(mg- fr) Efa manomboka matomatotra ny fitiavana kilalao satria mitombo hatrany ny fahaizany sy ny hakingan’ny sainy. Tia manosinosika izy, mameno sy manala zavatra anaty baoritra na zavatra hafa, mikitikitika sy mitaingina tomobilina kely ary tsy adino koa ny peluche sy nounours.
Kilalao safidy ho an’ny 12- 18 volana

1- Ny anneau ampifampitaingenana
Inona no manintona azy? Mahafinaritra azy ny manatsofoka ilay anneau iny Efa miha-matotra mantsy ny fahaizany mamantatra ny haben’ny zavatra hitany (précision). Tsy voatery ho avy dia manaraka ny laoniny ny fametrahany azy.
Tena tokony vidiana ve? Mampianatra azy ahay handinika ny haben’ny zavatra voarain’ny tànany ity karazana kilalao ity. Aza atao kely loatra na dia izany aza, raha ny tena tsara dia zavatra mafonjafonja no safidiana. Mora raisina!
2 Tomobilina kely azo hanatsofohana forme isan-karazany 
Inona no manintona azy? Manosinosika an’ilay tomobilina na manezaka mafy mampiditra ireo cube-kely anaty lavaka no tena mahaliana azy eto. Rehefa tsy vitany izany dia kapokapohany mafy ny tomobilina keliny. Hitany irery eo ihany iny avy eo, raha ampiana tosika kely izy
Tena tokony vidiana ve? Ny lokony maro isan-karazany dia efa mahafinaritra sy manintona ny masony, ka hisarika azy hilalao sy hamantatra izany. Ireo forme isan-karazany koa (cube, rond, triangle, sns) dia tsara ho an’ny famantarany ny forme misy rehetra.

3 Ny cubes
Inona no manintona azy? Manataingitaingina ireny cubes kely ireny no tena mahavariana azy koa eto. Manomboka matotra mantsy ny sainy, ary mahavita manamboatra zavatra sy manimba zavatra. Manataingina cubes telo aloha hatreto no vitany
Tena tokony vidiana ve? Aza mitady zavatra lafo na sarotra loatra fa aleo kilalao tsotsotra , zakany zaza, antonona ny tànany kely. Raha misy zavatra mikorintsana dia vao maika mety ahafinaritra.
4 Tranokely
Inona no manintona azy? Mamoha, manidy, manodikodina, mitsikilo. Mahavariana azy daholo izany rehetra izany.
Tena tokony vidiana ve? Misy isan-karazany itony tranokely itony eny amin’ny mpivarotra: tranokely, tranon’ny mpiompy sns. Ny tena tsara safidiana dia ireo misy bokotra kely azo potserina, ny varavarana sy varavarankely azo sokafana,raha misy mozika tsy maninona. Raha feom-biby isan-karazany vao maika tsara, miaraka amin’ny sarin’ny biby ohatra.
5 Quilles -bowling
Inona no manintona azy? Mitoraka, mandaka amin’ilay tongotra kely iny . Mahafinaritra azy koa ny mandray an’ilay kilalao saomary mousseux. Mampianatra azy hi contrôler an’ny vatany rehetra izy ity. Eo amin’ny 15 volana eo izy mahay manipy baolina, tsy dia lavitra loatra na izany aza. 18 volana efa manomboka metimety kokoa.
Tena tokony vidiana ve? Ankoatran’ny maha-quilles azy dia ilay izy azo batabataina eny rehetra eny no tena hitiavan’ny zaza azy. Sady douce be!
6 Trotteur atosika
Inona no manintona azy? Fampianarana azy mandeha irery sy mi-découvrir ny manodidina azy, tsy azo avela irery fa arahina maso foana
Tena tokony vidiana ve? Raha tsy tena mafonja tsara ilay kilalao dia tsy dia tena tsara loatra fa mampianjera zaza fotsiny. jerena ihany koa raha misy tableau kely manenoneno mba azony lalaovina rehefa reraka izy mamindra.
7 Soavaly kely
Inona no manintona azy? Mahay miakatra ambony seza, manamoritra ny tongony, mitsangana irery izy eto. Mahaliana azy koa ilay mandroso- miverina eo ambonin’ilay soavaly. Vao maika hampianatra azy ahazo équilibre ihany koa io.
Tena tokony vidiana ve? SAfidiana ho amin’ny haavon’ny zaza, ary tsy mampienjera azy, misy tohana aty aoriana. Jerena tsara koa raha misy ahafahan’ny mitazona.
8 Kilalao kely anaty rano 
Inona no manintona azy? Namana kely miaraka mandro aminy sy kilalao mahavariana anaty rano . Mampianatra azy ny misy sy ny tsy misy satria fenoina rano dia ariana avy eo.
Tena tokony vidiana ve? Kilalao double satria azo ampiasaina eny amoron-dranomasina, fangalana fasika. Safidiana izay misy fampirimana azy mba tsy hiparitaka.
Tadidio koa fa tsy voatery vidiana daholo akory ny kilalao rehetra, fa ny zavatra rehetra efa ao am-pelatanana dia azo avadika ho kilalao avokoa. Ny baoritra azo atao tomobilina kely, ny fonona sakafo lasa dinety. Mila mañana création sy imagination kely fotsiny isika dia efa mahazo kilalao sady mora vidy no tsy maha-be entana rehefa miha-lehibe ny ankizy.
Jereo anie ireto hevitra isankarazany ireto e: http://kilonga.com/2009/04/07/jouer-sans-jouets/
Tohiny: Kilalao ho an’ny zaza 18-24 volana



Misaotra an’i Mbolatiana sy izay nandrindra rehetra an’ity kapila ity manokana i kilonga.com fa tena hevitra tsara sy mety ny nataony. Na ny fampahafantarana ny hiran’ny zaza, ny feo mozika malagasy, ny fitazomana azy ho mandrakizay ho henoin’ny taranaka maro mifandimby fotsiny aza dia efa mahafaly ny fo. Na ho anay lehibe aza dia mahatsiaro sy miverina amin’ ny fahazazana indray, ka vao maika moa ny fitiavanay ampita izany amin’ny zanakay dia tena mahafinaritra ery.
L’album Madagascar, rondes, comptines et berceuses, présente quelques images familières de l’enfance de Mbolatiana.
C’est le bon moment de faire le ménage dans les anciens jouets de vos enfants. Il n’est pas encore trop tard et généralement après la période de Noël les enfants cèdent facilement. Et oui, combien de nouveau paquet a t-il ouvert cette année? Entre les cadeaux des parents, des grands parents, des tontons et des taties, il y a de quoi refaire son coffre, non?

