Rehefa hitantsika teo aloha ireo karazan-tsakafo vaovao omena ny zanantsika 12 ka hatramin’ny 24 volana, dia indreto indray fampahalalana vitsivitsy momba ny fitomboan’ny vatany sy ireo zava-bitany. Marihina fa tsy voatery hitovy daholo akory ny fandrosoan-tsaina amam-batan’ny zaza rehetra. Raha misy efa mandeha kanefa vao 12 volana dia mety vosa izy eo amin’ny fiteny ohatra, misy kosa ireo mibadabada mafy anefa mbola tsy mahay mandeha. Ka aoka tsy raisina ho toy ny marika ireto manaraka ireto fa kosa ho tily fotsiny ihany. Raha misy fahatarana lehibe anefa tsikaritrao ray aman-dreny dia tsara ny manantona dokotera.
- Ny 12 ka hatramin’ny 18 volana
Ny famindrany:
Mahavita mitsangana irery indray izy izao. Na dia tsy misy mitazona aza izy dia mety mahatsangana sy mamindra sekondra vitsy na maharitra kokoa araka ny fandrosoan’ny tsirairay. Raha efa mamindra izy dia ho sahirana ka mety hianjera matetika (mandeha toy ny crabe hoy ny mpandinika, mibilabila izany), midona etsy sy eroa saingy miarina hatrany ary lasa indray. Tsy manakana azy velively izany rehetra izany. Faly ery izy rehefa akoraina sy tehafana, manampy azy betsaka mba handroso hatrany amin’ny fahaizany vaovao ny tsikaritra rehetra ataon’ny havany aminy. Eo amin’ny 15 volana eo dia tsy mipelipelika be intsony ny tànany rehefa mamindra, lasa amin’izay izy izany!
Ny zaza koa eto dia tena souple be mihitsy, miondrika, mitraka, mandady, mitsangana isa-minitra ary rehefa vizana dia maka appui amin’ny fanaka. Araho maso hatrany
Ny tohatra:
Tsy misy zavatra mahaliana azy toy izany. Rehefa miakatra ny tohatra izy dia mandady (miasa ny tongotra sy ny tànana), ary rehefa hidina kosa dia mikodiadia amin’ny fitombenany na ny kibony. Tandremo fa tsy mbola mahafantatra ny loza mety ahazo azy izy eto ka tsara raha arahina maso hatrany.
Ny boky sy ny penina:
Mankafy mijery sy mamadika pejy tsy ankanavaka izy. Alefany avy dia in-droa na in-telo miantaona izany rehefa mamadika ny pejin’ny boky eny an-tànany izy.Eo amin’ny 18 volana eo dia manomboka fantany ny sary hitany ao anatin’izay boky omena azy ka sahazan’ny taonany (imagier ohatra). Mitana penina ihany koa dia zavatra tiany ary manoratsoratra eny rehetra eny no tena kilalaony. Mankafy ny hoso-doko ihany koa ny zaza eto, saingy ilay fotafotaina amin’ny tànana no tena ahazahoany aina!
Ny fomba fifandraisany amin’ny hafa:
Tsotra sady mazava. Tondroiny amin’ny tànany fotsiny izay tadiaviny. Mahavita manao fehezan-teny fohy izy, teny 2 na 3 eo no mameno izany (Omeo bonbon, maditsa Peno). Eo amin’ny 15 volana eo dia ny reniny sy ny rainy ihany na ireo olona miara miaina aminy isan’andro ihany no mahazo izay zavatra teneniny (avion= abon, automobile= bibil) . Teo no nahatonga antsika zatra miteny hoe baba rehefa hisakafo, diditra rehefa maditra. Sa tsy izany?
Milalao sa mianatra?
Ny mandaka baolina na manipy baolina dia hainy tsara, saingy tsy alefany any amin’izay miara milalao aminy mihitsy ilay izy. Ny antony voalohany aloha dia mbola kely ny heriny ary faharoa dia tsy dia mbola hainy loatra ny maminavina ny fahalavirana misy eo aminy sy ny hafa. Aleo izany aloha manantona azy akaiky rehefa milalao aminy ary mihataka tsikelikely avy eo.
Kilalao mahafinaritra azy koa ny manatsofoka boule kely, na vatokely anaty tavoahangy, na koa ny manidy sy mamoha fermeture eclair. Mandany andro eo mihitsy izy. Eto koa dia mahatazona cube kely roa amin’ny tànana iray izy ary manaingina cube 2 na 3 .
- Manomboka eo amin’ny faha -19 volana
Fanatanjahan-tena ve?
Taranja ankafiziny manokana ny mihazakazaka eto, na dia mianjera lava aza izy satria tsy tena mbola mahay mamoritra ny tongony (henjaniny ny ranjony). Fa hitany ihany iny rehefa ela ny ela.
Tia mi -saute koa izy, toy ny te hanidina izany. Maka bahana mafy ery anefa tsy tafiainga akory ny tongotra avy eo. Ho vitany ihany izany . Mahaliana azy koa ny mamindra miverina ( à reculons) sy mitaritarika kilalao afara.
Mahafinaritra azy koa ny mihanikanika, mihanika ambony fandriana sy izay zavatra rehetra avoavo ka azony hiakarana. Mila arahaina maso sao mianjera
Mazoto misakafo sa tsia?
Maika lava ny zaza eto, maika ny hiala eo ambony latabatra, maika handede, maika hilalao. Fa rehefa noana iny izy dia misakafo tsara ery , ary misakafo irery. Mahavita mitazona ny verany izy ary efa madio rehefa mihinana.
Mety ho tia boky sahady ve?
Tia mijery boky izy ary mamantatra izay sary hitany rehetra ao. Mandinika tsara hatramin’ny atsimpirihany izy ary maneho ny heviny. Mahafinaritra azy koa ny mihaino tantara kely sy mamerimberina izay zavatra fantany rehetra.
Ny fifandraisany amin’ny manodidina azy
Manomboka mahavita fehezanteny kely izy, ary mahalala teny vitsivitsy (10 eo ho eo). Mametraka fanontaniana(han? inn ty? ) ary mahalala ny anarana taova 2 na 3 momba ny vatana (sofina, vava, orona)
Ny tohatra
Miakatra ny tohatra toy ny olon-dehibe izy izao. Saiky matahotra amin’izay ary mijanona matetika isak’izay mahavita dingana iray. Rehefa midina izy dia mametraka ny tongony roa aloha vao midina indray. Raha misy fiankinana (rampe) ka mety amin’ny halavany dia ampiasany tsara mihitsy izany.
Ny sary sy ny hosodoko
Tia manoratra sy mandoko izy. Na dia mbola tsy hainy tsara aza ny mandray ny penina (raisiny amin’ny paume de la main), manao boribory no tena tiany sy manoratra tsipika, matetika dia mihoatra ny pejy foana izany. Tiany ihany koa ny mijery album kely misy ireo sarin’izay olona fantany: dada, neny, zoky, dadabe, bebe, tranony sns…
Ny fampiakanjoana azy
Mbola ampiana izy mazava ho azy, fa kosa raha tsy asiana tadin-kiraro, na bokotra kely, na fermeture ny akanjony dia vitany tsara ny manala ny kirarony sy ny akanjony. Tsy tiany kosa ny miakanjo , moramora kokoa ny manala azy nohon’ny mampiditra azy.
Ny toetrany
Somary be dongy sy mora tezitra. Tsy mahatanty toherina satria be ny zavatra tiana ho azo kanefa voarara. Eo amin’ny 2 taona eo moa dia tena mamaivay mihitsy na ho azy na ho antsika ray aman-dreny ny fanaovana TSIA. Ny antony: te hanao irery toy ny efa lehibe. Kanefa…
Mpangala tahaka hoe?
Mankafy milalao izay rehetra fampiasan’ ny lehibe ao an-trano izy. Tsy miandahy tsy miamabavy, ary mahagaga fa ny zaza rehetra eo amin’ity taona ity dia faly milalao kifafa sy fandraofam-pako avokoa, manasa lamba, mipasoka, mamafa fanaka, mikapokapoka amin’ny maritoa tsy tena izy, mandidy hena amin’izay zavatra eritreretin’ny fa toy ny antsy. Araraoty fa tsy aharitra ela akory ny fanampiany ano ao an-trano!
Ny fahadiovana
Misy ireo zaza efa madio eto, na dia misy ihany aza ireo mbola tsy mahatana ka manao accident kely tsindraindray. Misy milaza fa ny vavy madio alohan’ny lahy, asa anefa… Ny fahadiovana amin’ny alina kosa dia mety ao aoriana kely ao.
Mazotoa indray o!



Misaotra an’i Mbolatiana sy izay nandrindra rehetra an’ity kapila ity manokana i kilonga.com fa tena hevitra tsara sy mety ny nataony. Na ny fampahafantarana ny hiran’ny zaza, ny feo mozika malagasy, ny fitazomana azy ho mandrakizay ho henoin’ny taranaka maro mifandimby fotsiny aza dia efa mahafaly ny fo. Na ho anay lehibe aza dia mahatsiaro sy miverina amin’ ny fahazazana indray, ka vao maika moa ny fitiavanay ampita izany amin’ny zanakay dia tena mahafinaritra ery.
L’album Madagascar, rondes, comptines et berceuses, présente quelques images familières de l’enfance de Mbolatiana.
Mitombo ihany ny zazakely, betsaka ny zavatra vaovao hainy: mihazakazaka, be kitikitika, mibadabada. Dada sy neny koa etsy andaniny efa organisé tsara. Ireto indray ary misy torohevitra vitsivitsy atolotra ho antsika e!