Aretin’ankizy!
Raha ny tena izy dia tsy dia mitondra takaitra firy ny nendramboalavo, afa-tsy ireo tasy vitsivitsy mety mijanona eny @ tarehy. Izay no mahatsara azy raha dieny kely dia voa satria mora misinda sady mbola vao miforona ny sela.
Maro ireo ray aman-dreny malagasy efa mahafantatra ka raha vao misy voa any amin’ny havana sy ny namana dia entina any zaza. Marihina anefa fa tsy dia tsara ny mifandray amin’ny vehivavy bevohoka sy ny menavava raha toa ka tratran’ny nendramboalavo ianao. Mety hananosarotra mantsy izany ho an’izy ireny.
Fomba fiseho
Ao anatin’ny 24 ora monja dia ho rakotra bokotra menamena ny vatan’ny zaza. Mihamitombo isa io ao anatin’ny 48 ora sady mihamangidihidy.
Mety manomboka amin’ny bokotra roa na telo ny roa andro mialohan’y fivoahan’ny nendramboalavo ihany koa, ary eo ilay zaza dia hamindra amin’ny olon-kafa. Amin’ny alalan’ny piti-drora , na avy hatrany na mipetraka eny amin’ny izay faritra noiraisiny sy nandalovany.
Rehefa avy eo dia hiparitaka ny bokotra: any amin’ny lohany misy (foton’ny volo), ny tarehiny (ambadikin’ny sofina, saoka, ambonin’ny maso sy anaty volomaso) , anaty vava (lela); ny vatana : kibo, tànana, ratsan-tànana, ny tongotra: ranjo, fe , elakelam-pe. Indraindray aza ny moron’ny fivaviana na ny filahiana ary ny elakela-body. Io farany io dia tena mangidihidy mafy ny zaza, indrindra moa handalovan’ny amany (pipi) .
Raha fehezina dia ny felan-tànana sy ny fela-tongotra sisa tsy hisy bokotra .
Fomba fitsabo
Ilay bokotra menamena kely mandrakotra ny vatana iray manonotolo iny dia mifono rano kely. Io no tena mampagidihidy ary mamindra. Vésicule hoy ny frantsay.
Ny fanafody voalohany aloha dia tapahana fohy kely ny hohon’ny zaza, io di amba tsy haratra izy rehefa mihoatra ary mba tsy ahabetsaka ny fery avy eo. Tsy azo ferana ny tsy hihoatra anefa izy na dia efa manao izay azo atao aza isika ray aman-dreny, koa dia aleo izy ampiankanjoana tsara mba tsy ho tonga dia azony ny hodiny.
Rehefa avy nanantona dokotera ianareo dia omeny : sirop mampihena sy mampitony ny hidihidy (primalan ohatra), antiséptique (biséptine ohatra) manadio ny fery izany io, ary savony pédiatrique voatokana ho an’ny nendramboalavo toy ny Saforelle ohatra. Io dia nohon’ny hoditra malia an’ny ankizy sy ny zaza.
Marihina fa mety ho samihafa ny fanefitra omen’ny dokotera rehetra, io moa dia miankina amin’ny fanafody misy, ny toerana hipetrahana, ny taonan’ny zaza.
Fanadiovana ny fery
Sasana tsara ny zaza amin’ny savony voatokana, avela ho maina tsara izy, tsy fafana be fa tamponner-na kely fotsiny. Avy eo dia asiana ilay antiséptique iny isakin’ny bokotra (ataovy amin’ny compresse na vovo). Rehefa vita izay dia ampiankajoana madio izy, tapahana matetika ny hohony . Eo amin’ny folo andro eo manao an’io. Rehefa manomboka maina ny fery , na dieny hita fa misy sarosatrotra vao mikatona dia azo asiana éosine mba hanamaina azy tsara. Misy milaza koa fa ny cicalfate (Avène) sy ny pommade au calendula dia tsara
Tsy azo asiana talc, alkola, omena ibuprofène na aspirine ny zaza mandritra io fotoana io. Raha miakatra ny maripana dia azo omena doliprane izy.
Ary ny vaksiny?
Vaksiny natiorelina ny nendramboalavo, ny tena ihany no manamboatra ny fiarovana hiady aminy any aoriana any. rehefa lasa ny fery rehetra dia lasa mitoby any anatin’ny moelle épinière any izy ary mijanona mandry ao, ka tsy miverina intsony. Na izany aza anefa dia misy vaksiny ihany izy ireny , 80.000Ar any Madagasikara, iray ho an’ny zaza latsakin’ny 12 taona, indroa ho an’ny zaza mihoatra ny 13 taona.
Fanamarihana: Ny kitrotro kosa indray dia Rougeole, ary misy vaksiny izy io.
fanampim-panazavana:
www.thechildren.com: http://www.thechildren.com/fr/sante/pathologies.aspx?cID=&scID=&iID=78




Il faut tirer le signal d’alerte, beaucoup de jeunes sont victimes du jeu vidéo, du jeu virtuel, des blogs, de msn , de portable (SMS, vidéo) et de facebook. Ce qui nous fait peur ce ne sont pas seulement les drogues, les boissons alcoolisées, les cigarettes mais toute une lueur d’attraction qui peut rendre votre ados accro’.


