Tsy moramora ny miteraka ary mbola sarotra aza ny manabe! Mitombo isan’andro ny asa miandry antsika, anefa etsy an-daniny dia miha reraka hatrany ny vatana, ny trano mikorontana, ny asa miandry etsy misafononoka hatrany.
Tadidio anefa fa tsy -miady- irery isika vehivavy. Anjarantsika no miantso vonjy, ny mitarika ny vadintsika hiara-dia amintsika. Ahoana ary ny atao? Araho ange ireto torohevitra ireto e, hitanao eo na mandaitra na tsia fa andramo aloha e!
Ireo torohevitra ireo dia nangoniko tao anatin’ny boky nosoratan’i Anik Routhier mitondra ny lohateny hoe Imparfaite et alors?
Toromarika 1: Fantaro ny momba ny lehilahy (rehefa avy niteraka izy) –
Aleo aloha dia tsorina fa samihafa ny lahy sy ny vavy. Ny fomba fisainantsika, ny fomba fihetsikitsika sy ny fomba fihatrikitsika ny zava-mitranga dia mifanaraka amin’ny maha-lahy na maha-vavy antsika. Ny marina dia hoe ny lehilahy dia manamora ny rehetra , izay zavatra tsy dia haintsika vehivavy loatra io. Raha zohina amin’ilay fanazavana hoe ny lahy avy amin’ny planeta mars ary ny vavy avy amin’ny planeta vénus dia lazaina fa ry zareo avy any amin’ny mars dia karazan’irony olona tsy miraika irony, manamaivana izay tranga rehetra miseho ny lehilahy. Fa ry zareo avy any Vénus kosa dia mahita lavitra, ary indraindray aza na tsy hisy akory ilay izy dia heveriny fa hisy foana, any ka avy izy dia mihaloa làlana (prévenante hoy ny vazaha). Mety misy misombadika ihany amin’ireo karazana ireo, fa tsy aharitra ela amin’izany planeta izany izy akory.
Ny dikan’izany dia hoe avelao ny dadany mba hanao izay tiany koa . Aza dia manao Germaine loatra (qui Gère et qui Mène)
Fanamarihana ireo voalaza ireo dia fantatsika tsara fa rehefa mivoaka ny ankizy miaraka amin’ny dadany, dia tsy misy zavatra nokarakarainy mihitsy ho an’ilay zaza. Izany hoe arakarak’izay tranga miseho eo no amahany ny olana. Ohatra: mandeha mitsangatsangana, tsy misy goûter, tsy mahay hoe aiza tsara ny aleha, tsy nitondra akanjo mafana, tsy maharitra ela na diso ela loatra. Ny mahagaga anefa dia faly be foana ny ankizy rehefa miverina avy any. Mahagaga tokoa e?
Ny vahaolana atoro antsika renin-jaza aza dia ny hoe: mahaiza mangala tahaka ny ataon’ny vadintsika amin’ny zanatsika -indraindray- Indraindray hoy aho an! Aza dia be sermonina lava, na dia prévoyante loatra, fa na ny ankizy aza leo sy reraka. Izany hoe ilaina ihany indraindray ilay izy fa tsy atao isan’andro . Ny dikan’izany dia hoe avelao ny dadany mba hanao izay tiany koa . Aza dia manao Germaine loatra (qui Gère et qui Mène)
Toromarika 2 :Mivoaha!
Avelao ary aloha rangahy mba hanao izay tiany ao an-tokantrano ao e. Indraindray mantsy izy ireny dia mila fahafahana kely ihany fa tsy dia atao hita be hoe ‘voageja’. Ny fahaizanao ‘mampiasa’ azy sy maniraka azy koa no tena ahafahantsika vehivavy tsy ho reraka ambony ihany. Déléguer les tâches raha amin’ny teny vahiny.
Ny fomba tsotra indrindra dia ny mandeha mivoaka irery na miaraka amin’ny namana, rahavavy sns. Mandeha miantsena, manao massage, mijery concert. Betsaka ny toerana azo aleha, ny didy apetraka fotsiny dia hoe ramose no avela ho mpanjaka ao an-trano, ary avela tanteraka fa tsy hoe antsoina kely afaka adin’ny roa dia omena baiko an!
Avela irery izany izy mba handray andraikitra amin’ny fikarakarana ny ankizy, ka na tsy mifanaraka aza ny lokon’akanjo ambony sy ambany. Na dia tsy mifandanja aza ny sakafo omeny, varin’ampango sy siramamy ny atoandro dia ny alina vary sosoa sy tantely, na purée atoandro, pâte ny alina. Dia mba avelao izy hianatra irery eo e!
Ary rehefa miverina ianao ramatoa dia aza be fanontaniana, manao ra-polisy. Ny antony dia izao, raha vao maika ianao mandatsa azy amin’izay “ezaka’ efa nataony dia mety tsy handray anjara intsony izy amin’ny manaraka.
aza adino mandagonlango e!
Fa raha matoa moa ka tena diso mafy loatra ilay fanahy ratsy te hibaiko an’izao tontolo izao ao anatinao dia ny hevitra iray azo atoro antsika dia ny manao lisitra. Ohatra hoe amin’ny firy ny fotoana hisakafoanana, inona ny devoara tokony harahina, aiza no tokony hiantsena ary inona no vidiana. Avy dia apetraka ny akanjo tiana hanaovan’ny ankizy, sns e.
Raha ny tokony ho izy koa dia iray ihany ny zavatra tenenina ny lehilahy isak’izay miresaka. Na avy dia tenenina azy ny zavatra tokony ataony (ohatra sasao ireo lamba ireo), na efa fantany fa atoro azy fotsiny ny fomba fanaovana azy (itsy savony itsy no hanasana ireo lamaba ireo). Fa tsy izy roa mitambatra no avy dia asisika fa sady tsy hainy no tsy harany no tsy henoiny no tsy rarahiny.
Iray hafa koa dia ny fahaizana miresaka aminy. Tsy rehefa mijery baolina akory, na rehefa eo ny akamany rehetra izy no hirahina manasa vilia, na manolo couches, fa minoa ahy ianareo fa tsy andeha izy akory. Dia aza adino mandagonlango e!
Toromarika 3: Ankafizo amizay!
Rehefa nahavita ireo dingana rehetra ireo ary ianao dia efa azo atao fa nahatafita ny lakana. Noho izany, zava-dehibe farany dia ny fahaizana maka fy an’izao zavatra notadiavinao izao.
Raha tsapanao fa tsy reraka be toy ny taloha ianao, raha tsapanao fa manampy anao ny vadinao ao an-tokantrano ary tsy mampaninona anao izay ataony dia azo atao fa mandeha tsara ny fitantanana ny tokantranonareo. Ary matokia ahy fa ho faly ianareo mivady ary indrindra koa ny ankizy. Aoka fotsiny hoy ny namana angamba!
Ary raha tiana hitohy kosa anefa izao fiarahana mamy izao dia aza adino mihitsy ny mankasitraka an-drangahy, indrindra moa rehefa eo rafotsy reniny na ireo bandy akamany.
Dia mazotoa miara-dia aza e!
aza adino mihitsy ny mankasitraka an-drangahy
Jereo koa:



Water Baby
Firy moa isika ray aman-dreny no mankahala ny taranja ‘Mathématique‘ na kajy. Misy vao maheno hoe vecteur, fraction, chiffre dia efa mihoro-koditra. Iza marina no diso: ny mpampianatra ve no tsy nahay nampita ny lesona, sa ny ray aman-dreny no tsy dia nazoto nanampy ny fanazavana, sa isika mihitsy no donto? Mba tsy hiverenan’ireo fanontaniana ireo, mbola tsy tara izao raha te hampianatra ny zanatsika isika! Andao anie e…




