Momba ny zaza 12- 24 volana: ny sakafony

Mitombo ihany ny zazakely, betsaka ny zavatra vaovao hainy: mihazakazaka, be kitikitika, mibadabada. Dada sy neny koa etsy andaniny efa organisé tsara. Ireto indray ary misy torohevitra vitsivitsy atolotra ho antsika e!

Ny sakafo: mahazo mihininana ny rehetra ve?

Betsaka isika reny no vaky loha mihitsy amin’ny fanomezana sakafo ny zanantsika. Mikarakara mafy ery ao an-dakozia ao dia rehefa iny mipaika ny ora hisakafoanana dia mikifin-doha fotsiny ilay zaza. Matetika rehefa tratra an’io dia lasa tsy mahandro afa -tsy ny sakafo izay tian’ny zanaka hohanina ihany. Ao ny mankafy potsitr’ovy-karoty-fromazy asiana toto-kena kely, ao ireo mankafy potsitra haricot vert sy courgette . Rehefa tsy manaiky mihinana afa-tsy ireo ary izy dia toa manahirana ery ny mieritreritra hoe “rahoviana ihany vao azo omena karazan-tsakafo hafa izay efa fihinanan’ny olon-dehibe sy matsirotsiro ery ny zaza, ka afaka mihinana toa anay?”. Mahazo mihinana endin-kanina ve ohatra, mayonnaise,  sy lasopy eny amin’ny restaurant izy?

Inona ary ireo sakafo aroso sy sahaza ny taonany?

Indreto indray ary ireo sokajy sy lanja vaovao mety ho an’ny zaza 12 ka hatramin’ny 24 volana.

Azo alefa tsikelikely ny fihinana legioma manta (crudités) toy ny betiravy, concombre, karoty .Tetehina madinika tsara na kikisana. Ampiakarina kely ny lanjan’ny hena sy ny nofon-trondro ka lasa 6 ka hatramin’ny 8 sotrokely (30-40g) na atsasak’atody masaka tsara isan’andro.

Ampidirina ihany koa ny voamaina (tsiasia, tsaramaso…) manomboka ny 15-18 volana. Izany hoe mihinana 300g na legioma maintso izy izany na vary ary azo ampiana mofo kely koa, raha tiany.

Omeo voankazo manta ihany koa izy, ampifampidimbiasana amin’ny totom-boankazo masaka (compote) eo amin’ny 150g eo isan’andro. Azo asiana siramamy kely, na tantely raha matsaboka loatra.

Tandremana tsara mihitsy ny menaka, ferana dia ferana. Dobera na menaka vezetaly no tsara, fadio ny hendin-kanina ho an’ny zaza.

Tohizana hatrany aloha ny ronono, 500ml farafahakeliny ka hatramin’ny 800ml isan’andro no sahazan’ny taonany, hatramin’ny faha-telo taona dia tohizana ny fanomezana ronono azy. Ireny lait de croissance ireny no tsara satria misy ny otrik’aina rehetra ilain’ny vatana. Raha tsy mety misotro ronono intsony izy dia azo atao tsara ny manome yaourt, fromage blanc, petits suisses, fromage.

250ml na ronono= 1 yaourt = 1 part-na fromazy (vache qui rit ohatra na fromazy hafa)

Torohevitra avy amin’ny crèche!

Mihinana ny rehetra ve ny zanakao rehefa mandeha any amin’ny crèche? Ary dia mahagaga anao tokoa izany satria ao an-trano izy dia manda mafy mihitsy. Fa ahoana ary ny fikafika any e?

Manana secret ve sa manao mazia ry zareo?

Gaga ianao fa rehefa misy tsirona voatavo ny lasopy dia tsy mihinana izy any an-trano kanefa dia hohaniny tokoa izany any an-tsekoly. Hoy ny mpiandraikitra ny crèche hoe hasaraka daholo ny karazan-tsakafo omena azy, ary atao hitan’ny  masony avokoa izany. Mahasarika azy ny loko, ny fofona, ny habetsakin’ny sakafo eo am-bilia. Ireo fotsiny dia mety handrisika azy hanandrana izay atolotra azy. Ary raha toa ka mahery loatra ny tsiron-tsakafo dia tapohina ronono kely, na koa dobera.

Fahanana sa avela hitsatsaingoka?

Marina fa tena mafy dia mafy amintsika ray aman-dreny sasany ny mahita ny zaza sy ny latabatra mihosin-doto. Ao koa ireo ray aman-dreny tsy mahandry tantana na maimaika ka voatery mamahana ny zaza mba ho vita haingana ny sakafo. Tsara ihany anefa ny zaza raha avela mihinana irery na amin’ny tànana na omena sotrokely tazomina satria izany no hampianatra azy ahay hitazona sotro sy hihinana irery any aoriana hoy ny mpiandraikitra crèche. Manomboka eo amin’ny 15 volana eo dia mazoto mihitsy mangala tahaka izy ka tsara araraotina izany.

Tohanana hatrany ny ankizy: rehefa eo amin’ny 18-20 volana eo dia mazoto ny zaza hanao zavatra irery, ny famelàna azy hanao izany dia handrisika azy ahavita tena.

Tairitairina ihany koa ny fahazotony homana. Raha toa izy ka tena tsy mazoto mihitsy dia tsy terena akory fa averina omena azy indray iny afaka andro vitsivitsy (nahandro vaovao an!)

Fadio sy tandremo:

- ny trondro sy ny hena endasina ka nampiasana menaka be loatra, na ny nahandro pané

- ny charcuterie toy ny mortadelle, saucisson afa-tsy ny jambon blanc maigre (ho antsika ray aman-dreny mipetraka aty ivelany moa io)

- ny frite sy endin-kovy rehetra

-ny mofomamy isan-karazany be siramamy sy lafarinina

- ny sakafo rehetra vita industriel

Tandremana ihany koa ny ravina salady, voanjo, voan-javatra fa tia rairay ny zaza izao ka sao kenda!

Ary inona indray ny goûter?

Ronono sy sokolà na ranom-boankazo

Ny toton-katsaka ( polenta) na totom-bary  (crème de riz, semoule) ampiana voankazo masaka tsara na nandrahoana raha tena noana be

Mofo sy fromazy kely, ampiana rano na ranom-boankazo

Mofo na biskoty (2) sy sokola 2 na 3 carrés eo,na mofomamy (20 na 25 g) ampio voankazo (masaka na compote) raha tiany

Indraindray koa azo atao ny manome yaourt, petit suisse na fromage blanc asana siramamy kely raha tsy nihinana izy ny atoandro.

Aza adino hatrany ny rano madio fotsy mangarahara e.

Maroroa taiza ary o!

3 Responses à “Momba ny zaza 12- 24 volana: ny sakafony”

  1. coucou l’équipe, merci @ty ary fa tena ao mihitsy zay zao; à 19mois, petit bonhomme est tendakanina et veut manger seul.
    Bises daholo ô

  2. CC ndriiii
    efa manomboka miha-lehibe ery akia ny ankizy eto e? bisous

Rétroliens

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.