Nahatsikaritra daholo angamba isika vehivavy bevohoka fa nisy fiovana maro tao aorian’ny fiterahana. Faharerahana, fitomboan-danja, fahavesaran’ny tongotra… Mikarakara tera-bao andro aman’ alina, tsy moramora tsy akory. Na dia sarotra aza io fotoana io dia aza adino fa tokony hisy fikarakarana ihany koa ny vatantsika vehivavy. Torohevitra kely mety ahasoa indray no omen’ny kilonga.com antsika anio.
Hiverina amin’ilay taille 36- 38 taloha ve?
Marina fa tena nisy fiovam-bika be isika vehivavy rehefa avy teraka, na dia zava-tsoa aza ny naterakan’ny fitondrana vohoka. Mety ho kivy isika rehefa mijery fitaratra: tsatsakoatra, be fe be , be kibo, saingy tsy tokony ho maika loatra amin’ny finiavana hanen-danja aloha. Indrindra ny 3 volana voalohany, manjary tsy ny tavy no lasa fa miroraka ny hozatra ka mety hanimba vatana indray. Kely sisa e!
Azo atomboka ny régime rehefa mihatsaratsara ny morale.
Fantatrareo moa fa mandalo amin’ilay fotoana hoe baby blues isika vehivavy rehefa avy miteraka? Somary kivikivy na malahelohelo lalandava izay, rehefa afaka io fotoana io dia afaka atomboka ny fanenan-danja. Alefa moramora izany ary atao izay mahafaly koa sy mahasoa satria aza adino fa mila tanjaka isika hikarakarana ny zazakely. Aza atao ambanin-javatra ny fihinana ny otrik’aina ilaina rehetra (ronono, hena, legioma, voankazo)
Aza adino fa tsara ny mihinana sakafo mitondra otrik’aina mahavitrika.
Raha misy sokajin-tsakafo tsara ahena ny fihinanana azy, dia misy kosa ireo tokony hampitomboana kely. Ny lafarinina, ny alkola sy ny menaka avy amin’ny hendihendin-kanina ohatra tsy dia tsara loatra. Ny tena tsara dia ireo mitondra calcium toy ny ronono, fromazy, legioma sy voankazo be otrik’aina. Aza dia atao betsaka ny fihinana tavy azo avy amin’ny biby fa tsy tsara, ny henan-kisoa sy henan’ondry ohatra. Ataovy betsaka am-bilia ny trondro sy ny henan’ akoho. Ary raha mampinono ianao dia tokony ho voalanjalanja tsara daholo ny fihinana ny karazan-tsakafo rehetra satria izay hohanintsika ihany no mankany amin’ny zazakely.
Mahazo manao gourmande ihany kosa indraindray e!
Ranom-boankazo mampavitrika: voasary, frezy, akondro, sakamalao (olona 4). Voaso ary kikiso ny sakamalo mbolongana kely toy ny fanondro. Sasao ary karakarao ny frezy , avy eo dia teteho majinika, dia toy izay koa ny akondro. Voaso ny voasary ary teteho koa. Alefaso anaty mixeur ireo rehetra ireo, miaraka amin’ny ronono 30cl eo ary ilay sakamalao teo. Ampangatsiaho anaty frizidera ora vitsy dia sotroy amizay. Tsara ery e!
Aza atao tsinotsinona ny sakafo maraina.
Zava-dehibe mihitsy ny sakafo maraina. Vary sosoa sy kitoza, na omelety na legioma koa mety (haricot vert, anana saosy) dia tena mitondra hery ho an’ny vatana mihitsy. Indrindra raha reraka nifoha mandrakalina (nampinono, mampatory zaza). Raha tsy mahavita mihinam-bary dia azo atao koa ny misotro dité mafana, na kafe au lait sy mofo; ampiarahana amin’ny dobera , na tantely. Mazotoa homana e
Aza mitazona karazan-tsakafo mampatavy ao an-trano
Tsy dia tsara loatra ny manana an’ireny chips, biscuit, voanjo sns ireny anaty garde à manger fa mitondra fakam-panahy. Raha misy mpanatitra sakafo any am-piasana ohatra dia aleo maka yaourt toy izay katlesy , na sambos, na mofomamy. Ao an-trano koa dia tokony hisy corbeille à fruit feno foana, ka zarina ny rehetra hihinana an’ireo raha noana . Ilay mihinana am-povoan-tsakafo (grignotage) no tena ratsy satria tsy voafetra ny lanja. Fa raha tena noana dia safidiana ny sokajin-tsakafo hohanina.
Inona ary ny goûter an’i Neny e?
Andramo anie fa indraindray misotro rano fotsiny dia afaka ny hanohanana e! Na dite io, na kafe. Raha tena noana be ohatra amin’ny 5 na amin’ny 6 iny dia aleo asiana paoma kely, na yaourt nature toa izay mofomamy be lafarinina na mitsako kkpigeon lava eo. Kony e!
Mizatra mahandro legioma isan’andro!
Misy ireo zatra misakafo matsiro isan’andro, ao ny vady mila kojakojaina, ny fahafinaretana mahandro. Saingy aza atao be menaka loatra fa aleo aza atao matsiro amin’ny fofompofona isan-karazany toy ny tongolo lay, thym, persil sns. Aza adino ny mampiaraka ireny amin’ny legioma (manta na masaka) Ataovy be loko. Isika eto Madagasikara dia tena sambatra mihitsy amin’ny safidy ka aza atao ambanin-javatra ny manovanova azy. Tsy voatery ho ron’anàna foana. Isika aty ivelany koa dia tokony hizatra izany. Ampiaraho amin’ny trondro, na henan’akoho dia asio vary kely fa ho voky tsara ianao, aza adino ny tsindrin-tsakafo natioraly.
Tsy midina ambanin’ny 1300 calories!
Raha vonona hanen-danja amizay dia atomboka moramora, ary tohizana tsara ny fihinana sakafo ara-dalàna, ahena ny fihinana siramamy sy sira be loatra. Tadidio koa fa rehefa avy teraka dia misy lanja tsy maintsy very (eo amin’ny sivy kilao eo) . Ampiana koa ny fanaovana fanatajahan-tena malefaka (fandehanana tongotra dia efa ampy, 30 mn isan’andro eo)


