Bevohoka: volana fahaefatra

Volana fahaefatra : herinandro  nahabevohoka 14-15-16-17
herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana:  16-17-18-19

4e mois de grossesse : semaine de grossesse 14-15-16-17

Miditra amin’ny telovolana faharoa nahabevohoka indray eto isika, manomboka miha-hita hatrany ny kibo ary afaka fotoana kely dia ho renao ny zaza mihetsika ao am-bohoka. Eo amin’ny faha 15 ka hatramin’ny faha-22 nahabevokana eo no ahenoana izany.
Ny vohoka
Mitombo habe ny tranon-jaza ary mety ahare fanaintainana kely tsindraindray. Io moa dia ireo ligaments mampitambatra ny tranon-jaza sy ny taola-maoja (os du bassin) no mitarika azy. Indraindray koa dia ny fitombon’ny tranon-jaza no mitarika ilay fanaintainana- toy ny mihetsi-jaza, ary eto dia tsikaritra fa mihamafy ny kibo.Te hivalan-drano matetika koa ianao manomboka eto, io moa dia vokatrin’ny fanindriana ny tranon-jaza ny tatavia. Ary indraindray mety hitohana mihitsy satria lasa kely sisa ny toeran’ny tsinay. Mihinana zava-maitso betsaka ary misotroa rano tsy latsakin’ny 1,5 l isan’andro.
Mety hipoitra koa ny panda eto (masque de grossesse), tasy maintimainty manerana ny tarehy sy ny tenda. Ny vehivavy sasany dia toy ny mitakosina maintimainty be ny hatoka, ny sasany kosa dia maina be ny endrika. Tsy afaka io raha tsy aorianan’ny fahaterahana, koa dia miafy kely izany.
Ny fitombon’ny zaza ao an-kibo

Ny halavany dia mahatratra 20 sentimetatraeo ary milanja 250 grama.

Maniry ny volony, mitsiry ny volon-koditra sy ny hoho, transparente ny hodiny ary taratra ireo lalan-drà rehetra.
Niforina tanteraka ny tànany ary efa maka bikan’olombelona tsara ny vatany satria  mifintina ny kibony sy ny tratrany.Mihetsiketsika tsy an-kijanona izy ao an-kibo ao, mety efa manomboka renao angamba ary azonao safoina tsara ny kibo satria dia efa mivelatra ny "sens"-ny, indrindra ny "toucher" sy ny "goût"Torohevitra

-         Mila manantona ny dokotera indray ego mana ny fizahana manaraka, mijery ny tosi-drà ary ny "col de l’ut"rus" sy ny fitempon’ny fon’ny zaza raha laina. Manao fizahana ny rubéole sy ny toxoplasmose ihany koa

-         Afaka atao eto koa raha ilaina ary raha tsy manohitrra ny fanalan- jazz ianao ny fizahana remettra tomba ny fahasembanana.

-         Manomboka tsapa ny fahampian’ny fer manomboka eto amin’ny faha-efabolana eto

-        Mety havesatra ny ranjo ka ny tsara dia tondrahana rano mangatsiaka ary ampiakarina ny tongotra amin’ny alina, mba hikoriana tsara ny rà.
-         Afaka atomboka ny fihosorana menaka manerana ny kibo sy ny fe raha tsy te ho tratran’ny tsatsakoatra avy eo

-        Mbola afaka atao tsara ny mandeha fiaramanidina sy lamasinina, fa mila mitsangana matetika. Raha mandeha fiara dia aza atao lavitra loatra ny dia, na mila mijanona matetika dia mandehandeha kely

Mety ahaliana anao

Volana Fahadimy

Volana Fahatelo

Volana Faharoa

Volana Voalohany

About these ads

3 responses on “Bevohoka: volana fahaefatra

  1. Ping: Bevohoka: volana fahadimy | Kilonga.com·

  2. Ping: Bevohoka: Volana Fahatelo | Kilonga.com·

  3. Endrika amam-bika: Fantatry ny maro ny maha-zava-dehibe ny hatsaràn’ny endriky ny vehivavy. Nefa ho an’ny vehivavy mifoka sigara dia mety ho tena simba tanteraka ny hatsaràny. Mikentrona aloha loatra ny hodiny, ka raha vehivavy 25 taona dia mety hitovy amin’ny hoditry ny vehivavy 45 taona. Miova ihany koa ny lokon’ny hoditra ka mivalo-mainty ireo vehivavy fotsy fihodirana. Dia toy izay koa ny molotra. Ny hoho kosa dia mia-mavo. Ny nify potika ary ny volo mihintsana. Mety ho azo atao ihany ny manafina ireo amin’ny alalan’ny “soin esthétique” saingy mandalo ihany izany raha toa ka tsy miala tanteraka ilay vehivavy.

Poster un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s