Fampianarana ny zaza ho tia marika sy kajy!

Firy moa isika ray aman-dreny no mankahala ny taranja ‘Mathématique‘ na kajy. Misy vao maheno hoe vecteur, fraction, chiffre dia efa mihoro-koditra. Iza marina no diso: ny mpampianatra ve no tsy nahay nampita ny lesona, sa ny ray aman-dreny no tsy dia nazoto nanampy ny fanazavana, sa isika mihitsy no donto? Mba tsy hiverenan’ireo fanontaniana ireo, mbola tsy tara izao raha te hampianatra ny zanatsika isika! Andao anie e…

- Tetika voalohany

Tsy anjaranao no mamaha ny olana fa azy, anjaranao kosa ny MANAZAVA sy MITARIKA azy hitady ny vaha-olàna.

Noho izany miaraha mipetraka aminy, ary vakio miaraka ny fanontaniana. Aza mitsahatra raha tsy mazava tsara aminy sy aminao . Raha tsy vitanareo mihitsy dia miantso vonjy: vady, zoky, anadahy, havana fa indrindra ny mpampianatra. Hanontanio azy hoe ahoana ny fomba famahana ny olàna, dia sady manararaotra manontany hoe ‘maharaka tsara ve ny zanakao sa tsia?’

-Tetika faharoa

Misy ohatra zaza mahay tsara ny resaka division, multiplication, soustraction, addition, fa tsy mbola mikorisa tsara rehefa raikitra ny kajy . Mety hoe tsy mahay tsara ny tables izy izany. Tsy misy hevitra hafa afa-tsy ny fanadinana azy isan-kariva mandrapa-hainy an’ireo. Rehefa tena masaka tsara dia asiana tampoka 9×8 eo ampisakafoanana. Mandaitra!

-Tetika tsy maintsy hananana

Eto amin’ity resaka ity dia ny FAHARETANA no  toetra mendrika indrindra. Midika izany hoe averina foana… foana… foana mandrapahaleo tsy te hierika intsony kanefa tena azo tena azo ny lesona. Ny fanaovana devoara dia eo ihany, fa indrindra koa dia ny fahazahoana ny toromarika (enoncé) dia zava-dehibe.

Misy zaza maika te ahavita haingana fotsiny, dia mila ampiana izy izany. Misy indray tena calé tanteraka, mila rassuré-na izy izany! Anjaranao ray aman-dreny no mitondra ny fanampiana mety amin’ny toetrany.

Torohevitra mahasoa

Rehefa nanao ny ezaka rehetra ny zaza kanefa mbola tsy tafavoakany ihany ny vahaolana. Dia mila ampatsiahivina kely azy hoe:

- Maka aina tsara ary averina vakiana ny olana. Azo ve ny teny fanazavana (teny anglisy, frantsay, malagasy?)

- Mieritreritra, atao izay ahazahoana ny olana amin’ny fomban’ny tena (fehezanteny tsotsotra)

- Tsopihana izay zavatra hita fa misongadina sy tsara ho fantatra

- Mametraka ny fanontaniana hoe: inona no zavatra tadiavina ao anatin’ilay vahaolana.

- Vakiana sady soratana an-tsary ny fomba famahana ny olàna.

- Averina  kajiana raha atahorana ho diso.

- Aza mandany andro eo raha tsy voavaha ny olàna fa manaova devoara hafa, rehefa tony indray ny saina vao hiverenana.

Fahazarana ho tia marika

Dieny mbola kely dia ampidiro moramora ho lasa kilalao ny kajy sy ny marika, mba ho zatra ny atidohan’ny zaza. Ohatra: ankamatatra, énigme, milalao karatra, manao sakafo ary mizatra mamaky sy manaraka ny ingrédients, mandrafitra, mianatra miady hevitra sy mamaha vahaolana irery.

Raha tena mbola kely (3-4 taona ) dia azo atao ny milalao tanisa: ohatra maka baoritra kely isankarazany dia asiana pâte, bokotra, bâtonnets, kabaro, tsaramaso . Dia isaina ny ao anatiny baoritra. Avy eo afangaro daholo dia avela hampiriminy , ny mitovy no miaraka. Azo atao koa ohatra ny manisy famataran’andro misy isa ao an’efitrin’ny zaza. Sady mahay mamaky ora izy no mahay mamaky isa.

Aza adino mihitsy ny manao BRAVO rehefa mahavita dingana iray ny zaza, tena zava-dehibe aminy io

(Nadika tamin’ny fivoriana nataon’ny Robert Darche sy Jean Bourque)

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.