Torohevitra ho antsika vehivavy

Torohevitra vitsivitsy ho antsika vehivavy momba ny fisasana

Ny fivaviana dia tsy ny taova hita aty ivelany ihany fa fantatsika tsara fa mitohy hatrany anaty vatana izany (fipipizana, tranon-jaza, sns).

Toy ny vatana rehetra dia maloto ihany koa ny fivaviana, ny antony moa dia maro. Voalohany tery anelakelam-pe izy ka mora tsemboka, ny fiarahan’ny hatsembohana sy ireo germe na virus mitambatra koa dia mety hitarika fofona hafahafa. Ny aretina any anaty izay mivoaka aty ivelany ihany koa ka indraindray mitondra loto, ary azo atao ihany koa fa ny fidiovana diso tafahoatra dia mety hanimba ny tsiranoka natioraly izay fiarovana natokana ho an’ny fivaviana.

Izany rehetra izany dia manahirana antsika avokoa, indrindra moa ireo efa manana firaisana ara-nofo, satria mety hanimba ny fiarahana mihitsy.

Inona ary ny soroka azo atao amin’izany.

Ny fomba fiankanjo

  1. Fadio ny fanaovana akanjo tery loatra maharitra (pataloha, collant), izay mikasokasoka amin’ny fivaviana ka mahatsemboka, ary io fahatsembohana io dia manjary manamasaka ny  anelakelam-pe.
  2. Tokony ho slip amin’ny coton hatrany no hanaovana fa tsy synthétique na nylon.
  3. Fadio ny fanaovana an’ireny string ireny izay mikasokasoka amin’ny fivaviana ka mety mandratra azy.
  4. Sasana amin’ny rano mafana (60°) ny slip satria iny no mamono ny aretina (champigons, mycose)  rehetra miraikitra aminy, ary tsy atambatra amin’ny akanjo sasany. Sarahana ihany koa ny an’ny olon-dehibe sy ny ankizy kely.
  5. Rehefa avy milomano dia soloina haingana ny maillot fa aza mijanona lena eo, rehefa avy eo dia hamainina iny ary manao slip maina.
  6. Tsy tokony hitambatra serviette ny iray trano fa samy manana ny azy,  na manana serviette fifafana natokana avy ny vehivavy.
  7. Misolo slip fara-fahakeliny indray isan’andro ary tokony hisolo isak’izay tsemboka, na avy nanao fanatajahan-tena, na rehefa mafana loatra ny andro.
  8. Tsara raha manana savony voatokana ho an’ny fanasana slip, ireny malefadefaka ireny ohatra.
  9. Aza manao slip efa latsaka tamin’ny tany fa aleo misolo.

Fomba fiaina

  1. Tànana madio, nisasa tamin’ny savony no mikitika ny fivaviana (na ianao, na ny mpiaraka aminao) .
  2. Aza mikitika ny manodidina  intsony rehefa avy nisasa tànana ( fipetrahana ao amin’ny w-c , poignée an’ny varavarana), indrindra moa ny tànana hanadio ny fivaviana (mety mitondra ny tsimok’aretina: herpès, condylomes, germes hafa ireo mantsy ).
  3. Rehefa any amin’ny w-c publique dia tsy tokony hipetraka tanteraka, raha tsy hoe angaha nodiovina na nasiana taratasy fiarovana. Tsy fantatra izay fahadiovan’ny olona teo aloha.
  4. Rehefa avy mipipi dia azo atao tsara ny mampiasa taratasy malefaka hamafana ny fivaviana. Marihina fa aty aloha no makany ariana foana ny famafana azy, ary tsy averina indroa ny taratasy iray.
  5. Rehefa avy mikaka dia ny vody ihany no fàfana ary tsy averina aty anoloana ny loto satria manjary makany amin’ny fivaviana ary mitarika aretina. Azo atao tsara ny misasa vody rehefa avy mifafa.
  6. Raha te- hiaratra fivaviana dia misasa amin’ny savony aloha, avy eo mampiasa désinfection toy ny S. Chlorexidine aqueuse, avy eo miharatra moramora ary rehefa vita izany dia désinfecter-na indray izay vao mampiditra klaoty . Fadio ny mampiasa crème épilatoire mahery loatra, efa misy natokana ho an’ny fivaviana eny amin’ny mpivarotra.
  7. Tsy tokony asiana tevika ny fivaviana, raha toa moa ka tena te hanisy dia ireny mpanatevika madio sy manara-penitra ireny no aleha.

Fidiovana: mandro sa misaika?

Impiry isan’andro, ary maharitra hafiriana

  1. Indray mandeha isan’andro ihany no tokony mandro (ny vatana rehetra no atao), raha toa ka mafana loatra ny andro na tsemboka loatra rehefa avy nanao fanatajahan-tena dia afaka mandro koa.
  2. Aleo douche toy izay bain. Diovina moramora ny hanelakelakin’ny fivaviana.
  3. Raha te hanao bain isan’andro dia tsy atao mihoatra ny 20 mn, satria manamaina hoditra, mi se rincer tsara avy eo
  4. Manimba hoditra ny mihositra savony mahery loatra sy ny rano be calcaire. Serviette madio hatrany no hifafana ary tsy kosehina fa hapetapetaka.

    Ny savony fampiasa

  1. Tsy tsara ny mampiasa savony tsy fantatra ny toromarikany, na antiseptique tsy natoron’ny dokotera na ny pharmacie satria mety mahery loatra na tsy mety amin’ny vatanao.
  2. Azo atao ny mampiasa savony bolongany, crème, menaka voatokana (huile) fa kosa tokony natokana ho an’ny  toe-batan’ny vehivavy ary pH neutre (pH 7), izay tsy manimba ny tsiranoka natioraly . Ny tsara dia ireny savon de Marseille ireny , tsy misy colorant, tsy misy ‘savon‘ . Efa betsaka koa ny savon intime amin’izao afaka vidiana any amin’ny pharmacie na mpivarotra voatokana. Raha misy zavatra miova amin’ny toe-batana dia manantona dokotera avy hatrany.
  3. Aza manisy huile essentielle matetika loatra rehefa mandro raha tsy fantatra mazava ny fetra tokony atao.
  4. Misy ireny déodorant intime ireny izay misy alkola, ka mampangidihidy, na mampisy inflammations, na rougeurs na allergies
  5. Fadio ireny "caches misères" ireny.

    Ny lingette intime dia fampiasa rehefa manao voyage ka tsy mahita rano anefa tsemboka, na alohan’ny hanatonana dokotera ka tsy afaka misasa. Tsy manolo rano sy savony mihitsy ny lingette intime.

Ny fanasana ny fivaviana

Rehefa fotoanan’ny fadim-bolana

  1. Soloina matetika ny  serviettes hygiéniques na tampons hygiéniques arakarakan’ny habetsakin’ny rà.
  2. Misasa tsara, na bains na douches mety daholo
  3. Tsy tokony hanao firaisana ara-nofo mandritra io fotoana io, satria mora hidiran’ny aretina ny fotoanan’ny fadim-bolana.
  4. Raha mampiasa protèges slips, dia tokony misolo matetika satria tsy mi-aérer ny fivaviana io ka mety hanamaina azy.

Firaisana ara-nofo

  1. Tsy manao firaisana ara-nofo rehefa tonga ny fadim-bolana.
  2. Sasana amin’ny rano sy savony ny fivaviana sy ny filahiana aloha sy aorianan’ny fraisana ara-nofo.
  3. Ny mpifankatia dia tokony samy madio avokoa, filahiana sy fivaviana fa koa ny tànana . Mampiasa kapoty hatrany .
  4. Mitandrina tsara amin’ny fomba fatao amin’ny firaisana ara-nofo sasany (position) izay mety mitondra aretina.
  5. Fadio ny firaisana ara-nofo amin’ny vody avy eo mivadika aty amin’ny fivaviana indray izay mitondra aretina sy loto.
  6. Mampiasa kapoty hatrany rehefa miray amin’ny olona tsy fantatra, na miovaova na mitondra aretina MST
  7. Mila mipipi mialoha sy aorianan’ny firaisana ara-nofo, ny antony dia hanariana ny loto rehetra mety ho tafiditra.

Manatona dokotera rehefa…

  1. Tsy tokony avela na tsaboina irery ny fiovana rehetra taratra amin’ny vatana, na mangidihidy na mamaivay.
  2. Manatona dokotera raha mahatsiaro marary na mamaivay rehefa mipipi , na sahirana mipipi, na misy tsiranoka hafahafa mivoaka (maimbo, loko hafa) , na raha misy boutons na mivonto.
  3. Raha marary ny tenda rehefa avy nanao firaisana ara-nofo ka nampiasa vava.
  4. Tsy tokony hanaitra ny tsiranoka mivoaka toy ny tapotsin’atody, tsy maimbo, tsy misy lokony.

Fitsaharan’ny fadim-bolana (ménopause

Mila manatona dokotera mba hanomezany torehvitra sahaza amin’ny fiarovana ny aretina rehefa mety ho tratra.

About these ads

Poster un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

%d bloggers like this: