| Miarahaba an’i kilonga.com,
Izaho izay manoratra dia renin-jazakely vao efa-bolana, mitady fanampin-tsakafo na “recette” ho an’io zazakeliko io aho mba hampitombo azy tsara sy hahasalama azy tsara.
Raha mba azonareo hatao dia mba andefaso toro-lalana mikasika izany aho fa tsy mbola mahalala.
Misaotra indrindra.
Sylvie |
[Kilonga.com]
Miarahaba anao,
Raha ny tsara indrindra dia tohizana ihany aloha ny nono mandrapahatongan’ny fahaenimbolan’ny zaza.
Raha toa ka mitombo ara-dàlana izy ka tsy mihen-danja dia tsy misy tsara afa-tsy ny nonon-dreny ihany
satria iny dia miaro azy amin’ny aretina ihany koa.
Azonao atao ihany anefa manomboka eo amin’ny fahadimy volana eo, ny mampiditra legioma “maitso”. Ataovy
tsirairay aloha, atomboy amin’ny karoty, haricot vert, épinards, courgette (esorina ny voany sy ny hodiny), poireaux
(ilay vodiny), voatavo, betteraves, anandrano kely. Andrahoana amin’ny rano kelikely mahamasaka azy ireo ary asiana
ovy miaraka aminy. Ovaovaina ny legioma, azonao atao Telo (3) karazana ohatra: karoty, ovy, courgette.
Azonao atao ihany koa ny maka ron’ny legioma ho anareo olon-dehibe, iny no andrahoana ny kobam-bary na
koba katsaka (vidiana eny amin’ny PMI). Potsehina halemy tsara ny legioma tsy atao amrihitra na mandranoka be.
Aza mbola ampidirina aloha ny laisoa, céleris, persil, poivrons, aubergine (any amin’ny 9 volana any).
Asio menaka manta kely dia kely, na dibera ny sakafony. Tsy asiana sira mihitsy ny sakafon-jaza.
Tsy mbola ampidirina ny hena (miandry 7 volana eo)
Azonao atao any amin’ny herinandro faharoa ny mampiditra voankazo (atao compote), asiana siramamy kely dia kely
raha toa ka marikivy loatra (paoma, paiso, papaye). Mila mitandrina amin’ny fraise, mangue, letchis. Ajanony ny coco
fa matetika tsy zakany raha tsy any amin’ny 2 taona mahery any izy.
Ampitomboy hatrany ny lanjan’ny legioma omenao azy mandrapahatonga any amin’ny (200g) sy ny voankazo (120g),
ary ampidino torak’izany ny isan’ny nono. Anjaranao no misafidy na mbola tohizana (maraina sy hariva ihany ohatra)
na hajanona tanteraka ny fampinonona.
Azo atao koa manome ranom-bary sosoa sy patsa voatoto, na voanjo voatoto (ataovy kely dia kely aloha fa sao tsy zakany)
Amin’ny voalohany mety mbola 3 na 4 sotro lehibe no laniny, aza kivy fa ampio nono aloha. Avy eo rehefa
fantany ny tsirony dia mazoto homana izy.
Manantona dokotera avy hatrany raha toa ka hitanao fa misy zavatra hafahafa mahazo azy (mivonto ny tarehy, mena be ny vatana
mikonaina tsy toy ny isan’andro, mivalan-drano, mandoa be aorian’ny sakafo ary miverimberina)
Aza adino manome rano madio ho an’ny zazakely, na mafana na mangatsika ny andro.
Tsy mila asiana siramamy
Dia maroroha taiza e!
contact@kilonga.com


