Ireo karazana sakafo azo omena ny zazakely

Mananosarotra ho antsika ray aman-dreny mihitsy ny mamantatra ny karazan-tsakafo azo omena ny zanantsika. Manomboka eo amin’ny faha-enimbolany mantsy dia efa ahena ny ronono, manomboka eo dia azo omena venti-kanina ny zaza. Indreto aza torohevitra vitsivitsy zaraina aminareo reny momba ireo karazan-tsakafo azo omena ny zanakareo.

légumes

légumes

Ny legioma

Inona?

Haricots verts, korzety (esorina ny voniny ary voasana), poireaux (ilay fotsy ihany), épinards, karoty, ovy, céléri, navets, voatavo, sosety.

Firy?

2 na 3 sotro aloha amin’ny voalohany. Ampiana tsikelikely ahatratra 130g/andro.

Ampitomboina tsikelikely araka ny taonan’ny zaza ihany koa ny karazana legioma omena azy.

Ahoana?

Masahana amin’ny rano na atao vapeur, tsy asiana sira. Totoina atao lasopy na purée.

>Resety:

Crème de courgette (6-8volana)

Voasy ary sasao ny korzety (1). Zarao roa dia esory ny voaniny. Teteho dia andrahoy 10mn eo ho eo. Rehefa masaka dia asio céréales kely (na maïzena 1sotrokely) . Afangaroy ireo ary totoy halemy.

Ny Hena

Inona?

Akoho, Vorontsiloza (esorina ilay mampaditra), bitro, zanak’ondry, hen’omby, jambon cuit tsy misy taviny

Firy?

2 sotrokely (10g) zaza >6-8 volana

4 sotrokely (20g) zaza >9-12 volana

Indray isan’andro, ary ampifamadihana amin’ny trondro sy atody

Ahoana?

Atao tsara masaka sy malemy. Mixée na hachée

>Resety:

Emincé de gigot (9-12volana)

Andrahoy 10mn eo ho eo ny tranche fine- na agneau iny; ampiaraho amin’ny zava-manitra sy karoty kely ary tapak’oignon. Rehefa masaka dia esory ireo fangarony ary totoy .

Ny voankazo:

Inona?

Azo ohanina daholo ny voankazo rehetra rehefa masaka tsara sy azo antoka fa madio. Tandremana ihany anefa ny mananasy, groseille .

Firy?

Isak’izay mitady ny zaza, compote na natiora. Atao tsindrin-tsakafo na atao goûter.

Ahoana?

Voasana, natiora, na masahana. Mixés, na écrasés na compote. Diovy tsara!

>Resety

Smoothie d’ananas (9-12 volana)

Mixer-o tapaka mananasy (silany iray) efa voatetika majinika. Ampio yaourt natiora sy siramamy kely.

Ny trondro

Inona?

Tilapia, colin, limande, cabillaud sy ny trondro tsy dia matavy rehetra. Tandremo ny taolana.

Firy?

Toy ny hena ihany 2 sotrokely aloha dia miha ampiana araka ny taonan’ny zaza. Ampifandimbiasina amin’ny hena sy ny atody.

(c) heriniaina

(c) heriniana

Ahoana?

Papilotte, court-bouillon, vapeur. Mixer

>Resety

Nofon-trondro sy ovy potsehina (Iza no tsy nihinana izany fony zaza e?)

Lieu sauce béchamel (9-12mois)

Andrahoy ny trondro . Ao anaty casserole, raraho 1 sotrokely -na maïzena (farine de manioc io) miaraka amin’ny rano mafana. Arotsay ao erakin’ny sotrokely- na crème fraîche sy 1pincée-na fromage râpé. Miam!


Ny atody

Atody akoho ihany.

1/4 -na oeuf dur zaza> 6-8mois

1/2 oeuf dur zaza> 9-12mois

Solona hena na trondro. Tsy mihoatra ny indroa isak’herinandro

Ny ronono

Inona?>

Ronono 2ème âge, yaourt, petits- suisses, fromages frais , crème fraîche.

Firy?

500ml farafahakeliny/andro ny ronono, 1 yaourt, 15g de fromage. Tsy mihoatra ny 700ml izy rehetra mitambatra.

Ahoana?

Mety daholo.

Maroroa taiza ary o!

5 Commentaires à “Ireo karazana sakafo azo omena ny zazakely”

  1. Misaotra fa mahasoa… Fa ny anay ny rononon-dreny mbola mitobaka be mihitsy dia tsy maintsy ahena ihany ve sa avela hataon’ny zaza rano fisotro? :-p

  2. hery> tena tohizana tokoa moa izany ny rononon-dreny raha mbola misy ary raha mbola mitaky ny zaza!

    Raha izay indray kosa dia ahena ny ronono avy aty ivelany. Izany hoe ampifamenoana izy roa.

  3. bonjour akia neny a,
    hay ve ianao ato e!! za zao tena mila conseil kely mihitsy amin’ilay zanako faharoa fa somary very kely. Za mampinono ary be nono. Ny zanako zao handray 7 volana afaka andro vitsivitsy. Nono fotsiny no nomeko azy hatramin’ny faha 6 volany. Nosontomiko ny nonoko ary io ihany no hoaniny rehefa mandeha miasa aho. Somary sahirankirana izy vao nahay nisotro biberon (na dia nonoko aza ny ato anatiny). Depuis deux semaines izy zay no nomena sakafo hafa : ronono 2ème âge, légume, fruit. Ka ny conseil ilaiko dia afaka omenao ahy ve azafady ny “emploi du temps” journalier-ny raha ireo rehetra ireo no jerena? Iza afaka mampinono amin’ny 8h30 maraina sy amin’ny 16h30 amin’ny hariva fa entretemps n’ireo izany no tiako fantarina hoe ahoana. Fa manjary mampiady anay mivady lé sujet satria samy te hanao zay mety ho an’ny zanakay.
    Misaotra mialoha indrindra.

  4. O ry neny ah!Aiza indray retsy ity hoe ampiady mpivady ah

    Izy ity anie resaka feeling fotsiny e! Raha ny fijeriko azy izao an, dia ampy tsara mihitsy ny fampinonoana maraina (solona sakafo maraina) sy ny nono hariva (solona produit laitier hariva) .

    Anelanelan’izay mantsy ianareo efa manome lait 2ème âge dia mbola ampiana nonon-dreny ihany, raha ny filazanao azy?

    Dia ny alina ve mampinono koa sa efa tapaka?

    Ny conseil-ko aloha an, dia isakin’izay mitady nono ny zaza dia omena. Amin’ny biberons na avy dia mivantana tsy iny ny olana. Betsaka mantsy ny otrika’ian azo ao e! efa fantatsika moa iny.

    Raha ny expériences hitako amin’ireo neny hafa aloha dia tohizana araka izay atao ny fampinonoana, ary equilibré arakarak’iny ny lait 2ème âge

    Ohatra:
    -nonon-dreny mivantana maraina
    -Lait 2ème âge ny atoandro
    -Nonon-dreny amin’ny biberons ny 4heure
    -Nonon-dreny mivantan a ny hariva sy ny alina

    Aza ampifamadibadihana be loatra fa hain’ny zaza ny tsirony sy ny fotoanany

    rehefa hanala nono ianao dia ny nono hariva esorina voalohany (soloina lait 2ème âge) , ny nono maraina ny farany (iny mantsy mba calin calin eo e)

    Mazava amin’i toky ve?

  5. merci ô!
    ka tena mampiady oua… dé farany aleo maka conseil avisé fa mba hoe “avis extérieur” zany e! (lol)

    bon, mbola mitsapatsapa foana fa en tout cas, une légume à la fois no homenay azy fa tsy afangaro… fa mbola tsy sahy manome yaourt na fromage za fa matahotra allergie. Lé zokiny manko tena allergique be hatram zao. Omeko fruit kely izy à 10h na jus de fruit dé à midi tena repas : légume sy fruit na 90 ml de lait 2ème âge. Dé goûter hariva mbola fruit ihany na ronono. Ny maraina sy hariva moa izy lé minono amiko foana.

    Dia mbola minono koa izy ny alina ka. Tsy mampifirenaina intsony fa efa zatra lé mifoha e!!

    merci akia a

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.