Archive pour ‘Enfants’

février 6, 2012

Ireo kilalao mety amin’ny zaza 12- 24 volana

(mg- fr) Efa manomboka matomatotra ny fitiavana kilalao satria mitombo hatrany ny fahaizany sy ny hakingan’ny sainy. Tia manosinosika izy, mameno sy manala zavatra anaty baoritra na zavatra hafa, mikitikitika sy mitaingina tomobilina kely  ary tsy adino koa ny peluche sy nounours.

Kilalao safidy ho an’ny 12- 18 volana

1- Ny anneau ampifampitaingenana

Inona no manintona azy? Mahafinaritra azy ny manatsofoka  ilay anneau iny Efa miha-matotra mantsy ny fahaizany mamantatra ny haben’ny zavatra hitany (précision). Tsy voatery ho avy dia manaraka ny laoniny ny fametrahany azy.

Tena tokony vidiana ve? Mampianatra azy ahay handinika ny haben’ny zavatra voarain’ny tànany ity karazana kilalao ity. Aza atao kely loatra na dia izany aza, raha ny tena tsara dia zavatra mafonjafonja no safidiana. Mora raisina!

2 Tomobilina kely azo hanatsofohana forme isan-karazany 

Inona no manintona azy?  Manosinosika an’ilay tomobilina na manezaka mafy mampiditra ireo cube-kely anaty lavaka no tena mahaliana azy eto. Rehefa tsy vitany izany dia kapokapohany mafy ny tomobilina keliny. Hitany irery eo ihany iny avy eo, raha ampiana tosika kely izy

Tena tokony vidiana ve? Ny lokony maro isan-karazany dia efa mahafinaritra sy manintona ny masony, ka hisarika azy hilalao sy hamantatra izany. Ireo forme isan-karazany koa (cube, rond, triangle, sns) dia tsara ho an’ny famantarany ny forme misy rehetra.

3 Ny cubes 

Inona no manintona azy? Manataingitaingina ireny cubes kely ireny no tena mahavariana azy koa eto. Manomboka matotra mantsy ny sainy, ary mahavita manamboatra zavatra sy manimba zavatra. Manataingina cubes telo aloha hatreto no vitany

Tena tokony vidiana ve? Aza mitady zavatra lafo na sarotra loatra fa aleo kilalao tsotsotra , zakany zaza, antonona ny tànany kely. Raha misy zavatra mikorintsana dia vao maika mety ahafinaritra.

4 Tranokely

Inona no manintona azy? Mamoha, manidy, manodikodina, mitsikilo. Mahavariana azy daholo izany rehetra izany.

Tena tokony vidiana ve? Misy isan-karazany itony tranokely itony eny amin’ny mpivarotra: tranokely, tranon’ny mpiompy sns. Ny tena tsara safidiana dia ireo misy bokotra kely azo potserina, ny varavarana sy varavarankely azo sokafana,raha misy mozika tsy maninona. Raha feom-biby isan-karazany vao maika tsara, miaraka amin’ny sarin’ny biby ohatra.

5 Quilles -bowling

Inona no manintona azy? Mitoraka, mandaka amin’ilay tongotra kely iny . Mahafinaritra azy koa ny mandray an’ilay kilalao saomary mousseux. Mampianatra azy  hi contrôler an’ny vatany rehetra izy ity. Eo amin’ny 15 volana eo izy mahay manipy baolina, tsy dia lavitra loatra na izany aza. 18 volana efa manomboka metimety kokoa.

Tena tokony vidiana ve? Ankoatran’ny maha-quilles azy dia ilay izy azo batabataina eny rehetra eny no tena hitiavan’ny zaza azy. Sady douce be!

6 Trotteur atosika

Inona no manintona azy?  Fampianarana azy mandeha irery sy mi-découvrir ny manodidina azy, tsy azo avela irery fa arahina maso foana

Tena tokony vidiana ve? Raha tsy tena mafonja tsara ilay kilalao dia tsy dia tena tsara loatra fa mampianjera zaza fotsiny. jerena ihany koa raha misy tableau kely manenoneno mba azony lalaovina rehefa reraka izy mamindra.

7  Soavaly kely

Inona no manintona azy? Mahay miakatra ambony seza, manamoritra ny tongony, mitsangana irery izy eto. Mahaliana azy koa ilay mandroso- miverina eo ambonin’ilay soavaly. Vao maika hampianatra azy ahazo équilibre ihany koa io.

Tena tokony vidiana ve? SAfidiana ho amin’ny haavon’ny zaza, ary tsy mampienjera azy, misy tohana aty aoriana. Jerena tsara koa raha misy ahafahan’ny mitazona.

8 Kilalao kely anaty rano 

Inona no manintona azy? Namana kely miaraka mandro aminy sy kilalao mahavariana anaty rano . Mampianatra azy ny misy sy ny tsy misy satria fenoina rano dia ariana avy eo.

Tena tokony vidiana ve? Kilalao double satria azo ampiasaina eny amoron-dranomasina, fangalana fasika. Safidiana izay misy fampirimana azy mba tsy hiparitaka.

Tadidio koa fa tsy voatery vidiana daholo akory ny kilalao rehetra, fa ny zavatra rehetra efa ao am-pelatanana dia azo avadika ho kilalao avokoa. Ny baoritra azo atao tomobilina kely, ny fonona sakafo lasa dinety. Mila mañana création sy imagination kely fotsiny isika dia efa mahazo kilalao sady mora vidy no tsy maha-be entana rehefa miha-lehibe ny ankizy.

Jereo anie ireto hevitra isankarazany ireto e:  http://kilonga.com/2009/04/07/jouer-sans-jouets/

 

Tohiny: Kilalao ho an’ny zaza 18-24 volana

janvier 30, 2012

Momba ny zaza 12 -24 volana: ny fitombony

Rehefa hitantsika teo aloha ireo karazan-tsakafo vaovao omena ny zanantsika 12 ka hatramin’ny 24 volana, dia indreto indray fampahalalana vitsivitsy momba ny fitomboan’ny vatany sy ireo zava-bitany. Marihina fa tsy voatery hitovy daholo akory ny fandrosoan-tsaina amam-batan’ny zaza rehetra. Raha misy efa mandeha kanefa vao 12 volana dia mety vosa izy eo amin’ny fiteny ohatra, misy kosa ireo mibadabada mafy anefa mbola tsy mahay  mandeha. Ka aoka tsy raisina ho toy ny marika ireto manaraka ireto fa kosa ho tily fotsiny ihany. Raha misy fahatarana lehibe anefa tsikaritrao ray aman-dreny dia tsara ny manantona dokotera.

- Ny 12 ka hatramin’ny 18 volana

Ny famindrany:

Mahavita mitsangana irery indray izy izao. Na dia tsy misy mitazona aza izy dia mety mahatsangana sy mamindra sekondra vitsy na maharitra kokoa araka ny fandrosoan’ny tsirairay. Raha efa mamindra izy dia ho sahirana ka mety hianjera matetika (mandeha toy ny crabe hoy ny mpandinika, mibilabila izany), midona etsy sy eroa saingy miarina hatrany  ary lasa indray. Tsy manakana azy velively izany rehetra izany. Faly ery izy rehefa akoraina sy tehafana, manampy azy betsaka mba handroso hatrany amin’ny fahaizany vaovao ny tsikaritra rehetra ataon’ny havany aminy. Eo amin’ny 15 volana eo dia tsy mipelipelika be intsony ny tànany rehefa mamindra, lasa amin’izay izy izany!

Ny zaza koa eto dia tena souple be mihitsy, miondrika, mitraka, mandady, mitsangana isa-minitra ary rehefa vizana dia maka appui amin’ny fanaka. Araho maso hatrany

Ny tohatra:

Tsy misy zavatra mahaliana azy toy izany. Rehefa miakatra ny tohatra izy dia mandady (miasa ny tongotra sy ny tànana), ary rehefa hidina kosa dia mikodiadia amin’ny fitombenany na ny kibony. Tandremo fa tsy mbola mahafantatra ny loza mety ahazo azy izy eto ka tsara raha arahina maso hatrany.

Ny boky sy ny penina:

Mankafy mijery sy mamadika pejy tsy ankanavaka izy. Alefany avy dia in-droa na in-telo miantaona izany rehefa mamadika ny pejin’ny boky eny an-tànany izy.Eo amin’ny 18 volana eo dia manomboka fantany ny sary hitany ao anatin’izay boky omena azy ka sahazan’ny taonany (imagier ohatra). Mitana penina ihany koa dia zavatra tiany ary manoratsoratra eny rehetra eny no tena kilalaony. Mankafy ny hoso-doko ihany koa ny zaza eto, saingy ilay fotafotaina amin’ny tànana no tena ahazahoany aina!

Ny fomba fifandraisany amin’ny hafa:

Tsotra sady mazava. Tondroiny amin’ny tànany fotsiny izay tadiaviny. Mahavita manao fehezan-teny fohy izy, teny 2 na 3 eo no mameno izany (Omeo bonbon, maditsa Peno). Eo amin’ny 15 volana eo dia ny reniny sy ny rainy ihany na ireo olona miara miaina aminy isan’andro  ihany no mahazo izay zavatra teneniny (avion= abon, automobile= bibil) . Teo no nahatonga antsika zatra miteny hoe baba rehefa hisakafo, diditra rehefa maditra. Sa tsy izany?

Milalao sa mianatra?

Ny mandaka baolina na manipy baolina dia hainy tsara, saingy tsy alefany any amin’izay miara milalao aminy mihitsy ilay izy. Ny antony voalohany aloha dia mbola kely ny heriny ary faharoa dia tsy dia mbola hainy loatra ny maminavina ny fahalavirana misy eo aminy sy ny hafa. Aleo izany aloha manantona azy akaiky rehefa milalao aminy ary mihataka tsikelikely avy eo.

Kilalao mahafinaritra azy koa ny manatsofoka boule kely, na vatokely anaty tavoahangy, na koa ny manidy sy mamoha fermeture eclair. Mandany andro eo mihitsy izy. Eto koa dia mahatazona cube kely roa amin’ny tànana iray izy ary manaingina cube 2 na 3 .

- Manomboka eo amin’ny faha -19 volana

Fanatanjahan-tena ve?

Taranja ankafiziny manokana ny mihazakazaka eto, na dia mianjera lava aza izy satria tsy  tena mbola mahay mamoritra ny tongony (henjaniny ny ranjony). Fa hitany ihany iny rehefa ela ny ela.

Tia mi -saute koa izy, toy ny te hanidina izany. Maka bahana mafy ery anefa tsy tafiainga akory ny tongotra avy eo. Ho vitany ihany izany . Mahaliana azy koa ny mamindra miverina ( à reculons) sy mitaritarika kilalao afara.

Mahafinaritra azy koa ny mihanikanika, mihanika ambony fandriana sy izay zavatra rehetra avoavo ka azony hiakarana. Mila arahaina maso sao mianjera

Mazoto misakafo sa tsia?

Maika lava ny zaza eto, maika ny hiala eo ambony latabatra, maika handede, maika hilalao. Fa rehefa noana iny izy dia misakafo tsara ery , ary misakafo irery. Mahavita mitazona ny verany izy ary efa madio rehefa mihinana.

Mety ho tia boky sahady ve?

Tia mijery boky izy ary mamantatra izay sary hitany rehetra ao. Mandinika tsara hatramin’ny atsimpirihany izy ary maneho ny heviny. Mahafinaritra azy koa ny mihaino tantara kely sy mamerimberina izay zavatra fantany rehetra.

Ny fifandraisany amin’ny manodidina azy

Manomboka mahavita fehezanteny kely izy, ary mahalala teny vitsivitsy (10 eo ho eo). Mametraka fanontaniana(han? inn ty? ) ary mahalala ny anarana taova 2 na 3 momba ny vatana (sofina, vava, orona)

Ny tohatra

Miakatra ny tohatra toy ny olon-dehibe izy izao. Saiky matahotra amin’izay ary mijanona matetika isak’izay mahavita dingana iray. Rehefa midina izy dia mametraka ny tongony roa aloha vao midina indray. Raha misy fiankinana (rampe) ka mety amin’ny halavany dia ampiasany tsara mihitsy izany.

Ny sary sy ny hosodoko

Tia manoratra sy mandoko izy. Na dia mbola tsy hainy tsara aza ny mandray ny penina (raisiny amin’ny paume de la main), manao boribory no tena tiany sy manoratra tsipika, matetika dia mihoatra ny pejy foana izany. Tiany ihany koa ny mijery album kely misy ireo sarin’izay olona fantany: dada, neny, zoky, dadabe, bebe, tranony sns…

Ny fampiakanjoana azy

Mbola ampiana izy mazava ho azy, fa kosa raha tsy asiana tadin-kiraro, na bokotra kely, na fermeture ny akanjony dia vitany tsara ny manala ny kirarony sy ny akanjony. Tsy tiany kosa ny miakanjo , moramora kokoa ny manala azy nohon’ny mampiditra azy.

Ny toetrany

Somary be dongy sy mora tezitra. Tsy mahatanty toherina satria be ny zavatra tiana ho azo kanefa voarara. Eo amin’ny 2 taona eo moa dia tena mamaivay mihitsy na ho azy na ho antsika ray aman-dreny ny fanaovana TSIA. Ny antony: te hanao irery toy ny efa lehibe. Kanefa…

Mpangala tahaka hoe?

Mankafy milalao izay rehetra fampiasan’ ny lehibe ao an-trano izy. Tsy miandahy tsy miamabavy,  ary mahagaga fa ny zaza rehetra eo amin’ity taona ity dia faly milalao kifafa sy fandraofam-pako avokoa, manasa lamba, mipasoka, mamafa fanaka, mikapokapoka amin’ny maritoa tsy tena izy, mandidy hena amin’izay zavatra eritreretin’ny fa toy ny antsy. Araraoty fa tsy aharitra ela akory ny fanampiany ano ao an-trano!

Ny fahadiovana

Misy ireo zaza efa madio eto, na dia misy ihany aza ireo mbola tsy mahatana ka manao accident kely tsindraindray. Misy milaza fa ny vavy madio alohan’ny lahy, asa anefa… Ny fahadiovana amin’ny alina kosa dia mety ao aoriana kely ao.

Mazotoa indray o!

janvier 24, 2012

Madagascar : rondes, comptines et berceuses par Mbolatiana

Misaotra an’i Mbolatiana sy izay nandrindra rehetra an’ity kapila ity manokana i kilonga.com fa tena hevitra tsara sy mety ny nataony. Na ny fampahafantarana ny hiran’ny zaza, ny feo mozika malagasy, ny fitazomana azy ho mandrakizay ho henoin’ny taranaka maro mifandimby fotsiny aza dia efa mahafaly ny fo. Na ho anay lehibe aza dia mahatsiaro sy miverina amin’ ny fahazazana indray, ka vao maika moa ny fitiavanay ampita izany amin’ny zanakay dia tena mahafinaritra ery. 

Mahafinaritra sy ilaina ihany koa ilay izy ho an’ireo miara miasa amin’ny zaza rehetra na samy malagasy na ireo any am-pita mba ampahafantarana ny zaza vahiny feo mozika hafa sy ahalalany an’i Madagasikara sy ireo kilalaon’ny ankizy ao . 

Grand coup de coeur pour Bonbon sigarety, Izaho anie dia zazakely, Nankaiza i Margerity! MISAOTRA MISAOTRA MISAOTRA… mankasitraka e

————————–
L’album Madagascar, rondes, comptines et berceuses, présente quelques images familières de l’enfance de Mbolatiana.

Le lémurien aux grands yeux qui se déplace son petit agrippé à son cou (regarde le lémurien ), l’oiseau blanc que la maman malgache invoque quand son bébé pleure pour qu’il le prenne se calmer dans les prés avant de le lui rendre (l’oiseau blanc) les rondes de cour de récréation (Où est Marguerite ?) (Bonbon cigarette), (Koman sa va doudou) ?et les danses festives où, immobile, on agite les mains comme le battement rapide des ailes rapide du faucon crécerelle (Danse crécerelle ).

Mbolatiana, installée en France depuis dix ans, est née dans une famille de musiciens malgaches. Interprète de l’hymne des IIIe JEUX DE LA FRANCOPHONIE en 1997, elle s’est aussi produite en 1999 au Palais des sports d’Antananarivo lors d’un trio avec Jean Jacques Goldman et Michael Jones.

Les rondes, comptines et berceuses malgaches sont une rareté dans la discothèque enfantine.

Madagascar : rondes, comptines et berceuses en détail

Mbolatiana : voix, chœur
Benjamin Andrian : guitare, katsa, choeur
Jean Charles Razanakoto : marovany, valiha, choeur
Jean-Emile Biayenda : djembé, derbouka, bongo, congas, udu, ravane, calebasse, cajon, cymbales, maracas, carillon, triangle
Référence CD : 486080 DISTRIBUTION RUE STENDHAL
Prix public : 17,90€

Ce que dit la presse 

Artistes
Mbolatiana : voix, chœur – Benjamin Andrian : guitare, katsa, choeur -Jean Charles Razanakoto : marovany, valiha, choeur -Jean-Emile Biayenda : djembé, derbouka, bongo, congas, udu, ravane, calebasse, cajon, cymbales, maracas, carillon, triangle

Vu dans la presse

- …. La jolie voix de MBOLATIANA est accompagnée par la guitare de Benjamin ANDRIAN, les nombreuses percussions de Jean-Emile BIAYENDA et les instruments malgaches (valiha, marovany) de Jean-Charles RAZANAKOTO. Les 18 titres de ce bel album évoquent le lémurien, animal emblématique de l’île mais aussi les danses et les jeux des cours de récréation. Certains reconnaîtront au passage des airs de Noël venus d’Europe mais chantés dans la langue de là-bas.” Ethnotempos 11 décembre 11
- “Discrète, si discrète Madagascar… Des airs traditionnels comme il se doit, des danses festives et entraînantes, des comptines pour s’endormir ou se mettre à rêver. Un disque pour s’évader, s’émerveiller, danser…” http://potinsenfantins.blogspot.com/2011/11/noel-malgache.html
- “… On entend sur ce CD des airs traditionnels témoignant des multiples typologies de chansons et de comptines malgaches ;: celles qui sont destinées à bercer les bébés (l’oiseau blanc), d’autres qui donnent envie de danser (danse crécerelle) , d’autres invitant à mieux connaître son corps (l’enfant propre), à créer des jeux de mains et d’adresse (Amina) etc”. Education Enfantine octobre 2011

- ”Les rondes, comptines et berceuses malgaches sont une rareté dans la discothèque enfantine. Voici de quoi réparer cette absence. Cet album nous propose une grande variété qui parle de thème divers, allant des animaux aux rondes de cours de récréation en passant par des danses festives. Des jolies musiques accompagnent les chansons.” ADEM 1er juin 2011
- “Madagascar ! Avec ces rondes, ces comptines et ces berceuses, on prend l’avion vers des cieux placés sous de beaux augures, avec un rythme endiablé et une langue généreuse. On découvre de pures merveilles à l’accent enchanteur et à la douceur des mots. On se laisse bercer par cette brise venue d’ailleurs qui met en éveil tous nos sens et notre grande sensibilité. Un bijou qui nous bouleverse tellement c’est bon de se retrouver !!!” Nathalie ZYLBERMAN Vallée F.M 98.4 – 23 mai 2011
- “Dès 2 ans. Des CD de comptines du monde entier chez ARB Music. Dernier-né : Madagascar. Pour familiariser les tout-petits à d’autres sonorités” ELLE – 29 avril 2011

janvier 24, 2012

Momba ny zaza 12- 24 volana: ny sakafony

Mitombo ihany ny zazakely, betsaka ny zavatra vaovao hainy: mihazakazaka, be kitikitika, mibadabada. Dada sy neny koa etsy andaniny efa organisé tsara. Ireto indray ary misy torohevitra vitsivitsy atolotra ho antsika e!

Ny sakafo: mahazo mihininana ny rehetra ve?

Betsaka isika reny no vaky loha mihitsy amin’ny fanomezana sakafo ny zanantsika. Mikarakara mafy ery ao an-dakozia ao dia rehefa iny mipaika ny ora hisakafoanana dia mikifin-doha fotsiny ilay zaza. Matetika rehefa tratra an’io dia lasa tsy mahandro afa -tsy ny sakafo izay tian’ny zanaka hohanina ihany. Ao ny mankafy potsitr’ovy-karoty-fromazy asiana toto-kena kely, ao ireo mankafy potsitra haricot vert sy courgette . Rehefa tsy manaiky mihinana afa-tsy ireo ary izy dia toa manahirana ery ny mieritreritra hoe “rahoviana ihany vao azo omena karazan-tsakafo hafa izay efa fihinanan’ny olon-dehibe sy matsirotsiro ery ny zaza, ka afaka mihinana toa anay?”. Mahazo mihinana endin-kanina ve ohatra, mayonnaise,  sy lasopy eny amin’ny restaurant izy?

Inona ary ireo sakafo aroso sy sahaza ny taonany?

Indreto indray ary ireo sokajy sy lanja vaovao mety ho an’ny zaza 12 ka hatramin’ny 24 volana.

Azo alefa tsikelikely ny fihinana legioma manta (crudités) toy ny betiravy, concombre, karoty .Tetehina madinika tsara na kikisana. Ampiakarina kely ny lanjan’ny hena sy ny nofon-trondro ka lasa 6 ka hatramin’ny 8 sotrokely (30-40g) na atsasak’atody masaka tsara isan’andro.

Ampidirina ihany koa ny voamaina (tsiasia, tsaramaso…) manomboka ny 15-18 volana. Izany hoe mihinana 300g na legioma maintso izy izany na vary ary azo ampiana mofo kely koa, raha tiany.

Omeo voankazo manta ihany koa izy, ampifampidimbiasana amin’ny totom-boankazo masaka (compote) eo amin’ny 150g eo isan’andro. Azo asiana siramamy kely, na tantely raha matsaboka loatra.

Tandremana tsara mihitsy ny menaka, ferana dia ferana. Dobera na menaka vezetaly no tsara, fadio ny hendin-kanina ho an’ny zaza.

Tohizana hatrany aloha ny ronono, 500ml farafahakeliny ka hatramin’ny 800ml isan’andro no sahazan’ny taonany, hatramin’ny faha-telo taona dia tohizana ny fanomezana ronono azy. Ireny lait de croissance ireny no tsara satria misy ny otrik’aina rehetra ilain’ny vatana. Raha tsy mety misotro ronono intsony izy dia azo atao tsara ny manome yaourt, fromage blanc, petits suisses, fromage.

250ml na ronono= 1 yaourt = 1 part-na fromazy (vache qui rit ohatra na fromazy hafa)

Torohevitra avy amin’ny crèche!

Mihinana ny rehetra ve ny zanakao rehefa mandeha any amin’ny crèche? Ary dia mahagaga anao tokoa izany satria ao an-trano izy dia manda mafy mihitsy. Fa ahoana ary ny fikafika any e?

Manana secret ve sa manao mazia ry zareo?

Gaga ianao fa rehefa misy tsirona voatavo ny lasopy dia tsy mihinana izy any an-trano kanefa dia hohaniny tokoa izany any an-tsekoly. Hoy ny mpiandraikitra ny crèche hoe hasaraka daholo ny karazan-tsakafo omena azy, ary atao hitan’ny  masony avokoa izany. Mahasarika azy ny loko, ny fofona, ny habetsakin’ny sakafo eo am-bilia. Ireo fotsiny dia mety handrisika azy hanandrana izay atolotra azy. Ary raha toa ka mahery loatra ny tsiron-tsakafo dia tapohina ronono kely, na koa dobera.

Fahanana sa avela hitsatsaingoka?

Marina fa tena mafy dia mafy amintsika ray aman-dreny sasany ny mahita ny zaza sy ny latabatra mihosin-doto. Ao koa ireo ray aman-dreny tsy mahandry tantana na maimaika ka voatery mamahana ny zaza mba ho vita haingana ny sakafo. Tsara ihany anefa ny zaza raha avela mihinana irery na amin’ny tànana na omena sotrokely tazomina satria izany no hampianatra azy ahay hitazona sotro sy hihinana irery any aoriana hoy ny mpiandraikitra crèche. Manomboka eo amin’ny 15 volana eo dia mazoto mihitsy mangala tahaka izy ka tsara araraotina izany.

Tohanana hatrany ny ankizy: rehefa eo amin’ny 18-20 volana eo dia mazoto ny zaza hanao zavatra irery, ny famelàna azy hanao izany dia handrisika azy ahavita tena.

Tairitairina ihany koa ny fahazotony homana. Raha toa izy ka tena tsy mazoto mihitsy dia tsy terena akory fa averina omena azy indray iny afaka andro vitsivitsy (nahandro vaovao an!)

Fadio sy tandremo:

- ny trondro sy ny hena endasina ka nampiasana menaka be loatra, na ny nahandro pané

- ny charcuterie toy ny mortadelle, saucisson afa-tsy ny jambon blanc maigre (ho antsika ray aman-dreny mipetraka aty ivelany moa io)

- ny frite sy endin-kovy rehetra

-ny mofomamy isan-karazany be siramamy sy lafarinina

- ny sakafo rehetra vita industriel

Tandremana ihany koa ny ravina salady, voanjo, voan-javatra fa tia rairay ny zaza izao ka sao kenda!

Ary inona indray ny goûter?

Ronono sy sokolà na ranom-boankazo

Ny toton-katsaka ( polenta) na totom-bary  (crème de riz, semoule) ampiana voankazo masaka tsara na nandrahoana raha tena noana be

Mofo sy fromazy kely, ampiana rano na ranom-boankazo

Mofo na biskoty (2) sy sokola 2 na 3 carrés eo,na mofomamy (20 na 25 g) ampio voankazo (masaka na compote) raha tiany

Indraindray koa azo atao ny manome yaourt, petit suisse na fromage blanc asana siramamy kely raha tsy nihinana izy ny atoandro.

Aza adino hatrany ny rano madio fotsy mangarahara e.

Maroroa taiza ary o!

novembre 9, 2011

Grosse Colère: le livre qui sauve les mamans!

As- tu déjà croisé GROSSE COLERE? Cet être maléfique qui prend possession de tes enfants? L’as tu déjà surpris au supermarché, dans un restaurant chic ou encore à table avec plein d’invités?  

Bref si comme moi tu as remarqué qu’il s’invite toujours au mauvais moment . Je te conseille juste de lire Grosse Colère de Mireille d’Alancé

Le meilleur moment pour expliquer la colère à son enfant serait le soir, juste avant le coucher ou pourquoi pas juste après une grosse crise, un gros dégât. Parce que comme disait ma grand mère on ne laisse jamais son enfant dormir en étant en colère ou triste ou affamé! 

Cela vous permettra ensuite d’user le mot Grosse Colère à chaque fois qu’une crise d’hystérie fait son apparition car Grosse Colère il sort, il sort, il sort et quand une fois il devient grand il fait de très gros dégât qui peut énerver soi-même (l’enfant), papa et maman mais aussi grand et petit frère et soeur.

Alors n’essayions surtout pas de le contenir dans notre for intérieur car ce sera encore pire… enfin vous êtes prévenues :)

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.