Mba ahafahan’ny zaza mampirina ny efitranony arak’izay itadiavanao ray aman-dreny azy, dia alamino ara-dalàna sy asio fitoerany raikitra avy ireo fitaova-madinika sy kilalao rehetrany. “Chaque chose à sa place “hoy Nenibe izay!
Ny tena tsara dia tokony efitrano malalaka ahafahany milalao sy miaina ara-dalàna fa tsy manempotra na maizimaizina no handaminanao azy. Tadidio fa dieny zaza ka hatramin’ny adolantseto dia ny efitranony no marika voalohan ho fandraisany andraikitra amin’ny fiainana an-davanandro. Raha milamina ny efitra hatoriany, hilalaovany, hianarany, hitondrany ny namany dia midika fa milamina ihany koa ny sainy sy ny fitondrany ny fiainany.
Fandriana hatoriana:
Misy karazany maro ny fandriana amizao fotoana izao. Misy ny atao hoe lit simple, lit double, lit 3/4, lit superposé. Ao koa ireo fandriana mihantona ar birao ny ao ambany, ao koa anefa ireo fandriana feno kitranotrano handaminan’entana. Anjaranao no misafidy araka ny haben’ny efitranon’ny zanakao sy ny isany. Azo atao koa anefa no mividy na mampanao fandriana tsotra ary asiana “bac” ao ambaniny. Azo ampirimana ireo lambam-pandriana ohatra na ny akanjo fentina matory.
Fitoeran’akanjo:
Ataovy amin’ny ahavon’ny zaza ny fitoeran’ny akanjony, mba tsy haka tabouret izy hanakatra haka ny fitafiny! Noho izany dia tokony hifandanja amin’ny taonany ny fividianana sy ny fisavidianana na ho commmode na ho penderie na armoire. Na izany na tsy izany dia ataovy betsaka hatrany ny rangement mba hisy safidy maro izy ary mba ho tonga dia hitany izay tadiaviny.
Fampirimam-boky:

Raha ny tsara indrindra dia aleo manamboatra na mividy étagère toy ireny any amin’ny trano fampirimam- boky ireny mihitsy. Ny antony dia tsotra, mora kokoa amin’ny ankizy ny mitady ny lohatenin’ny boky tiany hovakiana, mora hitany ireo sokajim-boky rehetra hananany amin’izay, ary tsara jerena koa ny efitranony raha misy filaminany tsara ny zava-drehetra .
Dabilio sy seza ary tabilao:
Ataovy izay isian’ny birao hianarana ao amin’ny efitrin’ny ankizy, tokony hanana tsirairay na iray an-droa farafaharatsiny avy ny zaza ao an-tokantrano. Atao sahaza ny taonany ny latabatra sy ny seza. Zarina izy ampiasa ireo rehefa manoratra sy manao devoara. Eto dia marihina fa tsy tsara ny hananan’ny ankizy fahitalavitra ao amin’ny efitrano fatoriany, na firy taona izy na firy taona!
Fampirimana kilalao:

Toy ny boky, atao tazan’ny maso avokoa ireo kilalao rehetra raha no tokony ho izy. Tsy dia tsara loatra ny fampirimana azy ireny ao anaty vata fa sady mikorontana, no mitàna vovoka no tsy mora hita ka adinon’ilay zaza rehefa ela ny ela. Noho izany dia irony karazana étagère tsy mikantona irony no tsara atao fitoerany.
Fampirimana kiraro:
Eto indray dia tsy dia misy fitsipika jadona fa arakarak’izay fomban’ny fianakaviana ao an-trano, misy ny manalà kiraro eny am-pidirana ny trano, noho izany dia tsara raha manana penderie kely na fitoeran’ny kiraro ho an’ny rehetra dieny eo am-pidirana. Misy ny mametraka azy ao an-trano fidiovana (salle de bain), ao ireo mampirina azy ao an’efitranony. Anjaranao no mametraka ny fitsipika mety sy sahaza ny fianakavianao!
Hafatra fanampiny:
- Atao tsikelikely isan’andro ny fampirimana ny efitrano, asio fitoeran’ny lamba maloto ohatra ao amin’ny ‘ladouche‘ ohatra.
- Ny fanadiovana lehibe (grand ménage) dia asio fotoanany: ohatra isan-kerinandro ny fandaminana ny akanjo voapasoka sy ho sasàna ary ny famafana ny fanaka. Isak’herinandro na In-droa isam-bolàna ny fanasana ny lamba firakofana. Isakin’ny saison ny fanasana ny rideaux, ny tapis, sns
-Ataovy toy ny kilalao ny fanadiovan-trano ary zaro izy hiaraka hanao aminao: “Andao isika roa hanasa lamba, ity ny an-dry dia ity ny ahy”. Aza avela ho izy irery no manao ny rehetra: hirakirahana foana! fa mandraisa anjara ho hitany fa samy manantanteraka ianareo. Tombontsoa ho azy sy ho anao izany satria sady ahay manampy olona izy, no ahay hizara asa no hanana sy ahalala ny responsabilité ihany koa


