Archive pour mars, 2009

mars 30, 2009

Kilalao ZazaKely: 0-3 volana

Inona moa ny atao hoe milalao? Moa va tsy mandeha mikaroka izay manodidina ny tontolo iainana: mandray, mihaino, mizara, mitanisa, manandrakandrana…

Ireto aza misy sombin-kilalao ho an’i zazakely heverinay eto amin’ny kilonga.com fa hanampy antsika ray aman-dreny amin’ny fifidianana kilalao ho an’izy ireo. Mandeha araka ambaratonga izy ireo. Mamakia finaritra o!

1) Saribakoly lamba, nounours na peluche

Mahafinaritra aminy:

Rehefa zavatra malefadefaka sy kelikely ka misy orona, vava, maso anankiroa ary sofina azo rohidritina . Mahafinaritra azy ny mikitikitika ireo karazan-damba sy “texture” rehetra.

Fomba hisafidianana azy:

Zavatra kelikely, tsy “rigolote” akory. Tena kilalao maneho sarim-biby no alaina (bitro, alika kely, saka…) na saribakoly. Tandremo fa ny peluche sy ny nounours dia mitàna vovoka be.

2) Ny korintsana, na hochet

Mahafinaritra azy:

Vitany ny mandrazona azy mafy, ny mandraindray azy. Efa mampianatra azy zavatra maro na dia izay fotsiny aza. Vao maika moa avy eo fa misy feo mivoaka avy ao anatin’iny ( grlots, na hira malefaka)

naturabebe.com

Fomba hisafidianana azy:

Maivana, misy loko maro, boribory tsara ny manodidina azy. Tandremana tsara mba tsy ho zavatra mora mihendaka ny ao anatiny sao lasa any am-bavany.

3) Ny mobile

Mahafinaritra aminy: Ahafahany manavaka ny loko sy ny bika isan- karazany ary mihaino hirahira malefaka. Io irery ny kilalao tsy miala eo amin’ny champ visuel. Rehefa tsofin’ny rivotra na rehefa miodina ilay “figurine” kely dia manaitaitra azy.

Fomba hisafidianana azy:

Marevaka tsara. Afaka vonoina rehefa tsy ilaina ny feon-kira. Tandremana sao tsy miraikitra tsara ny fitoerany (amin’ny berceau ohatra, na amin’ny landau) ka mivaha dia mianjera eo aminy. Toy izay ihany koa ny mombamomba an’ireo “joujoux” miantona eo sao rohitiny.

4) Kilalao kely mitsingevana

Mahafinaritra aminy:

Manampy azy amin’ny fahatahorany rehefa ao anaty rano izy. Ahafahantsika ray aman-dreny manazava koa fa tsy milentika any anaty rano izy.

sophie la girafe

Fomba fisafidianana azy:

Amin’ny caoutchouc malefaka (azo aholakolana) ary tsy misy bolongalongana (aspérités) . Rehefa mitsengevana, mi-couine, ary afaka atao arrosoir dia efa mety. Betsaka ny zavatra azo foronina avy amin’ireo hevitra telo ireo avy eo. Ireny kana kely ireny na i Sophie La girafe no tena tsara.

mars 26, 2009

Andeha hody Imahagaga sy Imahalatsa. Lasa anjely kosa i Kamba kely!

Pour lire l’information en français des nouvelles de Imahagaga et Imahalatsa, veuillez visiter le site de trimobe et pour voir des photos des jumeaux : suivre ce lien.

[mg]Tantely amam-bahona tokoa ny fianana. Tamin’ny 19 martsa teo dia nandao antsika i Kamba kely. Ilay zaza kambana niarahan’ny mpitoraka blaogy naneran-tany niarahana novonjena. Tsy voatanisa ny olona niara nisalaka nanao izay azony natao kanefa tsy antsika olombelona no misafidy. Ny aina tsy voafetra!

Betsaka ny mpiblaogy naneho ny fiarahany miory na ny tany ivelany na ny taty an-tànana: toa an’i ikalamako “blaogy misaona” na i gazety avy lavitra “mitomany an’i kamba kely ny foko” . Ary izao kosa ny hafany amintsika:

Ho anareo rehetra nahalala azy, ho anareo rehetra nahare fotsiny koa aza angamba, ary ho anareo vao nahita ny aminy amin’ny alalan’ity hafatra ity, dia fantaro fa TSY MATY AO AM-PO I KAMBA, mivavaha ho an’ilay anabavy kely kambana aminy, navelany ho irery eo anivon’ny fianakaviany, mivavaha ho an’ny reniny izay niezaka hatrany hitady ny soa sy ny tsara ho azy tamin’izay fotoana kely nandalovany teo anivontsika, sy niaretany izay rehetra azon’ny nofo keliny nozakaina tety ambanin’ny masoandro

Tsarovy ny fiaraha-mientana nentin’i Kamba teo amintsika rehetra, tazony izany ho fahatsiarovana azy sy ho fanohizana ny asa amin’ireo Kamba kely hafa mila izany, sy mbola hila izany

Araka ny efa fantatra koa moa dia misy ireo kambana siamois imahagaga sy imahalatsa izay nodidiana teto Parisy ary efa voasaraka soamantsara . Ankehitriny dia hody any Madagasikara izy ireo miaraka amin’ ny reniny. Ny fanontaniana manasalasala ireo fikambanana maro izay nitantan’ity fianakaviana ity hatreto anefa dia ny fikarakarana an’i imahagaga sy imahalatsa eny an-toerana. Ny reniny mantsy dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ny tobim-pahasalamana sy ny vola koa mety tsy maharaka.

Sary sobika.com, nataon’i Olivier Corsan/LP

mars 26, 2009

Mombamomba ny zazakely 0- 6 volana

1- Iray volana: mbola toy ny ao an-kibon’i Neny

bebesandratra0mois1Mitambokona kely izy, en position foetale hoy ny teny frantsay. Raha misy zavatra mandalo manoloana ny tànany, dia feheziny mafy izany: antsoina hoe grasping (par reflexe). Raha misy zavatra tiany jerena dia dinihany mafy eo iny ary afaka arahiny maso koa raha misy zavatra mihetsika, ka tafiditra ao anatin’ny champ visuel-ny.

2- Roa volana: mitana ny lohany

maitia2mois-2161Efa tsy hita intsony eto ilay grasping. Manomboka eto dia sokafany sy hidiany ny tànany raha mandray zavatra izy, izany hoe efa manomboka mibaiko ny ataony ny atidohany. Arahiny maso izay zavatra rehetra mihetsika manodidina azy, fantany fa manana tànana izy ary alefany any am-bavany io. Rehefa mitsiky aminy iano dia valiany amin’ny tsiky koa izany.

3- Telo volana: manomboka matanjaka kely

s6300318Rehefa matory mihohaka izy dia vitany ny manatrakà ny lohany. Raha apetraka minitra vitsy izy dia efa mitana koa ny hatony. Tiany ho takarina daholo ny manodidina azy rehetra saingy mbola involontaire izany. Io fotoana io no antsoina hoe : préhension de contact. Anjarantsika lehibe no manome azy ny kilalao-ny: hochet ohatra.

Milalao amin’ny ny tànany koa izy eto ary manomboka manao “areuh”. Mikiakiaka kely izy rehefa faly ary “mamaly” rehefa resahina.

4- Efa-bolana: manomboka matanjaka sy mivadibadika.

Raha mitsilany izy dia efa mahavita mitraka 90°. Vitany ihany koa ny manao paozy milomano raha matory amin’ny kibo izy. Raha toa ka hatsangana izy dia mi-pédale. Tazominy matetika ny tànany, ary ampiasainy daholo izy roa.

Mahavita milalao maharitra ny hochet-ny izy, ampidiriny any am-bava ahalalany ny mombamomba ny manodidina azy. Indraindray latsaka dia very ka ezahany tadiavina mafy. Arahiny daholo izay zavatra mihetsika manodidina azy. Ary vitany ny manodina ny lohany havia na havanana, indrindra raha misy feo henony. Manana reflexe ihany koa izy manala ny lamba manarona ny tarehany (tandremo fa tsy mbola vitany matetika io! )

Fohy hehy izy eto, mi-gazouille (mibadabada). Ny zaza rehetra na gasy na vazaha na sinoa dia mampiasa phonème mitovy daholo amin’io fotoana io.

5- Dimy volana: Manao bisikileta?

Manao bisikileta matetika izy , eo am-patoriana. Manomboka milalao amin’ny tongony ihany koa ary miezaka ny mipetraka na dia mbola tsy vitany aza. Raha matory mihohoka izy dia manao raoplinanina (miainga ny tongotra ary ny tànana misokatra toy ny elatra) ary mivadika avy eo.

Manomboka misafidy izy na haka na tsia ny kilalao atolotra azy, ampiasainy ny tànany hanakarany izay tadiaviny, toy ny rateau. Avy eo dia feheziny anatin’ny ratsan-tànany sy ny fela-tànany ary alefany any am-bavany . Manomboka mi-vocalise koa izy ary mitsiky rehefa mahita ny sariny amin’ny fitaratra.

6- Enim-bolana: Pelipelika!

Raha mandry mitsilany izy dia hanomboka hanainga ny lohany sy ny sorony ary ny tongony. Iny izy no hivadika, ary hiezaka ny hitraka. Mahay mipetraka mahitsy tsara izy fa mila tohanana. Mahavita mitazona zavatra roa izy, mijery ny fahatelo, manary ilay faharoa mba hangalana io fahatelo io.

Fotoanan’ny lallations eto, mi-babiller-izy saingy manaraka ny phonème-ny teny reny matetika. Raha toa ka manary ny kilalao-ny izy dia miezaka misambotra iny indray. Tsy mandà izy raha tiana ho raisina ary atolony mihitsy aza ny tanany.

mars 20, 2009

La propreté avant 2 ans, ouiii!

« Avant 21 mois, un enfant ne peut sentir ce qui se passe dans ses intestins », « Les sphincters ne seront pas matures avant 2 ans. Forcer à devenir propre votre bébé avant cet âge serait troublant pour lui »

Accro de livres et de revues, je lisais souvent ce genre de phrases dans les sujets qui développaient la propreté des tout petits et bien sûr, il n’était pas question pour moi de « troubler » mes enfants. Je me suis dis, pas avant 2 ans donc !

Vers, 10 mois, Nathan, notre aîné a commencé à gambader un peu partout avec son youpala, me suivant du mieux qu’il pouvait dans la maison. Le seul endroit où il ne pouvait pas passer (hormi les escaliers) était les toilettes car par habitude, je ferme toujours la porte à clé quand je me trouvais à l’intérieur. C’est sans doute la première chose qui a aguiché sa curiosité. Petit à petit, il chercha à comprendre le fonctionnement du WC et quand plus tard, il atteignait le poignet de la porte, il s’engouffra seul à l’intérieur parfois pour me suivre, parfois juste pour voir. Instinctivement donc, vers ses 15 mois, j’ai décidé d’ « enfreindre la loi » et je lui ai acheté son pot. Au début, j’ai laissé traîner l’objet dans sa chambre et je le surprenais parfois jouer avec comme avec n’importe quel autre jouet. Il le remplissait de ses babioles, il le poussait comme une petite voiture, il le mettait sur sa tête…Bref, il s’y s’habituait juste. Et quelques jours plus tard lorsque le « nouveau jouet » ne l’emballait plus, j’ai essayé de lui expliquer ce que c’était et je l’ai rangé dans les toilettes. A partir de là, alors que je savais très bien maintenant scruter ses envies de caca, j’accourre chercher le pot et je le mettais dessus avec la couche et le pantalon. Bien sûr au début il ne resta pas longtemps là. Mais petit à petit, il comprit qu’il était beaucoup plus à l’aise quand il poussait sur le pot. Lorsqu’il a bien comprit à 16 mois, j’ai commencé à ôter la couche et il m’a fait son premier caca dans le pot. Le reste a suivis facilement et sans grands heurts. Il suffisait de garder un certain rythme :

- le mettre sur le pot après les 3 principaux repas

- ne pas l’y laisser plus de 5 minutes

- le divertir pendant les 5 minutes où il y reste et le laisser tranquille quand il pousse

Des accidents, ouiii, bien sûr qu’il y en avait mais j’essayai d’être tolérante. Je lui parlais beaucoup et je le grondais quand même lorsqu’il me ça dans la couche alors qu’il vient de sortir d’un pot tout propre.

Lorsque la notion du caca a été ainsi assimilée, nous nous sommes attaqués à celle du pipi. C’est là que les slips ou les couches culottes ont été enfilés. Et une nouvelle règle a été rajoutée : le mettre sur le pot toutes les heures ou même toutes les 30 minutes s’il buvait beaucoup (il fallait être dispo).

A un peu moins de 2 ans, il a appris à dire caca et pour aller à la selle, et pour faire pipi. Il ne parvenait pas encore à faire la différence mais le fait est qu’il voulait évacuer quelque chose alors j’accourais.


A un peu plus de 2 ans, il voulait faire ça dans les toilettes, comme nous. Au début, il fallait le tenir, (surtout éviter qu’il ne tombe dedans car cela aurait été très traumatisant évidemment) et puis petit à petit, il s’est amusé à tenir l’équilibre. C’était presque gagné.

A 2 ans ½, Nathan s’est fait circoncire. Par la suite de cette petite opération, il fallait laisser à l’air libre le zizi, de jour… comme de nuit. Ce qui a boosté la propreté complète car depuis, il a laissé la couche de nuit aussi. D’autres rythmes s’imposaient et on continue aujourd’hui alors qu’il va bientôt avoir 4 ans :

- le réveiller au moins une fois vers minuit et une fois vers 3 h du matin lorsqu’il a beaucoup bu dans l’après-midi (au bon soin de papa)

- faire pipi avant et après dodo

Nous attendons patiemment qu’il se réveille de lui-même maintenant et on commence à lui en parler.

Pour son frère, cela s’est presque passé comme ça. Aujourd’hui, à 25 mois, il est au stade de la culotte pour la journée, il apprend à tenir l’équilibre dans les toilettes, il dit caca pour les deux (lorsque c’est vraiment ça, il me montre la cuvette et dit « Pepe eto Datiana », son prénom à sa façon, signifiant « Baritiana veut s’asseoir là » alors je comprends), il porte toujours une couche pour les nuits mais il arrive que celle-ci soit nickel le matin. On attend la circoncision pour conclure tout ça.

Pour la question qu’on pose si « un enfant peut être propre à 2 ans sans le troubler », je répondrai oui, certainement. A lire cet article, tout parait si facile mais il est clair que beaucoup de chose entre en jeu dont la disponibilité (l’avantage d’être à la maison) et la patience de la maman (il fallait me voir quand je reste assis à côté du pot des minutes, quand je serre les dents lors des petits accidents…). Mais il faut aussi se dire que chaque enfant est différent et qu’il faut suivre son instinct à lui avant de vouloir faire comme les autres. Pour Nathan et Mathieu, j’ai eu tendance à copier-coller car le petit s’amuse toujours à imiter le grand et ça a marché.

Maintenant si votre petit bout a plus de 2 ans mais qu’il est loin d’être comme mes petits extra terrestres, dites-vous que ce n’est pas grave car après tout, un enfant sera bien propre un jour ou l’autre.

Blog de Hoahosy

Lire aussi: Premier pas vers la vie sans couche de maman Mia sur son blog MiaCasawhite-new998

mars 19, 2009

Ny fampinonoan-dreny

(c) bebe Tieri kilonga.com

(c) bebe Tieri kilonga.com

Araka ny efa voalaza teto amin’ny kilonga.com matetika dia voamarika fa tena tsara tokoa ny fampinonoan-dreny. Mahazo tombotsoa aminy daholo mantsy na ny reny na ny zaza, satria dia miaro amin’ny aretina maro mety ahazo ny zaza ireo otrikaina vokariny.

Indro ary torohevitra vitsivitsy atolotra anareo vehivavy bevohoka ka te hampinono ny zanakareo.

Ny rononon-dreny:

Dieny ianao bevohoka dia efa miomana ny vatanao amin’ny fandraisana ny zazakely. Ohatra mihalehibe ny maoja ary mihamitombo habe ny nono.

Tsy misy ahiana ny momba izany, ary tsy misy hatahorana ihany koa na dia kely aza ny nono-nao satria tsy miankina amin’ny habe-ny nono ny fisian’ny ronono rehefa teraka ianao.

Vao latsaka ny zaza dia miara miasa daholo ny taova rehetra , ary efa vonona ny nono ho sakafon’ny zazakely. Amin’ny ora sy andro voalohany anefa dia mbola ny colostrum * aloha no mivoaka. Izy io dia miloko mavomavo ary tena tsara mihitsy satria misy izay ilain’ny zaza menavava rehetra ao anatiny. Rehefa avy eo dia avy miandalana ny ronono ary miovaova araka ny tadiavin’ny zanakao ny zavatra entiny. Miova araka ny sakafo hohaninao reny koa ny tsirony.

Ahoana no ahalalana fa noana ny zaza?

Mitomany ve izy? mety efa tara loatra izany, mety efa noana izy izay. Ny fotoana tena tsara hampinonoana ny zaza dia rehefa tony iny izy. Jereo raha misokatra ny masony, mitaditady nono ny vavany, na mampiditra tànana any am-bava izy. Eo ilay fotoana mendrika indrindra.

Ny paozy rehefa mampinono

Maka aina tsara, mipetraha amin’ny seza na matoria misopirana, izay ahazahoanao aina atao. Azo ampiakarina koa ny tongotra raha mety aminao kokoa. Trotroy ny zanakao, ankino amin’ny sandrinao moramora ny lohany, ary ny kibony mitohana amin’ny kibonao. Jereo tsara sao mivilana ny lohany, na diso ambany loatra na ambony loatra , na mila mitraka. Ny lohany, ny sofiny, ny sorokany ary ny maojany dia tokony hifanandrify tsara (alignées).

Izy ihany dia mahita ny nono-nao, raha tsy mety izany dia somary domy moramora amin’ny lohanononao ny vavany. Hitanao eo fa hisokatra io ary hanomboka hisakafo izy. Tokony ho tafiditra any anaty vavany any daholo ny lohanononao rehetra, ary hiantefa amin’ilay auréole manodidina ny nononao iny ny molony.

Dia marary ve?

Tsy tokony harary ny fampinonoana. Marina fa ny fotoana voalohany na ny 3 andro voalohany iny dia mety hiofaka kely ny nono-nao na mety harary anao ny fampinonoana. Anefa tsy tokony aharesy lahatra anao izany satria ny fitsetsefan’ilay zaza azy iny no ahafaka ny marary aminao.

Raha toa ka vakivaky ny nono ka marary dia mividiana menaka misy lanoline ireny, na ny ronono-nao ihany no ahosory eo. Aza dia fafana sy sasana loatra koa ny nono isak’izay avy mampinono fa io no anisan’ny iray mahavakivaky azy sady mitarika zavatra hafa indray. Fadio ihany koa raha azo atao ny manisy protection maharitra amin’ny nono raha mitete izy loatra satria mampisy mycose indray izy mando lava io.

Nono havia sa havanana?

Samy manana ny atorony ny mpampivelona sy ny hopitaly rehetra. Azonao atao tsara ny mampiasa azy roa ny volana voalohany ohatra, rehefa hitanao fa milamina tsara sy maharaka tsara dia afaka ny iray ihany no ampiasaina. Raha toa ka engorgé ny nono dia hory na potsero hivoaka ny ronono, marary manko izy rehefa manao an’io.

Voky ve ny zaza?

Mahafinaritra ny mihaino zaza minono. Sady safosafoinao ny lohany , ny tanany, ny vatany no misafosafo ny lamosinao koa ny tànana keliny. Misy feo hafaklyl izay ataony rehefa minono izy  sy manatelina ny sakafony. Rehefa manomboka mampinono ianao dia mety misy contractions kely na somary misy manaikitra kely izay amin’ny voalohany, tsy misy atahorana izany fa manaporofo aza fa mandeha ara-dàlana ny fampinonoana. Ary iny ihany koa no hanampy ny tranonjaza-nao hiverina amin’ny laony.

Miala irery ny zaza rehefa voky. Aza fohazina ny zaza matory hisakafo, mifoha izy rehefa noana. Raha ny tsara dia zaza madio no omena nono, ary rehefa avy minono dia miandrasa kely fa mety hi-kàkà izy dia mila soloina indray, alohan’ny hatoriany.

———–

* Lien en Anglais

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.