Mitohy indray ny famelabelarana tsotsotra momba ny fandrosoam-pahaizan’ny zazakely eto amin’ny kilonga.com, eto dia 7 ka hatramin’ny roambifolo volana no ho hitanareo. Mazotoa o!
>7 volana: parachutiste!
Raha mipetraka izy ka mitady hianjera- fa te hanakatra zavatra ohatra dia ampiasainy ny tànany mba hitazona équilibre-ny vatany. Samboriny ny tongony dia alefany any am-bavany ny ratsan-tongony.
Hainy ny mamindramindra ny kilalaony amin’ny tànanany roa, manalatsaka izay raisiny an-tsitrapo na mikapoka amin’ny latabatra. Ampiasainy ny ankihibeny sy ny fanondrony hakany zavatra.
Dabadabadaba foana mandrapaharivan’ny andro, mibadabada hoy isika.
>8 volana: tomombana tsara
Mahay mipetraka irery izy, mipelipelika amizay ary afaka mivadibadika mba hanakarana ny manintona azy. Ohatran’ny zanaka ours ireny dia migorisa izy,ary ny tànany sy ny loha-tongony no ampiasainy manosika ny vatany.
Mahay manondro tsara izay tadiaviny izy, ary fantany amin’izay ny fisiany ny manodidina azy "la permanence de l’objet" . Raha afenina ambany lamba ny kilalaony ohatra dia lasa izy mitady azy . Fotoana hilalovana an’ilay kilalao "nankaiza nanakaiza o? io e!" ito volana ito.
Manomboka manatambatra syllabe, ary manarak’efa! Raha misy olona tsy fantany manantona azy dia mitomany izy.
>9 volana: Mahasakisaky!
Migorisarisa amin’ny vodiny izy dia lasa mandehandeha. Mahavita mitsangana koa raha mitazona amin’ny fanaka, mahay mamindra vetivety dia midoboka fa reraka.
Raha te haka zavatra izy dia ohatran’ny akohokely mitsindroka ny fampiasany ny tànana keliny. Mahay miteny Dada, Mama na Neny…. Mahay "mizara" (manolotra) amin’ny namany ary mianatra mafy misintona tady, mameno zavatra ao anaty boite…
>10 volana: mahay mandady
Mahavita mikisaka raha manara-dridrina… dia avy eo mianjera ihany. Mahavita mitazona zavatra amin’ny fanondro sy ny ankihibe amizay. Miteny sady mampiasa monosyllabe na syllabes redoublées: Pa-là (par là), De -lo (de l’eau), Ba-Ba (en bas?)… Mety misy dikany maro ny teny iray, ohatra hoe ny "lo" mety l’eau, na là- haut na anaran’olona… tsy fantatra mazava fa dia ekena fotsiny aloha.
Zava-dehibe: mahay manao "bravo" (sady mitehaka) sy "veloma", "au revoir", "bye bye"!
>11 volana: tàtà…tàtà
Mandreraka an’i Dada sy Neny amizay satria eto ny fotoan’ny tàtà…tàtà… tsy misy farany.Efa mahavita manao dia lava rehefa manara-dridrina. Mahasahy mitsangan-dredry ary miondrika maka zavatra. Mahavita mipetraka – maharitra- irery tsy mila tohanana na ampiana.
Manadrankandrana ny rehetra manodidina, mankafy ny zavatra lalin’aty, ny zavatra miantona, ny zavatra misy ambony- ambany, ny zavatra afaka sarahana dia atambatra indray.
Mahavita misotro rano irery (fa mbola very!) . Mahazo iraka tsotra toy ny: "andao hivaoka", "avia aty", "ho aiza ianao?", "mamay eo" …
>12 volana: mahay mandeha ve?
Misy mahavita mandeha dieny 9 volana, misy kosa 18 volana vao mahay tsara. tsy misy atahorana akory na dia tsy mitovy daholo aza ny zaza rehetra, mbola andeha ihany izy rehefa vonona. Noho izany omeo tosika hatrany izy amin’izay ezaka rehetra ataony.
Mahay miakatra tohatra irery izy saingy mila harahina; mandady lavitra ihany koa. Mahavita mampifanaigina zavatra isan-karazany (izay en cube ny forme). Mahay misakafo irery, fa amin’ny tànana sady faly manaparitaka erakin’ny tany.
Miteny fehezan-teny fohy "mamay- zaza", "dodo- bebe". Mety tsy azon’ny olona sasany izay lazainy anefa efa ezaka be mihitsy aminy, "encourager-o" foana izy na izany aza! Tondroy na asaivo tondroiny izay heverinao fa lazainy raha tsy azonao.