Kojakoja ilaina ho an’ny zaza vao teraka


  • Ny ara-tsakafo

Na mampinono na manome biberons, dia tokony miomana hanana  ireto:
- bavoirs sy/na serviettes ;
- biberons sy tétines ;
- borosy fanadiovana biberons ;
- fanamainana biberons ;
- harona isotherme hitondrana ny ronono ;
Raha toa ianao ka mampinono :

- soutiens-gorge fampinonoana zazakely (2 na 3 eo) ;

-crème fiarovana ny lohanono mba tsy harary sy ho vakivaky (lansinoh no tena mandaitra) ;
  • Ny ara-pahadiovana

Azo apetraka ao amin’ny efitranon’ny zaza raha malalaka na ao amin’ny tranokely fidiovana :
- fanaka natokana ho fanoloana sy fanadiovana ny zaza;
- lafika na couches;
- lambakely fanadiovana ny fitombenany na vovo koa mety ;
- crème hosorana ny fitombenany (bepanthen, avène, gifrer) ;
- kojakoja fimbagoana volo, fanapahana hoho ;
- fakana maripàna ;
- sérum physiologique hanasana ny masony sy ny orony (azo atao ranon-tsira ihany koa):
Ny fampandroana ny zaza :

- baignoire plastika na seza fipetrahana anaty fandroana ;

- savony natokana ho an’ny zazakely ;
- gants mahafatifaty ;
-serviettes miaro ny lohany na peignoirs ;
- fakana ny maripàna ny rano na thermomètre de bain:

Raha manana ny ampy, dia azo ampiana:

- fampirimana tatin-jaza na range couches ;


- daba fanariana ny tatin-jaza (misarona mba tsy hivoaka ny fofona):

  • Momba ny efitra fatoriana

Aza atao ambanin-javatra ny fanaingona ny efitrano fatoriany. Ny lokony rindrina sy ny fanaka ary ny fitaovana rehetra manodidina azy dia natao ampivelatra ny sainy. Alohan’ny hodiana avy any amin’ny hopitaly dia tokony efa vonona ireto:

- berceau na couffin ;


- draps ambany sy ambony (3 na 4);


- tour de lit (raha ilaina) ;

Na dia tsy indispensable aza, dia mety mahafinaritra anao ny manana :

- portique na koa  tapis d’éveil ;


-  mobile (ahantona ambony berceau) ;


- jiro malefaka (ilaina rehefa mampinono amin’ny alina).

  • Momba ny akanjo kely indray:

Aza mividy akanjo vao teraka be loatra. Fotoana vitsy foana no hanaovan’ilay zaza an’iny satria isakin’ny 3 volana izy dia mitombo habe sy halava. Amin’ny voalohany, ireto aloha vidiana:

-  bodies misokatra toy ny amin’ny sary (aza mividy zavatra manasarotra ny fampiakanjoana zaza) ;


-  barboteuses na pyjamas ; akanjo kely hanaovany rehefa mivoaka (2 na 3) , kiraro kely

  • Ary raha andeha hitsangatsangana

Fomba maro no afaka hitondrana azy mivoaka. Ohatra azoko omena anareo:

- landau (tsy dia ilaina firy, afaka tsy vidiana, sisiny ankavia @ sary)  sy/na ;
- poussette na/sy  siège-auto ( tena ilaina, eo ampovoany @ sary)


-  porte-bébé, tena maro karazana (na lambahoany) ;

Miampy ireo dia tokony ho vonona foana:

- akanjo, satroka sy lamba mafana rehefa mivoaka na nid d’ange ;

- sac à langer misy ny rehetra (sakafo, taty, akanjo hisoloana, sns).

Dia maroroha taiza o!

2 Commentaires à “Kojakoja ilaina ho an’ny zaza vao teraka”

  1. coussinet d’allaitement konkoa hilaina ho an’ireao mampinono fa sao mandeha be ny ronono dia very ao @soutien daholo, lena be ny soutien; na koa tire lait rehefa miakatra ny ronono ka marary ny nono dia halaina @ tirelait na hafanaina @gant nasiana rano mafana fa ny tire lait tena efficace raha toa ka ny zazakely tsy dia mihinana firy lay nono

  2. Mitia a!
    Ilay coussinet akia ohatran’ny rehefa tena miakatra ny nono tena mandomando be, dia ny ahy masaka mihitsy ny nono. Ilay izy aloha ilaina e, fa izany hoe mila manana vatsy any anaty poketra sastria mila soloina toy ny serviettes hygiéniques . LOL. Fa ny tena hitako mety koa fa en option dia ny coque.
    Ny tire lait indray aho nanana koa fa tena henjana ny resaka hygiène sns, mila mahavatra. Amin’ny voalohany koa tena marary fa rehefa miakatra tsara ny nono dia tsy maninona fa afaka manao réserve amin’ny congélateur .

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.