janvier 24, 2012

Madagascar : rondes, comptines et berceuses par Mbolatiana

Misaotra an’i Mbolatiana sy izay nandrindra rehetra an’ity kapila ity manokana i kilonga.com fa tena hevitra tsara sy mety ny nataony. Na ny fampahafantarana ny hiran’ny zaza, ny feo mozika malagasy, ny fitazomana azy ho mandrakizay ho henoin’ny taranaka maro mifandimby fotsiny aza dia efa mahafaly ny fo. Na ho anay lehibe aza dia mahatsiaro sy miverina amin’ ny fahazazana indray, ka vao maika moa ny fitiavanay ampita izany amin’ny zanakay dia tena mahafinaritra ery. 

Mahafinaritra sy ilaina ihany koa ilay izy ho an’ireo miara miasa amin’ny zaza rehetra na samy malagasy na ireo any am-pita mba ampahafantarana ny zaza vahiny feo mozika hafa sy ahalalany an’i Madagasikara sy ireo kilalaon’ny ankizy ao . 

Grand coup de coeur pour Bonbon sigarety, Izaho anie dia zazakely, Nankaiza i Margerity! MISAOTRA MISAOTRA MISAOTRA… mankasitraka e

————————–
L’album Madagascar, rondes, comptines et berceuses, présente quelques images familières de l’enfance de Mbolatiana.

Le lémurien aux grands yeux qui se déplace son petit agrippé à son cou (regarde le lémurien ), l’oiseau blanc que la maman malgache invoque quand son bébé pleure pour qu’il le prenne se calmer dans les prés avant de le lui rendre (l’oiseau blanc) les rondes de cour de récréation (Où est Marguerite ?) (Bonbon cigarette), (Koman sa va doudou) ?et les danses festives où, immobile, on agite les mains comme le battement rapide des ailes rapide du faucon crécerelle (Danse crécerelle ).

Mbolatiana, installée en France depuis dix ans, est née dans une famille de musiciens malgaches. Interprète de l’hymne des IIIe JEUX DE LA FRANCOPHONIE en 1997, elle s’est aussi produite en 1999 au Palais des sports d’Antananarivo lors d’un trio avec Jean Jacques Goldman et Michael Jones.

Les rondes, comptines et berceuses malgaches sont une rareté dans la discothèque enfantine.

Madagascar : rondes, comptines et berceuses en détail

Mbolatiana : voix, chœur
Benjamin Andrian : guitare, katsa, choeur
Jean Charles Razanakoto : marovany, valiha, choeur
Jean-Emile Biayenda : djembé, derbouka, bongo, congas, udu, ravane, calebasse, cajon, cymbales, maracas, carillon, triangle
Référence CD : 486080 DISTRIBUTION RUE STENDHAL
Prix public : 17,90€

Ce que dit la presse 

Artistes
Mbolatiana : voix, chœur – Benjamin Andrian : guitare, katsa, choeur -Jean Charles Razanakoto : marovany, valiha, choeur -Jean-Emile Biayenda : djembé, derbouka, bongo, congas, udu, ravane, calebasse, cajon, cymbales, maracas, carillon, triangle

Vu dans la presse

- …. La jolie voix de MBOLATIANA est accompagnée par la guitare de Benjamin ANDRIAN, les nombreuses percussions de Jean-Emile BIAYENDA et les instruments malgaches (valiha, marovany) de Jean-Charles RAZANAKOTO. Les 18 titres de ce bel album évoquent le lémurien, animal emblématique de l’île mais aussi les danses et les jeux des cours de récréation. Certains reconnaîtront au passage des airs de Noël venus d’Europe mais chantés dans la langue de là-bas.” Ethnotempos 11 décembre 11
- “Discrète, si discrète Madagascar… Des airs traditionnels comme il se doit, des danses festives et entraînantes, des comptines pour s’endormir ou se mettre à rêver. Un disque pour s’évader, s’émerveiller, danser…” http://potinsenfantins.blogspot.com/2011/11/noel-malgache.html
- “… On entend sur ce CD des airs traditionnels témoignant des multiples typologies de chansons et de comptines malgaches ;: celles qui sont destinées à bercer les bébés (l’oiseau blanc), d’autres qui donnent envie de danser (danse crécerelle) , d’autres invitant à mieux connaître son corps (l’enfant propre), à créer des jeux de mains et d’adresse (Amina) etc”. Education Enfantine octobre 2011

- ”Les rondes, comptines et berceuses malgaches sont une rareté dans la discothèque enfantine. Voici de quoi réparer cette absence. Cet album nous propose une grande variété qui parle de thème divers, allant des animaux aux rondes de cours de récréation en passant par des danses festives. Des jolies musiques accompagnent les chansons.” ADEM 1er juin 2011
- “Madagascar ! Avec ces rondes, ces comptines et ces berceuses, on prend l’avion vers des cieux placés sous de beaux augures, avec un rythme endiablé et une langue généreuse. On découvre de pures merveilles à l’accent enchanteur et à la douceur des mots. On se laisse bercer par cette brise venue d’ailleurs qui met en éveil tous nos sens et notre grande sensibilité. Un bijou qui nous bouleverse tellement c’est bon de se retrouver !!!” Nathalie ZYLBERMAN Vallée F.M 98.4 – 23 mai 2011
- “Dès 2 ans. Des CD de comptines du monde entier chez ARB Music. Dernier-né : Madagascar. Pour familiariser les tout-petits à d’autres sonorités” ELLE – 29 avril 2011

janvier 24, 2012

Momba ny zaza 12- 24 volana: ny sakafony

Mitombo ihany ny zazakely, betsaka ny zavatra vaovao hainy: mihazakazaka, be kitikitika, mibadabada. Dada sy neny koa etsy andaniny efa organisé tsara. Ireto indray ary misy torohevitra vitsivitsy atolotra ho antsika e!

Ny sakafo: mahazo mihininana ny rehetra ve?

Betsaka isika reny no vaky loha mihitsy amin’ny fanomezana sakafo ny zanantsika. Mikarakara mafy ery ao an-dakozia ao dia rehefa iny mipaika ny ora hisakafoanana dia mikifin-doha fotsiny ilay zaza. Matetika rehefa tratra an’io dia lasa tsy mahandro afa -tsy ny sakafo izay tian’ny zanaka hohanina ihany. Ao ny mankafy potsitr’ovy-karoty-fromazy asiana toto-kena kely, ao ireo mankafy potsitra haricot vert sy courgette . Rehefa tsy manaiky mihinana afa-tsy ireo ary izy dia toa manahirana ery ny mieritreritra hoe “rahoviana ihany vao azo omena karazan-tsakafo hafa izay efa fihinanan’ny olon-dehibe sy matsirotsiro ery ny zaza, ka afaka mihinana toa anay?”. Mahazo mihinana endin-kanina ve ohatra, mayonnaise,  sy lasopy eny amin’ny restaurant izy?

Inona ary ireo sakafo aroso sy sahaza ny taonany?

Indreto indray ary ireo sokajy sy lanja vaovao mety ho an’ny zaza 12 ka hatramin’ny 24 volana.

Azo alefa tsikelikely ny fihinana legioma manta (crudités) toy ny betiravy, concombre, karoty .Tetehina madinika tsara na kikisana. Ampiakarina kely ny lanjan’ny hena sy ny nofon-trondro ka lasa 6 ka hatramin’ny 8 sotrokely (30-40g) na atsasak’atody masaka tsara isan’andro.

Ampidirina ihany koa ny voamaina (tsiasia, tsaramaso…) manomboka ny 15-18 volana. Izany hoe mihinana 300g na legioma maintso izy izany na vary ary azo ampiana mofo kely koa, raha tiany.

Omeo voankazo manta ihany koa izy, ampifampidimbiasana amin’ny totom-boankazo masaka (compote) eo amin’ny 150g eo isan’andro. Azo asiana siramamy kely, na tantely raha matsaboka loatra.

Tandremana tsara mihitsy ny menaka, ferana dia ferana. Dobera na menaka vezetaly no tsara, fadio ny hendin-kanina ho an’ny zaza.

Tohizana hatrany aloha ny ronono, 500ml farafahakeliny ka hatramin’ny 800ml isan’andro no sahazan’ny taonany, hatramin’ny faha-telo taona dia tohizana ny fanomezana ronono azy. Ireny lait de croissance ireny no tsara satria misy ny otrik’aina rehetra ilain’ny vatana. Raha tsy mety misotro ronono intsony izy dia azo atao tsara ny manome yaourt, fromage blanc, petits suisses, fromage.

250ml na ronono= 1 yaourt = 1 part-na fromazy (vache qui rit ohatra na fromazy hafa)

Torohevitra avy amin’ny crèche!

Mihinana ny rehetra ve ny zanakao rehefa mandeha any amin’ny crèche? Ary dia mahagaga anao tokoa izany satria ao an-trano izy dia manda mafy mihitsy. Fa ahoana ary ny fikafika any e?

Manana secret ve sa manao mazia ry zareo?

Gaga ianao fa rehefa misy tsirona voatavo ny lasopy dia tsy mihinana izy any an-trano kanefa dia hohaniny tokoa izany any an-tsekoly. Hoy ny mpiandraikitra ny crèche hoe hasaraka daholo ny karazan-tsakafo omena azy, ary atao hitan’ny  masony avokoa izany. Mahasarika azy ny loko, ny fofona, ny habetsakin’ny sakafo eo am-bilia. Ireo fotsiny dia mety handrisika azy hanandrana izay atolotra azy. Ary raha toa ka mahery loatra ny tsiron-tsakafo dia tapohina ronono kely, na koa dobera.

Fahanana sa avela hitsatsaingoka?

Marina fa tena mafy dia mafy amintsika ray aman-dreny sasany ny mahita ny zaza sy ny latabatra mihosin-doto. Ao koa ireo ray aman-dreny tsy mahandry tantana na maimaika ka voatery mamahana ny zaza mba ho vita haingana ny sakafo. Tsara ihany anefa ny zaza raha avela mihinana irery na amin’ny tànana na omena sotrokely tazomina satria izany no hampianatra azy ahay hitazona sotro sy hihinana irery any aoriana hoy ny mpiandraikitra crèche. Manomboka eo amin’ny 15 volana eo dia mazoto mihitsy mangala tahaka izy ka tsara araraotina izany.

Tohanana hatrany ny ankizy: rehefa eo amin’ny 18-20 volana eo dia mazoto ny zaza hanao zavatra irery, ny famelàna azy hanao izany dia handrisika azy ahavita tena.

Tairitairina ihany koa ny fahazotony homana. Raha toa izy ka tena tsy mazoto mihitsy dia tsy terena akory fa averina omena azy indray iny afaka andro vitsivitsy (nahandro vaovao an!)

Fadio sy tandremo:

- ny trondro sy ny hena endasina ka nampiasana menaka be loatra, na ny nahandro pané

- ny charcuterie toy ny mortadelle, saucisson afa-tsy ny jambon blanc maigre (ho antsika ray aman-dreny mipetraka aty ivelany moa io)

- ny frite sy endin-kovy rehetra

-ny mofomamy isan-karazany be siramamy sy lafarinina

- ny sakafo rehetra vita industriel

Tandremana ihany koa ny ravina salady, voanjo, voan-javatra fa tia rairay ny zaza izao ka sao kenda!

Ary inona indray ny goûter?

Ronono sy sokolà na ranom-boankazo

Ny toton-katsaka ( polenta) na totom-bary  (crème de riz, semoule) ampiana voankazo masaka tsara na nandrahoana raha tena noana be

Mofo sy fromazy kely, ampiana rano na ranom-boankazo

Mofo na biskoty (2) sy sokola 2 na 3 carrés eo,na mofomamy (20 na 25 g) ampio voankazo (masaka na compote) raha tiany

Indraindray koa azo atao ny manome yaourt, petit suisse na fromage blanc asana siramamy kely raha tsy nihinana izy ny atoandro.

Aza adino hatrany ny rano madio fotsy mangarahara e.

Maroroa taiza ary o!

décembre 19, 2011

Tera-bao: te hiverina amin’ilay bika taloha

Nahatsikaritra daholo angamba isika vehivavy bevohoka fa nisy fiovana maro tao aorian’ny fiterahana. Faharerahana, fitomboan-danja, fahavesaran’ny tongotra… Mikarakara  tera-bao andro aman’ alina, tsy moramora tsy akory. Na dia sarotra aza io fotoana io dia aza adino fa tokony hisy fikarakarana ihany koa ny vatantsika vehivavy. Torohevitra kely mety ahasoa indray no omen’ny kilonga.com antsika anio.

Hiverina amin’ilay taille 36- 38 taloha ve?

Marina fa tena nisy fiovam-bika be isika vehivavy rehefa avy teraka, na dia zava-tsoa aza ny naterakan’ny fitondrana vohoka. Mety ho kivy isika rehefa mijery fitaratra: tsatsakoatra, be fe  be , be kibo, saingy tsy tokony ho maika loatra amin’ny finiavana hanen-danja aloha. Indrindra ny 3 volana voalohany, manjary tsy ny tavy no lasa fa miroraka ny hozatra ka mety hanimba vatana indray. Kely sisa e!

Azo atomboka ny régime rehefa mihatsaratsara ny morale.

Fantatrareo moa fa mandalo amin’ilay fotoana hoe baby blues isika vehivavy rehefa avy miteraka?  Somary kivikivy na malahelohelo lalandava izay, rehefa afaka io fotoana io dia afaka atomboka ny fanenan-danja. Alefa moramora izany  ary atao izay mahafaly koa sy mahasoa satria aza adino fa mila tanjaka isika hikarakarana ny zazakely. Aza atao ambanin-javatra ny fihinana ny otrik’aina ilaina rehetra (ronono, hena, legioma, voankazo)

Aza adino fa tsara ny mihinana sakafo mitondra otrik’aina mahavitrika.

Raha misy sokajin-tsakafo tsara ahena ny fihinanana azy, dia misy kosa ireo tokony hampitomboana kely. Ny lafarinina, ny alkola sy ny menaka avy amin’ny  hendihendin-kanina ohatra tsy dia tsara loatra. Ny tena tsara dia ireo mitondra calcium toy ny ronono, fromazy, legioma sy voankazo be otrik’aina. Aza dia atao betsaka ny fihinana tavy azo avy amin’ny biby fa tsy tsara, ny henan-kisoa sy henan’ondry ohatra. Ataovy betsaka am-bilia ny trondro sy ny henan’ akoho. Ary raha mampinono ianao dia tokony ho voalanjalanja tsara daholo ny fihinana ny karazan-tsakafo rehetra satria izay hohanintsika ihany no mankany amin’ny zazakely.

Mahazo manao gourmande ihany kosa indraindray e!

Ranom-boankazo mampavitrika: voasary, frezy, akondro, sakamalao (olona 4). Voaso ary kikiso ny sakamalo mbolongana kely toy ny fanondro. Sasao ary karakarao ny frezy , avy eo dia teteho majinika, dia toy izay koa ny akondro. Voaso ny voasary ary teteho koa. Alefaso anaty mixeur ireo rehetra ireo, miaraka amin’ny ronono 30cl eo ary ilay sakamalao teo. Ampangatsiaho anaty frizidera ora vitsy dia sotroy amizay. Tsara ery e!

Aza atao tsinotsinona ny sakafo maraina.

Zava-dehibe mihitsy ny sakafo maraina. Vary sosoa sy kitoza, na omelety na legioma koa mety (haricot vert, anana saosy) dia tena mitondra hery ho an’ny vatana mihitsy. Indrindra raha reraka nifoha mandrakalina (nampinono, mampatory zaza). Raha tsy mahavita mihinam-bary dia azo atao koa ny misotro dité mafana, na kafe au lait sy mofo; ampiarahana amin’ny dobera , na tantely. Mazotoa homana e

Aza mitazona karazan-tsakafo mampatavy ao an-trano

Tsy dia tsara loatra ny manana an’ireny chips, biscuit, voanjo sns ireny anaty garde à manger fa mitondra fakam-panahy. Raha misy mpanatitra sakafo any am-piasana ohatra dia aleo maka yaourt toy izay katlesy , na sambos, na mofomamy. Ao an-trano koa dia tokony hisy corbeille à fruit feno foana, ka zarina ny rehetra hihinana an’ireo raha noana . Ilay mihinana am-povoan-tsakafo (grignotage) no tena ratsy satria tsy voafetra ny lanja. Fa raha tena noana dia safidiana ny sokajin-tsakafo hohanina.

Inona ary ny goûter an’i Neny e?

Andramo anie fa indraindray misotro rano fotsiny dia afaka ny hanohanana e! Na dite io, na kafe. Raha tena noana be ohatra amin’ny  5 na amin’ny 6 iny dia aleo asiana paoma kely, na yaourt nature toa izay mofomamy be lafarinina na mitsako kkpigeon lava eo. Kony e!

Mizatra mahandro legioma isan’andro!

Misy ireo zatra misakafo matsiro isan’andro, ao ny vady mila kojakojaina, ny fahafinaretana mahandro. Saingy aza atao be menaka loatra fa aleo aza atao matsiro amin’ny fofompofona isan-karazany toy ny tongolo lay, thym, persil sns. Aza adino ny mampiaraka ireny amin’ny legioma (manta na masaka) Ataovy be loko. Isika eto Madagasikara dia tena sambatra mihitsy amin’ny safidy ka aza atao ambanin-javatra ny manovanova azy. Tsy voatery ho ron’anàna foana. Isika aty ivelany koa dia tokony hizatra izany. Ampiaraho amin’ny trondro, na henan’akoho dia asio vary kely fa ho voky tsara ianao, aza adino ny tsindrin-tsakafo natioraly.

Tsy midina ambanin’ny 1300 calories!

Raha vonona hanen-danja amizay dia atomboka moramora, ary tohizana tsara ny fihinana sakafo ara-dalàna, ahena ny fihinana siramamy sy sira be loatra. Tadidio koa fa rehefa avy teraka dia misy lanja tsy maintsy very (eo amin’ny sivy kilao eo) . Ampiana koa ny fanaovana fanatajahan-tena malefaka (fandehanana tongotra dia efa ampy, 30 mn isan’andro eo)

*Araho eto amin’ny kilonga.com ny mombamomba ny zaza 12 ka hatramin’ny 24 volana
novembre 9, 2011

Grosse Colère: le livre qui sauve les mamans!

As- tu déjà croisé GROSSE COLERE? Cet être maléfique qui prend possession de tes enfants? L’as tu déjà surpris au supermarché, dans un restaurant chic ou encore à table avec plein d’invités?  

Bref si comme moi tu as remarqué qu’il s’invite toujours au mauvais moment . Je te conseille juste de lire Grosse Colère de Mireille d’Alancé

Le meilleur moment pour expliquer la colère à son enfant serait le soir, juste avant le coucher ou pourquoi pas juste après une grosse crise, un gros dégât. Parce que comme disait ma grand mère on ne laisse jamais son enfant dormir en étant en colère ou triste ou affamé! 

Cela vous permettra ensuite d’user le mot Grosse Colère à chaque fois qu’une crise d’hystérie fait son apparition car Grosse Colère il sort, il sort, il sort et quand une fois il devient grand il fait de très gros dégât qui peut énerver soi-même (l’enfant), papa et maman mais aussi grand et petit frère et soeur.

Alors n’essayions surtout pas de le contenir dans notre for intérieur car ce sera encore pire… enfin vous êtes prévenues :)

novembre 4, 2011

Maman et Bébé (télé-)travaillent

Méprenez-vous ! Je n’exploite pas ma Sunshine quoiqu’elle commence à bien manier le petit chiffon et le plumeau pour bien nettoyer les gouttes tombées de sa gourde…la grande fifille à sa maman. De toutes façons il n’est jamais trop tôt pour bien inculquer les bonnes bases pour en faire une petiote indépendante et volontaire (Merci Madonna!) du coup je n’ai eu aucune hésitation à intégrer ce post dans la série “Expériences Maman-Bébé” car comme disait Elisabeth Badinter :“Femme…Mère….conflit…blablablabla….”*.

C’est vers le 18è jour après mon accouchement quand je me mis à contempler la quantité de messages stockés dans ma boîte e-mail dans la catégorie “boulot” (après avoir passé beaucoup trop de temps à me gargariser de la catégorie “félicitations”) et que je me rendis compte que j’allais me faire ch*** à repasser ces satanées couches lavables, que je pris la décision de reprendre ma petite carrière en main. En plus il fallait bien trouver des sous pour acheter ces satanées couches jetables (suite logique).
Les filles. Je n’ai aucun conseil ni de confession à apporter ici en ce qui touche les négociations/recherches et les termes des contrats pour gagner sa vie décemment de la maison, toujours est-il que mon seul et unique souci restera de préserver le petit bonheur familial que nous avons construit et dans lequel Sunshine grandira pétillemment. Par contre je vais en étaler pas mal au niveau du vécu et du regard de compassion “ben tu l’as demandé maintenant tu l’as donc ferme-la et bosse” de mon entourage.

Télétravail semble être un mot qui sort du futur si on prend le fait que j’ai ma main gauche scotchée à mon iphone 24/7 pianotant des emaileuh, téléphonant à untel fournisseur ou sortant du passé si on considère que depuis des millénaires des mamans passent des nuits à broder leurs ouvrages sous la lueur d’une bougie afin de pouvoir subvenir à leur foyer. Télétravail dans mon expérience veut tout simplement dire : Le bordel! Télétravail! Que dis-je? Travail tout court oui!

Bien sûr tu passes plus de temps avec ton enfant, trop même, genre, l’enfant en question trépigne de plaisir pendant les appels-conférence et ses premiers babillements incluent “Alloooo”, qu’elle t’arrache d’une bonne poignée de main les touches de ton clavier ou mange goulûment ton ipod et que tu passes 4h (facturées au client of course) au Genius Bar à réparer le crime.

Bien sûr que le papa a été totalement réceptif et que le partage des tâches à la maison s’est réparti de manière scientifique. Non tu ne peux pas tout simplement passer le swiffer, ce truc coûte la peau des f***, utilise le balai ou l’aspi d’abord pour la poussière. Oui je vais apprendre à dire “s’il-te-plaît mon chéri” avant de t’engueuler au sujet des chaussettes qui poussent partout surtout sous le lit. Non je ne peux pas passer au pressing déposer tes chemises j’ai pas le temps et Non je ne vais pas passer un après-midi entier à les repasser. Oui je mérite une pause de 60 minutes pour mater ma série pendant que tu baignes/habilles/nourris la gamine. Pas ce soir… j’ai un deadline demain… mais je t’aime hein. bref.

Bien sûr que tu es plus épanouie. À un point tu penses à te brosser les cheveux sur le chemin avant le meeting tellement tu passes des journées É-PAS-NOUÏ-E en pyjama. Tu es tellement contente de ne pas avoir à écouter les ragots des collègues que tu te surprends à babillonner comme la petite ou à parler toute seule. À peine si tu ne te fringues pas comme au réveillon lors des (très rares) sorties avec les copines. mamans. elles aussi. car les célibataires elles t’ont zappée elles ont une carrière à courrir après. LOL!

* J’ai toujours pas fini de lire son bouquin mais je suis certaine qu’elle va conclure par un truc hors du commun des mortels. bref. ce post sera mis à jour quelque part avant les 18 ans printemps de la petite car paraît-il que mon contrat de maman va durer aussi longtemps….

Jogany :)
Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.