ComptineGasy

Indreto ary hiran’ny zaza malagasy rehefa mikalo sy milalao izy ireo rehefa diavolana iny. Amin’ny teny malagasy ranoray dia kitonona  no filaza azy. Raha misy fahadisona ara-tsipelina dia mangataka anao izahay mba hanoratra amin’ny contact@kilonga.com


Misaotra!

Raha misy manome

Zava-tsoa ho anao

Kingà miteny hoe:

“Misaotra tompoko!”

Ny akoho misotro rano

Na be na kely ny ao

Avia anie tazano

Diniho sy jereo


Zaza Madio

Zaza manas atànana (x3) [2]

Madio ny tànanay

Zaza manasa tongotra

Madio ny tongotray

Zaza manasa sofina

Madio ny sofinay

(Tohizana sady tondroina ny faritra diovina)

Iza iry?

-Iza iry ambony iry o?

Izaho ihany ity o,

-Maninona eny in-dry o?

Izaho mikotroka atody o!

-Firy ny atodin-dry o?

Telo sy efatra ihany o,

-Mba omeo iray aho hoe

Raha mba mikotroka in-dry

Mikotroka ihany aho

Fa tsy mahavanona

Ny akoholahy mitsoka mozika

Ny akohovavy manao riorio

Ny akohokely manao kiokio

kiokiokio, tandremo lahy

kiokiokio, tandremo vavy

123,

123, c’est gai

456 au guet

Au rang des morts

Mort à la france

Aza mandehandeha sans permis

Ding -daing-dong

Aza mandehandeha sans permis

ding- daing- dong

Iny ilay miaramila et go

Vorona an’ala

Any anata alà misy vorombe (x2)

Vorontsoa, voron’anala (x2)

Voro-marobe

Frera Zaka

Ry rahalahy Zaka (x2)

Matory ve ianao? (x2)

Ampanenohy ny lakolosy (x2)

Ding-daing-dong

Ravorom-bazaha

Iny hono izy ravorom-bazaha

Ento manaraka anao any an-tsaha

Rehefa mangina avereno

o o o o o… o o o o o

(miverina)

Zazakely

Izaho anie dia zazakely

Tsotra sady marina

Tia ronono sy tantely

Sy paperimanitra e,

Omeo ange (x2)

Raha tsy ataoko tapitra e!

Raosy Jamba

(Misy mpilalao iray, tapenana ny masony. Manodidina azy ny ankizy ambiny ary mihira)

Raosy Jamba o, raosy jamba

Raha mahita ianao o

Savasavao re ny làlana o

Fantampataro ny anarany o

Isa, roa, telo….

Mandrapanitsako ity tany ity. Pouah!

Encore, encore. Pouah!

Domy ny tany. Douah!

Tsofy ny lanitra. Fouah!

Eiiiii…. izaho anagah mila miombina amin-dry!

(Dia lasa miparitaka daholo ny ankizy, ilay boka kosa miezaka mamantatra ireo ankizy izay tratrany.)

Arendrina

Arendrina o o o

Arendrina taratasy

May, may, may

Izay tsy faly dia miady aminay

Mamerin’isa

Isan’amontana

Roa aviavy

Telo fangady

Efa- dRofia

Dimy emboka

Enina mangamanga

Fito paraky

Valo tanàtanà

Sivy rongony

Folo fanolehana

(miaraka:)

Andriamanintsika ny papango

Kely mpitsoka farara ny takatra

Kely mpamalifaly ny vanja

Kely mpandatsaka aiana ny bala

Lava tànana tsy miasa ny foza

Bodokely matavy ny hoho

Nankaiza i Marigerity

(manao faribolana ny ankizy ary misy iray boka eo afovoany)

Nakaiza i Margerity?  (ok ok ok)

Nankaiza i Margerity? (ok o ry sakaiza)

Ao anatin’ilay tranokely (x2) (ok ok ok )

- Izaho izao mba te hitaiza, (ok ok ok)

- Avo loatra ny tamboho (ok ok ok)

Angalanay vato iray (ok ok ok)…roa… telo… efatra…

(arakaraka izay isan’ny mpilalao andaniny)

Vato iray (roa, telo, efatra) ve dia mba ho aiza (ok ok ok)

(Mandrapaha-tapitry ny mpilalao manodidina, ary eo dia tondroina ny lohan’ilay eo afovoany ary atao hoe:)

-Mpiventy (Mp): Inona ny ao anatin’ity?

-Valiny (Va): Atody

-Mp: Inona ny ao anatin’ny atody?

-Va: Tapotsiny

-Mp: Inona ny ao anatin’nytapotsiny?

-Va: Tamenany

- Inona ny ao anatin’ny tamenany?

-Va: Kofehy

-Mp: inona ny ao anatin’ny kofehy?

- Va: Fanjaitra

-Mp: Inona ny ao anatin’ny fanjaitra?

-Va: Demony

(Avy eo dia lasa mifanenjika)

Avy mangataka izahay

(Mizara sokajy roa ny mpilalao A sy B, ny tena tsara dia lahy sy vavy dia mifanantona:

A: Avy mangataka izahay (x3)

B: Iza re no alainareo? (x3)

A: I… no alaina (x3)

B: Iza re no haka azy (x3)

A:I… no haka azy (x3)

A: Amin’n firy ny fotoana (x3)

B: Amin’ny … ny fotoana (x3)

A: Alefaso ary ny didinareo sy ny dakanareo sy ny dihinareo

B: Ny didinay dia efa mipetraka, efa mipetraka mandrakizay

(Mifanantona ny ekipa A sy B – izay voatonona anarana mankeo ampovoany dia miandry ny didin’ny ekipa )

A+B: izay mahery voanjo manta, izay mahia tanalahy o!

Tsofirano izy o! fa hanambady izy o!

(Mifampisintona ny mpilalao roa eo afovoany ary izay mahasintona no maharesy)

Mandihiza rahitsikitsika

Mandihiza rahitsikitsika, hianaranay

Hianaranay… hianaranay

Mandihiza rahitsikitsika

Hianaranay amin’ny fararano e!

Mandihiza o, mandihiza o

Mandihiza rahitsikitsika

Mandihiza eny Mahamasina o,

Hifalian’ny Manjakamiadana e,

Mandihiza rahitsikitsika

Hianaranay amin’ny fararano o

Mandihiza e, mandihiza o

Mandihiza rahitsikitsika e!

Nankaiza?

(eo ambony felatànana)

nankaiza ny tanteliko teto o?

Lanin’ny vitsika o,

Vitsika inona o?

Vitsikambo o,

Kambo inona o?

Kambo sola o,

Sola inona o?

SOla-paika o,

Paika inona o?

Pai-drora o,

Rora inona o?

Rora-vazana o,

Vazana inona o?

Vazan’omby o,

Omby inona o?

Omby ranga o,

Ranga inona o?

Ranga sofina o,

Sofina inona o?

Sofin’omby o,

Omby inona o?

Omby ranà o,

(tetzina ny tànana)

Teto izy nihinam-bary tsy nanome ahy,

Teto izy nisotro rano tsy nanome ahy

Teto izy tratran’ny orana

Teto izy nialokaloka …

(ambany helika sady kitikitihana)

…dia tratrako e!

Fianarana manisa hatramin’ny dimy ho an’ny ankizy kely.

Isa: isao ny ganagana
Roa: roahy koa ny gisa
Telo: teloy avy hakana
Efatra: efa roa sisa no ao
Dimy: diniho izay atao


INDRETO NY VORON-KELY

Indreto ny voron-kely mifankahita ao anaty saha
Somary mitosy kely dia mifampitsiky sy mifampizaha
Manao fangalam-piery , mifanina mifampijery
Aiza ny elatrao re mba hindramiko mba ho ahy
Alefa diralila, alefa diralila
Alefa diralila lila lila
Alefa diralila, alefa diralila
Alefa diralila lila lila

MISY TRONDRO VAOVAO

Misy trondro vaovao hono eh!ehe!he
Blakibasy no anarany iii
Aiza izy no mipetraka
ao anaty rano

Satria nahoana eh ?
Io ary le tsisy taolana
Io ary le tsisy taolana
Ny ilany ihany no mihetsika
Ny ilany mihetsika
Aodony, aodony, ao izany

MANGA( manao boribory manao azy dia asiana ankizy eo afovoany)
I manga no antsoina ry lahy öia eh!
Ka ny hafa no namaly ôia
Ndao mba hiaraka ho tondroina
Fa i Manga no nantsoina Ka ny hafa no mamaly eh:

Dia mitehaka sady manao kidodo ny ankizy manodidina moa i Manga mandihy eo afovoany , avy eo manondro ankizy hafa indray hisolo ny toeran’i Manga)

VOASARY LALAO

Voasary lalao eh !

Ndao isika hilalao eh !

Hanao tanisa , hiarahantsika

Isa roa, roa miandoha

Telo efatra tsara toetra

Dimy enina tsy averimberina

Fito valo tsy atakalo

Sivy folo koa arahabaina daholo

Rehefa vita ny fiarahabana tanan-kavia sy havanana

Aoka hianao hiaraka tsara solon’ny mifandray tanana

Rehefa vita ny fiarahabana inona indray no atao

Ndeha isika re rankizy hiaraka hilalao

Hiaraka hilalao

O RALILA!

Ô Ralila ô ô!
Ô Ralila a a!
endeh’sika hody E E! ô Ralila!
fa alina ny andro E E! ô Ralila!

Raha manana tononkira ho an’ny zaza ianao dia aza misalasala mandefa izany any amin’ny tatisy@hotmail.fr na manorata eto amin’ny faritra fandefasana hafatra eto ambany . Misaotra e!


25 Commentaires à “ComptineGasy”

  1. Mamerin’isa

    Isan’amontana

    Roa aviavy

    Telo fangady

    Efa- drofia

    Dimy emboka

    Enina mangamanga

    Fito paraky

    Valo tanàtanà

    Sivy rongony

    Folo fanolehana

    (miaraka:)

    Andriamainty be ny papango

    Kely mpitsoka farara ny takatra

    Kely mpamalifaly ny vanja

    Kely mpandatsaka aina ny bala

    Lava tànana tsy miasa ny foza

    Bodokely matavy ny toho

    Misaotra @ fandefasana ireo tsianjery sy hira ireo @ internet. Veloma Tompoko.

  2. fahasalamana.
    Mahafinaritra ny mahita anareo miresaka mikasika ny fampianarana teny malagasy ny ankizy mipetraka any ivelany. Tena ilaina tokoa satria ny teny no maha-izy ny tena. Ny torolalana azoko atoro dia ampio tosika amin’ny boky malagasy.
    Efa misy azo vidiana any Paris ao amin’ny librairie Anibwé dans le 2è arrondissement.
    Mazoto àry mamaky boky miaraka amin’ny ankizy.

  3. Ary mba misy mahay manoratra ny tonon’ny AMINA ve? Teny gasy izy iny, nefa dia toa tsy fantatra izay tena dikany. Nefa dia mampilalao nyankizy ery. Vao ny andalana faharo d’efa tsy misy azoko izay lazainy. Izahay koa ary taloha nilalao amina e, fa mipetsopetsona miteniteny foana fotsiny.

  4. Faly be mahita ireto hira sy tsianjery malagasy. sady mampahatsiaro ny taloha no afaka ampianarako ny zanako koa. misaotra betsaka!
    P.S: Mety afaka hasina ny feony ve @ manaraka? misy tsy tadidy ny mihira azy.

  5. mahafinaritra kosa ireto am teny gasy reto ko,
    mankasitraka e

  6. Tena “sivy rongony” mihintsy ve ?

  7. jereo anie ity gidro
    Gidro lava fé
    Jereo fa mitsorapaka
    Lasa any anaty ala, ala maizimbe
    mitabataba sy mihorakoraka.
    Pim, pim, pim, pim
    pom, pom, pom, pom,
    pim, pim, pim, pim, pom.
    ____________________________________

    comment ça va doudou
    Nahoana mangalatra akoho
    Raiso n tongony roa
    Atsipy eny ambony tamboho
    Tra, lalalalalalala
    Tra, lalalalalalala X2

    —————————————————–

    avia, avia, izay zanako o!
    Zahay matahotra o!
    Matahotra inona o?
    Matahotra ambodia o!
    Aiza izy o?
    Io izy o!
    Inona ny hohaniny o?
    Vary masiso o
    Inona ny laokany o?
    Laoka masiso o
    Inona no kikisany o?
    Taola-masiso o
    Avya, avia izay zanako o?
    oooooooooooooooooooo (sady mianmpita ilay antsoina hoe ambodia no mihazakazaha)

    ______________________________________

    Mitehafa, ry tanàna
    Mihodina ry rivotra
    Milomanosa ry trondro kely
    Manidina, manidina ry trondro kely.

    —————————————————————-

    Diavola fenomanana takariva,
    Tsy mba sosotra fa mirana lava X2
    Mbay lalàna o, o! X2
    Mbay lalàna Befelatanana

    ————————————————————

    Trano bongo tafo erana
    Varavarana zozoro
    Mora rava sy miserana
    Vetivety dia hikoro

    ———————————————————

    Amina! amina
    tiako anie
    allez simbà, shéila aa
    aleha matory ise paskalina
    zimba oé, jean claude, zispé
    à la ronde é, à la ronde é
    jusqu’en bas à la ronde é, à la ronde é jusqu’en haut
    Allez matory isé.

    O sipa, o sipa,
    nakaiza ny valiny,
    ilay taratasy,
    nomeko anao
    omaly maraina

    Ny ankizy manao 1; 2; 3
    Mopera mitazona lakroa
    Ny ankizy manao abidy
    Ny rainy mihinana bisky

    ———————————————-

    Teraka tao anaty bozaka, ity zazakely atao hoe Mowgli
    Nitomany nikofokofoka, sady niantso hoe avia
    Indro tamy ny perany (la louve), ka nitondra azy amimpitia
    Dia nentiny tany antranony, ka tonga, ka tonga zanan.

    —————————————————————-

    Cil ré no tena hiterahan’ny soa
    Akela, Baloo, no tsara tokoa
    Maminay hany Mowgli ary koa Hati

    Mandehana ré mihaza, ao anaty ala ao
    Fa miandry anao tokoa Baghééra, Khàa

    Hobio, ré, fa maty ilay loza be, ilay Shérikhan,
    ilay tigre ratsy tarehy hoouuuuuuuu!

    ————————————————–

    Miaramila, miaramila gasy
    Feno taimparasy, ny miaramila gasy
    Miaramila, miaramila gasy, miaramila gasy feno taimparasy

    ————————————————-
    Indreto voronkely, mifankahita ao antay saha
    Somary mitosy kely mifampitsiky mifampiza
    Manao fangalampiery, mifaninana mifampijery
    Aiza n elarao ré, mba indramiko mba hoa ahy
    Refraim deux fois: I, lala, mitiralila,X3 mitiralila ry Lila o

    ———————————————————-

    Indreto izahay, zanakareo
    Miara midola, miara mamindra
    Faly ny fonay mahita anareo
    Faly ny fonay, manandrapeo
    Tsahivo tsara mba ho tadidy, fa ny andro anio dia sarobidy
    Ny andro anio dia sarobidy.

    ————————————————

    Mba mamiko toy n tantely, izay vohitra keliko izay
    Fa toy ny fonenana Anjely, fonenako mandrakiza

    ——————————————————

    Ao andrefana ao ry lahy, misy toerana voatsiahy
    Ka sarotra tazanina, raha tsy miha mahamanina
    Miankandefa iny, ny lalana makany, ka sarotra atoro
    Miharisoa no atolotro anao. (Na hoe Antananarivo, na hoe Gasikara, izay toerana tiana no apetraka)

    ————————————————

    Arahaba ry dada sy Neny,
    Arahaba, no voalohanteny
    arahaba ry zoky sy zandry
    Arahaba fa tratrin’ny fety.

    Indreto izahay zanakareo
    Mihirahira manandrampeo
    Arahaba ry ray amandreny.

    Arahaba ry ry ray amandreny ( dia miverina indroa)

    —————————————————

    Izay aloha ny anio fa dia misaotra ny rehetra nandray anjara sy mbola handray anjara.
    Mba mangataka izay mahay an’ilay hoe: KIDAOMBARAMBITA, kidaombita azafady ooooo
    Dia ity koa: Voasary lalao é, ndeha isika hilalao é, voasary lalao é, é………

    Izay aloha ny anio fa dia misaotra ny rehetra nandray anjara sy mbola handray anjara.

    • Fisaorana be dia be no atolotra ho anao ry Nadia, nametraka sy nizara ny fahaizanao amin’ny olondrehetra.
      Misy olana kely fotsiny amin’ilay tsianjery faha efatra; angamba dia homeko anao ny nampianarana ahy:

      Mitehafa ry tanàna,
      Mihodikodina ry kodiaràna
      Milomanosa ry Trondro kely
      Manidinà manidinà ry voron-kely

      Angamba lôzika kokoa tahak’izao

      Misaotra tompoko ô!

  8. bitro kely feno volo
    bitro kely feno volo be dia be, be dia be
    ao ambony, ao ambany
    eo aloha, ao aoriana
    bitro kely feno volo be dia be

  9. do, do, do, iza izao?
    Izaho no mpangalatra palitao
    palitaondramiaramila
    miaramila milanja basy
    basy navoakan’ny fanjakana
    hoy a! hoy a! ra-ganagana
    tezitra mafy randriamatoa dia lasa nanitsaka tain’akoho

    • ity koa misy tohiny:

      do, do, do, iza izao?
      Izaho no mpangalatra palitao
      palitaondramiaramila
      miaramila milanja basy
      basy navoakan’ny fanjakana
      hoy a! hoy a! ra-ganagana

      Dia mbô tsara hoe le chapeau
      Rehefa tonga ny kapiteny
      aza misy miteniteny

      (Tsy tadidiko intsony ny tohiny)

  10. ty kou misy

    do do do, iza izao mandona?
    do do do, zovy izao re?
    izaho Rakalaina no mba te ho sakaizana
    sanatria ny ho sakaizanao

  11. NY SAKA SY NY TOTOZY

    Indray mandeha ity saka hono
    natsoiny izay totozy izay
    andao isika samy atono
    ka ho ita izay tsy may

    ny totozy no aloha
    nototofana kitay
    Andraso, andraso
    hoy izy aloho
    niady lavaka izy kay

    Fa ny saka kosa hono
    niady lavaka tsy ainy
    tao izy dia vôtono
    ary tapitra ny ainy

  12. Misaotra antsika rehetra mifanampy fa tena tsara tazomina mihitsy itony hira sy tsianjery itony.
    Sao dia misy manana vidéo e? miara milalao amin’ny zanany ohatra
    Misaotra e

  13. miarahaba antsika rehetra zay mamaky ity soratra ataoko ity
    indro ary mba misy tsianjery ho an’ny ankizy tsy ankanavaka

    fetin’ i neny

    fetinao anio ry neny
    ka misokatra ny vava
    manolotra sady miteny
    manantitra ny arahaba

    ho an’i dada sy neny

    dada sy neny malalako ‘zay
    fola-damosina ery taminay
    neny mitaiza, mibaby, manasa
    dada isan’andro torovana miasa

    zoky sy zandry

    iza no tiako nareo roa vavy
    zoky no tiako fa matavitavy
    izay maditra dia tsy omena
    ‘zaho irery ihany no atao voky hena

    etsy babeko razandry
    malakilakia ny dia
    meteza tolory ny sandry
    anehoako ny fo tena tia

    dia mazotoa daholo ary dia izay mahay ny tohin’ireo dia afaka manohy fa efa ela ilay izy ka tsy tadidiko intsony ny tohiny.

  14. Misaotra an’i Lanto nandray anjara, tiako ery koa ilay dada sy neny malalako izay io. SOuvenir tsy afaka ato an-tsaiko mihitsy

  15. Mahafinaritra, mankasitraka ho anareo zay nanao ity site ity

  16. Fa tokony mba asiana vidéo misy ny feony mba hampianarana ny ankizy. Misaotra mialoha tompoko

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.