Archive pour ‘TenyMalagasy’

décembre 19, 2011

Tera-bao: te hiverina amin’ilay bika taloha

Nahatsikaritra daholo angamba isika vehivavy bevohoka fa nisy fiovana maro tao aorian’ny fiterahana. Faharerahana, fitomboan-danja, fahavesaran’ny tongotra… Mikarakara  tera-bao andro aman’ alina, tsy moramora tsy akory. Na dia sarotra aza io fotoana io dia aza adino fa tokony hisy fikarakarana ihany koa ny vatantsika vehivavy. Torohevitra kely mety ahasoa indray no omen’ny kilonga.com antsika anio.

Hiverina amin’ilay taille 36- 38 taloha ve?

Marina fa tena nisy fiovam-bika be isika vehivavy rehefa avy teraka, na dia zava-tsoa aza ny naterakan’ny fitondrana vohoka. Mety ho kivy isika rehefa mijery fitaratra: tsatsakoatra, be fe  be , be kibo, saingy tsy tokony ho maika loatra amin’ny finiavana hanen-danja aloha. Indrindra ny 3 volana voalohany, manjary tsy ny tavy no lasa fa miroraka ny hozatra ka mety hanimba vatana indray. Kely sisa e!

Azo atomboka ny régime rehefa mihatsaratsara ny morale.

Fantatrareo moa fa mandalo amin’ilay fotoana hoe baby blues isika vehivavy rehefa avy miteraka?  Somary kivikivy na malahelohelo lalandava izay, rehefa afaka io fotoana io dia afaka atomboka ny fanenan-danja. Alefa moramora izany  ary atao izay mahafaly koa sy mahasoa satria aza adino fa mila tanjaka isika hikarakarana ny zazakely. Aza atao ambanin-javatra ny fihinana ny otrik’aina ilaina rehetra (ronono, hena, legioma, voankazo)

Aza adino fa tsara ny mihinana sakafo mitondra otrik’aina mahavitrika.

Raha misy sokajin-tsakafo tsara ahena ny fihinanana azy, dia misy kosa ireo tokony hampitomboana kely. Ny lafarinina, ny alkola sy ny menaka avy amin’ny  hendihendin-kanina ohatra tsy dia tsara loatra. Ny tena tsara dia ireo mitondra calcium toy ny ronono, fromazy, legioma sy voankazo be otrik’aina. Aza dia atao betsaka ny fihinana tavy azo avy amin’ny biby fa tsy tsara, ny henan-kisoa sy henan’ondry ohatra. Ataovy betsaka am-bilia ny trondro sy ny henan’ akoho. Ary raha mampinono ianao dia tokony ho voalanjalanja tsara daholo ny fihinana ny karazan-tsakafo rehetra satria izay hohanintsika ihany no mankany amin’ny zazakely.

Mahazo manao gourmande ihany kosa indraindray e!

Ranom-boankazo mampavitrika: voasary, frezy, akondro, sakamalao (olona 4). Voaso ary kikiso ny sakamalo mbolongana kely toy ny fanondro. Sasao ary karakarao ny frezy , avy eo dia teteho majinika, dia toy izay koa ny akondro. Voaso ny voasary ary teteho koa. Alefaso anaty mixeur ireo rehetra ireo, miaraka amin’ny ronono 30cl eo ary ilay sakamalao teo. Ampangatsiaho anaty frizidera ora vitsy dia sotroy amizay. Tsara ery e!

Aza atao tsinotsinona ny sakafo maraina.

Zava-dehibe mihitsy ny sakafo maraina. Vary sosoa sy kitoza, na omelety na legioma koa mety (haricot vert, anana saosy) dia tena mitondra hery ho an’ny vatana mihitsy. Indrindra raha reraka nifoha mandrakalina (nampinono, mampatory zaza). Raha tsy mahavita mihinam-bary dia azo atao koa ny misotro dité mafana, na kafe au lait sy mofo; ampiarahana amin’ny dobera , na tantely. Mazotoa homana e

Aza mitazona karazan-tsakafo mampatavy ao an-trano

Tsy dia tsara loatra ny manana an’ireny chips, biscuit, voanjo sns ireny anaty garde à manger fa mitondra fakam-panahy. Raha misy mpanatitra sakafo any am-piasana ohatra dia aleo maka yaourt toy izay katlesy , na sambos, na mofomamy. Ao an-trano koa dia tokony hisy corbeille à fruit feno foana, ka zarina ny rehetra hihinana an’ireo raha noana . Ilay mihinana am-povoan-tsakafo (grignotage) no tena ratsy satria tsy voafetra ny lanja. Fa raha tena noana dia safidiana ny sokajin-tsakafo hohanina.

Inona ary ny goûter an’i Neny e?

Andramo anie fa indraindray misotro rano fotsiny dia afaka ny hanohanana e! Na dite io, na kafe. Raha tena noana be ohatra amin’ny  5 na amin’ny 6 iny dia aleo asiana paoma kely, na yaourt nature toa izay mofomamy be lafarinina na mitsako kkpigeon lava eo. Kony e!

Mizatra mahandro legioma isan’andro!

Misy ireo zatra misakafo matsiro isan’andro, ao ny vady mila kojakojaina, ny fahafinaretana mahandro. Saingy aza atao be menaka loatra fa aleo aza atao matsiro amin’ny fofompofona isan-karazany toy ny tongolo lay, thym, persil sns. Aza adino ny mampiaraka ireny amin’ny legioma (manta na masaka) Ataovy be loko. Isika eto Madagasikara dia tena sambatra mihitsy amin’ny safidy ka aza atao ambanin-javatra ny manovanova azy. Tsy voatery ho ron’anàna foana. Isika aty ivelany koa dia tokony hizatra izany. Ampiaraho amin’ny trondro, na henan’akoho dia asio vary kely fa ho voky tsara ianao, aza adino ny tsindrin-tsakafo natioraly.

Tsy midina ambanin’ny 1300 calories!

Raha vonona hanen-danja amizay dia atomboka moramora, ary tohizana tsara ny fihinana sakafo ara-dalàna, ahena ny fihinana siramamy sy sira be loatra. Tadidio koa fa rehefa avy teraka dia misy lanja tsy maintsy very (eo amin’ny sivy kilao eo) . Ampiana koa ny fanaovana fanatajahan-tena malefaka (fandehanana tongotra dia efa ampy, 30 mn isan’andro eo)

*Araho eto amin’ny kilonga.com ny mombamomba ny zaza 12 ka hatramin’ny 24 volana
octobre 21, 2011

Ary raha mandray anjara koa moa i Dada ao an-trano ao e?

      Tsy moramora ny miteraka ary mbola sarotra aza ny manabe! Mitombo isan’andro ny asa miandry antsika, anefa etsy an-daniny dia miha reraka hatrany ny vatana, ny trano mikorontana, ny asa miandry etsy misafononoka hatrany.

     Tadidio anefa fa tsy -miady- irery isika vehivavy. Anjarantsika no miantso vonjy, ny mitarika ny vadintsika  hiara-dia amintsika. Ahoana ary ny atao? Araho ange ireto torohevitra ireto e, hitanao eo na mandaitra na tsia fa andramo aloha e! 

Ireo torohevitra ireo dia nangoniko tao anatin’ny boky nosoratan’i Anik Routhier mitondra ny lohateny hoe Imparfaite et alors?

Toromarika 1: Fantaro ny momba ny lehilahy (rehefa avy niteraka izy) –

 

Aleo aloha dia tsorina fa samihafa ny lahy sy ny vavy. Ny fomba fisainantsika, ny fomba fihetsikitsika sy ny fomba fihatrikitsika ny zava-mitranga dia mifanaraka amin’ny maha-lahy na maha-vavy antsika. Ny marina dia hoe ny lehilahy dia manamora ny rehetra , izay zavatra tsy dia haintsika vehivavy loatra io. Raha zohina amin’ilay fanazavana hoe ny lahy avy amin’ny planeta mars ary ny vavy avy amin’ny planeta vénus dia lazaina fa ry zareo avy any amin’ny mars dia karazan’irony olona tsy miraika irony, manamaivana izay tranga rehetra miseho ny lehilahy. Fa ry zareo avy any Vénus kosa dia mahita lavitra, ary indraindray aza na tsy hisy akory ilay izy dia heveriny fa hisy foana, any ka avy izy dia mihaloa làlana (prévenante hoy ny vazaha). Mety misy misombadika ihany amin’ireo karazana ireo, fa tsy aharitra ela amin’izany planeta izany izy akory.

Ny dikan’izany dia hoe avelao ny dadany mba hanao izay tiany koa . Aza dia manao Germaine loatra (qui Gère et qui Mène)

Fanamarihana ireo voalaza ireo dia fantatsika tsara fa rehefa mivoaka ny ankizy miaraka amin’ny dadany, dia tsy misy zavatra nokarakarainy mihitsy ho an’ilay zaza. Izany hoe arakarak’izay tranga miseho eo no amahany ny olana. Ohatra: mandeha mitsangatsangana,  tsy misy goûter, tsy mahay hoe aiza tsara ny aleha, tsy nitondra akanjo mafana, tsy maharitra ela na diso ela loatra. Ny mahagaga anefa dia faly be foana ny ankizy rehefa miverina avy any. Mahagaga tokoa e?

Ny vahaolana atoro antsika renin-jaza aza dia ny hoe: mahaiza mangala tahaka ny ataon’ny vadintsika amin’ny zanatsika -indraindray- Indraindray hoy aho an! Aza dia be sermonina lava, na dia prévoyante loatra, fa na ny ankizy aza leo sy reraka. Izany hoe ilaina ihany indraindray ilay izy fa tsy atao isan’andro . Ny dikan’izany dia hoe avelao ny dadany mba hanao izay tiany koa . Aza dia manao Germaine loatra (qui Gère et qui Mène)

Toromarika 2
:Mivoaha! 

   Avelao ary aloha rangahy mba hanao izay tiany ao an-tokantrano ao e. Indraindray mantsy izy ireny dia mila fahafahana kely ihany fa  tsy dia atao hita be hoe ‘voageja’. Ny fahaizanao ‘mampiasa’ azy sy maniraka azy koa no tena ahafahantsika vehivavy tsy ho reraka ambony ihany. Déléguer les tâches raha amin’ny teny vahiny.

Ny fomba tsotra indrindra dia ny mandeha mivoaka irery na miaraka amin’ny namana, rahavavy sns. Mandeha miantsena, manao massage, mijery concert. Betsaka ny toerana azo aleha,  ny didy apetraka fotsiny dia hoe ramose no avela ho mpanjaka ao an-trano, ary avela tanteraka fa tsy hoe antsoina kely afaka adin’ny roa dia omena baiko an!

Avela irery izany izy mba handray andraikitra amin’ny fikarakarana ny ankizy, ka na tsy mifanaraka aza ny lokon’akanjo ambony sy ambany. Na dia tsy mifandanja aza ny sakafo omeny, varin’ampango sy siramamy ny atoandro  dia ny alina vary sosoa sy tantely, na purée atoandro, pâte ny alina. Dia mba avelao izy hianatra irery eo e!

Ary rehefa miverina ianao ramatoa dia aza be fanontaniana, manao ra-polisy. Ny antony dia izao, raha vao maika ianao mandatsa azy amin’izay “ezaka’ efa nataony dia mety tsy  handray anjara intsony izy amin’ny manaraka.

aza adino mandagonlango e!

Fa raha matoa moa ka tena diso mafy loatra ilay fanahy ratsy te hibaiko an’izao tontolo izao ao anatinao dia ny hevitra iray azo atoro antsika dia ny manao lisitra. Ohatra hoe amin’ny firy ny fotoana hisakafoanana, inona ny devoara tokony harahina, aiza no tokony hiantsena ary inona no vidiana. Avy dia apetraka ny akanjo tiana hanaovan’ny ankizy, sns e.

Raha ny tokony ho izy koa dia iray ihany ny zavatra tenenina ny lehilahy isak’izay miresaka. Na avy dia tenenina azy ny zavatra tokony ataony (ohatra sasao ireo lamba ireo), na efa fantany fa atoro azy fotsiny ny fomba fanaovana azy (itsy savony itsy no hanasana ireo lamaba ireo). Fa tsy izy roa mitambatra no avy dia asisika fa sady tsy hainy no tsy harany no tsy henoiny no tsy rarahiny.

Iray hafa koa dia ny fahaizana miresaka aminy. Tsy rehefa mijery baolina akory, na rehefa eo ny akamany rehetra izy no hirahina manasa vilia, na manolo couches, fa minoa ahy ianareo fa tsy andeha izy akory. Dia aza adino mandagonlango e!

Toromarika 3: Ankafizo amizay!

Rehefa nahavita ireo dingana rehetra ireo ary ianao dia efa azo atao fa nahatafita ny lakana. Noho izany, zava-dehibe farany dia ny fahaizana maka fy an’izao zavatra notadiavinao izao.

Raha tsapanao fa tsy reraka be toy ny taloha ianao, raha tsapanao fa manampy anao ny vadinao ao an-tokantrano ary tsy mampaninona anao izay ataony dia azo atao fa mandeha tsara ny fitantanana ny tokantranonareo.  Ary matokia ahy fa ho faly ianareo mivady ary indrindra koa ny ankizy. Aoka fotsiny hoy ny namana angamba!

Ary raha tiana hitohy kosa anefa izao fiarahana mamy izao dia aza adino mihitsy ny mankasitraka an-drangahy, indrindra moa rehefa eo rafotsy reniny na ireo bandy akamany.

Dia mazotoa miara-dia aza e!

 aza adino mihitsy ny mankasitraka an-drangahy

Jereo koa:


décembre 4, 2010

Ny reny no fototrin’ny lahy

Vehivavy voalohany eo amin’ny fiainan’ny zazalahy ny reniny, izy no mamolavola sy mandrafitra ny fitondran-tenan’ny zanany lahy ara-pitiavana. Reny mpiaro, reny mpandidy, reny tsy dia namana… indro omen’ny kilonga.com anareo eto ny sarintsarin’ireo karazana reny misy nohalalin’ilay psychanalyste Alain Braconnier.


  • Ny reny fatram-pitiavana na “amoureuse
  • Ny reny fatra-piaro na “surprotectrice”
  • Ny reny  mangingina am-pitiavana na “distante”
  • Ny reny tompon’ny rehetra “castratrice”
  • Ny reny mpiahy na “bienveillante”

* Azonao vakiana: In Freud and His Mother de Deborah Margolis (Jason Aronson, 1977, teny anglisy).

Fitiavana hafa kely ny fitiavana misy eo amin’ny reny sy ny zanaka lahy. Na dia tsy toy izany aza no hilazan’ny reny azy, na ekeny na laviny na arovany io fitiavana io,  dia fantatr’ireo reny tsara fa hafa mihitsy ny fitiavana raiketin’izy roa ireo. Ny reny mantsy no azo atao hoe “voaloham-pitiavana” amin’ny zanaka lahy, any ka mibahana tanteraka eo amin’ny fiainan’ny zanany ramatoa, raisiny ho toy ny azy irery io zanany io, ary ahitany solom-pitiavana tsy manam-paharoa ‘sécurité affective sans égale‘.

Eritreretiny ho toy ny azy irery mandrakizay io zanany io; ary tsy misy olon-kafa afaka handrafy aminy amin’izany sy haka azy amin’io heriny io. Araka ny fandinihana nataon’i Freud dia tena marina tokoa izany. Manjakazaka tokoa ny reny amin’ny zanaka lahy. Raha jerena avy amin’ilay théorie -ny complexe d’Oedipe tokoa, ny fifandraisana misy eo amin’ny reny sy ny zanaka lahy dia azo avy amin’ny fitiavana diso tafahoatra ny Ahy ‘narcissisme‘, ary tsy misy olon-kafa avy any ivelany mahazo alàlana handrafy izany. Ny tovovavy kely raha miditra ao anatin’ny fotoanan’ny complexe d’oedipe dia mivadika ho lasa any amin’ny rainy ny fitiavany fa tsy mijanona amin’ny reniny irery. Fa ny zanaka lahy kosa dia mijanona eo amin’ny reniny foana. Io no mahatonga any aoriana any, rehefa manana olon-tiana ny zanaka lahy, manasarotra ny fifandraisan’ny vadiny sy ny rafozam-baviny. Eritreretin’ilay reniny ho rafiny mantsy io olo-miditra io.

Rehefa natao ny fandinihana, dia arakarakan’ny fitondran-tenan’ny reny tsirairay avy no ahafahany mampita amin’ny zanany lahy any aoriana any ny momba ny vehivavy, ny fikarakarana azy, ny fitiavana azy sns. Io dia miankina betsaka ihany koa amin’ny fifandraisan’izy mianaka, nifanakaiky be loatra, nifanalavitra, nifampiaro sns. Fa koa manana andraikitra manokana ilay vehivavy ho lasa vady satria anjarany no manapaka ilay dyade (fifandraisana) reny sy zanaka lahy. Ireto ary ny sokajin’ireo karazana reny novolavolain’i Alain Braconnier, ahafahantsika vehivavy mamantatra bebe kokoa momba ny rafozam-bavintsika.

Ny reny fatram-pitiavana

Momba azy: Ny fijeriny, ny fihetsiny, ny fiteniny dia fanambarana momba ny fitiavany an’ny zanany lahy. Izany hoe dokadokafany tsy an-kijanona ilay zaza. Asehon-dreniny fa aminy dia izy irery no manana toetra  tsara indrindra amin’ny karazan-dehilahy rehetra: tsara toetra, tsara fanahy, manaja tena. Ilay reny mitabataba erakin’ny toeram-piasana ireny rehefa nahavita zavatra manokana ilay zanany lahy. ‘Ny ahy akia ny zanako tena hafa amin’ny rehetra mihitsy an! izy irery akia no mahay manamboatra tomobilina toy izao an!”. Hain’ity reny ity ihany koa ny manamboamboatra ny sain’ny zanany araka izay tiany: ohatra ny amin’ny ho aviny “raha ny tiako izao dia dokotera mihitsy no ataonao” “tena mba sitrako raha lasa mpanao politika ianao ry zanako tiako“. Izy no mandidy sy manapaka ary mitsinjo, ary mahavita manao sacrifice rehetra izy ho an’io zaza io: “ianao daholo no nanaovako an’izao“. Noho izany miandry vokantsoa hatrany izy ary tsy mahatanty minamana amin’ ny olona mety hanakana ny zanany amin’ny làlana nosoritany. Araka izany dia miandry valim-bambena goavana amin-janany ity reny ity. Ito ny renin’ireo olo-manga matetika.

Fombany: Ny zavatra ampitainy dia tena ampisehoany fa manan-danja lehibe. Noho izany ny zanany lahy dia manana toky zato isan-jato aminy, ahafahany miatrika ny fiainany rehetra. Na eo amin’ny resaka fitiavana aza. Mitady vehivavy sahala sy mitovy fisainana ary fomba fijery toa an’io reniny io ilay zanany lahy  matetika. Kanefa indrisy fa dia ho diso fanantenana izy, any ka tsy manana fitia raikitra fa miovaova mitady ny tsara indrindra, io dia mety hanova ny toetrany. Rehefa mahita ny vady mendrika azy izy dia mandidy ny tsy hiovan’ny toetran’io vehivavy io sy hamadika azy mandrakizay. Ny vehivavy botabota, mahavita tena, jejojejo dia tsy dia manintona azy loatra.

Ny reny fatra-piaro

Momba azy: Raha efa nahita ny film-ny Woody Allen ireny ianareo, misy an’ilay reny jiosy ireny, dia tena ito karazana iray ito mihitsy ireny. Sahiran-tsaina lava(Anxieuse),  miditra amin’ny tsy fiditra (Intrusive), maka ho azy irery ihany (possessive), tsy manaiky ny fisarahana reny sy zanaka (fusionnelle) . Ny tiany tanterahana? Hanohy hatrany hatrany ny lien nisy teo aminy sy ny zanany. Ny fanaovany izany dia ny fampitahorana na fandrahonana diso tafahoatra amin-janany ny zava-misy rehetra, na ara-pitiavana, na amin’ny fiainana an-davanandro. Ary avy eo dia ny fanomezana tokim-pitia be loatra amin’io zaza io, any ka tsy afa-bela aminy ny zanany lahy ary tsy mahatoky an’iza na iza fa matahotra ny olon-kafa ho mpamitaka sy mpanimba ny fiainany fotsiny. Satria mandrebireby ny lohan’ity reny ity ny fiarahamonina sy ny tontolony ” ratsy ianona “, dia zava-dratsy foana no hampitainy amin-janany, noho izany lasa mitebiteby koa ilay zaza ary tsy mahasaraka an-dreniny mihitsy.

Fombany: Satria diso ngeza loatra ny fitiavana omen’ity reny ity dia velona ao anaty tebiteby, tsy fahamatorana ara-pitiavana ary tahotra (culpabilité) ny zanany. Tsy dia mahavita miresaka amin’olona firy, tsy dia mampiseho émotions, tsy dia manana intimité… izany no mitranga amin’ireo lehilahy tsy mahavita misaraka amin’ny reniny. Raha mahavita misaraka aminy izy ireo dia mahery vaika ary mandrakizay izany.Raha tsy vitany kosa dia izay vehivavy miaraka aminy no halavirany, eto moa dia azontsika an-tsaina tsara fa tsy tian’ilay rafozam-bay ity vinantony ity. Ary matetika dia maka tovovavy kely ireo lehilahy ireo mba ho volavolaindra-mamabe ao an-trano ity vadin-janany.

Ny reny mangingina am-pitiavana


Momba azy: Satria tsy mahatoky ny tenany amin’ny maha-reny azy ity vehivavy ity, dia miaina ao anatin’ny tahotra ny hanao diso vilana, na hampijaly ny zanany izy.Izay rehetra ataony dia hitany ho ratsy daholo ary mety hanimba ny fiainan-janany: ny émotions-ny, ny andraikitra raisiny, ny fifandraisana aminy. Noho izany dia mihataka amin-janany izy, na ara-batana, na ara-pitivana. Tsy midika akory izany fa tsy tia an-janany izy, ny mifanohitra aza no marina saingy tsy hainy ny mampiseho izany.Fa raha tsy mazava na hazavaina amin-janany ny anton’io elanelana ataon-dreniny io amin’ny fitiavana natioraly tokony hisy eo amin’izy mianaka dia raisin’ily zaza ho fahadisoany izany ary hangoniny ao am-pony. Any ka hihevitra izy fa tsy ampy fitia.


Fombany: Ny zanak’ito reny ito matetika dia ny misogynes, na ny misanthropes. Satria tsy nahazo fitiavana, tambitamby (sécurité de l’amour maternel) ireo zaza eto, dia tsy dia mahatoky vehivavy izy ireo ary sahirana rehefa miresaka fitiavana sy firaisan’ny lahy sy ny vavy.  Matahotra fitiavana izy ireo, ary tsy dia be resaka, miaro-tena amin’ny fiafenana ao aorianan’ny masque. Vokany: averiny amin’ireo sakaizany izay nataon-dreniny taminy ary fampijalian-tena ho azy izany. Raha mahita olona tena tia azy izay hafa toetra nohon’ny reniny kosa izy dia tena vonona ny  hanome ny heriny rehetra am-pitiavana, saingy kitoatoa tsy ampieritreretana fotsiny, na diso tafahoatra satria tsy hitany tamin’ny fony kely ny fomba fatao amin’izany.

Ny reny tompon’ny rehetra

Momba azy: Na fantatr’ity reny ity na tsy fantany, dia miady amin’ny lehilahy rehetra foana izy, izay tiany entina amin’ny sangany, eo ambany fitondrany. Amin’ny manampahaizana, dia karazam-behivavy te ahazo fitondrana izy ity, te ahazo an’ilay phallus. Izany hoe didy jadona izay azy irery ihany: mibahan-kevitra, mahazo ny fara-teny. Ary averimberiny amin-janany foana fa izy no mitondra, mandidy, manapaka ny rehetra.

Fombany: Mampatahotra ny rehetra izy. Manana toetra tsy dia mazava ny zanak’ity vehivavy ity, satria na ilay zaza aza dia tsy mahalala ny toetrany. Sady mandositra ny vehivavy toa an-dreniny izy no mitady ny sahala aminy ihany koa. Io farany io moa dia ny mba ahafahany milalao an’ilay voabaiko- mibaiko (dominante-dominé). Ary raha toa ka tanteraka ny fitiavana ary raikitra ny fanambadiana, rehefa ela ny ela dia mampirafy ity sokajin-dehilahy ity, ahafahany mihataka kely na mitady izay tsy ampy azy. Ny ratsy aminy dia mety ho lasa mahery setra izy: mamono, mahery vava. Amin’ny maha-lehilahy azy dia tsy ho tantiny mandrakizay ny atao ‘fanaka malemy’ satria tsy izay ny toetrany natioraly, any ka mamono faty amin’ny natao azy rehetra izy.

Ny reny mpiahy

Momba azy: Voalohany indrindra dia vehivavy sambatra an-tokantrano izy ireto, tiany ny vadiny, voky fitiavana, ary tsy miandry zavatra tsy taka-danitra amin-janany. Noho io toetrany mahalala ny ampy azy, sy ny maha-izy azy io dia mihaino izay ilain’ny zanany izy. Vehivavy mikarakara ny tokantranony am-pitiavana ary manome lanja avo ny toeran’ny lahy eo amin’ny fiainana. Manao adidy maro samihafa izy (sampana, zaridaina, club), ary tsy mifototra amin’ny fampianarana ny zanany fotsiny ihany akory ny anton-draharahany. Hainy ny mihaino an-janany, maka toky aminy, na dia efa adolantseto aza ilay zanany lahy. Kanefa dia vitany ny tsy dia miditra loatra amin’ny fiainanan’io zaza io sy mibahan-kevitra aminy. Raha fintinina dia tiany ny zanany ary foiny zaraina amin’ny olon-kafa io zanany io, iriany ahazo vady tiany sy tia azy, ary indrindra ho toa azy.

Fombany: Ito karazana vehivavy ito dia mahavolavola zanaka, mahalala ny maha izy azy sy ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina, any ka havanana amin’ny vehivavy ny zanany lahy. Ny fahitana sy ny fahalalana fa sambatra ny renin’ny tena niaraka tamin’ny dadan’ny tena dia mitarika ny zanaka lahy ho toy izany koa amin’ireo vadiny na sakaizany. Ny zanak’ito sokajim-behivavy ito dia tsy menatra mampiseho ny ao am-pony, malalan-tsaina, ary misokatra amin’ny fitiavana. Indraindray aza dia somary maka tahaka ny reniny be loatra izy ireto ka mampifangaro ny fitiavam-bady amin’ny fitiavan-janaka eo amin’ny fitondrany ny tokantranony. Izany hoe entiny toy ny zanaka ny vadiny fa tsy toy ny vady.

*Azonao vakiana: Mère et Fils d’Alain Braconnier.

Hoy ny mpanoratra hoe “une femme n’aime jamais trop son fils” . Raha te andeha lavitra, azonao vakiana:  « Quel type de mère êtes-vous ? » (Odile Jacob, “Poches”, 2007).

novembre 18, 2010

Mikarakara zanaka: omeo lanja ny fiainany

Tsy mora ny fikarakarana ny zanaka ankehitriny. Ny fitadiavam-bola mitarika henjikenjika amin’ny fiainana, ny fihatahana ny fianakaviana efa samy sahirana, ny fisaraham-panambadiana, ny hevitra omen’ny tontolo manodidina. Izany rehetra izay dia mampiova ny ray aman-dreny eo amin’ny fitantanana ny tokantrano sy ny fanabeazana.

Ny fikarakarana ny zanaka: voalohany indrindra dia ny fanomezana ara-dàlana ireo zavatra mahavelona azy na ‘besoins de base’

Ohatra ho an’ny mpampianatra, any am-pianarana misy ankizy tsy nisakafo maraina, na tsy nisakafo tsara. Misy ankizy tsy natory alina satria voakotaba. Any an-trano, misy ankizy tsy afaka milalao eny an-tokontany satria tsy maintsy mahavita raharaha, tsy maintsy manampy ny ray aman-dreniny miasa, na koa variana na terena mijery fahitalavitra.

Raha te hikarakara ny zanantsika tsara isika, dia mila manana  tarigetra raikitra amin’ny fanabeazana (tsy miraharaha ve? ‘laxiste’, sa mamela izao rehetra izao ‘permissive, na manageja loatra ‘renfermée’ . Mila mametraka fanontaniana amin’ny tenantsika isika: ohatran’ny ahoana moa ny fitondrako ny tenako, ny fahitako ny tenako, ny tsy mety, ny tsy tiako amiko . Ary mila maka fotoana mandinika ny toetran’ny zanatsika koa isika. Rehefa fantatra ireo valiny ireo dia mora kokoa ny hitondrana ny fanabeazana  ny ankizy.

Amin’ny maha olon-dehibe antsika dia mihevitra isika fa ny mitaiza zanaka dia mijanona eo amin’ny fanomezana sakafo azy, fampatoriana azy, mividy akanjo azy, miaro azy amin’ny loza, manome toky fa tiany ary tia azy. Marihina anefa fa tsy ampy fotsiny ireo.

Ny fikarakarana zanaka: mila mifankafantatra aminy

Ahoana ny momba izany?  Mila mihaino sy mandinika ny fomba fihetsiny. Ny fanomezana lanja sy ny fihainoana ny hafaliany, ny fahatahorany, ny talentany sy ny zavatra rehetra manahirana azy. Ny fametrahana fanontaniana aminy no tena ahafahantsika mahazo ny tokin’ izy ireo,  mihoatran’ny valin-teny omentsika azy. Izany hoe tsy miandry ho izy no manontany fa ianao no mampiseho voalohany fa maheno ny antsony, fa liana amin’ny fiainany. Ny fanajana ny zava-bitany arakarakin’ny taonany no ahazahoantsika manampy azy ireo. Raha somary medameda ny zaza iray, ekeo fa manana fahafahana miato kely koa izy, eny na dia tsy vitany aza ny asa nomena azy, na devoara io na zavatra hafa. Mila manana ‘souplesse‘ isika kanefa koa mila mandajalanja  hoe hatraiza ny farany afaka hiaretana sy handrasantsika amin’ny zanatsika.

Raha maro ny taiza, matetika tsy maintsy misy fiangarana kely ihany. Miandany be loatra any amin’ilay zanaka manatanteraka izay nandrasana aminy tsy mila bedesina, iny no dokadokafana fa “hendry” . Aza dia aseho loatra eo imason’ny zanaka hafa izany, samy manana ny tanlentany ny tsirairay. Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary. Samy omeo ny lanjany sy ny maha -izy azy ny tsirairay kanefa koa aza ampidirina ho mpirafy izy, fa kosa aza hifanampy.
Omeo toerana goavana izy eo amin’ ny fianam-pianakaviana


Fihavanana, io no zavatra lehibe indrindra amintsika malagasy ka tsy tokony ho hadino mihitsy. Zavatra iray tokony ampianarina ny zanatsika ho lovainy mandrakizay ny fitiavan-kavana, na ny lavitra na ny akaiky .Indrindra amin’izao fotoana izao, samihafa sy mifangaro avokoa ny zavatra re  avy amin’ny haino aman-jery. Ny ‘mondialisation’ dia mitondra sy mitarika ny fisainanan’ny tsirairay hiova. Ny fahitalavitra avy any ivelany mampiseho ireo famiratan’ny fiainan’ny olona any amin’ny firenena mandroso, ny anterineto mampiseho ny fiainana tsy hitan’ny maso, any ka ny fianarana sy ny bokiny somary latsan-danja. Mila manao safidy goavana ny ankizy saingy isika ray aman-dreny no afaka manampy azy amin’izany.

Ireo rehetra ireo mantsy, dia manamora ny fiainany avokoa, manala ny fahazotoana ohatra ny zavatra azo avy amin’ny anterineto (tsy mila mikarokaroka anaty boky fa avy dia mipoitra izay tadiavina), ny kilalao avy any ivelany (tsy mahavita mamorona kilalao toy ny kalesa, dinety amin’ny fotaka sns) fa avy dia efa vita rafitra sy manintona ny maso izay eo. Any ka na ny manampy antsika ray aman-dreny aza dia tsy vitan’ny zaza ankehitrio intsony. Vao maika moa fa manamora ny fiainantsika koa ny mametraka azy ireo manoloana ny televiziona, ny jeux vidéo satria “hendry” tsy manadala ny faharerahantsika izy ireo amizay.

Ny fanomezantsika lanja ny zaza dia tsy misy afa-tsy ny fanomezana azy làlana hanampy antsika ao an-tokantrano. Ny fitaritana azy amin’ny fomba feno fitiavana amin’ny fifanampiana dia hitondra soa betsaka azy amin’ny fitondran-tenany any aoriana any. Mba ahavitantsika an’io dia tsy alavirina azy mihitsy ny raharaham-pianakaviana rehetra. Izany hoe aseho azy fa manana ny toerany manokana izy ao amin’ny tokantrano. Na raharaha tsotra (mamaofy ovy sy karoty, manary zaoridira, mitsimpom-bary), na ny famelana azy haneho ny heviny, ny fihainoana azy sy ny fampisehoana azy fa matoky azy hatrany isika, aseho izany amin’ny fanomezana raharaha azy araka ny taonany.

Raisina hatrany ny andraikitrin’ny maha ray aman-dreny antsika

Tsy tokony hatahotra ny zanaka ny ray aman-dreny. Aza adino mihitsy fa isika no mitarika, manamboatra ary koa mety manimba. Mahatoky ny ray aman-dreniny ny zanaka na firy taona izy na firy taona, ary tokony havaly azy amin’ny fanarahana maso  sy fihainoana azy izany. Raha hajainao izy dia hajainy ianao.  Ary ireo mitambatra no maha olom-banona azy.

Tsy voatery ho manana ny rariny ny olon-dehibe, saingy ny fahaizana mampiseho izany no mahamety na tsy mahamety azy.



Amin’ny ankizy, inona kosa ary ny atao hoe mandray andraikitra amin’izy ireo?

- Manome na mampiseho  fitiavana azy, na dia tsy vitany ‘tsara’ daholo aza izay tadiavina aminy

- Mihaino azy rehefa mitaraina izy

- Mametraka fanontaniana azy, liana amin’izay ataony

- Tsy manala -baraka azy na eny imason’olona na ao an-trano

- Mila maharitra rehefa manontany zavatra sarotra azy

- Mamporisika azy hatrany

- Tsy mikitakita lava

- Mandoka azy rehefa nahavita izay tadiavina izy ary rehefa nanao ezaka

- Fadiana ny mamerina amin’izao olona rehetra izao izay mba tantara kely nolazainy aminao mangina ‘secret’

- Mangataka fanampiana azy

- Misangisangy, mihomehy, milalao miaraka aminy

- Manokana fotoana iray ho azy raha maro ny zanaka

- Manome andraikitra azy araka ny taonany sy ny vitany amin’izany

- Mampiseho fa fifaliana ny miaraka aminy


Fa koa:

- Mahatoky azy hatrany

- Mampianatra azy ny zavatra rehetra fa tsy miandry olon-kafa

- Fadiana mihitsy ny mody tsy mahalala azy (mody fanina rehefa miantso izy na mitaraina)

- Tsy manambany azy raha manao diso izy (na devoara na zavatra hafa)

- Tsy dia tsara ny mamporisika ny ankizy ahazo noty 20/20 foana, tsy aleo ve azony tsara ny lesona toy izay ataony tsianjery maimbo fotsiny mba ahazahoana noty mba tsy ho bedy?

- Tsy kitakitaina, na bedesina eo imason’ny namany, havana izy (raha tsy hoe samy bedy daholo angaha)

Tadidio koa fa ianao koa kely aloha vao lehibe, nanao fahadisoana, nilalao, bedy. Raha tsara ny fahatsiarovanao ny fahazazanao dia ataovy toy izany ny an’ny zanakao, raha ratsy kosa dia jereo hoe inona no tokony hovaina. Zarina amin’ny lalàna tokony alehany ny ankizy fony kely, fa rehefa lehibe tsy afaka intsony

Aseho ny zanaka hatrany fa faly isika manana azy, aseho fa mahafinaritra ny fiainana eo anilany, ary koa any aoriana dia ahatsiaro ny valim-babena izy.


mai 6, 2010

Mandena am-pandriana: sao dia misy olana?

Tsy zava-poana ny mandena am-pandriana, indrindra raha efa mihoatra alavitra ny taona fahadiovany ny zaza. Toy ny tomany dia fanambarana zavatra mampitaitaina ny fandemana am-pandriana.

Inona no mety mahatonga izany?

Ankoatran’ireo zaza manofy am-pandriana, na kamo mitsangana na mangatsiaka amin’ny alina dia mety fahasahiranan’ny saina no mahatonga azy io. Ohatra hoe tahotra tsy voafehy: nahita zava-dratsy na tamin’ny fahitalavitra, na teny an-dàlana, na zavatra notantaraina azy. Mety koa hoe voakapoka foana izy isak’izay manao zavatra: tsy mahazo mikiakiaka, mihazakazaka, tsy avela manao zavatra irery mihitsy fa heverina ho toy ny zaza foana. Indraindray koa ny fihavian’ny zandry na ny fibedesana azy tsy hilalao ny zandriny dia mitarika azy io . Izany hoe alahelo, fahatezerana tsy voavoka izany no mety hitondra ny fandemana am-pandriana. Indrindra moa izy io raha miverimberina matetika dia tena tokony hanaitra antsika ray aman-dreny mihitsy.

Mety ho fintaomana ny ray aman-dreny hijery azy fotsiny ve io?

Raha misy zazakely vao tonga ao an-trano , izany hoe mahazo zandriny izy izany dia fitranga ihany ny fiverenan-tsain’ireo zokiny. Indrindra fa izay farany teo, io moa dia tsy fihantana fotsiny ihany fa filazany ny alahelony  ihany koa. Matetika mety handena am-pandriana izy ny volana voalohany, mety hiverina te ho fahanana rehefa misakafo, manao izay fomban-jaza rehetra. Fanehoan-kevitra izy eto ary tokony tohanana tsara ny zaza amizany fa tsy ambaniana. Aseho azy izany fa zanakareo foana izy na dia misy zazakely vaovao aza, ary tianareo daholo izy ireo.

Tokony fohazina ve ary ny zaza sa tsia amin’ny alina?

Eto indray dia samy manana ny heviny ny tsirairay. Misy mpitsabo milaza fa tsy mila fohazina ny zaza fa tokony ho izy ihany no ahalala hifoha irery. Ny antony moa dia hanazarana ny zaza hitsangan-drery, ny tsy hanapahana ny torimasony ary koa hanalàna ny fahavizanan’ny ray aman-dreny sy ny mba tsy hikitakitan’ireo zanany noho izany. Ao indray ireo milaza fa tokony fohazina ihany izy ireo mba ahamora ny fahazarany mifoha rehefa any aoriana any, ny zaza mantsy dia vetivetika ihany dia mahita torimaso indray.

Raha ny marina angamba dia tsy ho fantatra satria samy manana ny fombany ihany koa ny tsirairay, araka izay notazaina azy teo aloha. Ny torohevitra azo aroso  voalohany dia ny fanesorana ny tatin-jaza mialoha indrindra. Raha toa mantsy io hajanona ela loatra dia manaza-dratsy ny zaza izany, sady koa mitarika hakamoana  satria vahaolana vetivety ihany io, moa etsy andaniny dia mandany vola sy fotoana (raha mila sàsana) . Faharoa, azo atao tsara ny manisy lafika ny fandriana, ny tsy manome rano ny zaza alohan’ny hatory ary ny fanazarana azy andeha ho any an-kabone mialohan’ny hatory. Fahatelo, azo tairina moramora ny zaza rehefa lehibebe taona (3 na 4 taona ohatra) , alefa mi-pipi. Avy eo izy ihany dia mahay mifoha irery ka rehefa feno 5 taona any izy dia na mifoha irery na mahatana ka maharitra maraina. Raha matahotra izy dia azo atao ny manisy pot eo akaikiny na mandrehitra jiro ao amin’ny gabone mandritry ny alina (raha mpiasan’ny jirama) , indraindray koa misy an’ireny jiro kely ireny atsatoka amin’ny prise .

Bedesina ve ny zaza mandena am-pandriana?

Tsia, tsy bedesina izy. Tsy fanahy iniana mantsy izy io . Vao maika hanatery azy raha bedesina indray izy fa aleo aza tsy omena lanjany firy ny fandriana lena, ary omena lanjany be dia be ny zaza. Izany hoe hiarahana mamaha ny olàna: miaraka manamboatra fandriana, manaha kidoro. Miresaka momba ny zavatra mety manaporitra azy.

Fadiana dia fadiana ny mandatsa, indrindra fa avy amin’ireo mpiray tampo. Tena mety hananosarotra mantsy ny mamaha ny olàna avy eo ary tsy mety rahateo koa izany. Ny azo atao aza dia ny manambony azy , mampitovy azy amin’ireo zokiny. Mamela azy hanao zavatra irery ary heverina fa vitany

Tags : , ,
Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.