Archive pour ‘Puériculture’

septembre 10, 2009

Fanasana ny fitombenan’ny zaza

1) Fepetra mahasoa:

Hamainina tsara ny vodiny. Indrindra ireo elakelany rehetra.

Mampiasa lamba fanamainana madio, malamalama ary maina tsara.

Rehefa manamaina ny zaza dia somary “tamponner-na” fotsiny ny hodiny fa tsy kosehina akory ( frotter), indrindra moa raha masaka (irritée) ny fitombenany.

Ahataka mihitsy ny feny, ny ambany helika sy ny ambadikin’ny sofiny ary hamainina tsara rehefa avy mandro izy. Any mantsy somary mihidihidy ka mora hijanonan’ny rano dia manjary masaka avy eo.

2)Fametrahana ny lafika (couche)

Apetraho mahitsy ny zaza, ampahitsio ho tody hatreny amin’ny fotrany ny lamba. Raha avo loatra na iva loatra mantsy dia mety hiborotsaka na hankarary azy.

Raha manalasala anao dia andramo ampidirina anelakelakin’ny lamba eo amin’ny feny ny ratsan-tananao; sahabo 2cm eo ny elanelany mety indrindra.

Tandremo ihany koa raha mampiasa lafika avy dia ariana irony mba tsy hisisika any anaty feny any ilay morony misy elastika iny fa marary ny zaza.

Dia toy izay ihany koa raha tafiditra anelakelakin’ny kibony sy ny lafika ny ratsan-tananao dia ao tsara izy izay. Tsy atahorana hitobaka.

3)Fadio ireto manaraka ireto.

Fanoloana ny lafika amin’ny ora raikitra. Indrindra moa ny mamoha zaza raha matory izy.

Raha fohazinao mantsy izy fa nikàkà ohatra dia mety hanelingelina ny torimasony izany, ka avy izy dia ho kizitina be.

Ny tena tsara dia ny manolo azy aloha na arian’ny sakafo, na alohan’ny hatoriany. Maka aina kely izy amizay.

Tandremana rehefa manjaitra na mividy ny lafika mba ho arakarakan’ny habeny tsara no vidiana.

Raha kely loatra mantsy dia ho tanteraka foana, raha malalaka be indray dia hiboritsaka foana. Ny zaza rahateo tsy ahazo aina.

Mba tsy ho voan’izay, dia rarao ny manangona lafika be dia be (mahita fihenam-bidy ohatra) . vetivety ny fitombon’ny zaza.

4)Savony sy rano sa …. lingette?

Tsy misy tsara toy ny rano madio mangarahara amin’ny fanasana ny fitombenan’ny zaza. Taloha na amin’izao fotoana aza dia mampagotraka rano ary atao anaty thermos iny. Dia iny no avoaka tsikelikely ary hanasana ny zaza amin’ny vovo madio. Aza mampiasa “gant de toilette” fa mandrovitra ny hoditrin’ny zazakely mbola manify.

Azo atao mihitsy ny tsy mampiasa savony raha pipi fotsiny, raha mikàkà moa izy dia ireny savony tsotra tsy mamofona manitra sy be fangarony ireny no ampiasaina. Indraindray aza dia mila tondrahana any @ trano fisasana mihitsy ny zaza raha hita fa ilaina zaza.

Vao mahay mitsangana moa izy dia efa atao fahazarana io. Aza adino ny manamaina tsara azy alohan’ny mampiakanjo azy indray fa manjary masaka ny vodiny.

Raha mivoaka: Mitondra rano sy vovo kely e! Ny lingettes dia tena tokony ho mahalana mihitsy.

5) Ary raha masaka ny vodiny?

Tokony ahavatra manolo azy matetika mihitsy, sy manasa azy tsara ary manamaina ny fitombenany ara-dalàna isika ray aman-dreny dia tsy miverimberina io. Raha sendra anefa ka tratra ihany izy dia avela kely elaela ahazo rivotra eo ny vodiny vao asiana lafika indray. Asio crème ihany koa (liniment oléo-calcaire ohatra, @ menaka oliva)

Fitandremana manokana:

ho an’ny vavikely dia mila tandremana tsara ny fanasana azy satria raha avy any ambany miakatra ambony dia manjary miverina idiran’ny loto indray ny fivaviany. Io manko no anisan’ny mahavoa ny “infection urinaire”

mai 13, 2009

A table mon altesse!

Vous souvenez vous de votre chaise haute d’antan? Non?… et bien vos enfants eux s’en souviendront. En tout cas les designer contemporain en fait tout pour.
Voici quelques choix de chaise haute mais que dis-je de trône pour notre roi et notre reine. Car dans le 21ème siècle la chaise haute cela fait aussi office de fauteuil. Le confort est indispensable pour les fesses de vos enfants. Multifonctions, c’est le 3 en 1 qui est à la mode . Pour les repos, les repas et les activités.

Les TOP Design et Confort: env. 300 à 450 euros

MozzeeNest

MozzeeNest

>Style rétro 70′s , de 6 mois à 6 ans.

A part le fait que ton enfant se retrouve assis dans une sorte de coquille d’œuf, rien ne devrait nous faire reculer à choisir la Mozzee, à part peut être son prix

Son point +: s’adapte à une famille contemporaine habitant dans un loft et qui mange sur une table très haute?

BloomBaby

BloomBaby

> La fresco loft par Bloom Baby de la naissance à 36 mois +. Hauteur ajustable. Démontable et lavable. Matière douce et moelleuse

Son point +: utilisation maximum de la naissance (transat) à l’école élémentaire (plateau d’activités). Plusieurs coloris

Les accessibles: env 295 euros

KidsGallery

KidsGallery

Pour les enfants de 6mois à …20 ans. KidsGallery. Forme bombé, protection maximale, bras de protection

Tiens, une autre chaise qui se garde jusqu’au 20 ans de l’enfant, aura t-il toujours envie de monter dessus? patience! Déjà qu’il nous donne l’impression d’un déguisement de fantôme

Peg perego

Peg perego

Alors là, le tatamia de Peg perego il est vraiment bien conçu. De la naissance à Rapport qualité prix ce serait sûrement l’achat- conseil du jour.

Son +: Se plie automatiquement à une taille de stockage compact. Dès la naissance. Large et spacieuse. Système de confort et de sécurité .

Les standards: de 60 à 170 euros

Roba

Roba

Robustesse et stabilité pour la Rosa Move up. Dans les autres marques Childwood (bois naturel) et Leander, on y trouve à peu près le même style pour un budget de 170 euros environ. Il faut dire que c’est la grande tendance de cette année.

Son point +: en bois, facile à nettoyer, résistance au temps, indémodable

funpod

funpod

Dessiné par des designers anglais, les funpods de LittleHelper sont conçus pour des enfants curieux. Il leur permet d’être assis ou bien debout (en toute sécurité) selon leur activité et de participer aux activités de la maison (cuisine).

Son point +: se transforme en meuble de cuisine si vous avez la planche à découper (en option)

Les pratiques: env. 12 eur à 100 eur

ikea

ikea

Pas de chichi, très facile d’entretien. Pour le budget de madame-tout-le -monde. Au niveau de la sécurité , et bien il faut vraiment être à côté de l’enfant au cas où …il se lève

Le hic: raide et basique

amour-coeur-00107Notre coup de cœur

childwood

childwood

Amusants, abordables et résistants. Voici la chaise cube (hêtre) qui se transforme en table et chaise. Conforme à la sécurité. Son prix: env. 60 eur

Les classiques: moins de 100 euros

Combelle

Combelle

>La Combelle classique, il porte bien son nom. Un peu cher pour ce que c’est, alors que les designers se battent pour trouver le best des best. Combelle, tente de séduire les conservateurs.

bebe confort

bebe confort

>Bébé confort, une marque bien connue des mamans nous offre ici une chaise haute qui s’accroche sur presque toutes les tables (épaisseur 5cm) et qui s’emporte partout.

Son point +: il vous suit partout et s’installe en un clin d’œil. Système de verrouillage sécurisé. Très stable et bon maintien du dos.

mars 30, 2009

Kilalao ZazaKely: 0-3 volana

Inona moa ny atao hoe milalao? Moa va tsy mandeha mikaroka izay manodidina ny tontolo iainana: mandray, mihaino, mizara, mitanisa, manandrakandrana…

Ireto aza misy sombin-kilalao ho an’i zazakely heverinay eto amin’ny kilonga.com fa hanampy antsika ray aman-dreny amin’ny fifidianana kilalao ho an’izy ireo. Mandeha araka ambaratonga izy ireo. Mamakia finaritra o!

1) Saribakoly lamba, nounours na peluche

Mahafinaritra aminy:

Rehefa zavatra malefadefaka sy kelikely ka misy orona, vava, maso anankiroa ary sofina azo rohidritina . Mahafinaritra azy ny mikitikitika ireo karazan-damba sy “texture” rehetra.

Fomba hisafidianana azy:

Zavatra kelikely, tsy “rigolote” akory. Tena kilalao maneho sarim-biby no alaina (bitro, alika kely, saka…) na saribakoly. Tandremo fa ny peluche sy ny nounours dia mitàna vovoka be.

2) Ny korintsana, na hochet

Mahafinaritra azy:

Vitany ny mandrazona azy mafy, ny mandraindray azy. Efa mampianatra azy zavatra maro na dia izay fotsiny aza. Vao maika moa avy eo fa misy feo mivoaka avy ao anatin’iny ( grlots, na hira malefaka)

naturabebe.com

Fomba hisafidianana azy:

Maivana, misy loko maro, boribory tsara ny manodidina azy. Tandremana tsara mba tsy ho zavatra mora mihendaka ny ao anatiny sao lasa any am-bavany.

3) Ny mobile

Mahafinaritra aminy: Ahafahany manavaka ny loko sy ny bika isan- karazany ary mihaino hirahira malefaka. Io irery ny kilalao tsy miala eo amin’ny champ visuel. Rehefa tsofin’ny rivotra na rehefa miodina ilay “figurine” kely dia manaitaitra azy.

Fomba hisafidianana azy:

Marevaka tsara. Afaka vonoina rehefa tsy ilaina ny feon-kira. Tandremana sao tsy miraikitra tsara ny fitoerany (amin’ny berceau ohatra, na amin’ny landau) ka mivaha dia mianjera eo aminy. Toy izay ihany koa ny mombamomba an’ireo “joujoux” miantona eo sao rohitiny.

4) Kilalao kely mitsingevana

Mahafinaritra aminy:

Manampy azy amin’ny fahatahorany rehefa ao anaty rano izy. Ahafahantsika ray aman-dreny manazava koa fa tsy milentika any anaty rano izy.

sophie la girafe

Fomba fisafidianana azy:

Amin’ny caoutchouc malefaka (azo aholakolana) ary tsy misy bolongalongana (aspérités) . Rehefa mitsengevana, mi-couine, ary afaka atao arrosoir dia efa mety. Betsaka ny zavatra azo foronina avy amin’ireo hevitra telo ireo avy eo. Ireny kana kely ireny na i Sophie La girafe no tena tsara.

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.