Bevohoka: Volana Fahatelo

Volana Fahatelo : herinandro nahabevohoka 9-10-11-12-13
herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana 11-12-13-14-15

3e mois de grossesse : semaine de grossesse 9-10-11-12-13

Eto amin’ny fahatelovolan’ny kibo eto no fanaovana ny "échographie" voalohany, anelanelan’ny fahasivy  (9) sy faha-iraika ambin’ny folo (11) ny herinandro nahabevohoka, fotoana feno fahasambarana sy tebiteby, hanehoana ny fitepon’ny fon’ny zazavoalohany.Ny vohoka
Tokony hitsahatra ilay maloiloy sy mando teo anoloana teo. Ny harerahana koa dia hisava tsikelikely ary manomboka mahazo aina sy afaka ny tebiteby rehetra.
Mitohy miadana ny fiovan’ny vatana, ny kibo hitombohatrany, afaka mividy akanjo bevohoka manomboka eto izay ilaina mandritran’ny enim-bolana manaraka.Mety ahatsikaritra ianao fa hiova loko ny nono (mihamainty), mety hisy tsipika mainty ihany koa taratra manomboka eo amin’ny lohan’ny fivaviana (pubis) ka hatrany amin’ny foitra.Ny sasantsasany mety ho mora tohina, mora mitomany ihany eto amin’ity volana ity.Fitombon’ny zaza ao an-kibo
Niforina tanteraka ny zaza eto, tsy antsoina ho atody intsony izy (embryon) fa efa lasa zaza rano (foetus). Ny taova rehetra dia efa mipetraka amin’ny toerany avokoa, manaraka dia ny nofo no hiforina izay hiatomboka amin’ny hatoka (nuque).
Efa voafaritra koa ny taovam-pananahanyfa na izany aza dia mbola afaka fotoana kely vao ho fantatrao na lahy na vavy ny zaza andrasanareoTorohevitra:-         Farany fanantonana ny dokotera raha mbola tsy nampilaza ofisialy-        Misafidy ny hopitaly hiterahana sy ny dokotera mpanara-maso-         Ato lavorary ny sakafo, sasao tsara ny legioma sy ny voankazo alohann’y hihinana azy

-        Raha mifoka sigara ianao dia tsara raha ahato kely izany, satria antony voalohany mahatonga ny zaza tsy ho tonga volant, mampisy kilema sy manemotra ny fitomboany izany

-        Atsahatra ihany koa ny fisotroana zava-pisotro mahadomelina

-        Tandremo tsara mba tsy hihinana fanafody izay tsy natoron’ny dokotera

-        Tohizana ny fanaovana fanatanjahan-tena maivana toy ny milomano, mandeha tongotra

-        Tohizana ny firaisana ara-nofo, izay tsy mitarika ny fahafaha-jaza mihitsy tsy akory.

Mety mahaliana anao koa:
About these ads

2 responses on “Bevohoka: Volana Fahatelo

  1. Ping: Bevohoka: volana fahadimy | Kilonga.com·

  2. Ping: Bevohoka: volana fahaefatra | Kilonga.com·

Poster un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s