Archive pour avril, 2011

avril 8, 2011

Kojakoja ilaina ho an’ny zaza vao teraka


  • Ny ara-tsakafo

Na mampinono na manome biberons, dia tokony miomana hanana  ireto:
- bavoirs sy/na serviettes ;
- biberons sy tétines ;
- borosy fanadiovana biberons ;
- fanamainana biberons ;
- harona isotherme hitondrana ny ronono ;
Raha toa ianao ka mampinono :

- soutiens-gorge fampinonoana zazakely (2 na 3 eo) ;

-crème fiarovana ny lohanono mba tsy harary sy ho vakivaky (lansinoh no tena mandaitra) ;
  • Ny ara-pahadiovana

Azo apetraka ao amin’ny efitranon’ny zaza raha malalaka na ao amin’ny tranokely fidiovana :
- fanaka natokana ho fanoloana sy fanadiovana ny zaza;
- lafika na couches;
- lambakely fanadiovana ny fitombenany na vovo koa mety ;
- crème hosorana ny fitombenany (bepanthen, avène, gifrer) ;
- kojakoja fimbagoana volo, fanapahana hoho ;
- fakana maripàna ;
- sérum physiologique hanasana ny masony sy ny orony (azo atao ranon-tsira ihany koa):
Ny fampandroana ny zaza :

- baignoire plastika na seza fipetrahana anaty fandroana ;

- savony natokana ho an’ny zazakely ;
- gants mahafatifaty ;
-serviettes miaro ny lohany na peignoirs ;
- fakana ny maripàna ny rano na thermomètre de bain:

Raha manana ny ampy, dia azo ampiana:

- fampirimana tatin-jaza na range couches ;


- daba fanariana ny tatin-jaza (misarona mba tsy hivoaka ny fofona):

  • Momba ny efitra fatoriana

Aza atao ambanin-javatra ny fanaingona ny efitrano fatoriany. Ny lokony rindrina sy ny fanaka ary ny fitaovana rehetra manodidina azy dia natao ampivelatra ny sainy. Alohan’ny hodiana avy any amin’ny hopitaly dia tokony efa vonona ireto:

- berceau na couffin ;


- draps ambany sy ambony (3 na 4);


- tour de lit (raha ilaina) ;

Na dia tsy indispensable aza, dia mety mahafinaritra anao ny manana :

- portique na koa  tapis d’éveil ;


-  mobile (ahantona ambony berceau) ;


- jiro malefaka (ilaina rehefa mampinono amin’ny alina).

  • Momba ny akanjo kely indray:

Aza mividy akanjo vao teraka be loatra. Fotoana vitsy foana no hanaovan’ilay zaza an’iny satria isakin’ny 3 volana izy dia mitombo habe sy halava. Amin’ny voalohany, ireto aloha vidiana:

-  bodies misokatra toy ny amin’ny sary (aza mividy zavatra manasarotra ny fampiakanjoana zaza) ;


-  barboteuses na pyjamas ; akanjo kely hanaovany rehefa mivoaka (2 na 3) , kiraro kely

  • Ary raha andeha hitsangatsangana

Fomba maro no afaka hitondrana azy mivoaka. Ohatra azoko omena anareo:

- landau (tsy dia ilaina firy, afaka tsy vidiana, sisiny ankavia @ sary)  sy/na ;
- poussette na/sy  siège-auto ( tena ilaina, eo ampovoany @ sary)


-  porte-bébé, tena maro karazana (na lambahoany) ;

Miampy ireo dia tokony ho vonona foana:

- akanjo, satroka sy lamba mafana rehefa mivoaka na nid d’ange ;

- sac à langer misy ny rehetra (sakafo, taty, akanjo hisoloana, sns).

Dia maroroha taiza o!

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.