Torolàlana: Raha tiana hiteny Malagasy ny zaza!

Ireto torolàlana vitsivitsy manaraka atolotr’i kilonga.com anareo ireto dia anisan’ireo fampianarana nomen’i Joelle De Gravelaine ao amin’ilay boky nosoratany: L’enfant bilingue. Ny billinguisme hoy izy dia fomba iray ahafahan’ny zaza mahalala culture roa samihafa.

- Ampianaro karazana fiteny (langage) ny zaza : ohatra teny Malagasy, raha io no fitenin-drazany (langue maternelle), dia avy eo ampianaro teny hafa izy (izay azo hianarana amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainana), antsoina hoe fitenim-bahiny na ny deuxième langue

- Ampianaro ny zaza mialohan’ny fahavalo taonany ilay fiteny faharoa (2ème langue)

- Marihina fa ny zaza , dieny vao teraka dia efa mahazo fomba fiteny (roa) samihafa: fiteny iray hatramin’ny fahadimy taonany ary ilay fiteny faharoa dia mitovy amin’io ihany no ahazahoany azy (de façon similaire et identique).

- Ny fangalaha-tahaka no ahaizan’ny zaza zavatra (par imitation) avy amin’ireo fiteny, fomba henony manodidina azy.

- Tokony tsy hitsahatra ampianatra ny zaza ny tombotsoa azony amin’ny fahaizany fiteny roa ny ray aman-dreny.

- Fitenin-dReny na ny fitenin-drazana (langue maternelle) dia izay fitenin’ireo ray aman-dreniny ao an-tranony, ny fiteny faharoa (deuxième langue) dia izay fiteny any ivelany, any am-pianarana, izay fitenin’ireo namany.

- Aza haratsiana ny iray amin’ireo fiteny ireo, fa omeo lanjany hatrany. Atao izay ahafehezany azy roa mazava tsara.

- Teneno fiteny iray ny zaza mandrapahatongan’ny fahatelo taonany. Ho very lanja mantsy io fiteny io rehefa hiditra any am-pianarana izy, fotoana hitenenany ny fitenin’ireo namany any am-pianarana (eo amin’ny 5 taonany eo ho eo)

- Zaro haheno an’io fitenin-drazany io ny zaza ny herintaona voalohany nahaterahany, ary miezaha hatrany (aza lefy mihitsy) manohy miresaka aminy mandritran’ny fahazazany sy ny fotoanan’ny adolantsento.

- Raha toa ka miteny na mamaly amin’ny fitenim-bahiny izy dia aza gaga, aza terena fa valio amin’ny fitenin-drazany ihany.

- Rehefa eny imasom-bahoaka dia resaho amin’ny fitenin’ny rehetra izy (fitenim-bahiny izany, na ny teny hihainana na azonao antsoina hoe Langue vivante mba hialàna amin’io 1er sy 2ème ), mahamenatra azy mantsy ny fantatry ny olona hoe mahay fiteny roa samihafa izy. Omeo lanjany foana anefa ny mahasamihafa azy amin’ny be sy ny maro sy ny fahaizany teny roa samihafa.

- Mety ho very kely noho izany ny fitenenany teny Malagasy fa miverina ho azy eny foana iny, raha hainao ray aman-dreny ny manome lanja azy, ny manosika ny fianakaviana rehetra ao an-trano hiteny Malagasy rehefa tsy misy an-kitery, rehefa mifampiresaka amin’ny teny Malagasy ianareo, rehefa hitan’ny zaza fa tombontsoa ho azy ny mahay fiteny maro.

Jereo koa ny lahatsoratra: Je parle 123 langues efa novolavolaina  teto amin’ny kilonga.com

About these ads

12 responses on “Torolàlana: Raha tiana hiteny Malagasy ny zaza!

  1. Tsara be lay blaogy ary ity lahatsoratra ity koa dia ilaina mihintsy amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Betsaka mantsy ny ankizy, na ny mipetraka any ivelany na ny eto antoerana aza, ny tsy mahay ny tenindrazany intsony.

  2. Mora anie lay izy rehefa ny ram 2 samy gasy e! fa ohatran"ny anay izao ny papa vaza dia ahoana? Zà mba miezaka miteny gasy fa vitavita rehefa vao miverina vacansy avy any Madagasikara dia very avy eo, tena sarotra. Surtout koa tena tsy dia langue maternelle-ko lay izy fa je sais que ce n’est pas une raison; hiezahana moa fa hatao ahoana? Satria na ny papany aza mba te hiteny gasy koa.

  3. Mitia a, tohizana foana fa sy maninona na tsy dia matetika aza! Ny ahy zao izy tsy miteny fa amhazo , dia rehefa tsy azony dia traduisé-ko kely dia averiko ihany ilay teny gasy avy eo,
    amzotoa fa mazana be aloha ilay izy e!

  4. Bonjour,
    Je m’efforce de parler en malgache avec mon fils (on habite hors de Mada, le papa parle le français et l’anglais) depuis sa naissance. Je lui parle beaucoup, de tout et de rien. Même s’il ne comprend pas il intègre les sonorités. Maintenant il a 10 mois, il commence à comprendre certains mots et à imiter les sons.

  5. Hasina>
    Tohizana foana na dia lefy aza ny zaza, izay ihany hoy ny manampahaizana momba io raharaha io ny fomba mety indrindra tsy ahaverezany azy!
    Mazotoa foana fa tsara ho an’ny kilonga kely foana ny mahalala karazana fiteny maro!

  6. Tena faly tokoa aho nahita ity site kilonga ity, indrindra ireo articles ao. Izaho moa dia mananjanaka lahy 2ans 1/2; niezaka foana aho nitany gasy taminy indrindra rehefa avy any Mada dia mandeha tsara fa rehefa avy eo dia sarotsarotra ihany satria rehefa miresaka aminy aho dia izy indray no manitsy ahy amin’nt teny frantsay. Marihiko fa mipetraka aty Paris izahay ary vazaha ny dadany ary mankany amin’ny crèche izy.
    Misaotra ô

  7. Misoatra Vololona,

    Tohizana ihany izany ny miresaka @ teny malagasy amin’ny zanatsika na dia resy aza izany rehefa mianatra izy e!

    NA dia hoe irakiraka kley sy teny mamy monja aza ohatra

    Ekena fa tena sarotra tokoa aloha ny mitazona ilay teny malagasy satria isika ray aman-dreny malagasy mahay teny frantsay koa, tsy toy ireo sinoa, na afrikana , na romana, na tavaratra izay tsy dia mahazo teny frantsay tsara, ka voatery tsy maintsy miteny ny tenin-drazany amin’ireo zanany.

    Eo mihitsy amiko ny olàna

Poster un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s