Fanasana ny fitombenan’ny zaza

1) Fepetra mahasoa:

Hamainina tsara ny vodiny. Indrindra ireo elakelany rehetra.

Mampiasa lamba fanamainana madio, malamalama ary maina tsara.

Rehefa manamaina ny zaza dia somary “tamponner-na” fotsiny ny hodiny fa tsy kosehina akory ( frotter), indrindra moa raha masaka (irritée) ny fitombenany.

Ahataka mihitsy ny feny, ny ambany helika sy ny ambadikin’ny sofiny ary hamainina tsara rehefa avy mandro izy. Any mantsy somary mihidihidy ka mora hijanonan’ny rano dia manjary masaka avy eo.

2)Fametrahana ny lafika (couche)

Apetraho mahitsy ny zaza, ampahitsio ho tody hatreny amin’ny fotrany ny lamba. Raha avo loatra na iva loatra mantsy dia mety hiborotsaka na hankarary azy.

Raha manalasala anao dia andramo ampidirina anelakelakin’ny lamba eo amin’ny feny ny ratsan-tananao; sahabo 2cm eo ny elanelany mety indrindra.

Tandremo ihany koa raha mampiasa lafika avy dia ariana irony mba tsy hisisika any anaty feny any ilay morony misy elastika iny fa marary ny zaza.

Dia toy izay ihany koa raha tafiditra anelakelakin’ny kibony sy ny lafika ny ratsan-tananao dia ao tsara izy izay. Tsy atahorana hitobaka.

3)Fadio ireto manaraka ireto.

Fanoloana ny lafika amin’ny ora raikitra. Indrindra moa ny mamoha zaza raha matory izy.

Raha fohazinao mantsy izy fa nikàkà ohatra dia mety hanelingelina ny torimasony izany, ka avy izy dia ho kizitina be.

Ny tena tsara dia ny manolo azy aloha na arian’ny sakafo, na alohan’ny hatoriany. Maka aina kely izy amizay.

Tandremana rehefa manjaitra na mividy ny lafika mba ho arakarakan’ny habeny tsara no vidiana.

Raha kely loatra mantsy dia ho tanteraka foana, raha malalaka be indray dia hiboritsaka foana. Ny zaza rahateo tsy ahazo aina.

Mba tsy ho voan’izay, dia rarao ny manangona lafika be dia be (mahita fihenam-bidy ohatra) . vetivety ny fitombon’ny zaza.

4)Savony sy rano sa …. lingette?

Tsy misy tsara toy ny rano madio mangarahara amin’ny fanasana ny fitombenan’ny zaza. Taloha na amin’izao fotoana aza dia mampagotraka rano ary atao anaty thermos iny. Dia iny no avoaka tsikelikely ary hanasana ny zaza amin’ny vovo madio. Aza mampiasa “gant de toilette” fa mandrovitra ny hoditrin’ny zazakely mbola manify.

Azo atao mihitsy ny tsy mampiasa savony raha pipi fotsiny, raha mikàkà moa izy dia ireny savony tsotra tsy mamofona manitra sy be fangarony ireny no ampiasaina. Indraindray aza dia mila tondrahana any @ trano fisasana mihitsy ny zaza raha hita fa ilaina zaza.

Vao mahay mitsangana moa izy dia efa atao fahazarana io. Aza adino ny manamaina tsara azy alohan’ny mampiakanjo azy indray fa manjary masaka ny vodiny.

Raha mivoaka: Mitondra rano sy vovo kely e! Ny lingettes dia tena tokony ho mahalana mihitsy.

5) Ary raha masaka ny vodiny?

Tokony ahavatra manolo azy matetika mihitsy, sy manasa azy tsara ary manamaina ny fitombenany ara-dalàna isika ray aman-dreny dia tsy miverimberina io. Raha sendra anefa ka tratra ihany izy dia avela kely elaela ahazo rivotra eo ny vodiny vao asiana lafika indray. Asio crème ihany koa (liniment oléo-calcaire ohatra, @ menaka oliva)

Fitandremana manokana:

ho an’ny vavikely dia mila tandremana tsara ny fanasana azy satria raha avy any ambany miakatra ambony dia manjary miverina idiran’ny loto indray ny fivaviany. Io manko no anisan’ny mahavoa ny “infection urinaire”

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.