
Ny Torimaso
Zava-dehibe ho an’ny zaza mihitsy ny torimaso, ny volana voalohany dia matory foana ny zaza rehefa tsy misakafo. Avy eo dia mivadi-bolàna izy hoy ny fiteny malagasy; na dia mbola matory foana aza no ataony tontolo andro, dia efa manomboka misokatra kely ihany ny masony, fa mbola mora vizana izy.
Marihina fa tsy hakamoana akory ny antony hatorian’ny zaza fa mamarana sy manamafy ireo taovany rehetra izy. Ilaina amin’ny fitomboana noho izany ny torimaso.
Ito misy tabilao mamintina ny fotoana ilain’ ny zaza vao teraka ka hatramin’ny 3 taona momba ny torimasony.
Taona Torimaso Sieste Totaly
tera-bao 10 ora 10 ora 20 ora
3 volana 10 ora 5 ora 15 ora
6 volana 11 ora 3 ora sasany 14 ora 30
9 volana 11 ora 3 ora 14 ora
12 volana 11 ora 2 ora 45 13 ora 45
18 volana 11 ora 2 ora 30 13 ora 30
2 taona 11 ora 2 ora 13 ora
3 taona 11 ora 1 ora 12 ora

Lanja sy Halavana
- Teraka: matetika 3kg 500, 50 cm
- 1 kilao isam-bolana mandrapahatongan’ny 3 volana
- 500 gr isam-bolana ny 4-bolana ka hatramin’ny 6 volana
- 250 gr isam-bolana ny 7 volana ka hatramin’ny herintaona
| Mora tadidy: mitombo indroa ny lanjany tamin’ny teraka izy eo amin’ny efa-bolana eo, ary mitombo in-telo ny faha-erintaonany. Na koa 8 volana, 8 kilao |

Fihaonana amin’ny hafa
- 0- 3 volana, mahay mitodika manaraka feo vaovao
- mitsamboatra raha misy feo mafy be tampoka. Ohatra varavarana mikaratoka
- mangina raha resahina amin’ny feo malefaka
- tsy mihetsika raha maheno feon’olona mahazatra, avy eo dia mibadabada
- mitsiky
- mibadabada : aaaa… eeeee…ououou
- 3 – 6 volana, raha vao mahita ny biberon-ny dia avy dia mibadabada
- mihamivoatra ny fomba firesaka, “mamaly” raha resahina
- manomboka manao ”Areuh”
- 6 – 12 volana, efa misy fivoarana be eo amin’ny fahaizana miresaka amin’ny manodidina (feo, teny, fihetsika)
- faly mangala tahaka feo (manapoaka lela)
- mampiseho amin’ny hafa hoe mahazo resaka avy amin’ny fijeriny anao
- mikiakiaka mafy mba hijerevana azy
- manomboka ny ba ba, ma ma, mum mum . Manomboka eto ihany koa isika no manome anarana tsotra ny zavatra manodidina : ohatra hihinam-bary: baba, andeha hatory: dodo. eto izany ny fotoan’ny “teny voalohany”
- eo amin’ny 9 volana eo, mahazo teny kely mahazatra isan’andro : avia, dada, mama, dodo, baba , aiza
- Mihizin-doha rehefa mandà.


Fahaizana
- 0 -3 volana : manara-maso na dia mbola tsy mahita tsara aza (1-2 volana) ; mitsiky fa mbola tsy ny atidoha no mibaiko na ‘sourire aux anges’ hoy ny vahiny
- 2-3 volana : mitana irery ny loha, na dia mila tazomina hatrany aza ny atoka (3volana).
- 3 – 6 volana: manomboka manome lanja ny entana manodidina, mihomehy (fohy hehy), mi-”gazouille“
- 7 -9 volana : mahay mipetraka irery , manomboka mampiditra am-bava ny kilalao na ny mofo omena azy, mahay mamindra ny zavatra eny an-tanany ankavanana amin’ny tànana havia (7-9volana), manondro, milalao “nankaiza nankaiza! io o!”, mamerina : mama, dada, baba, tata (9 volana)
- 9-12 volana : mivoatra ny fahaizany mandray amin’ny tanany. Mahay mandray zavatra madinika amin’ny hakibe sy fanondro, ohatra vola kely na voanjobory (hakibe sy ny ratsan-tanana efatra : 8-10 volana, hakibe sy fanondro : 10-13 volana) ;
- 12 – 18 volana : Mivoatra ny fahaizana miteny : teny iray ohatra midika zavatra maro (izay mifandraika amin’iny hevitra iny) Ohatra: mama sady manondro an’i Mama no manondro ny poketrany, ny kirarony no manondro ny ramatoa rehetra .




Kilalao
Manintona ny zaza daholo eto amin’ity sokajin-taona ity ny manodidina azy rehetra, na dia ny feon’ny fianakaviany manodidina azy aza dia toy ny kilalao aminy. Ny ratsan-tànany, ny tongony, ny vatany rehetra. Azo atao hoe sady milalao izy no mianatra ihany koa. Fotoana iray tena ankafizin’ny zaza ohatra ny milalao rano rehefa mandro.
Noho ity fotoana ity fanamafisana ny taova rehetra ary indrindra moa ny atidoha, dia tsara ny kilalao manintona ara-loko sy ara-peo , ary ireo zavatra rehetra afaka raisin’ny tànana ka samy hafa volon-damba.
Mivoatra araka ny fitomboan-tsain’ny zaza arak’izany ny kilalao omena azy.
- 0- 3 volana: zavatra rehetra manintona ny maso ka azo ahantona eo amin’ny berceau-ny, toy ny mobile ohatra, hira malefaka, saribakoly lamba, tsikitsiky sy resaka avy amin’ny fianakaviany.
- 3-6 volana: hochets, baolina kely, nounours, izay zavatra azony ampiasana ny ratsan-tànany
- 6-9 volana: izay zavatra rehetra azo ampifampitaingenana toy ny cube na anneau , tapis feno sarisary
- 9-12 volana: boky vita baoritra, catalogue rehetra ireny ka azo rovitina, zavatra lalaovina anaty rano, kilalao rehetra azo taritina na atosika
Fampatsiahivana: tandremana tsara sao maloto ny kilalao satria mampiditra am-bava izay hitany rehetra eto ny zaza, toy izany ihany koa ny kilalao mety miboraka , na misy bille ka mitsorovaka any am-bavany. Ireo kilalao mety handratra rehetra moa dia tsy azo omena ny zaza mihitsy (ohatra: ratsan-kazo)





Sakafo
0-6 volana: rononon-dreny na ronono artifisialy. 6 ka hatramin’ny 8 biberons isan’andro
Raha ronono artifisialy dia 30ml rano (nampangotrahina mangatsiaka, na tsy dia be mineraly) asiana ronono 1 sotrokely voafoaka (efa ilay ao anaty boitin-dronono iny)
- Volana voalohany (0-6 volana): Biberons 6, 90ml rano + 3 fatra ronono, na 120ml rano+ 4 fatra ronono
- Volana faharoa ( 1-2 volana) : Biberons 6 ,120ml rano+ 4 fatra ronono na biberons 5, 150ml rano + 5 fatra ronono
- Volana fahatelo (2-3 volana): Biberons 5 , 150ml rano +5 fatra ronono
- Volana fahaefatra no miakatra (3- 6volana): Biberons 5 , 150ml rano+ 5 fatra ronono na biberons 4, 180ml rano + 6 fatra ronono
- Tsy terena mihitsy ny zaza raha tsy laniny ny biberons-ny, ary tsy tazomina ihany koa izay tsy lany fa mitondra aretin-kibo.
- Mila mandrezatra foana arianan’ny sakafon’ny zaza izay vao ampatoriana.
- Mety maharitra 45mn ny fotoana hisotroany ronono, fa tsy tokony hihaotra an’io
- Isakin’ny adin’ny telo eo ho eo ny elanelan-tsakafo roa. Kanefa tsy voatery ho fohazina akory izy raha tsy taitra ao antin’izay fotoana izay.
- Aza misalasala manome rano tsotra madio ho an’ny zaza eny anelakelam-potoana eny, indrindra raha mafana ny andro. Tsy tokony ampiditra vetin-tsakafo na ranom-boankazo mihitsy alohan’ny faha-enimbolana, ary lafarinina manapoka ronono alohan’ny efa-bolana.




Momba ny ronono artifisialy
- 0 – 6 volana : laits 1er âge = ronono natokana ho an’ny zaza vao teraka
- 4 – 6 volana ka h@ 12volana : laits 2e âge =ronono mpandimby
- 10 -12 mois h@3 taona : laits de croissance = ronono natokana ho an’ny zaza kely taona
[Ireo marika ronono voalaza rehetra eto @ kilonga.com dia tsy torohevitra na fampirisihana akory fa fampisehoana ireo karazana ronono misy eny an-tsena fotsiny ihany]
Fanampiny: Tsidiho ny Centre Mandrosoa , manome torohevitra isan-karazany momba ny fahasalamana io takelaka io.


