herinandro nitsaharan’ny fadim-bolana 7-8-9-10

Manomboka misy fiovana kely ny vatana. Ny ao anatiny ao dia efa hafa mihitsy na dia tsy tena hita taratra aty ivelany aza izany.
Momba ny vohoka
Miova ny vatana manomboka eto, mikisaka daholo ny taova mba hipetrahan’ny tranon-jaza, izay efa manomboka maka toerana. Manomboka mivelatra ny maoja, ho an’ny vehivavy sasany dia efa manomboka tery ny akanjo.
Mbola mitohy ny fahasarotana rehetra teo aloha raha nisy: mando, te hivalan-drano matetika (satria tsindrian’ny tranon-jaza ny tatavia), fanimpanina, loha-nono marary, aretina an-doha, mafana tampoka. Tsara ambara amin’ny mpitsabo daholo izany fa tsy azo atao ny mihinana fanafody irery.
Mety ho misefosefo matetika na somary sahirana rehefa miaina, io moa dia avy amin’ny fidinanan’ny tosi-drà. Mety hanahirana izy ity andavan’andro fa tsy tokony ho hanano-sarotra kosa.
Indraindray koa dia mety hisy fiovan’ny toetra tampoka, somary kizitina be dia avy eo anefa dia ho mirana indray. Io moa dia avy amin’ny fiovan’ny hormona.
Ny fitombon’ny zaza am-bohoka
Mitohy ny fitombon’ny tànana sy ny tongotra ary ny ratsan-tànana dia manomboka mizara dieny dimy any amin’ny herinandro fahavalo.
Ny fony, ny tsinainy ny vavoniny ary ny taovam-pananahany ihany koa dia hitombo.
Torohevitra
- Manaova fanatajahan-tena maivana toy ny fandehana tongotra vao maraina, milomano na ny yoga. Avela ihany koa ny talon avo loatra fa manembatsembana ny fikorianan’ny rà.
Ping: Bevohoka: Volana Fahatelo | Kilonga.com·
Ping: Bevohoka: volana fahadimy | Kilonga.com·
Ping: Bevohoka: volana fahaefatra | Kilonga.com·