Archive pour ‘Bebe’

novembre 13, 2009

Inona no antony mampitomany ny zazakely?

- Reraka sa te hatory?

Ho an’ny zaza dia mikotaba daholo ny manodidina azy. Adinontsika matetika fa mila fahanginana ny zazakely. Tsy hoe tsy akory ahato daholo ny atao rehetra, fa kosa atao amin’ny feo malefaka tsy dia mankarary ny sofiny izany.

Ny fahitalavitra, ny feo rehefa miresaka, ny feo rehefa manakisaka fanaka, sns ireny dia mety hampi-stress ny zaza daholo ka antony iray mampitomany azy.

Tandremo ihany koa ohatra fa rehefa hariva avy miasa iny ianao, indrindra raha tara fodiana dia mety efa reraka ny zaza ka aoka tsy dia kotabaisina loatra intsony izy . Oroka mamy dia mety ho ampy aloha raha mbola kely taona ny zanakao.

Raha mikosoka maso, manoaka sy mikoretadretaka dia efa ora fandehanana matory izay.

- Misy manelingelina angamba?

Ny zavatra voalohany manelingelina ny zaza dia ny ‘couche‘ maloto. Raha toa ka mi-absorber pipi tsara ny couche ankehitriny, dia hita hoe mavesatra ihany. Aza miandry ela fa avy dia soloy avy hatrany.

Matetika koa eo amin’ny fampatoriana zaza dia misy ireo tsy mety matory mitsilany. Amin’izao moa manahirana ihany ny mampatory zaza mihohoka noho ny “mort subite du nourrisson” ka noho izany dia miezaka isika mba ampitony ny zaza amin’ny fomba rehetra:  trotroina sy tambatambazana ohatra.

- Mety hoe noana kosa angaha?

Ny zaza misakafo amin’ny biberon dia fantampatatra  ihany hoe firy ny laniny ary amin’ny firy eo indray izy no noana. Rehefa minono kosa dia tsy dia voafaritra firy io. Io no antony mahatonga ny fanomezana nono ho isak’izay mitady, na dia vao avy ni-nono aza izy adin’iray mialoha, dia omena ihany! Indrindra moa raha mikifikifika ny lohany manantona ny tratra, na te hinono tànana izy. Raha ampiana tomany moa ireo dia tena noana tokoa izy izay. Ka dia omano ny biberon na ny nono ry neny!

- Ary raha marary kibo kosa?

Raha mena be ny takolaka, miketrona mafy ary mitambotsitra , miampy rivotra, dia mety marary ny kibony. “Colique” hoy ny fiteny vahiny. Matetika alohan’ny hatory , na rehefa avy misakafo no miseho izy ity. Mitomany amin’ny tsy misy dikany hoy isika , anefa tena mety misy rivotra ny kibon’ny zaza ka marary azy. Mitomany mafy sy mahery tampoka eo izy , ary tsy mety hampanginina mihitsy. Ny tsara dia trotroina mihohoka ny zaza, amin’izay mantsy mba manotra ny kibony ny tànana. Raha tsy mety tony dia manatona dokotera, indrindra raha misy tranga hafa miseho!

Dia ahoana no atao mba hampangiana azy?

- Rotsirotsy, tambitamby

Raiso izy dia rotsirotsio. Indraindray mety reraka mitsilany na mipetraka izy, indraindray koa mety te ho raisina fotsiny izy fa mahita ny ray sy reniny. Rehefa maheno ny fofonao sy mahazo hafanana avy aminao iny izy dia efa mahatsiaro sambatra ka mety ampy azy izay.

- safosafo, teny mamy

Azo atao ihany kao ny manafosafo ny zaza raha matory izy na mipetraka, somary orona kely ny kibony, ny tratrany; safosafoina ny tongony, ny lohany, ny tànana keliny. Midika zavatra betsaka izany amin’ny zaza.

- hirahira, kalokalo

Azo atao koa ny mihirahira malefaka, hiran’ny zaza, hiran’ny soratra masina . Manao tantara valamaty aminy eo, resahana ny zaza na dia zavatra kely heverina fa tsy misy dikany aza. Ohatra: jereo ny tomobilina e, tsara ny andro e! sns…

Ny olona taloha manao hoe: avelao hitomany fa manatsara tratra izany e! hatramin’izao aloha dia tsy mbola misy porofo ny maha-marina izany fa ny azo antoka dia valiana sy tadiavina ny antony mampitomany ny zaza.

Rehefa tsapan’ny zaza mantsy fa mamaly ny hataka tadiaviny ny ray aman-dreniny dia manome toky azy izany, ary io toky io indrindra no ahafahany mandeha irery avy eo.

- sa kilalao no omena azy?

Mety hampitony tokoa ny korintsana na irony mobile irony, saingy vetivety ihany izany . Azo atao vahaolana io ohatra raha eo ampanomanana ny sakafony ianao .

Indraindray koa mety te hivoaka kely ilay zaza, ka raha mitsangatsangana ianareo dia mangina izy. Matetika io mandaitra rehefa te hatory ilay kely!

>>Fantatrao ve fa adin’ny telo isan’andro eo ho eo ny zazakely (0-12 volana) no mitomany ao anatin’ny iray andro? Io no mba hany fomba hitany ahafahany miresaka aminao, ka henoy izy!

octobre 14, 2009

Danse Maman Danse Bébé

Little Miss Sunshine pousse bien. Elle ensoleille nos matinées (et nos nuits) d’un merveilleux sourire et gazouille des voyelles et des consonnes à longueur de journées. Il était donc temps de commencer son éducation culturelle afin qu’elle ne termine pas comme sa maman. inactive. stressée. fatiguée. vendrana be. Et bien entendu, la maman qui n’a aucun sens du rythme,  avec aucune once de grâce (et qui est plutôt très grasse ces jours-ci) s’est jetée avidement sur l’annonce que la gentille dame lui a refilée dans la rue : Mommy dances / Maman dance. Sans hésitation, je nous inscris à la session (toute entière de 12 séances) de Septembre. Pas de problème. Au contraire, la danse a toujours été un univers fascinant. je veux le meilleur pour mon enfant. blablabla. bref le speech bien ressassé dans le cerveau afin de se convaincre qu’il ne s’agissait pas d’une de ces lubies à la “So you think you can dance”. yes we can.

piqué sur cette jolie chanson

Dance, Little Baby, Dance Up High

Dance, little baby, dance up high,
Never mind, baby, mother is nigh;
Crow and caper, caper and crow,
There, little baby, there you go.
Up to the ceiling, down to the ground,
Backwards and forwards, round and round;
So dance, little baby, and mother will sing,
With a high cockolorum* and tingle-ting-ting.**

Mercredi.10h du mat’.Oh. la salle est pleine. 15 couples maman+bébé papotent patiemment pendant que la gentille dame préparent les morceaux. je ne me pose aucune question d’ordre…euh…technique. il s’agit bien de danse avec bébé. on ne fait que danser. right? “Balancez-vous” “passez d’un pied à l’autre”. facile. tu sautilles, genre un pied, hop là, l’autre, hop là. pendant ce temps bébé s’éclate comme pas possible. dans tes bras. j’insiste bien sur le “dans tes bras”. car autour de moi les nanas elles avaient emmené des kangourous, slings, porte-bébé, burritos et tous ces trucs du Pérou ou du Mali super jolis, super compliqués à mettre et surtout super pratiques pour la danse avec bébé! car après 2h de vrilles par-ci par-là hop là hop là, les mains en l’air à gauche en haut en bas à droite, les enchaînements à 78 rythmes, les pas de deux, pas de trois, pas la peine...j’invente n’importe quoi pour m’asseoir et épargner mon pauvre dos et mes petits bras (grasses, je le dis bien). Mais oui, “faites les choses à votre rythme”.” Votre bébé est votre priorité”. Bah oui tiens. ma Sunshine s’est assoupie pendant la fausse-pause tétée. d’ailleurs je me demande comment ça se fait qu’avec tout ce boucan sous des notes Musiques du monde qu’elle arrive à roupiller sans problème alors que je m’explose les cordes vocales avec Frère Jacques tous les soirs pour l’endormir, sans succès.

En conclusion: vous vous étonnerez de savoir que nous en sommes à notre 4è cours de danse, que la petite adore l’ambiance et que maman se démerde assez bien et ne se démène plus trop. vous pouvez pratiquer la danse dans n’importe quelle circonstance et à n’importe quel âge pour votre enfant tant qu’il y a de la musique. c’est aussi sympa aussi d’inviter papa à joindre le duo pour un rock’n'roll du tonnerre. mais surtout n’oubliez pas le porte-bébé, pour l’amour de votre dos! ce cours est devenu indispensable à notre train-train hebdomadaire au même rang que le”porter de la poussette pour parvenir au 3è étage” et le “lessive-triage-repassage-ménage-vaisselle”. maman avait besoin de s’activer, de faire un minimum pour revenir à la forme et de libérer ce pauvre corps tout ankylosé et empâté. bébé danse, maman danse, et peut-être au cours numéro 12 maman redeviendra un peu jolie…

Liens :

Inscrivez-vous à Montréal, en France mais faites-le aussi à la maison avec les petits amis!

Mettez -vous au pas sur Youtube,

Remise en forme post-partum

septembre 10, 2009

Fanasana ny fitombenan’ny zaza

1) Fepetra mahasoa:

Hamainina tsara ny vodiny. Indrindra ireo elakelany rehetra.

Mampiasa lamba fanamainana madio, malamalama ary maina tsara.

Rehefa manamaina ny zaza dia somary “tamponner-na” fotsiny ny hodiny fa tsy kosehina akory ( frotter), indrindra moa raha masaka (irritée) ny fitombenany.

Ahataka mihitsy ny feny, ny ambany helika sy ny ambadikin’ny sofiny ary hamainina tsara rehefa avy mandro izy. Any mantsy somary mihidihidy ka mora hijanonan’ny rano dia manjary masaka avy eo.

2)Fametrahana ny lafika (couche)

Apetraho mahitsy ny zaza, ampahitsio ho tody hatreny amin’ny fotrany ny lamba. Raha avo loatra na iva loatra mantsy dia mety hiborotsaka na hankarary azy.

Raha manalasala anao dia andramo ampidirina anelakelakin’ny lamba eo amin’ny feny ny ratsan-tananao; sahabo 2cm eo ny elanelany mety indrindra.

Tandremo ihany koa raha mampiasa lafika avy dia ariana irony mba tsy hisisika any anaty feny any ilay morony misy elastika iny fa marary ny zaza.

Dia toy izay ihany koa raha tafiditra anelakelakin’ny kibony sy ny lafika ny ratsan-tananao dia ao tsara izy izay. Tsy atahorana hitobaka.

3)Fadio ireto manaraka ireto.

Fanoloana ny lafika amin’ny ora raikitra. Indrindra moa ny mamoha zaza raha matory izy.

Raha fohazinao mantsy izy fa nikàkà ohatra dia mety hanelingelina ny torimasony izany, ka avy izy dia ho kizitina be.

Ny tena tsara dia ny manolo azy aloha na arian’ny sakafo, na alohan’ny hatoriany. Maka aina kely izy amizay.

Tandremana rehefa manjaitra na mividy ny lafika mba ho arakarakan’ny habeny tsara no vidiana.

Raha kely loatra mantsy dia ho tanteraka foana, raha malalaka be indray dia hiboritsaka foana. Ny zaza rahateo tsy ahazo aina.

Mba tsy ho voan’izay, dia rarao ny manangona lafika be dia be (mahita fihenam-bidy ohatra) . vetivety ny fitombon’ny zaza.

4)Savony sy rano sa …. lingette?

Tsy misy tsara toy ny rano madio mangarahara amin’ny fanasana ny fitombenan’ny zaza. Taloha na amin’izao fotoana aza dia mampagotraka rano ary atao anaty thermos iny. Dia iny no avoaka tsikelikely ary hanasana ny zaza amin’ny vovo madio. Aza mampiasa “gant de toilette” fa mandrovitra ny hoditrin’ny zazakely mbola manify.

Azo atao mihitsy ny tsy mampiasa savony raha pipi fotsiny, raha mikàkà moa izy dia ireny savony tsotra tsy mamofona manitra sy be fangarony ireny no ampiasaina. Indraindray aza dia mila tondrahana any @ trano fisasana mihitsy ny zaza raha hita fa ilaina zaza.

Vao mahay mitsangana moa izy dia efa atao fahazarana io. Aza adino ny manamaina tsara azy alohan’ny mampiakanjo azy indray fa manjary masaka ny vodiny.

Raha mivoaka: Mitondra rano sy vovo kely e! Ny lingettes dia tena tokony ho mahalana mihitsy.

5) Ary raha masaka ny vodiny?

Tokony ahavatra manolo azy matetika mihitsy, sy manasa azy tsara ary manamaina ny fitombenany ara-dalàna isika ray aman-dreny dia tsy miverimberina io. Raha sendra anefa ka tratra ihany izy dia avela kely elaela ahazo rivotra eo ny vodiny vao asiana lafika indray. Asio crème ihany koa (liniment oléo-calcaire ohatra, @ menaka oliva)

Fitandremana manokana:

ho an’ny vavikely dia mila tandremana tsara ny fanasana azy satria raha avy any ambany miakatra ambony dia manjary miverina idiran’ny loto indray ny fivaviany. Io manko no anisan’ny mahavoa ny “infection urinaire”

septembre 8, 2009

Ireo karazana sakafo azo omena ny zazakely

Mananosarotra ho antsika ray aman-dreny mihitsy ny mamantatra ny karazan-tsakafo azo omena ny zanantsika. Manomboka eo amin’ny faha-enimbolany mantsy dia efa ahena ny ronono, manomboka eo dia azo omena venti-kanina ny zaza. Indreto aza torohevitra vitsivitsy zaraina aminareo reny momba ireo karazan-tsakafo azo omena ny zanakareo.

légumes

légumes

Ny legioma

Inona?

Haricots verts, korzety (esorina ny voniny ary voasana), poireaux (ilay fotsy ihany), épinards, karoty, ovy, céléri, navets, voatavo, sosety.

Firy?

2 na 3 sotro aloha amin’ny voalohany. Ampiana tsikelikely ahatratra 130g/andro.

Ampitomboina tsikelikely araka ny taonan’ny zaza ihany koa ny karazana legioma omena azy.

Ahoana?

Masahana amin’ny rano na atao vapeur, tsy asiana sira. Totoina atao lasopy na purée.

>Resety:

Crème de courgette (6-8volana)

Voasy ary sasao ny korzety (1). Zarao roa dia esory ny voaniny. Teteho dia andrahoy 10mn eo ho eo. Rehefa masaka dia asio céréales kely (na maïzena 1sotrokely) . Afangaroy ireo ary totoy halemy.

Ny Hena

Inona?

Akoho, Vorontsiloza (esorina ilay mampaditra), bitro, zanak’ondry, hen’omby, jambon cuit tsy misy taviny

Firy?

2 sotrokely (10g) zaza >6-8 volana

4 sotrokely (20g) zaza >9-12 volana

Indray isan’andro, ary ampifamadihana amin’ny trondro sy atody

Ahoana?

Atao tsara masaka sy malemy. Mixée na hachée

>Resety:

Emincé de gigot (9-12volana)

Andrahoy 10mn eo ho eo ny tranche fine- na agneau iny; ampiaraho amin’ny zava-manitra sy karoty kely ary tapak’oignon. Rehefa masaka dia esory ireo fangarony ary totoy .

Ny voankazo:

Inona?

Azo ohanina daholo ny voankazo rehetra rehefa masaka tsara sy azo antoka fa madio. Tandremana ihany anefa ny mananasy, groseille .

Firy?

Isak’izay mitady ny zaza, compote na natiora. Atao tsindrin-tsakafo na atao goûter.

Ahoana?

Voasana, natiora, na masahana. Mixés, na écrasés na compote. Diovy tsara!

>Resety

Smoothie d’ananas (9-12 volana)

Mixer-o tapaka mananasy (silany iray) efa voatetika majinika. Ampio yaourt natiora sy siramamy kely.

Ny trondro

Inona?

Tilapia, colin, limande, cabillaud sy ny trondro tsy dia matavy rehetra. Tandremo ny taolana.

Firy?

Toy ny hena ihany 2 sotrokely aloha dia miha ampiana araka ny taonan’ny zaza. Ampifandimbiasina amin’ny hena sy ny atody.

(c) heriniaina

(c) heriniana

Ahoana?

Papilotte, court-bouillon, vapeur. Mixer

>Resety

Nofon-trondro sy ovy potsehina (Iza no tsy nihinana izany fony zaza e?)

Lieu sauce béchamel (9-12mois)

Andrahoy ny trondro . Ao anaty casserole, raraho 1 sotrokely -na maïzena (farine de manioc io) miaraka amin’ny rano mafana. Arotsay ao erakin’ny sotrokely- na crème fraîche sy 1pincée-na fromage râpé. Miam!


Ny atody

Atody akoho ihany.

1/4 -na oeuf dur zaza> 6-8mois

1/2 oeuf dur zaza> 9-12mois

Solona hena na trondro. Tsy mihoatra ny indroa isak’herinandro

Ny ronono

Inona?>

Ronono 2ème âge, yaourt, petits- suisses, fromages frais , crème fraîche.

Firy?

500ml farafahakeliny/andro ny ronono, 1 yaourt, 15g de fromage. Tsy mihoatra ny 700ml izy rehetra mitambatra.

Ahoana?

Mety daholo.

Maroroa taiza ary o!

avril 17, 2009

Mombamomba ny zazakely 7-12 volana

Mitohy indray ny famelabelarana tsotsotra momba ny fandrosoam-pahaizan’ny zazakely eto amin’ny kilonga.com, eto dia 7 ka hatramin’ny roambifolo volana no ho hitanareo. Mazotoa o!

>7 volana: parachutiste!

Raha mipetraka izy ka mitady hianjera- fa te hanakatra zavatra ohatra dia ampiasainy ny tànany mba hitazona équilibre-ny vatany. Samboriny ny tongony dia alefany any am-bavany ny ratsan-tongony.

Hainy ny mamindramindra ny kilalaony amin’ny tànanany roa, manalatsaka izay raisiny an-tsitrapo na mikapoka amin’ny latabatra. Ampiasainy ny ankihibeny sy ny fanondrony hakany zavatra.

Dabadabadaba foana mandrapaharivan’ny andro, mibadabada hoy isika.

>8 volana: tomombana tsara

Mahay mipetraka irery izy, mipelipelika amizay ary afaka mivadibadika mba hanakarana ny manintona azy. Ohatran’ny zanaka ours ireny dia migorisa izy,ary ny tànany sy ny loha-tongony no ampiasainy manosika ny vatany.

Mahay manondro tsara izay tadiaviny izy, ary fantany amin’izay ny fisiany ny manodidina azy “la permanence de l’objet” . Raha afenina ambany lamba ny kilalaony ohatra dia lasa izy mitady azy . Fotoana hilalovana an’ilay kilalao “nankaiza nanakaiza o? io e!” ito volana ito.

Manomboka manatambatra syllabe, ary manarak’efa! Raha misy olona tsy fantany manantona azy dia mitomany izy.

>9 volana: Mahasakisaky!

Migorisarisa amin’ny vodiny izy dia lasa mandehandeha. Mahavita mitsangana koa raha mitazona amin’ny fanaka, mahay mamindra vetivety dia midoboka fa reraka.

Raha te haka zavatra izy dia ohatran’ny akohokely mitsindroka ny fampiasany ny tànana keliny. Mahay miteny Dada, Mama na Neny…. Mahay “mizara” (manolotra) amin’ny namany ary mianatra mafy misintona tady, mameno zavatra ao anaty boite

>10 volana: mahay mandady

Mahavita mikisaka raha manara-dridrina… dia avy eo mianjera ihany. Mahavita mitazona zavatra amin’ny fanondro sy ny ankihibe amizay. Miteny sady mampiasa monosyllabe na syllabes redoublées: Pa-là (par là), De -lo (de l’eau), Ba-Ba (en bas?)… Mety misy dikany maro ny teny iray, ohatra hoe ny “lo” mety l’eau, na là- haut na anaran’olona… tsy fantatra mazava fa dia ekena fotsiny aloha.

Zava-dehibe: mahay manao “bravo” (sady mitehaka) sy “veloma”, “au revoir”, “bye bye”!

>11 volana: tàtà…tàtà

Mandreraka an’i Dada sy Neny amizay satria eto ny fotoan’ny tàtà…tàtà… tsy misy farany.Efa mahavita manao dia lava rehefa manara-dridrina. Mahasahy mitsangan-dredry ary miondrika maka zavatra. Mahavita mipetraka – maharitra- irery tsy mila tohanana na ampiana.

Manadrankandrana ny rehetra manodidina, mankafy ny zavatra lalin’aty, ny zavatra miantona, ny zavatra misy ambony- ambany, ny zavatra afaka sarahana dia atambatra indray.

Mahavita misotro rano irery (fa mbola very!) . Mahazo iraka tsotra toy ny: “andao hivaoka”, “avia aty”, “ho aiza ianao?”, “mamay eo” …

>12 volana: mahay mandeha ve?

Misy mahavita mandeha dieny 9 volana, misy kosa 18 volana vao mahay tsara. tsy misy atahorana akory na dia tsy mitovy daholo aza ny zaza rehetra, mbola andeha ihany izy rehefa vonona. Noho izany omeo tosika hatrany izy amin’izay ezaka rehetra ataony.

Mahay miakatra tohatra irery izy saingy mila harahina; mandady lavitra ihany koa. Mahavita mampifanaigina zavatra isan-karazany (izay en cube ny forme). Mahay misakafo irery, fa amin’ny tànana sady faly manaparitaka erakin’ny tany.

Miteny fehezan-teny fohy “mamay- zaza”, “dodo- bebe”. Mety tsy azon’ny olona sasany izay lazainy anefa efa ezaka be mihitsy aminy, “encourager-o” foana izy na izany aza! Tondroy na asaivo tondroiny izay heverinao fa lazainy raha tsy azonao.

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.