Tsy asian-teny firy foana ny firaisana ara-nofo satria lazaina fa tsy mahatanty resaka mivantambatana hono ny Gasy, ary lohahevitra mamoa fady sy tsy mba maontina hono izany ka tsy famboraka imason’olona.

Vokany : heverina ho zava-dratsy sy marikoriko foana ny firaisana ara-nofo sy ny filàn’ny vatana, hany ka rehefa hanompa olona ohatra dia mazàna ny faritry ny fivaviana na ny filahiana foana no tonontononina voalohany.
Vokany izay mahavariana ihany koa : rehefa sendra tafaresaka mikasika ny firaisana ara-nofo ny samy mpinamana, na vavy na lahy, dia saika nomena endriny habibiana na haratsiana foana izany. Ohatra : « Kepoka be fotsiny », « Nopehan’ialahy ve ? », « Maty kapoka mihitsy ! », « Iny ve tsy hohanin’ialahy fotsiny », « Vitan-dry ve ? »… Raha tsy izay indray, dia afenina anaty kisarinteny malalaka be ny mikasika ny firaisana ara-nofo. Ohatra hoe : « manao », « mananona », ary rehefa hilaza ny fivaviana na filahiana dia atao hoe… « Ny ahy ».
Amiko manokana dia efa porofon’ny tsy fahaizana manao firaisana ara-nofo fotsiny izao izany : raha tena mahay mizara fy izy, tsy tokony hahita fifanoheran-kery na fanjakazakana – raha tsy hoe nofinofy miafina izay ifanarahan’izy roa izany -, ary mahavariana ahy raha ny zava-tsoa ifampizarana toy izany no tsy vita akory ny manonona ny anarany sy ny fombany. Sahala amin’ny hoe an-kenatra sy an-tery no nifankatiavana sy niraisana ka zara aza nihidy tao anaty trano maizimaizina tao fa ota manala baraka tsy fanaon’ny olombelona ity niaraha-nanao… Poizina !!!
Nandika tamin’ny teny gasy ny kama sutra izahay efatra mianadahy mpinamana, tsy hoe ny fomba rehetra izany fa singatsingany amin’izay tena tian’ny tsirairay. Samy nisafidy iray amin’ny fomba samihafa hita ao anaty kama sutra izahay (Tao anatin’ny doctissimo.fr no nahitanay azy) toy ny hoe « Ireo sotrokely », na koa « Ilay voninkazo mikombona « , « Ilay fitoeram-boahangy », « Ireo mpivoy lakana », na koa ( ary ity dia tena mahatapaka ny tsinaiko satria hitako fa tena nikaondoha mihitsy izay nieritreritra azy mba hanomezana fomba firaisana faran’izay sarotra sy manapa-taolana indrindra ) « Ilay tantanana mameta-pantsika »
Andro hafa miresaka an’izany fa mbola marary an-doha amin’ny politika aho, mahantra ery izany fireneko e ?
Par Mialy s’en fout
—–
( Affaire à suivre de près donc!) Misaotra Mialy


