Ireo kilalao rehetra efa novidiana teo aloha dia mbola azony lalaovina tsara. Raha mahatsikaritra tsara anefa isika dia mety nahita fa niova kosa ny fomba nilalaovany azy. Atao fanampiana an’ireo kilalao teo aloha, na koa ho antsika tsy mbola manana dia ireto indray misy hevitra vitsivitsy.
1 Tomobilina kely
Inona no manintona azy ? Manara-kefa toa an’i dada, manosika , mitaingina tomobilina kely, mampirina ny kilalao ao anaty coffre, mandeha mizaha ny manodidina rehetra.
Tokony vidiana ve? Izay tsotra indrindra dia efa mety, rehefa mety tsara amin’ny haavon’ny zaza, misy coffre kely, volant, ary fitondrana azy. Plastika no mety satria mora sasana sady azo avela any an-tokontany.
2 Boky intéractif 
Inona no manintona azy? Izy mihirahira sy manintona ny maso. Manampy azy amin’ny fitiavana ny boky ihany koa.
Tokony vidiana ve? Tsy safidiana araka ny lokony izy ity fa kosa araka izay hira, tantara ao anatiny. Misy mampiseho ny toetr’andro, misy ny manao tantara kely, ao ny mandefa hirahira efa mahazatra ny ankizy.
3- Orkestra na zava-maneno
Inona no manintona azy? Manataitaitra ny sofiny, manintona ny fitiavany mozika (sahady ve? ie), mahafaly azy koa ny mikapokapoka sy manakorintsana maracas ohatra, mikapokapoka ny xylophone sns
Tokony vidiana ve? Tsy mila zavatra lafo fa kosa mila zavatra tsara. Izany hoe tsy mankarary sofina ary note de musique marina. Xylophone, tambour, piano kely, maracas ireo no tena mety aminy.
4 Baolina
Inona no manintona azy? Mandaka baolina dia tena tian’ny zaza manomboka eo amin’ny 18 volana eo, sady manampy azy hizatra amin’ny fanatajahan-tena sahady ihany koa. Ny tena mahafaly azy koa dia ny mandeha mitady an’ilay baolina rehefa lasa lavitra any, na mihery any ambadikin’ny hazo any.
Tokony vidiana ve? Tsara ny hananan’ny zaza baolina kely, na lahy na vavy dia samy mankafy azy avokoa. Rehefa mividy azy kosa dia safidiana irony maivana irony sy tsy mandratra ny zaza rehefa atsipy na dakana, baolina plastika ohatra, ary mikodia tsara. Ezahina mba hifanaraka amin’ny haben’ny zaza sy loko manintona ary mora tazana.
Ary koa:
- Azo ampitomboina ny isan’ny cubes kely satria dia efa mahavita milalao amin’ny cubes maromaro izy. Ataon’ny kitranotrano kely, atao tamboho, hevitra maro isan-karazany no mipoitra eto. Ezahina kosa mba ireny kilalao maharitra ireny no vidiana satria dia ankafiziny maharitra itony cubes itony.
- Raha manana lahy kely día azo atao ny mividy garage kely, na aéroport kely misy fiaramanidina na fiarakodia. Tsy dia mifankaiza amin’ilay tranokely taloha iny ihany ny zavatra ataony amin’io.
- Dia aza adino koa ny manisy mozika ao an-trano fa tena mandihy be mihitsy ny zaza eto amin’ity sokajin-taona ity.
Mazotoa indray o!



