et merci de répondre à cette interview qui répond à la demande de nombreuses mamans!

Annicka H. Ramahalimby: Bonjour et merci de vous intéresser à notre activité.

Kilonga.com: Alors, pour commencer pouvez-vous nous présenter la Garderie Bouba?

Annicka H.Ramahalimby: La garderie Bouba accueille tous les petits enfants de 18 mois à 3 ans et demi voire 4 ans. Elle oeuvre pour leur épanouissement dans un cadre hygiénique et coloré suivant un programme pédagogique bien défini.

Kilonga.com: Quand a t-elle vu les jours?  Où se trouve la Garderie Bouba?

Annicka H. Ramahalimby: Nous avons ouvert les portes officiellement le 5 Mars 2011 et avons commencé à accueillir les enfants 2 jours après, c’est à dire le 7 Mars. La Garderie se trouve en plein centre-ville de Tanà, à Antaninandro, au niveau de la Cité-Perrier.

Kilonga.com: Quel a été l’élément déclencheur pour monter une garderie à Tana?

Annicka H. Ramahalimby: Je pense que c’est surtout le besoin d’éduquer les enfants dès leur très jeune âge. Cette tranche d’âge est un peu négligée chez nous. Il faut dès lors leur apprendre à être ‘indépendant’ et sociable. C’est à dire les apprendre à vivre en société, entouré de différents adultes et d’autres enfants tout en se débrouillant seul. Mais c’est aussi une manière pour nous d’aider les parents à combiner vie professionnelle et vie personnelle. Notre objectif c’est d’en faire un enfant respectueux.

Kilonga.com: Pouvez-vous nous présenter l’équipe de la Garderie Bouba?

Annicka H. Ramahalimby: Joanna Aina Ramahalimby en est le Directeur Gérant. Nous sommes entourés d’une Directrice Pédagogique avec 40 ans d’enseignements derrière elle. Une maîtresse pour les deux classes: TPS (Toute Petite Section) et PS (Petite Section) , les nénènes (aide-maîtresse) . Jacquot A. Ramahalimby, administrateur de la page Facebook et moi-même, Responsable Relation Publique.

Kilonga.com: Les équipes enseignantes ont-elles suivies des formations particulières?

Annicka H. Ramahalimby: La maîtresse a 10 ans d’expériences dans l’enseignement. C’est cette dernière qui prend en charge la formation des aide- maîtresses avant d’intégrer la Garderie Bouba. Néanmoins des formations dispensés par ISTS CARO  (http://istsmada.com) concernant l’éducation des enfants ont été suivi par toute l’équipe avant l’ouverture de la Garderie Bouba.

Kilonga.com: Comment s’inscrit-on à la Garderie Bouba, quelles sont les procédures à suivre?

Annicka H. Ramahalimby: Nous acceptons les enfants toute l’année tant qu’il y a une place disponible. Il y a 15 places au total selon les normes exigées par la CISCO). Pour s’inscrire, je vous invite à nous rencontrer directement à Antaninandro,  par téléphone, par mail ou via message privé à l’un des administrateurs de notre page Garderie Bouba sur facebook.

Kilonga.com: Annicka, pouvez-vous nous donner une journée type à la Garderie ?

Annicka H. Ramahalimby: Nous commençons la journée par un petit déjeuner et ce pour tout le monde. Ensuite nous attaquons l’activité du matin selon le programme pédagogique de chaque classe. Cela peut être de la peinture, du coloriage, du dessin. Après le goûter nous reprenons les activités. A midi, nous proposons la cantine aux enfants, de la sieste après le déjeuner. L’après-midi on fait des jeux libres.

Kilonga.com: Comment ça se passe au niveau de l’accueil des enfants?

Annicka H. Ramahalimby: Les enfants viennent à la garderie 5 fois par semaine, pendant la période scolaire. Nous suivons le calendrier français. Néanmoins pour plus de souplesse et d’organisation, nous acceptons des enfants pendant les vacances selon les besoins des parents. Evidemment pendant  les vacances, nous accordons plus de temps aux jeux.

Kilonga.com: Et par rapport à l’ouverture et à la fermeture des portes?

Annicka H. Ramahalimby: En général, les parents ramènent leurs enfants vers 7h le matin. Nous démarrons la journée à 8h. Certains enfants rentrent a midi, d’autres non, puisque nous disposons d’une cantine. Après, suivant la disponibilité des parents, les premier départs s’effectuent vers 16h- 17h. Nous donnons aux enfants une petite douche toujours suivant le besoin des parents.

Kilonga.com: Pouvez-vous nous en dire plus sur les activités proposées?

Annicka H. Ramahalimby: Les activités sont proposées selon l’âge de l’enfant. Nous faisons attention à ce qu’elle soit adaptée à son développement puisque les programmes sont les mêmes que ceux d’ une “école homologué”: travail manuel, travail de motricité, principes de vie en société et beaucoup d’autres.

Kilonga.com: Et à propos de la cantine, que proposez- vous dans les assiettes?

Annicka H. Ramahalimby: Nous y prêtons une grande attention puisque nous ne cuisinons que des fruits et légumes de saison et veille à ce que les plats servis répondent au besoin nutritionnel de nos petits écoliers (qualité et quantité) . En général, il y a une entrée, un plat de résistance et un dessert. Les enfants ne manquent pas de produits laitiers non plus puisque il y en a tous les jours soit au petit déjeuner soit au goûter.

Kilonga.com: Annicka, qu’est ce qui pourrait vraiment attirer les parents à venir s’inscrire chez vous et pas ailleurs?

Annicka H. Ramahalimby: Notre différence  c’est l’organisation d’évènements ponctuels à destination des enfants. Par exemple la chasse aux oeufs de pâques, le noel des oursons, les anniversaires.

Kilonga.com: Un petit mot pour couronner peut-être?

Annicka H. Ramahalimby: “Chaque enfant qu’on enseigne est un homme qu’on gagne” Victor Hugo

 Merci à Annicka pour cette belle rencontre avec la Garderie Bouba dont les activités et le programme pédagogique nous ont vraiment conquis. L’équipe n’a pas lésé non plus dans la décoration attrayante de la Garderie . D’ailleurs les équipements de la Garderie sont adaptés a la taille et au confort des petits enfants suivant les normes exigés par la CISCO. Et au niveau de la santé, rien à craindre une pédiatre vient périodiquement faire un petit contrôle de routine. 

  • Pour contacter la Garderie Bouba: 
Joanna Ramahalimby- Directeur Gérant

Joanna Ramahalimby- Directeur Gérant

Adresse: Cité- Perrier Pav. 16 Antaninandro

Tél:  00 261 34 66 55 169

Mail: garderie.bouba@gmail.com

Website: http:/garderiebouba.blogspot.com

Facebook: http://www.facebook.com/Garderie.Bouba

La marque “Garderie Bouba” est protégée par l’Office Malgache de la Propriété Intellectuelle (OMAPI)

Copyright et Crédit Photos: Toutes les images présentées sont la propriété des photographes de la Garderie Bouba

—————————

février 6, 2012

Ireo kilalao mety amin’ny zaza 12- 24 volana

(mg- fr) Efa manomboka matomatotra ny fitiavana kilalao satria mitombo hatrany ny fahaizany sy ny hakingan’ny sainy. Tia manosinosika izy, mameno sy manala zavatra anaty baoritra na zavatra hafa, mikitikitika sy mitaingina tomobilina kely  ary tsy adino koa ny peluche sy nounours.

Kilalao safidy ho an’ny 12- 18 volana

1- Ny anneau ampifampitaingenana

Inona no manintona azy? Mahafinaritra azy ny manatsofoka  ilay anneau iny Efa miha-matotra mantsy ny fahaizany mamantatra ny haben’ny zavatra hitany (précision). Tsy voatery ho avy dia manaraka ny laoniny ny fametrahany azy.

Tena tokony vidiana ve? Mampianatra azy ahay handinika ny haben’ny zavatra voarain’ny tànany ity karazana kilalao ity. Aza atao kely loatra na dia izany aza, raha ny tena tsara dia zavatra mafonjafonja no safidiana. Mora raisina!

2 Tomobilina kely azo hanatsofohana forme isan-karazany 

Inona no manintona azy?  Manosinosika an’ilay tomobilina na manezaka mafy mampiditra ireo cube-kely anaty lavaka no tena mahaliana azy eto. Rehefa tsy vitany izany dia kapokapohany mafy ny tomobilina keliny. Hitany irery eo ihany iny avy eo, raha ampiana tosika kely izy

Tena tokony vidiana ve? Ny lokony maro isan-karazany dia efa mahafinaritra sy manintona ny masony, ka hisarika azy hilalao sy hamantatra izany. Ireo forme isan-karazany koa (cube, rond, triangle, sns) dia tsara ho an’ny famantarany ny forme misy rehetra.

3 Ny cubes 

Inona no manintona azy? Manataingitaingina ireny cubes kely ireny no tena mahavariana azy koa eto. Manomboka matotra mantsy ny sainy, ary mahavita manamboatra zavatra sy manimba zavatra. Manataingina cubes telo aloha hatreto no vitany

Tena tokony vidiana ve? Aza mitady zavatra lafo na sarotra loatra fa aleo kilalao tsotsotra , zakany zaza, antonona ny tànany kely. Raha misy zavatra mikorintsana dia vao maika mety ahafinaritra.

4 Tranokely

Inona no manintona azy? Mamoha, manidy, manodikodina, mitsikilo. Mahavariana azy daholo izany rehetra izany.

Tena tokony vidiana ve? Misy isan-karazany itony tranokely itony eny amin’ny mpivarotra: tranokely, tranon’ny mpiompy sns. Ny tena tsara safidiana dia ireo misy bokotra kely azo potserina, ny varavarana sy varavarankely azo sokafana,raha misy mozika tsy maninona. Raha feom-biby isan-karazany vao maika tsara, miaraka amin’ny sarin’ny biby ohatra.

5 Quilles -bowling

Inona no manintona azy? Mitoraka, mandaka amin’ilay tongotra kely iny . Mahafinaritra azy koa ny mandray an’ilay kilalao saomary mousseux. Mampianatra azy  hi contrôler an’ny vatany rehetra izy ity. Eo amin’ny 15 volana eo izy mahay manipy baolina, tsy dia lavitra loatra na izany aza. 18 volana efa manomboka metimety kokoa.

Tena tokony vidiana ve? Ankoatran’ny maha-quilles azy dia ilay izy azo batabataina eny rehetra eny no tena hitiavan’ny zaza azy. Sady douce be!

6 Trotteur atosika

Inona no manintona azy?  Fampianarana azy mandeha irery sy mi-découvrir ny manodidina azy, tsy azo avela irery fa arahina maso foana

Tena tokony vidiana ve? Raha tsy tena mafonja tsara ilay kilalao dia tsy dia tena tsara loatra fa mampianjera zaza fotsiny. jerena ihany koa raha misy tableau kely manenoneno mba azony lalaovina rehefa reraka izy mamindra.

7  Soavaly kely

Inona no manintona azy? Mahay miakatra ambony seza, manamoritra ny tongony, mitsangana irery izy eto. Mahaliana azy koa ilay mandroso- miverina eo ambonin’ilay soavaly. Vao maika hampianatra azy ahazo équilibre ihany koa io.

Tena tokony vidiana ve? SAfidiana ho amin’ny haavon’ny zaza, ary tsy mampienjera azy, misy tohana aty aoriana. Jerena tsara koa raha misy ahafahan’ny mitazona.

8 Kilalao kely anaty rano 

Inona no manintona azy? Namana kely miaraka mandro aminy sy kilalao mahavariana anaty rano . Mampianatra azy ny misy sy ny tsy misy satria fenoina rano dia ariana avy eo.

Tena tokony vidiana ve? Kilalao double satria azo ampiasaina eny amoron-dranomasina, fangalana fasika. Safidiana izay misy fampirimana azy mba tsy hiparitaka.

Tadidio koa fa tsy voatery vidiana daholo akory ny kilalao rehetra, fa ny zavatra rehetra efa ao am-pelatanana dia azo avadika ho kilalao avokoa. Ny baoritra azo atao tomobilina kely, ny fonona sakafo lasa dinety. Mila mañana création sy imagination kely fotsiny isika dia efa mahazo kilalao sady mora vidy no tsy maha-be entana rehefa miha-lehibe ny ankizy.

Jereo anie ireto hevitra isankarazany ireto e:  http://kilonga.com/2009/04/07/jouer-sans-jouets/

 

Tohiny: Kilalao ho an’ny zaza 18-24 volana

janvier 30, 2012

Momba ny zaza 12 -24 volana: ny fitombony

Rehefa hitantsika teo aloha ireo karazan-tsakafo vaovao omena ny zanantsika 12 ka hatramin’ny 24 volana, dia indreto indray fampahalalana vitsivitsy momba ny fitomboan’ny vatany sy ireo zava-bitany. Marihina fa tsy voatery hitovy daholo akory ny fandrosoan-tsaina amam-batan’ny zaza rehetra. Raha misy efa mandeha kanefa vao 12 volana dia mety vosa izy eo amin’ny fiteny ohatra, misy kosa ireo mibadabada mafy anefa mbola tsy mahay  mandeha. Ka aoka tsy raisina ho toy ny marika ireto manaraka ireto fa kosa ho tily fotsiny ihany. Raha misy fahatarana lehibe anefa tsikaritrao ray aman-dreny dia tsara ny manantona dokotera.

- Ny 12 ka hatramin’ny 18 volana

Ny famindrany:

Mahavita mitsangana irery indray izy izao. Na dia tsy misy mitazona aza izy dia mety mahatsangana sy mamindra sekondra vitsy na maharitra kokoa araka ny fandrosoan’ny tsirairay. Raha efa mamindra izy dia ho sahirana ka mety hianjera matetika (mandeha toy ny crabe hoy ny mpandinika, mibilabila izany), midona etsy sy eroa saingy miarina hatrany  ary lasa indray. Tsy manakana azy velively izany rehetra izany. Faly ery izy rehefa akoraina sy tehafana, manampy azy betsaka mba handroso hatrany amin’ny fahaizany vaovao ny tsikaritra rehetra ataon’ny havany aminy. Eo amin’ny 15 volana eo dia tsy mipelipelika be intsony ny tànany rehefa mamindra, lasa amin’izay izy izany!

Ny zaza koa eto dia tena souple be mihitsy, miondrika, mitraka, mandady, mitsangana isa-minitra ary rehefa vizana dia maka appui amin’ny fanaka. Araho maso hatrany

Ny tohatra:

Tsy misy zavatra mahaliana azy toy izany. Rehefa miakatra ny tohatra izy dia mandady (miasa ny tongotra sy ny tànana), ary rehefa hidina kosa dia mikodiadia amin’ny fitombenany na ny kibony. Tandremo fa tsy mbola mahafantatra ny loza mety ahazo azy izy eto ka tsara raha arahina maso hatrany.

Ny boky sy ny penina:

Mankafy mijery sy mamadika pejy tsy ankanavaka izy. Alefany avy dia in-droa na in-telo miantaona izany rehefa mamadika ny pejin’ny boky eny an-tànany izy.Eo amin’ny 18 volana eo dia manomboka fantany ny sary hitany ao anatin’izay boky omena azy ka sahazan’ny taonany (imagier ohatra). Mitana penina ihany koa dia zavatra tiany ary manoratsoratra eny rehetra eny no tena kilalaony. Mankafy ny hoso-doko ihany koa ny zaza eto, saingy ilay fotafotaina amin’ny tànana no tena ahazahoany aina!

Ny fomba fifandraisany amin’ny hafa:

Tsotra sady mazava. Tondroiny amin’ny tànany fotsiny izay tadiaviny. Mahavita manao fehezan-teny fohy izy, teny 2 na 3 eo no mameno izany (Omeo bonbon, maditsa Peno). Eo amin’ny 15 volana eo dia ny reniny sy ny rainy ihany na ireo olona miara miaina aminy isan’andro  ihany no mahazo izay zavatra teneniny (avion= abon, automobile= bibil) . Teo no nahatonga antsika zatra miteny hoe baba rehefa hisakafo, diditra rehefa maditra. Sa tsy izany?

Milalao sa mianatra?

Ny mandaka baolina na manipy baolina dia hainy tsara, saingy tsy alefany any amin’izay miara milalao aminy mihitsy ilay izy. Ny antony voalohany aloha dia mbola kely ny heriny ary faharoa dia tsy dia mbola hainy loatra ny maminavina ny fahalavirana misy eo aminy sy ny hafa. Aleo izany aloha manantona azy akaiky rehefa milalao aminy ary mihataka tsikelikely avy eo.

Kilalao mahafinaritra azy koa ny manatsofoka boule kely, na vatokely anaty tavoahangy, na koa ny manidy sy mamoha fermeture eclair. Mandany andro eo mihitsy izy. Eto koa dia mahatazona cube kely roa amin’ny tànana iray izy ary manaingina cube 2 na 3 .

- Manomboka eo amin’ny faha -19 volana

Fanatanjahan-tena ve?

Taranja ankafiziny manokana ny mihazakazaka eto, na dia mianjera lava aza izy satria tsy  tena mbola mahay mamoritra ny tongony (henjaniny ny ranjony). Fa hitany ihany iny rehefa ela ny ela.

Tia mi -saute koa izy, toy ny te hanidina izany. Maka bahana mafy ery anefa tsy tafiainga akory ny tongotra avy eo. Ho vitany ihany izany . Mahaliana azy koa ny mamindra miverina ( à reculons) sy mitaritarika kilalao afara.

Mahafinaritra azy koa ny mihanikanika, mihanika ambony fandriana sy izay zavatra rehetra avoavo ka azony hiakarana. Mila arahaina maso sao mianjera

Mazoto misakafo sa tsia?

Maika lava ny zaza eto, maika ny hiala eo ambony latabatra, maika handede, maika hilalao. Fa rehefa noana iny izy dia misakafo tsara ery , ary misakafo irery. Mahavita mitazona ny verany izy ary efa madio rehefa mihinana.

Mety ho tia boky sahady ve?

Tia mijery boky izy ary mamantatra izay sary hitany rehetra ao. Mandinika tsara hatramin’ny atsimpirihany izy ary maneho ny heviny. Mahafinaritra azy koa ny mihaino tantara kely sy mamerimberina izay zavatra fantany rehetra.

Ny fifandraisany amin’ny manodidina azy

Manomboka mahavita fehezanteny kely izy, ary mahalala teny vitsivitsy (10 eo ho eo). Mametraka fanontaniana(han? inn ty? ) ary mahalala ny anarana taova 2 na 3 momba ny vatana (sofina, vava, orona)

Ny tohatra

Miakatra ny tohatra toy ny olon-dehibe izy izao. Saiky matahotra amin’izay ary mijanona matetika isak’izay mahavita dingana iray. Rehefa midina izy dia mametraka ny tongony roa aloha vao midina indray. Raha misy fiankinana (rampe) ka mety amin’ny halavany dia ampiasany tsara mihitsy izany.

Ny sary sy ny hosodoko

Tia manoratra sy mandoko izy. Na dia mbola tsy hainy tsara aza ny mandray ny penina (raisiny amin’ny paume de la main), manao boribory no tena tiany sy manoratra tsipika, matetika dia mihoatra ny pejy foana izany. Tiany ihany koa ny mijery album kely misy ireo sarin’izay olona fantany: dada, neny, zoky, dadabe, bebe, tranony sns…

Ny fampiakanjoana azy

Mbola ampiana izy mazava ho azy, fa kosa raha tsy asiana tadin-kiraro, na bokotra kely, na fermeture ny akanjony dia vitany tsara ny manala ny kirarony sy ny akanjony. Tsy tiany kosa ny miakanjo , moramora kokoa ny manala azy nohon’ny mampiditra azy.

Ny toetrany

Somary be dongy sy mora tezitra. Tsy mahatanty toherina satria be ny zavatra tiana ho azo kanefa voarara. Eo amin’ny 2 taona eo moa dia tena mamaivay mihitsy na ho azy na ho antsika ray aman-dreny ny fanaovana TSIA. Ny antony: te hanao irery toy ny efa lehibe. Kanefa…

Mpangala tahaka hoe?

Mankafy milalao izay rehetra fampiasan’ ny lehibe ao an-trano izy. Tsy miandahy tsy miamabavy,  ary mahagaga fa ny zaza rehetra eo amin’ity taona ity dia faly milalao kifafa sy fandraofam-pako avokoa, manasa lamba, mipasoka, mamafa fanaka, mikapokapoka amin’ny maritoa tsy tena izy, mandidy hena amin’izay zavatra eritreretin’ny fa toy ny antsy. Araraoty fa tsy aharitra ela akory ny fanampiany ano ao an-trano!

Ny fahadiovana

Misy ireo zaza efa madio eto, na dia misy ihany aza ireo mbola tsy mahatana ka manao accident kely tsindraindray. Misy milaza fa ny vavy madio alohan’ny lahy, asa anefa… Ny fahadiovana amin’ny alina kosa dia mety ao aoriana kely ao.

Mazotoa indray o!

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.