“Menu” an’ny zaza 8- 10 volana

Arakan’ny fangatahananareo reny maromaro, dia indro atolotr’i Rasazy Vero (ao amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona) ny sarintsarin-tsakafo azo omena ny zaza valo ka hatramin’ny 10 volana. Marihina hoy izy fa tsy tokony asiana saosy matsiro sy sira be loatra ny sakafo omena ny zaza, ary na dia efa mitovy amin’ny sakafon’ny olon-dehibe aza dia ny fetrany no isan’ny mahasamihafa azy.

Maraina:

Kobam- bary sy ronono

Vary sosoa sy totom-boanjo

Azo atao koa: 250 ml de lait de suite (lait 2 ème âge)+ 2 sotro lehibe céréales infantiles

10 ora:

Ronono sy biscuit (petit beurre ohatra) na gâteaux tsy misy crème,

Azo atao ranom-boankazo fotsiny koa.

Atoandro:

Vary sosoa sy laoka (efa mahazo mihinana ny anàna rehetra afatsy ny anamamy)

Epinard, ati-kena, ati-dohan-kena (cervelle)

Dessert:

Voankazo rehetra, fromage malemy (kiri ohatra)

Azo atao koa:

180 g legioma (nopotsehina malemy) + 20 g hena (trondro, tamenak’atody, hena), yaourt sy voankazo natioraly masaka sy malemy na compote (100 ml).

4 ora:

Hodi-mofo  sy ronono, na chapelure na biscotte (levonina ao anaty ronono izany)

Farilac sy yaourt nature

Vovo-katsaka sy ronono

Mangahazo sy ronono

Azo atao koa:

Laitage ( petits suisses (2) , yaourt (1) , na 150 ml de lait 2ème âge)+ voankazo (100 ml)+ biscuit.

Hariva:

Vary sosoa sy laoka

Vary amin’anàna na lasopy

Apango malemy (aza atao may loatra ny vary, fa tsy dia tsara sady mangidy) sy laoka maivana (izany hoe legioma fa tsy asiana hena intsony akory)

Dessert:

Rano fisotro madio

Ranovola na tapak’akondro

+Fatran-dronono hariva

Azo atao koa:

lasopy legioma marihitra  (180 ka hatramin’ny 200ml) sy gruyère râpé na dibera kely, arahina laitage na voankazo (100ml).

Fanamarihana:

Aza adino ny manome rano madio ny zaza isakin’ny sakafo

Indray isan’andro ihany ny zaza no tokony mihinan-kena: atody, akoho, hen’omby , trondro

Atao betsaka ny legioma ary ampiarahana vary na ovy, na paty foana

Aza adino ny manome ronono azy (fromage, rononon-dreny, ronono ho an’ny zaza sahaza ny taonany, yaourt nature)

Atao madio foana ny fitaovana ampiasaina ho an’ny zaza, indrindra ny biberon sy ny vilany andrahoana ny sakafony)

Samy manana ny fitombony ny zaza tsirairay, misy mahery mihinana misy kely tenda. Rehefa salama vatana sy tomady izy ka tsy mihen-danja dia tsy misy atahorana izany. Manantona dokotera raha toa ka misy manahirana anao.

36 Responses à ““Menu” an’ny zaza 8- 10 volana”

  1. faly miarahaba tompoko
    Mba saika hanontany azafady, ny fatran’ny rononon’ny zaza 10 volana, raha sotroiny amin’izao dia impiry anle sotrokely sy ny rano (lait 2 eme age) raha afangaro amin’ny koba, na otri’izany dia otran’iza.
    Misaotra tompoko
    Ialisoa

  2. Ialisoa!

    Toy izao ny règle de base:

    1 mesurette rase de lait pour 30 ml d’eau

    Ny fatran’ny ho an’ny zaza 9 volana no miakatra dia 210ml pour 7 mesurettes rase de lait

    Raha afangaro amin’ny koba na farine (céréale ireny izany) dia 1g na 2g par mois d’âge et par jour no ilaina. Fa io moa miankina amin’ny haben’ny zaza! Ary tsara raha ny dokotera mpanaramaso anreo no manome ny lanja sahaza !

    Fa amiko manokana aloha dia tsy dia hitako izay hanatapohana koba na farine ny ronon-jaza e, efa ampy azy ny vary sns ambiny. raha tsy hoe angaha tena zaza farofy sy manify mihitsy dia hafa indray!

    Azonao omena mùisaraka koa anie ny koba sy ny farilac na céréles ireny e!

  3. Bonjour,

    Izaho mananjanaka 3 volana, mety efa azo omena sakafo hafa ankoatrany nonondreny ve ?
    Misaotra tompoko ?

    • Michel,

      Tsara raha miandry kely aloha ianao fa mbola tsy misy mahamaika ny mampiditra sakafo hafa nohon’ny nonon-dreny hatramin’ny faha-efabolany raha haingana indrindra. Raha ny tena tokony ho izy ary raha ampy aza tsara ny nono (mitombo lanja ara-dalàna izy izany) dia enim-bolana vao mampiditra sakafo .

      Dia mazotoa mampinono fa tsara ny nono e, ny sakafon’ny reny no atao tsara ihany koa dia mahazo otrik’aina maro ny zazakely (ronono, legioma, voankazo no atao betsaka e)

  4. @ ora toa inona no omena sakafo ny zaza 9 volana (emploi du temps ny sakafo isan’andro)

  5. mbola> toy ireo ora efa nomeko ireo ihany

    Maraina @ ora hifohazany mahazatra ka avy misolo lafika (couches)

    Amin’ny 10 ora raha ohatra ka tena maraina be izy dia efa nisakafo maraina (ohatra t@ 7ora tany)

    AMin’ny atoandro dia any @ 11 ora sasany any na @ ora raha nanao tsindrin-tsakafo kely

    Goûter @ 4ora any ho any

    SAkafo hariva @ 7 ora eo ho eo

    Raha araka tsara ireo dia tsy tena tsara. Amin’izay ny vatany dia zatra tsara ny ora fanomezana sakafo azy

    Mazotoa e

  6. Miarahaba tompoko,

    mba saika hanontany za, ny zanako 10 volana sy tapany zao, olona no mitaiza azy fa za miasa, mba tiako ho fantatra oe ara-dalana ve ny habeny raha 8kg 300 izy t@ feno 10 mois, vao teraka nefa izy 3kg800, botabotakely, nisy fotoana izy narary kibo, dia nihena ary tsy recupéré ny habeny h@ zao. Manantona dokotera izahay fa tsy hitako oe inona ny regime mba omena azy hampiverina azy ho botabotakely, izy misakafo tsara ary matanjaka saingy zatra nahita ilay febeny taloha za de lasa malahelo ndraindray mahita ilay feny nihena. Izy efa mandady ary efa mianatra mitsangana @ izao.
    Mba mangataka torohevitra
    Merci

  7. Volanjara,

    Misaotra nanoratra

    Rehefa salama sy mitombo saina tsara izy dia tsy misy atahorana aloha izany. Ny lanjany t@ vao teraka tsy midika inon’inona iny akory.
    Sady ny zanakao efa mandady sy andeha, izany hoe mi-dépense kokoa izy izany.
    Aza manahy fa ao anatin’ny “norme” tsara ny lanjan’ny zanakao

  8. Miarahaba tompoko,

    mba hanontany kely aho hoe, fa maninona no ny hodi-mofo ihany no omena ny zaza ? tsy mety ny ati-mofo ? ary azo lazaina eto ve hoe maninona no tsy mety ny ati-mofo ?

    misaotra mialoha, Vatosoa

  9. Vatosoa,

    Noho ny ati-mofo somary pâteux no antony tsy hanomezana azy, satria mantsy mety mahakenda azy iny rehefa lasa bolongana tsy mety voatsakony mihitsy.

    Fa rehefa miakatra ny taonany dia azonao omena azy tsara ny mofo na atiny na hodiny

    mazotoa e

  10. Salama tompoko,

    raha tsy diso ny fitadidiko dia amin’ny fonin’ny farilac misy soratra hoe azo ohanina manomboka ny 4mois,nefa koa tsy misy tsy mahalala fa tsara ny nonon-dreny ihany no omena ny zaza hatramin’ny faha 6mois.dia ahoana izany ny farilac?

    raha zaza 2.5 mois kay dia tokony impiry isan’andro eo no mivoaka(maloto)?

  11. SYlvie,

    Ny zaza 2.5 mois dia tokony hoe eo amin’ny 1 na 2 isan’andro eo. Indraindray aza misy zazakely tsy mikàkà 2 andro. Somary omena rano kely sy ovaina ny sakafony amizay fotoana izay.
    Raha mihoatra ny in-telo isan’andro kosa ny kàkà ary somary mandranoka dia mila manantona dokotera

    Momba ny farilac, azonao omena dieny faha-efabolana tokoa atao fanampin’ny rononon-dreny saingy ataovy mandranoka ary amin’ny goûter ihany. Raha nono fotsiny moa no tianao omena ny zanakao dia aza mividy farilac aloha fa andraso ny faha-enimbolana

    Mazotoa e,

  12. Bonjour daholo,

    Mba hatoroy ny fanamboarana kobam-bary nge zaho ho an’izay mahay eh! 7 mois mahery ny zanako izao ary efa manome fanampy tsakafo ho azy 2 fois par jours zaho ,ka nefa hitako leo izy le mihinana legume foana .
    Misaotra mialoha eh!

  13. bjr!
    7mois zao ny zanako, 10kgs izy de notenenin’ny pediatre oe tsy tokony omena farilac ony fa mavesatra be! ny sakafo tokony omena azy nefa tsy dia aiko loatra oe inona avy fa legume sy farilac ary koba sy jus fona no omeko azy! de legume iany no asainy omena azy! tsy maninona ve izany

  14. manahona i manjakarivo,

    ie matokisa ny pédiatre anao fa tsy maninona izany torohevitra omeny anao izany. Ary ny ronono kosa angamba mitohy hatrany? Tsy hoe régime akory no atao an’ny zaza fa jerena tsara kosa ny lanjan- tsakafo sy ny sokajy omena azy mba hifanaraka amin’ny taonany.
    izay o

    • Manahoana i Tatisy!
      Misaotra betsaka namaly ny fanontaniako! de légume iany zany ve no omeko azy! niefa 1kg 300 mantsy izy zao (tsy aiko ra nohonl’é sakafo na ilay izy narary fa narary koa mantsy izy)
      Ary ny mikasika an’lé kiné?? tokony zaza firy volana eo kay no azo atao an’izy io fa ny rafozako mantsy mi-conseiller an’io fona fa za mbola tsy mazoto. Refa marary mantsy ny zanako de na zay sery na zay koaka.
      Misaotra mialoha

  15. Azafady fa tsy azoko tsara, nihena 1kg300 izy ? Na izany aza Tohizana foana ny légumes ka, ny ronono dia izay fatrany ihany . Aza atao betsaka loatra ny hena fa izay lanja sahaza azy ihany koa

    Dia ny kiné dia tena tsara dia tsara tokoa, mahazo manao kiné ny zaza 7 volana, tena manampy azy hanala ny rehoka tavela anaty poumons any mihits io. SOmary mampatahotra kely ny mijery azy fa vetivety dia sitrana ny zaza amin’iny

  16. 8 volana ny zanako zao, efa misakafo tsara izy minana vary sosoa, legume sy fruits fa ny olana mafy kaka be fôna izy nefa efa omena rano fôna, sady le kaka tsy tena mavomavo fa ôtrany manopy mainty izany(mialatsiny fa ôtrany direct be za). Inona kay no mety mapatonga anizany?
    Firy volana kay ny zaza no maniry nify le zanako ao mantsy tô mbola tsy misy mipoitra kely akory.
    De ny zaza ve mila apenarina mandady sa tonga de hainy fotsiny izany? hihi
    misaotra betsaka amin’ny valiny

    • Manahoana o,

      Voalohany: Sao dia tia vary be dia ny vary no betsaka nohon’ny légume sy fruit ohatra? io mety maha-mafy kàkà mantsy (ranom-bary, vary) Raha toa ka misotro rano izy dia efa tokony ho tsara ihany izany. Ary rehefa mikàkà ve izy dia tena manena be toy ny hoe marary be mihitsy?
      Marihina aloha fa rehefa manomboka mihinana ny sakafo rehetra ny zaza dia mazava fa miova ny lokon’ny kàkà (manaraka ny sakafo hohanina) ary koa somary mafimafy izy noho ilay mihinana biberon na ronono fotsiny hatrizay. Mihamafy (bolongana) ary miha-misy fofona. Io tsy dia atao manaitra e! ihihi
      Raha toa ka tena mitohana elaela mihitsy izy dia azonao omena ranom-boankazo kely hanampy azy mba tsy haratra rehefa manena.

      Faharoa: Efa tokony hisy nify mipoitra anankiray na roa fa tsy misy mahamaika fa tsy mbola nisy kosa aloha olon-dehibe ka hoe tsy nisy nify mihitsy an, ary hoy ny ntaolo hoe tsara nify hono ireny ela vao mitsiry nify ireny e!

      Farany: Tsy mila ampianarina mandady ny zaza kà, izy ihany no mahita azy irery eo, dia misy tsy mandady koa anefa fa avy dia mandeha.

      Mazotoa dia aza misalasala raha mbola misy fa vonona foana izahay

  17. Misaotra betsaka @ valinteny
    Manena mafy izy refa mikaka fa tsy de tena oe ôtrany marary fa ita oe manena mafy be fotsiny izy.
    - aôna kay ny fanaovana compote (atao ao atrano fa tsy le vidina eny antsena reny), d
    - mahazo minana ny voankazo rehetra mou zany ny zaza 8 e?
    - mibotsina be ny kibony refa avy misakafo izy, mety tsy mampaninona azy ve zany?
    Farany, tokony firy litre kay ny rano tokony ho lanin’ny zaza ra zany 8 volana zany izy? ôtrany be pipy mantsy izy mila ho isaky ny 15 minutes sa mety misy marary anazy any no mampatonga an’izany?
    misaotra betsaka @ fanampiana

  18. Momba ny rano, ny zaza enim-bolana ka hatramin’ny herintaona
    - Ankoatran’ny ronono (mahatratra 500ml eo) dia rano madio 200 na 250ml eo dia ampy, azo soloina ranom-boankazo 50ml. Raha misotro rano, na ronono izy dia normale raha mi-pipi kà. Raha tsy hoe tena mitady rano foana foana foana koa angaha dia mila mijery dokotera

    - Ilay mibotsina ny kibo indray aloha dia tsy atahorana loatra angamba, voky izy izany. Mety nsy rivotra koa!

    - Ny compote indray dia andrahona anaty rano ny voankazo (ohatra paoma, paiso) dia rehefa manomboka miboledaka tsara sy ridritra (tsy atao be rano fa aleo ampiana tsikelikely) dia ampangatsiahana, totoina amin’ny mixeur, asiana siramamy kely. Azonao atao koa ny manapolesitra akondro, papaye, frezy dia atambatra amin’ilay paoma na paiso.

  19. Bonjour!
    Ny ahy kou zao ny zanako 8 volana sy herinandro, lasa aloha izy ra mihaotra @ankizy rehetra. Efa 4 zao ny nifiny sady efa mandady izy! misaotra anareo indrindra fa i Tatisy t@toro-hevitra rehetra teo.
    Dina: ra mafy kàkà ny zazakely dé lé votabia mixe-na asina siramany kely no itako vahaolana aingana! atao isan’andro a

  20. Manjakaviro>> misaotra betsaka fa tena itako sahirana mintsy le zaza-ko ao amle kakà.
    Resaka lanja ndray, 8 kg800 ny zanako tam 1 volana lasa zay de zao izy 9kg zany hoe 200g fotsiny zany no mba azony 1 volana, tsy misy atahorana ve zany hoe 200g zany no azony 1 volana nefa izy ary tena mahery misakafo be mintsy. Io lanjany io alou de mbola tfiditra tsara ao anaty courbe fa le gain mba azony en 1 mois no mampatahotra ahy de saika anontaniako fanazavana fanampiny Misaotra mialoha ho an’izay hamaly indrindra ho an’i tatisy.

    • Bjr!
      Ny zavatra hitako aloha a! refa manomboka manao effort ny zaza de tsy dé mahazo poids lotra! t@zanako nianatra nandady zao a! tena itako tsy nitombo mintsy! t@izy naniry nify mou de niena be aza!
      Tokony tsy misy atahorana zany refa misakafo tsara izy!

      • Manahoana indray o,

        Tena marina mihitsy ilay hoe tsy tena mitombo be toy ny taloha intsony rehefa manomboka manao effort.
        Aza dia atao didy jadona be koa ilay lanjan’ny zaza e, rehefa misakafo sy salama tsy marofy izy dia efa manambara fa mitombo ara-pahasalamana izany. Marina aloha fa mafy ilay izy tsy maintsy manao comparaison kely foana ny tena amin’ny maha-reny fa bon… hitanao ihany izy rehefa tena hoe hafahafa e. Mazotoa

  21. Manao ahoana daholo
    hono hoa 9 volana zao ny zanako dia tato ato izy lasa tsy tia zay sakafo omeko azy : indrindra ireo puree de legumes na compote de fruits … Nahazo farilac zay dia nandramako iny dia iny foana zao no tiany ?
    misy fiantraikany aminy fahasalamany ve raha hoe farilac foana no omeko azy refa ao antrano aloha fa any am creche aloha hony izy toa mihinana ihany … dia mety ho firy sotro -dronono eo ny farilac azo haniny a chaque prise ? dia sao mba afaka variena ilay farilac hoe afaka afangaro aminy inona ?
    ankotr’izay , sao dia misy mahafantatra zany koba aina ataon’ i taf zany ? toa tsara hony , za mantsy aty frantsa dia tsy dia haiko loatra , mikasa ny hanafatra za raha mahafa po ny be sy ny maro fa toa mampantajanka tsara hony, ny zanako mantsy somary kely zay
    misaotra betsaka anareo am torohevitra rehetra
    dia mba omeo resety sakafonjaza 9 volana azafady o

  22. Manahoana Norolalao,
    Valiako tsirairay ny fanontanianao:
    -Ny farilac aloha dia matetika omena ny maraina na amin’ny goûter ihany, izany hoe tokony tsy mihoatra ny indray mandeha isan’andro ny fanomezana azy. Ny farilac mantsy dia lafaranina atao bouillie, misy ny otrik’aina rehetra izy saingy tsy feno.
    Ny farilac dia azonao ampiarahana amin’ny tantely (1 sotrokely), Yaourt, purée de fruit, ranom-boankazo. Ny fatrany indray dia tena arakarakin’ny fahazotoany misakafo,

    -Ny koba aina indray dia farine infantile ihany koa: vary gasy, katsaka, soja, siramamy, voanjo, vitamine, calcium, sel mineraux no ao anatiny. Mahavitrika sy mahabotrabotra izy izany. Azo atao solon-tsakafo tsara ny koba aina satria azo hohanina in-droa isan’andro, ho an’y zaza 6volana ka hatramin’ny 23 volana. Ay natokana tokoa ho an’ny zaza tsy ampy sakafo sy tsy ampy lanja ilay koba. Raha hanafatra ianao dia amidy amin’ireny “hotelin-jazakely “ireny izy io, 150 Ar ny 35g.

    Asa raha misy namana tena nanadrana aloha eto fa raha ny hevitro tsy ny sakafo vita any ivelany ho an’ny zazakely aza ve no tena feno sy mitondra fahasalamana ho azy? Fa azoko tsara koa aloha ilay fitiavana te hanome sakafo vita malagasy ho an’ny zanaka e, ny farilac zao tena tsara ery. Na kobam-bary tsotra koa aza anie azonao hafarana e

    Alefako amin’ny manaraka aza ny resety zaza 9 volana e

    • Bonjour daholo,
      Za reto manana pb a! tato ato de marary fona ny zanako, mety @lé izy maniry ngambany fa tonga dia be dia be ny azy no miaraka mipotra!
      afak @ny manavy, dé folaka, afak @n’iny dé mikohaka ndray izy zao! tsy tiako omena fanafody tsony fa efa betsak zay nohaniny zay!
      Mba atorohy hevitra reto hoe inona no fanafody lé gasi2,amboarintsika reny no mahafaka kohaka a! 9mois et 3semains izy zao.
      Misaotra mialoha sahady.

  23. merci tatisy amin’ny valinteninao.
    dia miandry ny resety ho an’ ny zaza 9 – 10 volana eo zany.
    Nahazo ilay koba aina ihany za dia efa nandramako dia tena tiany zanako ilay izy ,elanelanelaniko 1 andro ny fanomezana azy . asiako fromage vache qui rit na kiri miaraka aminy dia tena laniny ny 1 sachet , fa indraindray za matahotra ihany nohon’ ny fisiany voanjo ao anatiny sao mahatonga allergie fa hatramin’izao mbola tsy naninona izy.

    Eny betsaka ny sakafo aty fa otrany mora makaleo an’ ny zanako

    Misaotra betsaka dia mirary soa

  24. Manjakarivo,

    Ilay manan-janaka kely anie dia fitaintaina sy tebiteby mandrakariva e, ny saina no atao matanjaka hoy ny renibeko izay fa mandra-paha4taonany eo dia hifandimby ny sery sy ny kohaka, dia hiova indray ny aretina rehefa avy eo.
    Ny azo atoro anao voalohany aloha dia ny:
    -fanadiovana ny orony tena atao loha-laharana mihitsy. Mampiasa sérum physiologique na rano-tsira rehefa mampandro azy iny, na koa ireny mouche bébé ireny rehefa tena tsentsina be ny orona.

    Ny sery mantsy no midina any amin’ny tenda ka mitarika kohaka, na ny kohaka (tratran’ny hatsiaka) no mitondra sery ihany koa.

    Raha tena mikohaka be, dia ny haingana indrindra raha misy rehoka be ny tratra dia ny kiné-respiratoire (impressionnant be fa tena efficace be mihitsy)

    Ary ny fanaon’ny renibe-tsika taloha dia orina amin’ny menaka gisa na gana ny tratra, ilay menaka mandry iny hangalana kely dia ahosotra amin’ny fela- tànanao, dia hafanaina amin’ny labozia (atao eo ambony labozia ny fela-tànana ahazo hafanana) dia iny no hanorana ny tratrany

  25. Norolalao,

    Mahafinaritra izany rehefa nahazo ny tsiron-tsakafo tiany ny zanakao. Mora mankaleo tokoa anie ny sakafom-bazaha e, hafahafa na ny texture na ny lokony na ny tsirony. Industriel be o?

    Raha toa aloha izy ka tsy mbola manao réaction amin’ilay voanjo dia arahaba soa arahaba tsara izany, enga anie hitohy.

    Mazotoa daholo

  26. Nena ndray 6mois zao efa nanomboka 5mois izy no nisakafo fa purée de legume fona no nomeko azy de ranom-bary t@zany fzao izy efa omeko karazany hafa fa tsy maitsy misy legume fona san’andro de mahagaga ana fa mafy kakà be fona izy tena manena be sady mitomany fona izy vao mahalatsaka de tena itako mafy le izy mivoaka avy ao, ny jus tomate sy orange nef de ampifandimiasiko isan’andro. De asiko savony kely fona izy vao matafavoaka tena ngamb le izy, izy alou d ts mahalany rano ra le rano tsotra fa ny jus tomate izy no minana tsara de zay no angatahako torohevitra fa mapalaelo kely ahy izy. Merci

  27. Mino> Ary manao ahoana indray aza ny fangaron’ilay legioma omenao azy? sao dia marihatra be koa na hoe be ovy sy karoty ohatra?

    Ny rano aloha dia tena tsara raha misotro izy isakin’ny avy misakafo ohatra, ny jus d’orange indray dia aza atao betsaka fa mbola latsakin’ny 6 mois izy ka somary mangirifiry amin’ny vavony keliny (ohatra hoe maraina ihany)

    izaho manokana aloha dia tsy dia an’ilay asiana savony na hoe zavatra hafa (thermometre) satria mety hi-irrité sy handratra ilay fitombenana kely izay mbola manify hoditra iny, fa hevitro io

    Andramo koa atao menaka 1 sotrokely anaty purée-ny dia orina ny kibony hoe

  28. ie somary efa mariatra no nomeko azy teo aloha fa 1karaoty;1ovy;1poireau de ravi-tsalady fzao naveriko nitsiranoka ndray d’efa tsde nanin izy fa ny saika anontaniako ndray de we tsy mampaninona ny zaza ve ny mande mi-voyage @ alina ary voatery ande taxi brousse, inn avy ny fikarakarana tkny atao azy ny andro nef ririnina. Merci @ valin-teny

  29. Mino> enga anie tsy tara loatra ny valin-teniko. Fa na izany aza dia valiako ihany aloha.
    Ilay alina na atoandro aloha dia ny fahitako azy hoe ny fanoloana zaza sy ny moka no mety hanahirana. Raha atoandro mantsy dia tsy dia hananosarotra ireo. Raha ny fijeriko izao dia angalana toerana manokana ilay zaza raha hoe alavitra ny aleha satria mbola kely, mila mitsotsotra ny lamosina fa reraka tsinona nohon’ny làlana, mikitôtôna sns, dia atao anaty berceau kely na itondrana botofotsy dia atao ambony eo. Nefa moa io asakasakin’ny tsirairay (frais sns, halavirana)
    Atao mafana tsara izy fa rehefa anaty tomobilina dia aza dia rakofana be fa tsemboka be , nefa efa mafana be satria be olona, dia omeo rano na nono matetika.
    Tsy misy fikarakarana be hoe ahoana fa araho-ny instinct anao maman a!

Rétroliens

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.