Published on 04/25,2009, blaogin’i Hery- Tsiky dia ampy
Nahita fika fampatoriana zaza aho androany.
Mandreraka ihany mantsy ilay mihirahira mandritra ny adin’ny firy mampatory azy. Dia tonga tao an-tsaiko tampoka ilay fanaon’ny mpivarotra “lame zilety” sy “pil” sy le “haron’ari’folo” eny analakely manaraka ny pavillons iny. Taloha ry zalahy mimenomenona mandritra ny ora maro fa amin’izao mégaphone no asainy mimenomenona. Dia no-enregistrer-ko koa ny feoko mihirahira hoe “Dodo…” sy ny hoe “Iny hono izy…” dia naverimberina in-jato dia natao tao anaty CD. Dia mandaitra
Ampiasaina amin’ny zavatra rehetra ny teknolojia :-p


